Hitondra Fitahiana Ilay Mpanjaka Tarihin’ny Fanahy!
Hitondra Fitahiana Ilay Mpanjaka Tarihin’ny Fanahy!
“Hitoetra eo aminy ny fanahin’i Jehovah.”—ISAIA 11:2.
1. Inona no nolazain’ny olona sasany momba ny olana eran-tany?
HOY i Stephen Hawking manam-pahaizana, tamin’ny 2006: “Ahoana no mbola hahatafavoaka velona ny olombelona ato anatin’ny 100 taona, raha jerena izao korontana misy eo amin’ny fiaraha-monina sy ny politika ary ny tontolo iainana izao?” Hoy ny gazety Mpitondra Fanjakana Vaovao (anglisy): ‘Tsy nahafoana ny fahantrana isika na nampisy fiadanana eran-tany. Toa ny mifanohitra amin’izany aza no vitantsika. Efa niala nenina anefa isika, satria nandramantsika ny karazam-pitondrana rehetra, toy ny kominisma sy ny kapitalisma. Nanandrana fomba samihafa koa isika mba hisorohana ny ady. Natsangana, ohatra, ny Fikambanam-pirenena. Teo koa ny fanamboarana fitaovam-piadiana niokleary maro be. Sarotra inoana anefa hoe ho haintsika ny hampitsahatra ny ady.’
2. Ahoana no hampisehoan’i Jehovah fa manan-jo hitondra ny tany izy?
2 Tsy mahagaga ny mpanompon’i Jehovah anefa izany. Milaza ny Baiboly fa tsy natao hitondra samirery ny fiainany ny olona. (Jer. 10:23) I Jehovah ihany no manan-jo ho Mpanjakantsika. Izy irery àry no manan-jo hanome fitsipika ho antsika, sady hamaritra izay ho tanjon’ny fiainantsika sy hitarika antsika ho amin’izany. Tsy ho ela izy dia hampiasa ny fahefany hamaranana ny fitondran’olombelona tsy mahomby. Horinganiny koa ireo rehetra mandà ny zony hitondra, ka mahatonga ny olombelona handevozin’ny ota sy ny tsy fahalavorariana ary handevozin’i Satana Devoly, ilay “andriamanitr’ity tontolo ity.”—2 Kor. 4:4.
3. Inona no efa nolazain’i Isaia momba ny Mesia?
3 Hampiasa ny Fanjakan’ny Mesia i Jehovah ao amin’ny tontolo vaovao, mba hampisehoana fa tiany ny olombelona sady manan-jo hitondra izy. (Dan. 7:13, 14) Hoy i Isaia: “Hisy rantsana hitsiry avy amin’ny foto-kazon’i Jese, ary hisy tsimoka hipoitra avy amin’ny fakany ka hamokatra. Hitoetra eo aminy ny fanahin’i Jehovah, dia fanahy manome fahendrena sy fahiratan-tsaina sy torohevitra sy hery sy fahalalana, ary tahotra an’i Jehovah.” (Isaia 11:1, 2) I Jesosy Kristy io “rantsana hitsiry avy amin’ny foto-kazon’i Jese” io. Ahoana no nanampian’ny fanahin’Andriamanitra azy hahafeno fepetra ho Mpanjaka? Inona no fitahiana hoentin’ny Fanjakany? Inona no tsy maintsy hataontsika mba hahazoana izany?
Natao hahafeno fepetra hanjaka
4-6. Inona no fantatr’i Jesosy ka mahatonga azy ho hendry sy hangoraka rehefa lasa Mpanjaka sy Mpisoronabe ary Mpitsara izy?
4 Mpanjaka sy Mpisoronabe ary Mpitsara tena hendry sy mangoraka no tian’i Jehovah hanampy ny vahoakany ho lasa lavorary. I Jesosy Kristy àry no nomeny ny fanahiny masina, mba hahafeno fepetra hanao an’ireo andraikitra tena lehibe ireo. Diniho ny antony sasany ilazantsika fa ho vitan’i Jesosy tsara izany.
