Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hajao ny Fanambadiana

Hajao ny Fanambadiana

Hajao ny Fanambadiana

“Noho izany, ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny, ary ho nofo iray ihany izy ireo.”—GEN. 2:24.

1. Nahoana isika no tokony hanaja an’i Jehovah?

TENA tokony hanaja an’i Jehovah Andriamanitra, ilay nanao ny fanambadiana, isika. Izy no Mpamorona antsika sy Mpanjakantsika ary Raintsika any an-danitra, ka mety tsara ny iantsoana azy hoe Mpanome ny “fanomezana tsara rehetra sy ny fanomezana tonga lafatra rehetra.” (Jak. 1:17; Apok. 4:11) Hita amin’izany koa fa be fitiavana izy. (1 Jaona 4:8) Nataony hahasambatra sy hahasoa antsika ny zavatra rehetra omeny antsika sy ampianariny antsika ary asainy ataontsika.—Isaia 48:17.

2. Inona no toromarika nomen’i Jehovah ny mpivady voalohany?

2 Milaza ny Baiboly fa anisan’ny fanomezana “tsara” avy amin’Andriamanitra ny fanambadiana. (Rota 1:9; 2:12) Izy no nanao ny fampakaram-bady voalohany, ary nomeny toromarika voafaritra tsara mahakasika ny fomba hananana fanambadiana sambatra i Adama sy Eva. (Vakio ny Matio 19:4-6.) Ho sambatra mandrakizay i Adama sy Eva raha nanaraka ny didin’Andriamanitra. Tsy niraharaha izany anefa izy ireo, ka nizaka ny voka-dratsiny.—Gen. 3:6-13, 16-19, 23.

3, 4. a) Inona no mampiseho fa tsy manaja an’i Jehovah Andriamanitra sy ny fanambadiana ny olona maro ankehitriny? b) Inona no hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity?

3 Toy izany koa ny olona maro ankehitriny. Tsy dia miraharaha na tsy miraharaha mihitsy ny tari-dalan’i Jehovah izy ireo eo amin’ny resaka fanambadiana. Tsy mety misoratra ara-dalàna, ohatra, ny sasany. Ny hafa manambady maro, na manambady lehilahy na vehivavy mitovy aminy, na misara-panambadiana tsy amin’antony. (Rom. 1:24-32; 2 Tim. 3:1-5) Tsy mihevitra ny fanambadiana ho toy ny fanomezana avy amin’Andriamanitra izy ireo. Midika koa izany fa tsy manaja an’i Jehovah Andriamanitra izy ireo.

4 Na ny vahoakan’Andriamanitra sasany aza manadino ny fomba fihevitr’i Jehovah. Manapa-kevitra hisintaka na hisara-panambadiana, ohatra, ny sasany nefa tsy araka ny Soratra Masina ny antony. Inona no azo atao mba tsy hitrangan’izany? Nahoana no manampy ny Kristianina hanamafy ny fatoram-panambadiany ny tari-dalana ao amin’ny Genesisy 2:24? Inona no hanampy an’ireo mikasa hanambady? Handinika izay nataon’ny mpivady telo fahiny, nanana tokantrano sambatra, isika. Ho hitantsika fa tena ilaina ny manaja an’i Jehovah mba hampaharitra ny fanambadiana.

Aza mivadika

5, 6. Inona no zava-tsarotra natrehin’i Zakaria sy Elizabeta, ary inona no valisoa azon’izy ireo rehefa tsy nivadika?

5 Nanaraka ny toromarik’i Jehovah foana, na i Zakaria na i Elizabeta. Mpanompon’i Jehovah no nofidin’i Zakaria ho vady. Toy izany koa i Elizabeta. Nanao tsara ny andraikiny tamin’ny naha mpisorona azy i Zakaria. Samy nankatò ny Lalàn’Andriamanitra araka izay azony natao izy mivady. Tena tokony hahita fifaliana àry izy ireo. Raha nitsidika ny tokantranony tany Joda anefa ianao, dia ho voamarikao fa nisy zavatra tsy ampy tao. Tsy nanan-janaka izy ireo. Momba i Elizabeta, ary efa be taona izy mivady.—Lioka 1:5-7.

