Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Faly Aho Nanompo An’i Jehovah na dia Nisy Fitsapana Aza

Faly Aho Nanompo An’i Jehovah na dia Nisy Fitsapana Aza

Faly Aho Nanompo An’i Jehovah na dia Nisy Fitsapana Aza

Notantarain’i Maatje de Jonge-van den Heuvel

EFA 98 taona aho izao, ary faly nanompo an’i Jehovah nandritra ny 70 taona. Niatrika fitsapana anefa aho tao anatin’izany. Nalefa tany amin’ny toby fitanana aho tamin’ny Ady Lehibe II, ary kivy ka nanao zavatra nanenenako. Niatrika fitsapana hafa tena mafy koa aho, tatỳ aoriana. Na teo aza anefa ireny rehetra ireny, dia misaotra an’i Jehovah aho, satria navelany hanompo azy.

Niova ny fiainako tamin’ny Oktobra 1940, tamin’izahay nipetraka tany Hilversum, eto Holandy. Tokony ho 24 kilaometatra atsimoatsinanan’i Amsterdam izy io, ary teo ambany fifehezan’ny Nazia i Holandy tamin’izany. Efa nivady dimy taona izahay sy Jaap de Jonge tamin’izay ary be fitiavana izy. Nanan-janaka vavy telo taona atao hoe Willy izahay, ary tena tianay izy. Nisy fianakaviana iray nahantra teo akaikinay. Nanan-janaka valo izy ireo, nefa mbola nisy tovolahy iray koa nipetraka tao amin-dry zareo sy novelominy. Nieritreritra àry aho hoe: ‘Nahoana izy ireo no mila raharaha toy izany?’ Rehefa nanatitra sakafo tany aho indray mandeha, dia fantatro hoe mpisava lalana ilay tovolahy. Niresaka tamiko momba ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fitahiana hoentin’izy io izy. Nanohina ny foko izany, ka vetivety aho dia nanaiky ny fahamarinana. Tamin’io taona io ihany aho dia nanokan-tena ho an’i Jehovah sy natao batisa. Natao batisa koa ny vadiko herintaona taorian’izay.

Tsy dia nahay Baiboly aho, nefa fantatro tsara fa lasa anisan’ny fikambanana iray voarara aho, rehefa lasa Vavolombelon’i Jehovah. Fantatro koa fa be dia be ny Vavolombelona efa nogadraina satria nitory ny hafatra momba ilay Fanjakana. Na izany aza, dia nitory isan-trano avy hatrany aho. Nampiantrano mpisava lalana sy mpiandraikitra mpitety faritany koa izahay mivady, ary natoby tao aminay ny boky sy gazety. Anadahy sy rahavavy avy any Amsterdam no nanatitra izany. Bisikileta no nitateran-dry zareo an’ireny boky ireny, ary nosaronany labasy ilay izy. Be fitiavana sy be herim-po tokoa izy ireo, matoa nanao vy very ny ainy ho an’ny rahalahiny toy izany.—1 Jaona 3:16.

“Vetivety ve i Neny dia hiverina?”

Nisy polisy telo tonga nisava ny tranonay, enim-bolana taorian’ny batisako. Tsy hitan’izy ireo ilay arimoara feno boky, nefa hitany ihany ny boky vitsivitsy nafeninay tao ambany fandriana. Nandidy ahy avy hatrany àry izy ireo mba hanaraka azy tany amin’ny paositry ny polisy. Namihina ny zanako aho ary nanao veloma azy. Nanontany izy tamin’izay hoe: “Vetivety ve i Neny dia hiverina?” Namaly aho hoe: “Ie, vetivety ihany aho.” Herintaona sy tapany taorian’izay anefa aho vao afaka namihina ny zanako indray, ary mafy ny zavatra niainako tao anatin’izany.

