Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahaiza Manararaotra Raha Tsy Manambady Ianao!

Mahaiza Manararaotra Raha Tsy Manambady Ianao!

Mahaiza Manararaotra Raha Tsy Manambady Ianao!

“Izay afaka mitoetra ho tsy manambady, dia aoka izy hanao izany.”—MAT. 19:12.

1, 2. a) Ahoana no fiheveran’i Jesosy sy Paoly ary ny olon-kafa ny hoe tsy manambady? b) Nahoana ny olona sasany no tsy mihevitra fa fanomezan’Andriamanitra ny hoe tsy manambady?

FANOMEZANA sarobidy avy amin’Andriamanitra ny fanambadiana. (Ohab. 19:14) Mahafinaritra sy mahafa-po koa anefa ny fiainan’ny Kristianina maro tsy manambady. Hoy i Harold, rahalahy 95 taona, izay tsy nanambady mihitsy: “Tiako ny miaraka amin’ny olona sy mandray vahiny. Kanefa na dia rehefa irery aza aho, dia tsy mba mahatsiaro ho manirery. Toy ny hoe natao ho mpitovo mihitsy aho.”

2 Nilaza i Jesosy Kristy sy ny apostoly Paoly fa fanomezan’Andriamanitra ny hoe tsy manambady, sahala amin’ny manambady ihany. (Vakio ny Matio 19:11, 12; 1 Korintianina 7:7.) Tsy fidiny ho an’ny olona sasany anefa ny tsy manambady. Sarotra aminy angamba ny mahita vady sahaza. Misy indray efa nanambady an-taonany maro, nefa nisara-panambadiana na maty vady, ka lasa tokan-tena na dia tsy nanampo izany aza. Nahoana àry no lazaina fa fanomezan’Andriamanitra ny hoe tsy manambady? Raha tsy manambady ianao, ahoana no azonao anararaotana tsara izany?

Fanomezana tsy manan-tsahala

3. Inona matetika no tombony ananan’ny Kristianina tsy manambady?

3 Matetika no manam-potoana kokoa sy malalaka kokoa hanao izay tiany ny olona tsy manambady, raha oharina amin’ireo manambady. (1 Kor. 7:32-35) Afaka manompo bebe kokoa àry izy ireo, maneho fitiavana amin’ny olona maro kokoa, ary mifandray akaiky kokoa amin’i Jehovah. Maro no mahatsapa fa andraisan-tsoa ny hoe tsy manambady, ka nanapa-kevitra ‘hitoetra ho tsy manambady’ mandritra ny fotoana kelikely izy, na tsy hanambady mihitsy. Ny sasany kosa tsy nikasa ny hijanona ho mpitovo na ho tokan-tena, nefa lasa toy izany. Nivavaka sy nandinika ny toe-javatra misy azy anefa izy ireo, ka nanjary natoky fa ho vitany ny tsy hanambady noho ny fanampian’i Jehovah. Nanjary neken’ny sainy izany, ka mitoetra ho tsy manambady izy ireo.—1 Kor. 7:37, 38.

4. Nahoana ny Kristianina tsy manambady no afaka matoky fa sarobidy foana ny fanompoany an’Andriamanitra?

4 Fantatry ny Kristianina fa tsy voatery manambady izy, vao ho tian’i Jehovah sy ny fandaminany. Tian’Andriamanitra isika tsirairay. (Mat. 10:29-31) Tsy misy afaka manasaraka antsika amin’ny fitiavany, na iza na iza, ary na inona na inona. (Rom. 8:38, 39) Sarobidy foana ny fanompoana ataontsika ho an’Andriamanitra, na manambady isika na tsia.

5. Inona no tokony hataon’ireo tsy manambady, mba handraisan-tsoa be indrindra avy amin’izany?

5 Aoka hatao hoe nisy nanome zavamaneno ny olona iray. Tsy maintsy miezaka izy raha te hahay hitendry azy io. Toy izany koa ny olona tsy manambady. Tsy maintsy miezaka izy raha te handray soa amin’io fanomezan’Andriamanitra io. Inona àry no azon’ny Kristianina tsy manambady atao, mba handraisan-tsoa be indrindra avy amin’izany, na rahalahy izy, na anabavy, na tanora, na efa zokinjokiny, ary na safidiny ny tsy manambady na tsia? Handinika ohatra mampahery teo anivon’ny fiangonana kristianina voalohany isika, ka handray lesona amin’izany.

