Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ataovy ‘Fialofanao ny Anaran’i Jehovah’

Ataovy ‘Fialofanao ny Anaran’i Jehovah’

Ataovy ‘Fialofanao ny Anaran’i Jehovah’

‘Hamela olona manetry tena sy tsy mieboebo aho. Ary ny anaran’i Jehovah no hialofany.’—ZEF. 3:12.

1, 2. Inona no loza hamely ny olombelona tsy ho ela?

EFA tratran’ny orana ve ianao, ka nitady fialofana teny ambany lavarangana? Mety ho voaro tsara ianao teo ambanin’izy io, satria orana fotsiny ilay izy. Tsy ho voaro kosa anefa ianao eo ambany lavarangana, raha misy rivo-doza.

2 Misy loza mananontanona koa ankehitriny. Hisy loza toy ny “tafiotra” hamely, ka hisy vokany amin’ny olombelona rehetra. Antsoina hoe “andro lehiben’i Jehovah” izy io. (Vakio ny Zefania 1:14-18.) Misy toerana voaro tsara anefa azonao ialofana. Ahoana no ahafahanao mialoka ao, mandritra an’io “andro fahatezeran’i Jehovah” io?

Andron’i Jehovah fahiny

3. Inona ilay “oram-baratra” namely ny foko folon’ny Israely?

3 Ny fivavahan-diso rehetra no horavana voalohany amin’ny andron’i Jehovah. Ahoana no hahafahantsika mahita fialofana amin’izay? Hanampy antsika ny tantaran’ny vahoakan’Andriamanitra fahiny. Naminany i Isaia fa hihatra amin’ny foko folon’ny Israely nivadi-pinoana ny didim-pitsaran’i Jehovah, izay toy ny “oram-baratra” tsy azo andosirana. (Vakio ny Isaia 28:1, 2.) Tanteraka tamin’ny 740 T.K. io faminaniana io, rehefa nanafika an’ireo foko ireo * ny Asyrianina.

4. Inona no nanjo an’i Jerosalema rehefa namely azy ny “andro lehiben’i Jehovah”, tamin’ny 607 T.K.?

4 Tonga tamin’ny fanjakan’i Joda sy Jerosalema renivohiny koa ny “andro lehiben’i Jehovah” tamin’ny 607 T.K. Nahoana? Satria nivadi-pinoana ny mponin’i Joda. Rehefa nandrahona an’i Joda sy Jerosalema koa ny Babylonianina notarihin’i Nebokadnezara, dia tany amin’ny Ejipsianina izy ireo no nitady fanampiana. Nanao fifanekena tamin’ny Ejipsianina izy ireo, ary io fifanekena io no nataon’izy ireo “fialofana.” Toy ny havandra anefa ny Babylonianina ka ‘nipaoka’ an’io “fialofana” io. Tsy nahavita niaro an’i Joda izy io, ka antsoin’ny Baiboly hoe “lainga fialofana.”—Isaia 28:14, 17.

5. Hanao ahoana ny vahoakan’Andriamanitra rehefa horavana ny fivavahan-diso rehetra?

5 Horavan’i Jehovah toy ny nandravana an’i Jerosalema ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina. Horinganina koa anefa avy eo ny sisa amin’i “Babylona Lehibe”, izany hoe ny fivavahan-diso hafa mbola tsy rava. Hofoanana avy eo ny sisa amin’ny tontolo ratsin’i Satana. Ho tafavoaka velona anefa ny vahoakan’Andriamanitra, satria mialoka amin’i Jehovah.—Apok. 7:14; 18:2, 8; 19:19-21.

Fialofana ara-panahy sy ara-bakiteny

6. Ahoana no ahafahan’ny vahoakan’i Jehovah mahita fialofana?

6 Efa afaka mahita fialofana anefa ny vahoakan’Andriamanitra, na dia amin’izao andro izao aza, izay fantatsika fa andro farany. Afaka ny hahita fialofana ara-panahy isika, izany hoe miaro antsika ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra. Hahazo izany isika, raha manome voninahitra ny anaran’Andriamanitra ka “misaintsaina” azy io, sady mazoto manompo azy. (Vakio ny Malakia 3:16-18.) Tsy ampy anefa ny misaintsaina ny anarany. Hoy mantsy ny Baiboly: “Izay rehetra miantso ny anaran’i Jehovah no hovonjena.” (Rom. 10:13) Miantso ny anaran’Andriamanitra koa àry ireo Vavolombelony, mba ho voavonjy. Maro ny olona tso-po mahita fa tsy mitovy mihitsy ny tena Kristianina sy ny olona tsy manompo an’Andriamanitra.