5 I Jesosy no tena mahalala tsara an’Andriamanitra. Io Zanaka lahitokana io irery no efa nahafantatra ny Ray hatramin’ny ela be, angamba efa hatramin’ny an’arivony tapitrisa taona. Nahalala tsara an’i Jehovah izy nandritra izany fotoana izany, ka azo nantsoina Kol. 1:15) Hoy mihitsy i Jesosy: “Izay nahita ahy dia nahita ny Ray koa.”—Jaona 14:9.
hoe “endrik’ilay Andriamanitra tsy hita maso.” (6 Ankoatra an’i Jehovah, dia i Jesosy no tena mahalala ny zavatra rehetra noforonina, anisan’izany ny olombelona. Hoy ny Kolosianina 1:16, 17: “[Ny Zanak’Andriamanitra] no nampiasaina tamin’ny famoronana ny zavatra hafa rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany, dia ny hita sy ny tsy hita. ... Nisy talohan’ny zavatra hafa rehetra koa izy, ary nampiasaina mba hampisy ny zavatra hafa rehetra.” Eritrereto ange e! “Mpiasa tena mahay” niaraka tamin’Andriamanitra i Jesosy ka nandray anjara tamin’ny famoronana. Fantany amin’ny an-tsipiriany àry izao rehetra izao, anisan’izany ny atidohan’ny olombelona. Mety tokoa ny iantsoana an’i Kristy hoe fahendrena.—Ohab. 8:12, 22, 30, 31.
7, 8. Ahoana no nanampian’ny fanahy masina an’i Jesosy, nandritra ny fanompoany?
7 Voahosotry ny fanahy i Jesosy. Hoy izy: “Ny fanahin’i Jehovah no ato amiko, satria nanosotra ahy hilaza vaovao tsara amin’ny mahantra izy, ary naniraka ahy hitory fanafahana amin’ny babo sy fampahiratana amin’ny jamba, hanafaka sy handefa ny ory, hitory taona fanehoan’i Jehovah fankasitrahana.” (Lioka 4:18, 19) Niharihary fa nampahatsiahivin’ny fanahy masina an’i Jesosy izay nianarany talohan’ny naha-olombelona azy, rehefa natao batisa izy. Anisan’izany ny zavatra tian’Andriamanitra hotanterahiny mandritra ny fanompoany etỳ an-tany, amin’ny maha Mesia azy.—Vakio ny Isaia 42:1; Lioka 3:21, 22; Jaona 12:50.
8 I Jesosy no lehilahy niavaka indrindra teto an-tany sady Mpampianatra lehibe indrindra, satria nahazo fanahy masina sady nanana vatana sy saina lavorary. “Nitolagaga” mihitsy ny mpihaino azy “noho ny fomba fampianany.” (Mat. 7:28) Fantatr’i Jesosy ny fototry ny olana mahazo ny olombelona, dia ny ota sy ny tsy fahalavorariana ary ny tsy fahalalana an’Andriamanitra. Afaka namantatra ny tena tao am-pon’ny olona sy nifandray tamin’izy ireo arakaraka izany koa izy.—Mat. 9:4; Jaona 1:47.
9. Nahoana no hatoky kokoa ny fitondran’i Jesosy ianao rehefa mandinika ny fiainany tetỳ an-tany?
9 Efa olombelona i Jesosy. Niaina toy ny olombelona izy ary nifandray akaiky tamin’ny mpanota. Tena nanampy azy hahafeno fepetra ho Mpanjaka izany. Hoy ny apostoly Paoly: “Tsy maintsy tonga tahaka an’ireo ‘rahalahiny’ izy tamin’ny lafiny rehetra, mba ho tonga mpisoronabe mamindra fo sy mendri-pitokisana raha ny amin’ny zavatra momba an’Andriamanitra, ka hanolotra sorona fampihavanana noho ny fahotan’ny olona. Fa noho izy efa nijaly rehefa niharam-pitsapana, dia afaka manampy an’izay iharam-pitsapana izy.” (Heb. 2:17, 18) Tsapan’i Jesosy tsara ny manjo an’izay iharam-pitsapana satria efa “niharam-pitsapana” izy. Nangoraka izy tamin’izy tetỳ an-tany. Tsy nisalasala nanatona azy ny marary, ny kilemaina, ireo voahosihosy, ary na ny ankizy aza. (Mar. 5:22-24, 38-42; 10:14-16) Tian’ny mpandefitra sy izay te hahalala an’Andriamanitra koa izy. Nanda sy nankahala ary nanohitra azy kosa ireo nanambony tena sy nieboebo ary ‘tsy tia an’Andriamanitra.’—Jaona 5:40-42; 11:47-53.
10. Ahoana no nanaporofoan’i Jesosy fa tiany isika?
10 Nanome ny ainy ho antsika i Jesosy. Vonona ho faty ho antsika izy. Izany angamba no porofo lehibe indrindra fa izy no mendrika ho Mpitondra. (Vakio ny Salamo 40:6-10.) Hoy i Kristy: “Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny mahafoy ny ainy ho an’ny namany.” (Jaona 15:13) Matetika no manararaotra ny hafa ny mpitondra tsy lavorary, mba hananana fiainana mampiadana. Tsy toy izany kosa i Jesosy. Ny ainy mihitsy no nomeny ho an’ny olombelona.—Mat. 20:28.