Tanora tsy nanambady

6, 7. a) Inona no tombontsoa nananan’ny zanakavavin’i Filipo? b) Inona no ezaka nataon’i Timoty mba hampiasana tsara ny fotoana naha mpitovo azy, ary inona no tombontsoa azony noho izany?

6 Nanan-janakavavy virjiny efatra i Filipo, ary nazoto nitory toa azy izy ireo. (Asa. 21:8, 9) Fanomezana mahagaga avy amin’ny fanahy masina ny fahaizana maminany, ary nampiasa an’izany fahaizana izany ireo tovovavy ireo ho fanatanterahana ny Joela 2:28, 29.

7 Nampiasa tsara ny fotoana naha mpitovo azy koa i Timoty. Mbola zazakely izy dia efa nampianatra azy “ny Soratra Masina” i Eonika reniny sy Loisa renibeny. (2 Tim. 1:5; 3:14, 15) Tamin’ny taona 47 angamba izy telo mianaka vao lasa Kristianina. Tamin’io i Paoly no nitsidika voalohany an’i Lystra, tanàna niavian’izy ireo. Nitsidika fanindroany tany i Paoly, roa taona taorian’izay. Roapolo taona teo ho eo angamba i Timoty tamin’io. Mbola tanora i Timoty ary vao haingana no nahalala ny fahamarinana, nefa “tsara laza” teo amin’ireo anti-panahin’i Lystra sy Ikonioma. (Asa. 16:1, 2) Nasain’i Paoly nanao dia niaraka taminy àry izy. (1 Tim. 1:18; 4:14) Tsy azo antoka hoe tsy nanambady mihitsy i Timoty. Fantatsika kosa fa faly nanaraka an’i Paoly izy tamin’izy mbola tanora, ary misionera sy mpiandraikitra izy nandritra ny taona maro taorian’izay, sady mbola mpitovo.—Fil. 2:20-22.

8. Inona no nanampy an’i Jaona Marka hanatratra tanjona ara-panahy, ary inona no fitahiana azony noho izany?

8 Nampiasa tsara ny fotoana naha mpitovo azy koa i Jaona Marka. Anisan’ireo Kristianina voalohany tao amin’ny fiangonan’i Jerosalema izy sy Maria reniny ary Barnabasy zanak’olo-mpiray tam-po aminy. Niadana koa angamba ny fianakaviany, satria nanana trano tao an-tanàn-dehibe sady nanana mpanompo. (Asa. 12:12, 13) Tsy variana nanao izay nahafinaritra azy fotsiny anefa i Marka, na dia mbola tanora aza. Tsy nifantoka tamin’ny fanorenana tokantrano sy ny fanaovana izay hahametimety ny fiainany koa izy. Te ho misionera kosa izy, satria nifanerasera tamin’ireo apostoly. May ny hiaraka tamin’i Paoly sy Barnabasy izy, mba hanampy azy ireo tamin’ilay dia misionera voalohany nataon’izy ireo. (Asa. 13:5) Nanao dia niaraka tamin’i Barnabasy izy tatỳ aoriana, ary niaraka tamin’i Petera tany Babylona koa. (Asa. 15:39; 1 Pet. 5:13) Tsy fantatsika hoe naharitra hafiriana i Marka no tsy nanambady. Nalaza ho olona vonon-kanampy anefa izy, ary nazoto foana hampitombo ny fanompoany.

9, 10. Inona avy no azon’ny tanora tsy manambady atao, mba hampitomboana ny fanompoany? Inona no nataon’ny rahalahy iray?