7, 8. Ahoana no nahavoavonjy an’ireo Kristianina voalohany, ary inona no mifanitsy amin’izany amin’izao andro izao?

7 Afaka mahita fialofana ara-bakiteny koa anefa isika. Mampanantena Andriamanitra fa hamonjy ara-bakiteny ny vahoakany. Efa nitranga izany tamin’ny taona 66. Nanao fahirano an’i Jerosalema ny tafika romanina notarihin’i Cestius Gallus tamin’izay. Efa nilaza i Jesosy hoe ‘hohafohezina’ io andro fahoriana io, ary tanteraka tokoa izany. (Mat. 24:15, 16, 21, 22) Niala tampoka mantsy ny tafika romanina, ka nisy “nofo” sasany ‘novonjena.’ Tsy iza izany fa ireo tena Kristianina. Afaka nandositra niala tao Jerosalema sy ny faritra manodidina izy ireo. Niampita ny Reniranon’i Jordana ny sasany, ka nahita fialofana tany atsinanan’ilay renirano, tany an-tendrombohitra.

8 Mitovy amin’ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany ireo koa ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny, izany hoe ireo “olom-boafidy” sy ireo namany tsy mivadika. Tsy maintsy hitady fialofana koa izy ireo. Tsy hoe handositra any amin’ny toerana iray anefa ny tena Kristianina, satria miparitaka maneran-tany izy ireo. Hialoka amin’i Jehovah kosa izy ireo, sady hialoka amin’ny fandaminany, izay toy ny tendrombohitra. Tsy ho faty àry ny vahoakan’Andriamanitra amin’ny fitambarany, rehefa haringana ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina.

9. Iza no nahatonga ny olona hanadino ny anaran’i Jehovah? Manomeza ohatra.

9 Mendrika horinganina ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina, satria tsy nety nampiasa ny anaran’Andriamanitra, sady tsy nampianatra ny marina momba azy. Be mpahafantatra ny anaran’Andriamanitra tany Eoropa, teo anelanelan’ny taona 500 sy 1500 tany ho any. Nisy azy io ny vola madinika, ny rindrina ivelan’ny trano, ny boky sy Baiboly maro, ary na dia ny trano sasany fiangonan’ny Katolika sy Protestanta aza. Litera hebreo efatra nadika matetika hoe YHWH na JHVH no nanoratana an’io anarana io tamin’izany. Niova anefa izany tatỳ aoriana. Nesorina ny anaran’Andriamanitra rehefa nadika ny Baiboly, sady tsy nampiasaina intsony tamin-javatra hafa. Mampiseho izany, ohatra, ny toromarika nomen’i Vatikana ny eveka tamin’ny 29 Jona 2008. Voalaza tao fa tokony hosoloana hoe “Tompo” daholo ny anaran’Andriamanitra, ary tsy tokony hasiana anaran’Andriamanitra ny hira sy ny vavaka atao mandritra ny fotoam-pivavahana. Nanafina ny marina momba an’ilay tena Andriamanitra koa ny mpitarika ao amin’ny fivavahana hafa, anisan’izany ny fivavahana tsy kristianina, ka mpivavaka an-tapitrisany no tsy mahalala ny marina.

Voaro ireo manamasina ny anaran’Andriamanitra

10. Ahoana no hanomezam-boninahitra ny anaran’Andriamanitra ankehitriny?

10 Manome voninahitra ny anaran’Andriamanitra kosa ny Vavolombelon’i Jehovah, fa tsy manao sahala amin’ny fivavahana hafa. Manamasina ny anaran’Andriamanitra izy ireo, ka mampiasa azy io amin’ny fomba ankasitrahany. Faly koa i Jehovah rehefa matoky azy isika. Afaka ny ho tonga izay rehetra ilaintsika mpanompony izy mba hitahiana sy hiarovana antsika. “Fantany” tokoa “izay mitady fialofana eo aminy.”—Nah. 1:7; Asa. 15:14.

11, 12. Iza tamin’ireo mponin’i Joda no nialoka tamin’ny anaran’i Jehovah, ary iza no manao izany amin’izao andro izao?

11 Na dia nivadi-pinoana aza ny ankamaroan’ny mponin’i Joda, dia nisy ihany ‘nialoka tamin’ny anaran’i Jehovah.’ (Vakio ny Zefania 3:12, 13.) Nosazin’i Jehovah ny mponin’i Joda ka navelany hotafihin’ny Babylonianina sy ho lasa babo. Nisy notsimbinin’i Jehovah, ka tsy maty. Anisan’izany i Jeremia, Baroka, ary Ebeda-meleka. Nisy hafa koa lasa babo nefa tsy nivadika mihitsy tany. Na izany aza, dia tafaverina tany an-tanindrazany ihany izy ireo tatỳ aoriana. Resin’ny Medianina sy Persianina, notarihin’i Kyrosy, mantsy i Babylona tamin’ny 539 T.K. ary namoaka didy i Kyrosy namela an’ireo Jiosy hody. Faly izy ireo namerina tamin’ny laoniny ny fivavahana marina.

