Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Tianao ve ny namaky ireo Tilikambo Fiambenana faramparany? Jereo àry raha hainao ny mamaly ireto fanontaniana ireto:

• Mpanaraka ny fampianaran’iza ireo mino ny lahatra?

Nampianatra momba ny lahatra i Jean Cauvin (Jean Calvin). Mbola manaraka ny fampianarany ny Fiangonana Nohavaozina, Presbyterianina, Kongregasionaly, ary ny Puritains.—1/9, pejy 18-21.

• Iza no vadin’i Kaina?

Tsy maintsy ho iray amin’ny taranak’i Eva ny vadin’i Kaina. Niteraka “zazalahy sy zazavavy” hafa maro mantsy i Eva. (Gen. 5:4)—1/9, pejy 25.

• Iza ilay anjely nirahin’Andriamanitra hitarika ny Israely niala avy tany Ejipta? (Eks. 23:20, 21)

Azo inoana fa ilay Zanak’Andriamanitra lahimatoa io anjely nanana ‘ny anaran’i Jehovah tao aminy’ io. Nantsoina hoe Jesosy izy tatỳ aoriana.—15/9, pejy 21.

• Nahoana ny 1 Korintianina no miresaka momba ny hena natolotra ho an’ny sampy?

Nanao sorona biby tao amin’ny tempoly ny Grika sy Romanina, ary namidy teny an-tsena ny ambin’ny hena natao sorona. Tsy manompo sampy ny Kristianina, nefa tsy voatery hieritreritra izy ireo hoe voaloto ny hena avy tany amin’ny tempoly, izay namidy teny an-tsena. Hoy ny apostoly Paoly: “Hano foana izay rehetra amidy eny amin’ny tsena fivarotan-kena, fa aza manontany noho ny feon’ny fieritreretanareo. Fa ‘an’i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy.’ ” (1 Kor. 10:25, 26)—1/10, pejy 12.

• Inona avy no fialan-tsiny tsy eken’Andriamanitra, mahakasika ny fanompoana azy?

‘Sarotra be ilay izy. Izaho mihitsy no tsy mazoto. Tsy manam-potoana aho. Tsy mahay aho. Nisy olona nanafintohina ahy.’ Tsy azo ekena ho fialan-tsiny tsy hankatoavana ny didin’Andriamanitra ireo.—15/10, pejy 12-15.

• Ahoana no hahatonga ny fivoriana hampahery anao sy ny hafa?

Omano ny fivoriana. Tongava mivory tsy tapaka. Tongava ara-potoana. Ento ny fitaovana ilaina. Ataovy izay tsy hahavoahelingelina anao. Mandraisa anjara. Ataovy fohy ny valin-teninao. Ataovy ny anjara anendrena anao. Derao ireo nandray anjara. Miresaha amin’ny hafa.—15/10, pejy 22.

• Inona no tantara ao amin’ny Baiboly miresaka momba ny zazavavikely iray sy ny olona iray voan’ilay habokana atao hoe aretin’i Hansen?

Miresaka momba ny zazavavy israelita, izay mpanompon’ny lehiben’ny tafika syrianina atao hoe Namàna, ny 2 Tantara toko faha-5. Boka i Namàna, ka nasainy nankany amin’i Elisa mpaminany mba hositranina.—1/11, pejy 22.

• Inona no lesona ianarantsika avy tamin’i Arona, izay nanaiky ho voataonan’ny olona hanao ratsy?

Tsy teo i Mosesy, ka nampirisihin’ireo Israelita i Arona mba hanamboatra andriamanitra ho azy ireo, dia nanaiky lembenana izy. Tsy ny tanora ihany àry no mety ho voataona hanao ratsy. Mety ho voataona koa na dia ny olon-dehibe te hanao ny tsara aza. Tsy tokony hanaiky hotaomina hanao ratsy mihitsy àry isika.—15/11, pejy 8.

• Marina ve sa diso?

Tena misy i Satana: Marina. (2 Kor. 11:14) Lasa fanahy ny olona rehefa maty: Diso. (Mpito. 9:5) Miahy antsika ireo anjely tsy mivadika: Marina. (Sal. 34:7) Iray ihany Andriamanitra sy Jesosy: Diso. (1 Kor. 11:3)—1/12, pejy 8-9.