9 Faly manararaotra ny fotoana maha mpitovo azy koa ny tanora kristianina maro ankehitriny, ka mampitombo ny fanompoany. Toa an’i Marka sy Timoty, dia tsapan’izy ireo fa afaka ‘manompo ny Tompo mandrakariva tsy misy fieritreretana zavatra hafa’ ny olona tsy manambady. (1 Kor. 7:35) Tombontsoa be izany. Betsaka ny azo atao. Ohatra hoe mpisava lalana, manitatra faritany, mianatra fiteny vahiny, manampy amin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana na biraon’ny sampana, manatrika ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana, ary manompo ao amin’ny Betela. Raha tanora tsy manambady àry ianao, moa ve ianao manararaotra tsara an’izany?

10 Nirotsaka ho mpisava lalana i Mark, talohan’ny faha-20 taonany. Nanatrika ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana koa izy, ary nanompo tany amin’ny tany samihafa. Efa 25 taona izao no nanompoany manontolo andro. Hoy izy: “Niezaka nifanerasera tamin’ny olona rehetra teo anivon’ny fiangonana aho. Niara-nanompo tamin’izy ireo aho, nanasa azy ireo hisakafo, nanao fitsidihan’ny mpiandry, ary nandamina fiaraha-mikorana mba hifampaherezana. Tena nahafaly ahy izany.” Hitantsika amin’izany fa ny manome no tena mahafaly, ary afaka manome foana ny olona iray, rehefa manokana ny fiainany mba hanaovana fanompoana masina. (Asa. 20:35) Betsaka ny azonareo tanora atao amin’ny asan’ny Tompo, na inona na inona zavatra mahaliana anareo, na fahaizanareo, na traikefa anananareo.—1 Kor. 15:58.

11. Inona no soa azo raha tsy maimaika hanambady?

11 Maniry hanambady ny ankamaroan’ny tanora, nefa tsy tsara ny maimaika. Mampirisika ny tanora i Paoly mba hiandry mandra-pahalasan’ny “fotoana fivelaran’ny fahatanorana.” (1 Kor. 7:36) Tena mafy mantsy ny faniriana hanao firaisana amin’io. Elaela koa ny olona vao mahalala tsara ny tenany sy ampy traikefa mba hifidy vady sahaza ho azy. Fanapahan-kevitra lehibe ny hoe hanao voadim-panambadiana, sady natao haharitra mandrakizay ny fanambadiana.—Mpito. 5:2-5.

Zokinjokiny tsy manambady

12. a) Ahoana no niatrehan’i Ana ny fiovana teo amin’ny fiainany? b) Inona no valisoa azony?

12 Mitantara momba an’i Ana ny Filazantsaran’i Lioka. Azo inoana fa nalahelo be io vehivavy io, rehefa maty tampoka ny vadiny, nefa vao fito taona izy ireo no nivady. Tsy voalaza raha nanan-janaka izy ireo. Tsy fantatra koa hoe nieritreritra ny hanambady indray ve i Ana sa tsia. Milaza kosa ny Baiboly hoe mbola mpitondratena izy tamin’izy 84 taona. Hita ao fa nanararaotra an’ilay fiovana teo amin’ny fiainany i Ana, mba hifandraisana akaiky kokoa tamin’i Jehovah. “Tonga tsy tapaka tao amin’ny tempoly ... izy, nanao fanompoana masina andro aman’alina sady nifady hanina no nitalaho tamim-bavaka.” (Lioka 2:36, 37) Ny fanompoana an’i Jehovah no nataony loha laharana. Nitaky finiavana sy ezaka izany, nefa nahazoany valisoa lehibe. Nahita an’i Jesosy zazakely izy, ary afaka niresaka tamin’ny olona momba ny fanafahana hoentin’ny Mesia.—Lioka 2:38.

13. a) Inona no mampiseho fa niasa mafy teo anivon’ny fiangonana i Dorkasy? b) Inona no valisoa azon’i Dorkasy, noho izy tsara fanahy sy nanao soa?