12 Efa nilaza mialoha i Zefania fa “hamonjy” na hanafaka azy ireo amin’ny fahababoana i Jehovah, ary ho ravoravo aminy. (Vakio ny Zefania 3:14-17.) Tanteraka koa izany amin’izao androntsika izao. Efa babo tao amin’i Babylona Lehibe koa ireo sisa voahosotra tsy mivadika, kanefa nanafaka azy ireo i Jehovah taorian’ny niorenan’ny Fanjakan’Andriamanitra tany an-danitra. Faly amin’izy ireo i Jehovah hatramin’izao.

13. Nafahana tamin’inona ny mpanompon’i Jehovah avy amin’ny firenena rehetra?

13 Niala tamin’i Babylona Lehibe koa ireo olona manantena ny hiaina mandrakizay eto an-tany, ka afaka tamin’ny fampianaran-diso. (Apok. 18:4) Amin’izao androntsika izao àry no tena tanteraka ny Zefania 2:3 hoe: ‘Mitady an’i Jehovah ny mpandefitra rehetra amin’ny tany.’ Mialoka amin’ny anaran’i Jehovah izao ny mpandefitra avy amin’ny firenena rehetra, na manantena ny ho any an-danitra izy na ho eto an-tany.

Tsy toy ny ody atao fiaro ny anaran’Andriamanitra

14, 15. a) Inona no noheverin’ny olona sasany hoe miaro azy? b) Inona ny zavatra tsy tokony hoheverintsika hoe miaro antsika?

14 Nihevitra ny Israelita sasany fa hiaro azy ireo amin’ny fahavalo ny fisian’ny tempoly. (Jer. 7:1-4) Nihevitra koa izy ireo talohan’izay fa hiaro azy ny vata misy ny fifanekena rehefa hiady izy ireo. (1 Sam. 4:3, 10, 11) Nanantena koa i Constantin Lehibe, mpanjakan’i Gresy, fa hiaro ny miaramilany any an’ady ny marika hoe ki sy rô, litera roa voalohany amin’ny teny grika nadika hoe “Kristy.” Natao tamin’ny ampingan’izy ireo àry ireo marika ireo. Heverina koa fa nanao an’ilay fiarovan-tratra eo amin’ny sary (pejy 7) i Gustave II Adolphe, mpanjakan’i Soeda. Nandray anjara tamin’ny ady ara-pivavahana naharitra 30 taona tany Eoropa izy io. Mariho fa misongadina tsara eo amin’ilay fiarovan-tratra ny anarana hoe Iehova.

15 Rehefa notafihin’ny demonia ny mpanompon’Andriamanitra sasany, ka niantso mafy ny anaran’i Jehovah, dia voaro. Na izany aza, dia tsy tokony hoheverintsika hoe manana hery hafahafa ny zavatra misy ny anaran’Andriamanitra, ka hoe afaka miaro antsika izy ireny. Tsy izany mantsy no atao hoe mialoka amin’ny anaran’i Jehovah.

Fomba ahitana fialofana ankehitriny

16. Ahoana no ahafahantsika mahazo fialofana amin’izao andro izao?

16 Mifandray tsara amin’Andriamanitra ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny, ka mahazo fialofana isika raha miaraka amin’izy ireo. (Sal. 91:1) Manome ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” sy ny anti-panahy i Jehovah mba hanampy antsika ho mailo amin’ireo fanao eto amin’ity tontolo ity, izay manimba ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra. (Mat. 24:45-47; Isaia 32:1, 2) Eritrereto hoe impiry isika no nahazo fampitandremana hoe mampidi-doza ny fitiavan-karena. Tsy hitanao ve hoe niaro ny fifandraisantsika tamin’Andriamanitra ireny? Ahoana indray ny hoe tsy mivaky loha firy eo amin’ny lafiny ara-panahy? Mampidi-doza izany, satria mety hahatonga antsika tsy hitory intsony. Hoy ny Tenin’Andriamanitra: “Ny tsy firaharahan’ny tsisy saina no haharingana azy. Fa izay mihaino ahy kosa tsy hanana ahiahy, sady tsy mba hiady saina noho ny fahatahorana loza.” (Ohab. 1:32, 33) Ho voaro foana koa ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra, raha miezaka hadio fitondran-tena foana isika.