6 Tena zava-dehibe ny hoe miteraka, teo amin’ny Israely, ary matetika no nanan-janaka maro ny olona. (1 Sam. 1:2, 6, 10; Sal. 128:3, 4) Raha tsy niteraka àry ny vehivavy iray, dia mety hamitaka azy ny vadiny ka hisaraka aminy. I Zakaria kosa tsy nivadika tamin’i Elizabeta mihitsy. Tsy nieritreritra ny hisaraka na izy na ny vadiny. Na dia nalahelo aza izy ireo hoe tsy nanan-janaka, dia tsy nivadika tamin’i Jehovah mihitsy ary niara-nanompo azy foana. Nomen’i Jehovah valisoa tamin’ny fomba mahagaga izy ireo tatỳ aoriana, ka niteraka na dia efa antitra aza.—Lioka 1:8-14.

7. Inona no fomba hafa nampisehoan’i Elizabeta fa tsy nivadika tamin’ny vadiny izy?

7 Nisy fomba hafa koa nampisehoan’i Elizabeta fa tsy nivadika izy. Lasa moana i Zakaria vadiny rehefa tsy nino ny tenin’ny anjelin’Andriamanitra. Nitady fomba i Zakaria hilazana taminy hoe “Jaona” no anaran’ny zanany, araka ny tenin’ilay anjely. Rehefa nilaza àry ny havany sy ny mpiara-monina taminy hoe atao mitovy amin’ny anaran-drainy ny anaran’ny zaza, dia nilaza i Elizabeta hoe: “Tsy izany mihitsy! Jaona no hatao anarany.” Tsy nivadika izy fa nankatò ny vadiny.—Lioka 1:59-63.

8, 9. a) Nahoana no manatsara ny fifandraisan’ny mpivady ny tsy fivadihana? b) Ahoana avy no azon’ny mpivady ampisehoana fa tsy mivadika amin’ny vadiny izy?

8 Diso fanantenana na miatrika zava-tsarotra koa ny mpivady ankehitriny, toa an’i Zakaria sy Elizabeta. Raha mivadika amin’ny vadiny anefa ny lehilahy na ny vehivavy, dia tsy ho sambatra ny tokantranony. Mety handrava tanteraka ny fifampitokisan’ny mpivady, ohatra, ny fijejojejoana amin’olon-kafa, ny fijerena boky sy sary vetaveta, ary ny fanitsakitsaham-bady. Lasa mihena ny fifankatiavany, rehefa tsy mifampatoky intsony izy ireo. Toy ny fefy miaro ny fianakaviana amin’ny olona na zavatra mampidi-doza anefa ny tsy fivadihana. Tsy mifampiahiahy sady mifamboraka ny ao am-pony ny mpivady rehefa tsy mivadika amin’ny vadiny, ka hitombo ny fifankatiavan’izy ireo. Zava-dehibe tokoa ny tsy fivadihana!

9 Hoy i Jehovah tamin’i Adama: “Ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny.” (Gen. 2:24) Inona no dikan’izany? Tsy maintsy manova ny fifandraisany amin’ny namany sy ny fianakaviany ny olona rehefa manambady. Ny vadiny no tokony hahiny voalohany ary izy no tena tokony hanokanany ny fotoanany. Tsy mety raha ny namany na ny fianakaviany no mbola zava-dehibe kokoa aminy, ka lasa tsy miraharaha ny vadiny izy. Rehefa hanapa-kevitra izy ireo na misy zavatra tsy ifanarahany, dia tsy tokony havelany hiditra amin’izany ny ray aman-dreniny. Tokony hifanohana foana izy mivady. Izany no tari-dalan’Andriamanitra.