13 Nipetraka tany Jopa, tanàna nisy seranan-tsambo tany avaratrandrefan’i Jerosalema, ny vehivavy iray atao hoe Dorkasy, na Tabita. Toa tsy nanambady izy tamin’izany, raha ny Baiboly no jerena. ‘Be ny asa soa vitany sy ny fiantrany ny mahantra.’ Nanao akanjo maro ho an’ny mpitondratena sy ny sahirana izy, ka tena tian’izy ireo. Rehefa narary tampoka àry izy ka maty, dia nampaka an’i Petera ny fiangonana, ary niangavy azy hanangana an’ilay anabavy malalan’izy ireo. Maro no lasa mpino, rehefa niely nanerana an’i Jopa ny vaovao hoe natsangana tamin’ny maty i Dorkasy. (Asa. 9:36-42) Nanao soa tamin’ny sasany tamin’ireo koa angamba i Dorkasy tatỳ aoriana.

14. Nahoana no miantehitra bebe kokoa amin’i Jehovah ireo Kristianina tsy manambady?

14 Maro koa ny Kristianina zokinjokiny tsy manambady ankehitriny, toa an’i Ana sy Dorkasy. Tsy nahita vady sahaza azy angamba izy, na nisara-panambadiana, na maty vady. Matetika izy ireny no nianatra niantehitra bebe kokoa tamin’i Jehovah, satria tsy manana vady hamborahana ny ao am-pony. (Ohab. 16:3) Mihevitra an’izany ho tombontsoa i Silvia, anabavy tsy manambady, izay Betelita efa hatramin’ny 38 taona mahery. Hoy izy: “Reraka aho indraindray satria hoatran’ny hoe izaho foana no mampahery ny olona. Iza àry no mba hampahery ahy?” Hoy koa anefa izy: “Mahalala izay ilaiko i Jehovah mihoatra noho ny tenako aza. Lasa akaiky kokoa azy aho rehefa matoky an’izany, ary mahazo fampaherezana foana. Tsy ampoiziko indraindray ny fomba ahazoana an’ilay fampaherezana.” Mampahery sy maneho fitiavana amintsika tokoa i Jehovah, rehefa mifandray akaiky kokoa aminy isika.

15. Inona no azon’ny Kristianina tsy manambady atao, raha te ‘hanalalaka ny fony’ izy?

15 Manana tombontsoa manokana ireo tsy manambady, satria afaka ‘manalalaka ny fony’ izany hoe maneho fitiavana amin’ny olona maro kokoa. (Vakio ny 2 Korintianina 6:11-13.) Hoy i Jolene, anabavy tsy manambady, izay manompo manontolo andro efa hatramin’ny 34 taona: “Miezaka mafy aho mba hinamana amin’ny karazan’olona rehetra, fa tsy amin’ny olona mitovy taona amiko ihany. Manana tombony be ny olona tsy manambady, satria afaka manome bebe kokoa ho an’i Jehovah, ho an’ny fianakaviany, ho an’ireo anadahy sy rahavavy ary ny olon-kafa. Vao mainka aho faly hoe tsy manambady, arakaraka ny androsoan’ny taonako.” Mankasitraka ny fanampian’ireny Kristianina tsy manambady ireny ny zokiolona, ny osa, ny ray sy reny tokan-tena, ny tanora, ary ny olon-kafa eo anivon’ny fiangonana. Lasa faly kokoa amin’ny tenantsika isika, isaky ny mampiseho fitiavana amin’ny hafa. Afaka maneho fitiavana amin’ny olona maro kokoa àry ve ianao?

Tapa-kevitra ny tsy hanambady mihitsy

16. a) Nahoana i Jesosy no tsy nanambady mihitsy? b) Tsy nanambady i Paoly. Ahoana no nanararaotany tsara an’izany?

16 Tsy maintsy niomana hanao ny fanompoany i Jesosy, ary avy eo nanatanteraka izany. Maro ny dia lavitra nataony, ary niasa vao maraina ka hatramin’ny alina be izy. Nanao sorona ny ainy izy tamin’ny farany. Nety tsara taminy àry ny hoe tsy nanambady. Tsy nanambady koa i Paoly, angamba efa maty vady. Nifidy ny tsy hanambady intsony izy rehefa voatendry ho apostoly. (1 Kor. 7:7; 9:5) Nanao dia an’arivony kilaometatra izy, ary niatrika olana lehibe maro teo amin’ny fanompoany. (2 Kor. 11:23-27) Nampirisika ny hafa i Jesosy sy Paoly hoe raha azo atao dia aleo tsy manambady toa azy ireo, mba hahafahana manompo. Tsy nilaza anefa izy ireo hoe tsy mahazo manambady ny mpanompon’Andriamanitra.—1 Tim. 4:1-3.

