Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hita Hatrany An-dohasaha Ilay Anarana

Hita Hatrany An-dohasaha Ilay Anarana

Hita Hatrany An-dohasaha Ilay Anarana

MISY lohasaha kanto antsoina hoe Engadine any amin’ny faritra atsimoatsinanan’i Soisa, akaikin’ny sisin-tanin’i Italia, sady tsy lavitra an’ireo tendrombohitr’i Alpes rakotra lanezy. Eo amin’io lohasaha io no misy an’i Saint-Moritz, toeram-pialan-tsasatra malaza. Misy valan-javaboary koa any. Tsara tarehy izy io ary ahitana karazam-biby sy zavamaniry be dia be, ka midera an’i Jehovah Mpamorona antsika. (Sal. 148:7-10) Misy zavatra hafakely midera an’i Jehovah koa anefa any noho ny zavatra nataon’ny olona, tany antenatenan’ny taonjato faha-17.

Misy soratra mety hahasarika ny masonao eo amin’ny rindrina anoloana amin’ny trano maro, ohatra hoe eo ambonin’ny varavarana fidirana. Misoratra eo ny anaran’Andriamanitra. Fanaon’ny olona tany taloha ny manisy soratra amin’ny rindrina ivelany, mba handravahana azy. Nataon’izy ireo tamin’ny loko ilay soratra, na nataony sokitra tamin’ny rindrina, na nataony sokitra tamin’ny vato fisaka ary avy eo napetany tamin’ny rindrina. Trano ao Bever no hitanao eo amin’ilay sary lehibe eto ambany. Izao no dikan’ilay soratra eo: “Vita tamin’ny 1715. I Jehovah no fiandohana, ary i Jehovah no fiafarana. Andriamanitra no manampy amin’ny zava-drehetra, ary tsy misy zavatra vita raha tsy eo izy.” Miverina indroa eo ny anaran’Andriamanitra.

Tranainy kokoa ilay soratra eo amin’ny trano iray, ao Madulain. Izao ilay soratra: “Salamo faha-127. Raha tsy i Jehovah no manao ny trano, dia sasa-poana ny mpanao azy. Lucius Rumedius. Vita tamin’ny 1654.”

Nahoana ny olona tany no nanoratra ny anaran’Andriamanitra tamin’ny tranony? Navoaka tamin’ny fiteny romanche ny Baiboly, tamin’ny taonjato faha-16. Io no fitenin’ny olona any, izay avy amin’ny teny latinina. Ny Baiboly no boky voalohany nadika ho amin’ilay fiteny. Nanohina ny fon’ny olona maro ny zavatra novakiny tao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ka nasiany andinin-teny nisy ny anaran’Andriamanitra teny amin’ny rindrina ivelan’ny tranony. Efa fanaon’izy ireo rahateo ny nanoratra ny anarany manokana teo amin’ny tranony.

Mbola mampahafantatra ny anaran’i Jehovah sy midera azy ireny soratra ireny hatramin’izao, na dia efa taonjato maro lasa aza no nanoratana azy. Misy trano hafa mitondra ny anaran’Andriamanitra koa anefa ao Bever. Tsy inona izy io fa ny Efitrano Fanjakana ivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Afaka mianatra bebe kokoa momba an’i Jehovah, Andriamanitra tena mahafinaritra, ny mponina ao amin’io lohasaha io sy ny mpitsidika, raha mankao.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 7]

© Stähli Rolf A/age fotostock