Nomena fahefana hampanan-kery ny vidim-panavotana
11. Nahoana isika no afaka matoky tanteraka an’i Jesosy Mpanavotra antsika?
11 Mety tokoa raha i Jesosy no voalohany hampanan-kery ny vidim-panavotana, amin’ny maha Mpisoronabe azy. Efa nasehony nandritra ny fanompoany tetỳ an-tany izay hataony amin’ny maha Mpanavotra azy, mandritra ny Fanjakany Arivo Taona. Handray soa avy amin’izany isika raha tsy mivadika. Nanasitrana ny marary sy ny kilemaina izy, nanangana ny maty, namahana vahoaka, ary nahavita nifehy ny natiora mihitsy. (Mat. 8:26; 14:14-21; Lioka 7:14, 15) Tsy ny hampideraderana ny fahefany sy ny heriny no nanaovany izany, fa mba hampisehoana hoe mangoraka sy be fitiavana izy. Hoy izy rehefa nangataka ny hositraniny ny boka iray: “Sitrako tokoa.” (Mar. 1:40, 41) Hangoraka ny olona rehetra eran-tany koa i Jesosy, mandritra ny Fanjakany Arivo Taona.
12. Ahoana no hahatanterahan’ny Isaia 11:9?
12 Nanomboka nampianatra momba an’Andriamanitra i Jesosy, 2 000 taona teo ho eo izay. Mbola hanohy izany fandaharana izany izy sy ireo hiara-manjaka aminy. Ho tanteraka àry ny Isaia 11:9 hoe: “Ho feno fahalalana an’i Jehovah ny tany, toy ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.” Azo antoka fa tafiditra amin’izany fampianarana izany ny fomba hikarakarana ny tany sy ny zavaboary eo aminy, izany hoe ilay asa nasaina nataon’i Adama. Ho tanteraka ilay fikasan’Andriamanitra ao amin’ny Genesisy 1:28, amin’ny faran’ny arivo taona, ary ho tratra avokoa ny zava-kendren’ny sorom-panavotana.
Nomena fahefana hitsara
13. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa tia rariny izy?
13 I Kristy no “notendren’Andriamanitra hitsara ny velona sy ny maty.” (Asa. 10:42) Mampionona tokoa ny mahalala fa tsy mety maty i Jesosy, ary toy ny fehikibo mifatotra mafy eo amin’ny andilany ny tsy fivadihana sy ny fahamarinana, na ny rariny. (Isaia 11:5) Nasehony fa halany ny faniriana tsy mety afa-po sy ny fihatsarambelatsihy ary ny toetra ratsy hafa. Tsy ankasitrahany koa izay tsy miraharaha an’ireo ampahorina. (Mat. 23:1-8, 25-28; Mar. 3:5) Nasehony fa tsy voafitaky ny miseho ivelany izy satria “nahalala izay tao am-pon’ny olona.”—Jaona 2:25.
14. Ahoana no ampisehoan’i Jesosy fa tia ny rariny sy hitsiny izy, ary inona no fanontaniana tokony hoeritreretintsika?
14 Mbola mampiseho ny fitiavany ny rariny sy hitsiny i Jesosy ka manara-maso ny asa fitoriana sy fampianarana lehibe indrindra natao hatramin’izay. Ho vita araka izay tena itiavan’Andriamanitra azy io asa io, ary tsy hisy olona na fitondrana na fanahy ratsy hahasakana an’izany. Afaka matoky tanteraka àry isika fa tena hanao ny rariny Andriamanitra amin’ny Hara-magedona. (Vakio ny Isaia 11:4; Matio 16:27.) Mieritrereta àry hoe: ‘Mitovy amin’ny fiheveran’i Jesosy ny olona ve ny fiheverako azy ireo, rehefa manompo aho? Manome ny tsara indrindra ho an’i Jehovah ve aho na dia voafetra aza ny vitako, noho ny aretina na ny zavatra hafa?’
15. Inona no mila tadidina raha te hanome ny tsara indrindra ho an’Andriamanitra isika?
15 Hanompo an’Andriamanitra amin’ny fo manontolo isika raha mitadidy fa asany ny fitoriana. Izy no nandidy antsika hitory, sy mitarika ny fitoriana amin’ny alalan’ny Zanany, ary mampiasa ny fanahiny hanampiana an’ireo mitory. Miara-miasa amin’Andriamanitra sy ilay Zanany tarihin’ny fanahy àry ianao. Ankasitrahanao ve io tombontsoa io? I Jehovah irery no mahavita mandrisika olona fito tapitrisa mahery hitory ny hafatra momba ilay Fanjakana any amin’ny tany 236, na dia heverina ho “tsy dia nahita fianarana” sy “olon-tsotra” aza ny ankamaroany.—Asa. 4:13.