17. Inona no nataon’ny olona sasany ho fanahafana an’i Jesosy sy Paoly, ary nahoana no azo antoka fa mankasitraka ny olona mahafoy tena toy izany i Jehovah?

17 Nifidy ny tsy hanambady koa ny Kristianina sasany ankehitriny, mba hifantohana kokoa amin’ny fanompoana. Betelita efa hatramin’ny 56 taona mahery izao i Harold, voaresaka terỳ aloha. Hoy izy: “Voamariko tao anatin’ny folo taona voalohany nanompoako tato amin’ny Betela, fa be dia be ny mpivady niala tato, satria narary, na tsy maintsy nikarakara ray aman-dreny be taona. Hitako fa mety hiala amin’ny Betela ny olona iray, noho ny antony mifandray amin’ny fanambadiana. Naleoko àry tsy nanambady, satria tiako loatra ny Betela. Ny ray aman-dreniko rahateo efa maty.” Hoy koa i Margaret, mpisava lalana efa ela: “Afaka nanambady aho raha tiako. Naleoko anefa tsy nanambady. Hitako hoe nalalaka kokoa aho vokatr’izany, ka afaka nanompo bebe kokoa. Tena nahasambatra ahy izany.” Azo antoka fa tsy hohadinoin’i Jehovah mihitsy ny olona mahafoy tena toy izany, ho an’ny fivavahana marina.—Vakio ny Isaia 56:4, 5.

Hararaoty tsara

18. Ahoana no azontsika ampaherezana an’ireo Kristianina tsy manambady?

18 Mendrika ny hoderaina sy hampaherezina ny Kristianina tsy manambady rehetra, izay manompo an’i Jehovah araka izay fara heriny. Tiantsika izy ireny noho ny toetra tsarany sy izay rehetra ataony eo anivon’ny fiangonana. Tsy hanirery mihitsy izy ireo, raha miezaka isika mba ho tena ‘rahalahin’izy ireo, ho anabaviny, ho reniny, ho rainy, ho zanany.’—Vakio ny Marka 10:28-30.

19. Raha tsy manambady ianao, ahoana no azonao anararaotana tsara an’izany?

19 Na safidinao na tsia ny hoe tsy manambady, dia enga anie ireo ohatra nodinihintsika teo ka hahatonga anao hatoky fa afaka ny ho sambatra sy hanana fiainana mahafa-po ianao. Mety ho toy ny fanomezana efa nandrandraina mafy ny hoe tsy manambady, nefa koa mety ho toy ny fanomezana tsy nampoizina. Tonga dia tiantsika ny fanomezana sasany, fa misy kosa elaela vao ankafizintsika. Miankina amin’ny toe-tsaintsika ihany izany. Raha tsy manambady àry ianao, ahoana no azonao anararaotana tsara an’izany? Miezaha hifandray akaiky kokoa amin’i Jehovah, sy ho be atao foana amin’ny fanompoana, ary haneho fitiavana amin’ny olona maro kokoa. Mety hahafinaritra tokoa àry ny hoe tsy manambady, tsy misy hafa amin’ny hoe manambady. Andraisan-tsoa izy io raha manana ny fomba fihevitr’Andriamanitra ianao, sady mampiasa tsara an’io fanomezany io.

[Tadidinao Ve?]

• Inona no azon’ireo tsy manambady atao mba ho tena fanomezana avy amin’Andriamanitra ny hoe tsy manambady?

• Ahoana no azon’ny tanora anararaotana tsara ny fotoana maha mpitovo azy?

• Inona no azon’ny Kristianina tsy manambady atao, mba hahafahany mifandray akaiky kokoa amin’i Jehovah sy maneho fitiavana amin’ny olona maro kokoa?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 18]

Manararaotra manao izay azonao atao eo amin’ny fanompoana ve ianao?