Nentin’ny polisy iray nandeha lamasinina nankany Amsterdam aho, mba halaina am-bavany. Rehefa tonga tany aho, dia nametrahan’izy ireo fanontaniana momba ny anadahy telo avy any Hilversum. Nanontaniany aho raha Vavolombelon’i Jehovah izy ireo. Namaly aho hoe: “Ny iray amin’ireo ihany no fantatro. Mpanatitra ronono ao aminay izy.” Ary tena marina izany. Mpanatitra ronono no asan’ilay anadahy. Nilaza koa anefa aho hoe: “Raha tianareo ho fantatra raha Vavolombelon’i Jehovah izy, dia izy anontaniana.” Tsy nilaza zavatra hafa intsony aho avy eo, ka nofelahin-dry zareo, ary nohidiany tao amin’ny efitra kely iray nandritra ny roa volana. Rehefa fantatry ny vadiko ny nisy ahy, dia nanaterany akanjo sy sakafo aho. Nalefa tany amin’ny toby fitanana malaza tany Ravensbrück aho, ny Aogositra 1941. Toby fitanana natao ho an’ny vehivavy izy io, tany amin’ny 80 kilaometatra any avaratr’i Berlin, any Alemaina.

“Mahereza rahavavy”

Nilazana izahay rehefa tonga hoe mahazo mody raha toa ka mandà ny finoanay, ka manao sonia taratasy milaza izany. Mazava ho azy fa tsy nanao sonia aho! Nasaina nanome ny zavatra rehetra teny amiko àry aho, ary nasaina nanala ny akanjoko rehetra tao amin’ny efitra fandroana. Nihaona tamin’ny rahavavy vitsivitsy avy eto Holandy aho tao. Nasaina nanao fanamiana misy telozoro volomparasy izahay, ary nomena vilia iray sy kaopy iray ary sotro iray. Nampidirina tao amin’ny trano fitoerana vonjimaika izahay ny alina voalohany. Teo aho vao nitomany. Sady nitomany aho no niteny hoe: “Inona re izao no hitranga e? Hafiriana aho no hijanona atỳ?” Tsoriko aloha fa mbola tsy tena nifandray tsara tamin’i Jehovah aho tamin’izany. Vao volana vitsivitsy no nahalalako ny fahamarinana, ka mbola betsaka ny zavatra tsy fantatro. Voamariky ny rahavavy holandey iray angamba hoe nalahelo aho, nandritra ny fiantsoana anarana ny ampitson’iny, ka hoy izy: “Mahereza rahavavy. Mahereza! Ho afaka hanao inona amintsika eo ireo?”

Nentina tany amin’ny trano iray hafa izahay, taorian’ny fiantsoana anarana. Nisy rahavavy an-jatony avy any Alemaina sy Holandy tao nandray anay. Efa nipetraka tao herintaona mahery ny rahavavy alemà sasany. Tena nampahery ahy ny fiarahana tamin’izy ireo. Nahavariana koa ny nahita hoe madio be ny trano nisy ny Vavolombelona, raha oharina amin’ny trano hafa tao an-toby. Nalaza koa hoe tsy nisy nangalatra, na nanompa, na niady tao amin’ny trano nisy anay. Tena ratsy ny fiainana tao an-toby nefa nahafinaritra ny faritra nisy anay. Toy ny hoe tao amin’ny nosy madio voahodidina ranomasina maloto izahay.

Ny fiainana tao an-toby

Niasa mafy izahay, nefa zara raha nihinan-kanina. Nifoha tamin’ny dimy izahay, ary tsy ela taorian’izay ny fiantsoana anarana. Nasain’ireo mpiambina nijoro adiny iray teny ivelany izahay, na tsara ny andro, na ratsy. Nisy fiantsoana anarana indray tamin’ny dimy hariva, rehefa avy niasa mafy tontolo andro izahay. Lasopy sy mofo kely no mba sakafo nomena anay. Lanaka tanteraka izahay rehefa nandeha natory.