10. Inona no hanampy ny mpivady tsy hivadika?

10 Mitondra soa be dia be ny tsy fivadihana, na dia tsy mitovy fivavahana aza ny mpivady. Hoy ny anabavy iray manambady tsy Vavolombelona: “Tena misaotra an’i Jehovah aho nampianatra ahy hoe tokony hanaiky ny vadiko aho ary hanaja azy fatratra. Tsy nivadika taminy mihitsy aho, ka efa 47 taona izao izahay no nifankatia sy nifanaja foana.” (1 Kor. 7:10, 11; 1 Pet. 3:1, 2) Miezaha mafy àry mba hahatonga ny vadinao tsy hanana ahiahy. Mitadiava fomba hanomezan-toky azy, amin’ny teninao sy ny ataonao, hoe izy no tianao indrindra eto an-tany. Aza avela hisy olona na zavatra hanimba ny fifandraisanareo, raha mbola azonao atao. (Vakio ny Ohabolana 5:15-20.) Hoy i Ron sy Jeannette, izay nanana tokantrano sambatra nandritra ny 35 taona mahery: “Tsy nivadika tamin’Andriamanitra izahay fa nanao izay notakiny taminay, ka sambatra ny tokantranonay.”

Manatsara ny fifandraisana ny firaisan-tsaina

11, 12. Inona no mampiseho fa niara-niasa tsara i Akoila sy Prisila a) tao an-tranony b) rehefa nanao asa fivelomana, ary d) rehefa nanompo?

11 Niara-notononin’ny apostoly Paoly foana ny anaran’i Akoila sy Prisila, rehefa niresaka momba azy ireo izy. Hita amin’ny fifandraisan’ireo mpivady miray saina ireo ny tian’Andriamanitra holazaina amin’ny hoe tokony ho “nofo iray” ihany ny mpivady. (Gen. 2:24) Niara-nikarakara tokantrano foana izy ireo, niara-niasa, ary niara-nanompo. Tsara fanahy, ohatra, izy mivady, tamin’i Paoly tonga tany Korinto, ka nampiantrano azy. Toa nivantana tsindraindray tao aminy i Paoly tatỳ aoriana. Nomen’izy ireo hivorian’ny fiangonana koa ny tranony tamin’izy ireo tany Efesosy, ary niara-nanampy olona handroso ara-panahy izy ireo. Anisan’ny olona nampiany i Apolosy. (Asa. 18:2, 18-26) Nankany Roma izy ireo tatỳ aoriana, ary mbola nomeny hivorian’ny fiangonana ny tranony tany. Niverina tany Efesosy izy ireo tatỳ aoriana, mba hampahery an’ireo rahalahy tany.—Rom. 16:3-5.

12 Efa niara-nanao tranolay tamin’i Paoly koa i Akoila sy Prisila. Niara-niasa tsara izy mivady tamin’izany, fa tsy niady na nifaninana. (Asa. 18:3) Azo antoka anefa fa ny fiarahan’izy ireo nanao asa kristianina no nahatonga azy mivady hatanjaka ara-panahy foana. ‘Mpiara-miasa ao amin’i Kristy Jesosy’ no nanjary nahafantarana azy ireo, na tany Korinto na tany Efesosy na tany Roma. (Rom. 16:3) Niara-nampandroso ny fitoriana ilay Fanjakana izy ireo, na taiza na taiza nisy azy.

13, 14. a) Inona no mety hahatonga ny mpivady tsy hiray saina? b) Inona no azon’ny mpivady atao mba hahatonga azy ireo ho “nofo iray” ihany?

13 Manatsara ny fifandraisan’ny mpivady tokoa ny fiarahana manatratra tanjona sy manao zavatra. (Mpito. 4:9, 10) Mampalahelo anefa fa mpivady maro no zara raha miara-manao zavatra. Samy manana ny asany izy ireo ary miasa mandritra ny ora maro. Misy mandeha lava noho ny asany, na miasa any andafy mba hahafahany mandefa vola ho an’ny ankohonany. Ary na dia ao an-trano aza ny mpivady sasany, dia tsy miara-manao zavatra satria mandany fotoana be mijery tele na Internet na manao lalao video na fialam-boly hafa. Izany ve no mitranga ao an-tokantranonao? Raha izany no izy, azonareo atao ve ny manao fanovana mba hahafahanareo miaraka bebe kokoa? Ahoana raha miara-manao raharaha, ohatra hoe mahandro sakafo na manasa vilia na manao zaridaina? Nahoana koa raha miaraka rehefa mikarakara ny zanakareo na ny ray aman-dreninareo be taona?