Ataovy izay hahazoana fitahiana amin’ny alalan’i Kristy
16. Inona no asehon’ny Genesisy 22:18 momba ny fitahian’Andriamanitra?
16 Hoy i Jehovah tamin’i Abrahama: “Ny firenena rehetra eny ambonin’ny tany dia hanao izay hahazoany fitahiana amin’ny alalan’ny taranakao, satria nihaino ny teniko ianao.” (Gen. 22:18) Afaka manantena àry ireo mahay mankasitraka fa hahazo ny fitahiana hoentin’ilay Taranaka, dia ny Mesia. Mitadidy izany izy ireo ka mazoto manompo.
17, 18. Inona no ampanantenain’i Jehovah ao amin’ny Deoteronomia 28:2, ary midika ho inona ho antsika izany?
17 Hoy Andriamanitra tamin’ny taranak’i Abrahama, dia ny firenen’Israely: “Ho tonga aminao ireto fitahiana rehetra ireto [ao amin’ny fifaneken’ny Lalàna] ka hahatratra anao, satria mihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitrao foana ianao.” (Deot. 28:2) Mihatra amin’ny mpanompon’Andriamanitra ankehitriny koa ireo teny ireo. ‘Henoy foana’ àry ny feon’i Jehovah, dia “ho tonga aminao” sy “hahatratra anao” ny fitahiany. Inona anefa ny dikan’ilay hoe “mihaino”?
18 Tafiditra amin’izany ny hoe mandray am-po ny Tenin’Andriamanitra sy ny sakafo ara-panahy omeny. (Mat. 24:45) Midika koa izany hoe mankatò an’Andriamanitra sy ny Zanany. Hoy i Jesosy: “Tsy izay rehetra milaza amiko hoe: ‘Tompo ô, Tompo ô’, no hiditra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra.” (Mat. 7:21) Mihaino an’Andriamanitra koa isika raha manaiky an-tsitrapo ny lamina napetrany, izany hoe ny fiangonana kristianina sy ireo “lehilahy ho fanomezana”, dia ny anti-panahy voatendry.—Efes. 4:8.
19. Ahoana no hahazoantsika fitahiana?
19 Anisan’ireo “lehilahy ho fanomezana” ny Filan-kevi-pitantanana, izay misolo tena ny fiangonana rehetra. (Asa. 15:2, 6) Hiankina betsaka amin’ny fiheverantsika an’ireo rahalahin’i Kristy ny fomba hitsarana antsika amin’ny fahoriana lehibe. (Mat. 25:34-40) Hahazo fitahiana koa àry isika raha manohana foana an’ireo voahosotr’Andriamanitra.
20. a) Inona no tena andraikitr’ireo “lehilahy ho fanomezana”? b) Ahoana no ampisehoantsika fa mankasitraka azy ireo isika?
20 Anisan’ny “lehilahy ho fanomezana” koa ny Komitin’ny Sampana, mpiandraikitra mpitety faritany, ary anti-panahy, izay samy voatendrin’ny fanahy masina. (Asa. 20:28) Inona no tena andraikitr’izy ireo? Ny hampahery antsika vahoakan’Andriamanitra, “mandra-pananantsika rehetra zavatra inoana iray ihany sy fahalalana marina tsara iray ihany momba ny Zanak’Andriamanitra, sy mandra-pahatongantsika ho olon-dehibe, ary hahatratrarantsika ny halehiben’ny fahafenoan’i Kristy.” (Efes. 4:13) Tsy lavorary toa antsika izy ireo. Hanao izay hahazoantsika fitahiana anefa isika raha mankasitraka ny fiandrasany amim-pitiavana.—Heb. 13:7, 17.
21. Nahoana no ilaina maika ny hankatoavana ny Zanak’Andriamanitra?
21 Kely sisa i Kristy dia handrava ny tontolo ratsin’i Satana. Hiankina aminy ny fiainantsika amin’izay, satria izy no nomen’Andriamanitra fahefana hitarika ny “vahoaka be” ho any amin’ny “loharanon’ny ranon’aina.” (Apok. 7:9, 16, 17) Aoka àry isika hanao izay farany azontsika atao mba hanekena an-tsitrapo an’ilay Mpanjaka tarihin’ny fanahin’i Jehovah, ka hankasitraka azy.
Inona no Nianaranao avy Amin’ny . . .
• Isaia 11:1-5?
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 17]
Hita fa nangoraka i Jesosy rehefa natsangany tamin’ny maty ny zanakavavin’i Jairo
[Sary, pejy 18]
Manara-maso ny asa fitoriana lehibe indrindra hatramin’izay i Jesosy Kristy