Nalefa niasa tany amin’ny toeram-pambolena sy fiompiana aho isan’andro, afa-tsy ny alahady. Nijinja vary sy nanadio tatatra sy tranon-kisoa aho tany. Mafy ny asako isan’andro sady nandoto, nefa vitako satria mbola tanora sy natanjaka aho. Nanao hiran’ilay Fanjakana koa aho teo am-piasana, ka nampahery ahy izany. Na izany aza, dia tena manina ny vady aman-janako aho.

Kely ny sakafo nomena anay, nefa nitahiry sombi-mofo kely ny rahavavy rehetra isan’andro, mba ho misimisy ny sakafo ny alahady. Miara-mandinika foto-kevitra ara-baiboly mantsy izahay amin’io. Tsy nanana boky sy gazety izahay, fa ireo rahavavy zokiolona alemà no namelabelatra ny Tenin’Andriamanitra. Faly erỳ aho nihaino an’ireny rahavavy tsy nivadika ireny! Nankalaza ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy koa aza izahay.

Kivy, nanenina, nahazo fampaherezana

Nasaina nanao asa nanohana mivantana ny ady nataon’ny Nazia izahay indraindray. Tsy nisy nety nanao izany ireo rahavavy, satria tsy mitsabaka amin’ny politika isika. Nanahaka an’ireo rahavavy be herim-po ireo koa aho. Voasazy izahay noho izany, ka tsy nomena sakafo nandritra ny andro maro, sady nasaina -nijoro nandritra ny ora maro tamin’ny fiantsoana anarana. Nohidiana tao anaty trano tsy nisy fanafanana nandritra ny 40 andro izahay indray mandeha, nefa ririnina be ny andro.

Imbetsaka izahay no nilazana hoe avela hody izay mandà ny finoany sy manao sonia taratasy milaza izany. Kivy be aho rehefa feno herintaona mahery ny nijanonako tao Ravensbrück. Naniry mafy hahita ny vady aman-janako aho, ka nangataka an’ilay taratasy tamin’ny mpiambina, ary nanao sonia an’ilay izy.

Nihatakatahan’ny rahavavy sasany aho, rehefa fantatr’izy ireo ny nataoko. Nitady ahy kosa anefa ny rahavavy zokiolona alemà roa atao hoe Hedwig sy Gertrud, ary nanome toky ahy fa tia ahy izy ireo. Rehefa niara-niasa tao amin’ny tranon-kisoa izahay, dia nohazavain’izy ireo tamiko tamin-katsaram-panahy fa tena zava-dehibe ny hoe tsy mivadika amin’i Jehovah. Nilaza koa izy ireo hoe mampiseho ny fitiavantsika an’i Jehovah isika, rehefa tsy manaiky lembenana. Niahy ahy toy ny reny izy ireo, ary nanohina ny foko izany. * Fantatro fa tsy nety ny nataoko, ka te hanafoana an’ilay sonia aho. Nolazaiko tamin’ny rahavavy iray izany, indray takariva. Henon’ny lehiben’ny toby angamba ilay resaka, satria nafahana tampoka aho io hariva io, ary nalefa lamasinina nody teto Holandy. Mbola tsaroako foana ny endriky ny mpiambina iray, rehefa nilaza tamiko hoe: “Ianao ange mbola Mpianatra ny Baiboly e, ary ho Mpianatra ny Baiboly foana.” Namaly aho hoe: “Ho izany foana aho raha sitrapon’i Jehovah.” Nieritreritra ihany anefa aho hoe: ‘Ahoana re no hanafoanako an’ilay sonia iny e?’

Izao no voalaza tao amin’ilay taratasy: “Mivoady aho fa tsy handray anjara amin’ny asan’ny Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena intsony.” Fantatro àry ny tokony hataoko. Nanomboka nitory indray aho, raha vao tonga kelikely tany aminay, tamin’ny Janoary 1943. Mazava ho azy anefa fa hiharan’ny sazy henjana aho, raha mbola tratran’ny Nazia mitory momba ny Fanjakan’Andriamanitra.