14 Ny fiarahana manao asa kristianina tsy tapaka anefa no zava-dehibe indrindra. Miaraha mandinika ny teny vakina isan’andro sy manao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana. Tena hanampy anareo hanana tanjona sy toe-tsaina mitovy izany. Miaraha koa manompo. Raha azo atao, dia miaraha manao ny asan’ny mpisava lalana, na dia iray volana na herintaona monja aza. (Vakio ny 1 Korintianina 15:58.) Hoy ny anabavy iray niara-nanao ny asan’ny mpisava lalana tamin’ny vadiny: “Anisan’ny fomba nahafahanay niaraka sy nifampiresaka tsara ny fiarahana nanompo. Tsapako hoe tena mpiara-miasa izahay, satria nitovy ny tanjonay. Samy te hanampy ny olona teny amin’ny fanompoana izahay. Nahatsiaro ho akaiky kokoa azy aho, ka lasa namako be izy fa tsy hoe vadiko fotsiny.” Hitovy tsikelikely ny zavatra mahaliana anareo sy ny zava-dehibe aminareo ary ny fahazaranareo, raha miara-manao zavatra mahasoa ianareo. Hieritreritra sy hanao zavatra ary hanana fihetseham-po toy ny “nofo iray” ihany ianareo, rehefa mandeha ny fotoana, toa an’i Akoila sy Prisila.

Ataovy loha laharana Andriamanitra

15. Inona no tena ilaina mba hahasambatra ny fanambadiana? Hazavao.

15 Fantatr’i Jesosy fa tokony hatao loha laharana Andriamanitra eo anivon’ny tokantrano. Nahita an’i Jehovah nanao an’ilay fampakaram-bady voalohany mantsy izy. Hitany koa hoe tena sambatra i Adama sy Eva rehefa nanaraka ny tari-dalan’Andriamanitra, fa nahita olana kosa rehefa tsy niraharaha izany. Rehefa nampianatra àry i Jesosy, dia namerina ny toromariky ny Rainy voalazan’ny Genesisy 2:24. Nilaza koa izy hoe: ‘Aoka izay nampiraisin’Andriamanitra zioga, tsy hosarahin’olona.’ (Mat. 19:6) Mbola tena ilaina àry ny manaja fatratra an’i Jehovah, mba hahasambatra ny fanambadiana. Nanome ohatra tsara ny amin’izany i Josefa sy Maria, ray aman-drenin’i Jesosy.

16. Ahoana no nampisehoan’i Josefa sy Maria fa loha laharana Andriamanitra tao an-tokantranony?

16 Tsara fanahy tamin’i Maria sy nanaja azy i Josefa. Rehefa fantany, ohatra, fa bevohoka i Maria, dia te hanampy azy hisoroka olana izy, na dia mbola tsy nanome fanazavana azy aza ny anjelin’Andriamanitra. (Mat. 1:18-20) Nankatò ny didin’i Kaisara koa izy mivady, ary nanaraka tsara ny Lalàn’i Mosesy. (Lioka 2:1-5, 21, 22) Niara-nankany Jerosalema niaraka tamin’ny havany izy ireo isan-taona, mba hanatrika fety ara-pivavahana, na dia ny lehilahy ihany aza no tena nasaina hanatrika azy io. (Deot. 16:16; Lioka 2:41) Hita tamin’izany sy tamin’ny zavatra hafa fa niezaka nampifaly an’i Jehovah izy mivady, ary nanaja fatratra ny fandaharana ara-panahy. Tsy mahagaga àry raha izy ireo no nofidin’i Jehovah hikarakara ny Zanany, tamin’izy io teto an-tany.

17, 18. a) Inona avy no azon’ny mpivady atao, mba hahatonga an’Andriamanitra ho loha laharana ao an-tokantranony? b) Inona no soa horaisin’izy ireo raha manao izany?