17, 18. Inona no manampy ny olona maro hialoka amin’ny anaran’i Jehovah?

17 Saintsaino koa ny fampirisihan’ny mpanompo mendri-pitokisana antsika mba hankatò ny didin’i Jesosy hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, maneran-tany. (Mat. 24:14; 28:19, 20) Hoy ny Zefania 3:9: “Amin’izany, dia hovako ho fiteny madio ny fitenin’ny olona mba hiantsoan’izy rehetra ny anaran’i Jehovah, ka hanompoany azy amim-piraisan-kina.” Hanampy ny olona hialoka amin’ny anaran’Andriamanitra io fiteny madio io.

18 Inona ilay hoe fiteny madio? Izy io dia ny marina momba an’i Jehovah Andriamanitra sy ny fikasany, hita ao amin’ny Baiboly. Toy ny hoe miteny an’io fiteny io ianao, rehefa miresaka amin’ny hafa ny marina momba ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fomba hanamasinan’izy io ny anaran’Andriamanitra. Miteny an’io fiteny io koa ianao rehefa antitranterinao ny zon’i Jehovah hitondra, ary resahinao ny fitahiana mandrakizay ho azon’ny olona tsy mivadika. Olona maro no miteny an’io fiteny io ka mitombo ny isan’ny olona ‘miantso ny anaran’i Jehovah’ sy ‘manompo azy amim-piraisan-kina.’ An-tapitrisany tokoa izao maneran-tany ny olona mialoka amin’i Jehovah.—Sal. 1:1, 3.

19, 20. Inona no vokany rehefa niantehitra tamin’ny “lainga fialofana” ny Israelita?

19 Miatrika olana lehibe maro ny olona eto amin’ity tontolo ity. Maniry mafy hahita vahaolana izy ireo, ka miantehitra amin’ny olombelona tsy lavorary. Manantena ny fitondrana ara-politika koa ny olona sasany, mitovy amin’ireo Israelita nitady fanampiana tamin’ny firenena nanodidina azy ka nanao fifanekena tamin’izy ireny. Hitantsika teo anefa fa tsy nanampy ny Israelita izany. Toy izany koa amin’izao andro izao. Tsy ho afaka hamaha tanteraka ny olana mahazo ny olona na fanjakana iza na fanjakana iza, eny fa na dia ny Firenena Mikambana aza. Tsy azo ialofana izy ireny sy ny fifanekena ara-politika. “Lainga fialofana” fotsiny ireny, hoy ny Baiboly. Izany tokoa no izy satria ho diso fanantenana izay rehetra manantena azy.Vakio ny  Isaia 28:15, 17.

20 Tsy ho ela dia handravarava toy ny oram-baratra arahina havandra ny andron’i Jehovah. Tsy ho afaka hiaro ny olona, na ny tetikadin’ny olombelona na ny fitaovam-piadiana niokleary na ny harena. “Hopaohin’ny havandra ny lainga fialofana, ary ho safotry ny rano ny toeram-piafenana”, hoy ny Isaia 28:17.

21. Inona no soa horaisintsika raha manaraka izay voalazan’ny andinin-teny ho an’ny taona 2011 isika?

21 I Jehovah no tena miaro ny vahoakany, na amin’izao andro izao na amin’ny hoavy. Mifandray amin’izany ny anaran’i Zefania, izay midika hoe “Nanafina i Jehovah.” Mety tsara àry raha izao no natao andinin-teny ho an’ny taona 2011: Ataovy ‘fialofanao ny anaran’i Jehovah.’ (Zef. 3:12) Tokony hialoka amin’ny anaran’i Jehovah isika dieny izao, ka hatoky tanteraka azy. (Sal. 9:10) Hotadidintsika koa isan’andro hoe: “Ny anaran’i Jehovah dia tilikambo mafy, ary mihazakazaka ho ao ny marina ka voaro.”—Ohab. 18:10.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Antsoin’ny Baiboly hoe Efraima ireo foko folo ireo indraindray, satria i Efraima no foko lehibe indrindra tamin’izy ireo.

Tadidinao Ve?

• Ahoana no ahafahantsika mialoka amin’ny anaran’i Jehovah dieny izao?

• Nahoana isika no tsy tokony hiantehitra amin’ny “lainga fialofana”?

• Iza no tena fialofana ho antsika amin’ny hoavy?

[Fanontaniana]

[Teny notsongaina, pejy 6]

Izao ny andinin-teny ho an’ny taona 2011: Ataovy ‘fialofanao ny anaran’i Jehovah.’—Zefania 3:12.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 7]

Thüringer Landesmuseum Heidecksburg Rudolstadt, Waffensammlung “Schwarzburger Zeughaus”