Te hanaporofo bebe kokoa aho hoe tena tsy te hivadika amin’i Jehovah, ka nampiantranoinay indray ireo anadahy sy rahavavy mpanatitra boky, sy ireo mpiandraikitra mpitety faritany. Tena faly aho hoe afaka nanaporofo indray ny fitiavako an’i Jehovah sy ny vahoakany!

Fitsapana hafa tena mafy

Niatrika fitsapana hafa tena mafy izahay mivady, volana vitsivitsy talohan’ny nifaranan’ny ady. Narary tampoka i Willy zanakay tamin’ny Oktobra 1944. Voan’ny difiteria izy. Nihombo be ilay aretina, ka maty izy, telo andro monja taorian’izay. Vao fito taona izy tamin’izay.

Tena mafy taminay ny namoy ny zanakay vavy tokana. Tsy nisy dikany ny fitsapana niaretako tany Ravensbrück, raha oharina tamin’izany. Nampahery anay foana anefa ny Salamo 16:8, manao hoe: “Nataoko teo anatrehako mandrakariva i Jehovah. Tsy hangozohozo aho satria izy eo ankavanako.” Tena nino ny fampanantenan’i Jehovah fitsanganana amin’ny maty izahay mivady. Tsy niala tao amin’ny fahamarinana mihitsy izahay, ary nazoto nitory ny vaovao tsara foana. Tena nanampy ahy hankasitraka an’i Jehovah sy hanompo azy foana ny vadiko, mandra-pahafatiny tamin’ny 1969.

Fitahiana sy fifaliana

Anisan’ny tena nahafaly ahy nandritra ireo am-polony taona lasa ny fifaneraserana akaiky tamin’ny mpanompo manontolo andro. Nampiantrano ny mpiandraikitra mpitety faritany sy ny vadiny foana izahay, rehefa nitsidika ny fiangonanay izy ireo, toy ny efa nataonay nandritra ny ady ihany. Nipetraka tao aminay nandritra ny 13 taona mihitsy aza i Maarten Kaptein, mpiandraikitra mpitety faritany, sy Nel vadiny. Rehefa narary mafy i Nel, dia nikarakara azy tao an-tranonay aho nandritra ny telo volana, mandra-pahafatiny. Tena mankafy ny paradisa ara-panahy efa misy antsika aho, noho ny fiarahako tamin’izy mivady sy ireo anadahy sy rahavavy hafa.

Fotoana niavaka teo amin’ny fiainako ny fivoriana iray tany Ravensbrück, tamin’ny 1995. Fivoriana natao ho fahatsiarovana an’ireo nalefa tany amin’ny toby fitanana Ravensbrück izy io. Nihaona tamin’ireo rahavavy sasany niaraka tamiko tany amin’ny toby aho tany. Efa 50 taona mahery no tsy nifankahitanay! Tena nampahery ny nihaona indray, ary tsy hohadinoiko mihitsy. Afaka nifampahatsiahy izahay fa mbola ho avy ny fitsanganana amin’ny maty, hihaonana indray amin’ireo havana aman-tsakaiza nodimandry.

Nilaza ny apostoly Paoly ao amin’ny Romanina 15:4 fa ‘manana fanantenana isika amin’ny alalan’ny fiaretantsika sy ny fampiononana avy ao amin’ny Soratra Masina.’ Misaotra an’i Jehovah aho nanome izany fanantenana izany, izay nanampy ahy hanompo azy amim-pifaliana na dia nisy fitsapana aza.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 19 Tapaka ny fifandraisana tamin’ny foibe tamin’izany, ka samy nanao izay noheveriny fa mety ny rehetra, rehefa nisy nandika an’ilay toro lalana hoe tsy momba ny atsy na ny aroa. Izany no tsy nampitovy ny fihetsik’ireo rahavavy tao amin’ny toby.

[Sary, pejy 10]

Izaho sy Jaap, 1930

[Sary, pejy 10]

I Willy zanakay vavy, tamin’izy fito taona

[Sary, pejy 12]

Nanatrika fivoriana iray nahafaly aho tamin’ny 1995. Eo amin’ny laharana voalohany aho, ary faharoa avy eo ankavia