17 Loha laharana koa ve Andriamanitra ao an-tokantranonareo? Ahoana, ohatra, no ataonareo rehefa handray fanapahan-kevitra lehibe? Mandinika ny toro lalan’ny Baiboly sy mivavaka ary mangataka torohevitra amin’ny Kristianina matotra ve ianareo, sa ny hevitrareo na ny an’ny fianakaviana sy ny namana no arahinareo? Ary ahoana ny amin’ireo soso-kevitra mahasoa omen’ny mpanompo mendri-pitokisana, momba ny fanambadiana sy ny fiainam-pianakaviana? Miezaka manaraka azy ireny ve ianareo sa manaraka fotsiny ny fanaon’ny olona? Miara-mivavaka sy miara-mianatra tsy tapaka ve ianareo? Manana tanjona ara-panahy ve ianareo, ary miara-mandinika izay zava-dehibe indrindra aminareo?

18 Nanana tokantrano sambatra efa hatramin’ny 50 taona ny rahalahy atao hoe Ray. Hoy izy: “Tsy nisy olana tsy voavahanay mihitsy, satria nataonay ho anisan’ilay ‘tady randran-telo’ foana i Jehovah.” (Vakio ny Mpitoriteny 4:12.) Hoy koa i Danny sy Trina: “Niara-nanompo an’Andriamanitra izahay, ka vao mainka nifankatia kokoa.” Efa maherin’ny 34 taona izao izy ireo no nanana tokantrano sambatra. Raha ataonareo loha laharana foana àry i Jehovah ao an-tokantranonareo, dia hanampy anareo mba ho sambatra izy ary hanome anareo fitahiana be dia be.—Sal. 127:1.

Hajao foana ny fanomezana nomen’Andriamanitra

19. Nahoana Andriamanitra no namorona ny fanambadiana?

19 Izay hahasambatra ny tenany ihany no zava-dehibe amin’ny olona maro manambady ankehitriny. Tsy toy izany anefa ny mpanompon’i Jehovah. Fantatr’izy ireo fa fanomezana avy amin’Andriamanitra ny fanambadiana, ary nataony hanatanterahana ny fikasany. (Gen. 1:26-28) Raha nanaja an’io fanomezana io i Adama sy Eva, dia efa lasa paradisa ny tany manontolo, ka feno mpanompon’Andriamanitra manao ny marina sy sambatra.

20, 21. a) Nahoana isika no tokony hihevitra ny fanambadiana ho masina? b) Inona ilay fanomezana hodinihintsika amin’ny herinandro manaraka?

20 Fomba anomezam-boninahitra an’i Jehovah koa ny fanambadiana, amin’ny mpanompon’Andriamanitra. (Vakio ny 1 Korintianina 10:31.) Hitantsika teo fa ho mafy orina ny fanambadiana, raha tsy mivadika sy miray saina ny mpivady ary ataony loha laharana ao an-tokantranony Andriamanitra. Na vao mikasa hanambady àry ianao, na te hanatsara ny fifandraisanao amin’ny vadinao, na te hanavotra ny tokantranonao, dia tsy maintsy ekenao aloha hoe avy amin’Andriamanitra ny fanambadiana ary masina izy io. Hanampy anao izany mba handray fanapahan-kevitra mifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra. Asehonao amin’izany fa manaja ny fanambadiana ianao, sady manaja an’ilay nanome azy io, dia i Jehovah Andriamanitra.

21 Tsy ny fanambadiana ihany anefa no fanomezana avy amin’i Jehovah, ary tsy izy io ihany no mahasambatra. Betsaka koa ny mpanompon’i Jehovah mpitovo. Fanomezana sarobidy koa izy io, ka io no horesahintsika manaraka.

[Ahoana no Havalinao?]

• Ahoana no ampisehoan’ny mpivady kristianina fa tsy mivadika izy ireo?

• Nahoana no mihatsara ny fifandraisan’ny mpivady rehefa miara-manao zavatra izy ireo?

• Inona avy no azon’ny mpivady atao mba hahatonga an’Andriamanitra ho loha laharana ao an-tokantranony?

• Ahoana no ampisehoantsika fa manaja an’i Jehovah, ilay nanao ny fanambadiana, isika?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 15]

Hiray saina foana ny mpivady raha miara-manao zavatra