Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahazo Hery Hiatrehana ny Fitsapana Rehetra Isika

Mahazo Hery Hiatrehana ny Fitsapana Rehetra Isika

Mahazo Hery Hiatrehana ny Fitsapana Rehetra Isika

“Manana ny hery hiatrehana ny toe-javatra rehetra aho, amin’ny alalan’ilay manome hery ahy.”—FIL. 4:13.

1. Nahoana ny vahoakan’i Jehovah no iharan’ny zava-tsarotra maro?

IHARAN’NY zava-tsarotra matetika ny vahoakan’i Jehovah. Mety ho avy amin’ny tsy fahalavorariantsika izany, na avy amin’ity tontolo ity, na noho ny fankahalan’ireo tsy manompo an’Andriamanitra. (Gen. 3:15) Efa hatramin’ny ela Andriamanitra no nanampy ny mpanompony mba hahazaka fanenjehana sy hahatohitra fitaoman-dratsy ary hahavita hiaritra ny karazana zava-tsarotra rehetra. Mbola afaka manome hery hahavitantsika an’izany koa ny fanahiny masina ankehitriny.

Hery hiatrehana fanenjehana

2. Inona no tanjon’ny mpanenjika, ary ahoana no mety hisehoan’izany fanenjehana izany?

2 Fanenjehana fivavahana! Inona no dikan’izany? Filana vaniny na hetraketraka atao amin’ny olona, noho ny fivavahany na ny zavatra inoany. Ny hanafoana an’ilay fivavahana no tanjon’ireo mpanenjika, ka ataony izay tsy hielezan’izy io, na ataony izay hampivadika an’ireo mpivavaka ao. Miseho mivantana na an-kolaka ny fanenjehana. Oharin’ny Baiboly amin’ny fanafihan’ny liona tanora sy kôbrà ny fanafihan’i Satana.—Vakio ny Salamo 91:13.

3. Nahoana ny fanenjehana ataon’i Satana no oharina amin’ny fanafihan’ny liona sy ny kôbrà?

3 Matetika i Satana no manafika mivantana toy ny liona masiaka, ka mampiasa herisetra, fampidirana am-ponja, na fandrarana. (Sal. 94:20) Misy tantara maro manaporofo izany ao amin’ny Diary. Rotahan’ny olona sy ampijalijaliany ny mpanompon’i Jehovah any amin’ny toerana maro. Mpitondra fivavahana na mpanao politika mafana fo tafahoatra no fototr’izany indraindray. Noho ny fanafihana mivantana toy ireny, dia nisy olona vitsivitsy nivadika tamin’i Jehovah. Mamely amin’ny fomba tsy ampoizina koa anefa ny Devoly, toy ny ataon’ny kôbrà. Te hanapoizina ny sain’ny olona sy hamitaka izy, mba hanaovan’izy ireo ny sitrapony. Ny hampahalemy ny finoantsika na hampanaiky lembenana antsika no kendreny amin’izany. Afaka manampy antsika hiatrika an’ireo karazana fanenjehana roa ireo anefa ny fanahy masina.

4, 5. Ahoana no fomba tsara indrindra hiomanana amin’ny fanenjehana, ary nahoana? Manomeza ohatra.

4 Tsy hanampy antsika hiatrika fanenjehana ny fieritreretana an’izay hitranga amin’izany. Tsy fantatsika mihitsy mantsy izay karazana fanenjehana mety hahazo antsika. Tsy handray soa àry isika raha manahy momba ny zavatra mety tsy hitranga akory. Misy zavatra azontsika atao tsara anefa. Afaka misaintsaina ny fampianarana sy ny ohatra navelan’i Jesosy isika. Eo koa ny ohatra navelan’ireo mpanompon’i Jehovah hafa tsy nivadika, voatantara ao amin’ny Baiboly. Maro ny olona nisaintsaina azy ireny, ka lasa tia kokoa an’i Jehovah, ary nahavita niaritra fanenjehana. Nanampy azy ireo hahazaka ny fitsapana rehetra ny fitiavany an’i Jehovah.

5 Diniho ny ohatr’ireto anabavy roa any Malawi ireto. Nisy vahoaka nahery setra nikapoka sy nampitanjaka azy ireo ary nandrahona ny hanolana azy, mba hanerena azy ireo hividy karatry ny antoko politika. Nandainga ireo olona ireo hoe efa nividy karatry ny antoko, hatramin’ny mpiasan’ny Betela. Ahoana no navalin’ireo anabavy ireo? “Tsy manompo afa-tsy Jehovah Andriamanitra izahay. Koa raha efa nividy karatra ireo anadahy any amin’ny biraon’ny sampana, dia tsy mampiova na inona na inona aminay izany. Tsy hanaiky lembenana izahay, na dia hovonoinareo ho faty aza!” Nafahana ireo anabavy be herim-po ireo taorian’izay.

6, 7. Ahoana no anomezan’i Jehovah hery ny mpanompony hiatrehana fanenjehana?

6 Nanana “fifaliana avy tamin’ny fanahy masina” ireo Kristianina tany Tesalonika, na dia niharan’ny “fahoriana be” aza rehefa nandray ny fahamarinana. (1 Tes. 1:6) Maro koa ny Kristianina tsy nivadika rehefa nenjehina, na taloha na ankehitriny. Nahatsapa fiadanan-tsaina izy ireo, tao anatin’ny fotoana mafy indrindra. Nanampy azy ireo hiaro ny fony sy ny sainy io fiadanana io, izay anisan’ny vokatry ny fanahy. (Gal. 5:22) Manome hery amin’ny alalan’ny fanahiny tokoa i Jehovah, mba hahafahan’ny mpanompony hiaritra sy hanao zavatra amim-pahendrena rehefa misy fitsapana. *

7 Gaga ny olona rehefa mahita fa tsy mety mivadika ny vahoakan’Andriamanitra, na dia misy fanenjehana mivaivay aza. Toy ny hoe manana hery mihoatra noho ny an’ny olombelona izy ireo, ary tena marina izany. Manome toky antsika i Petera hoe: “Sambatra ianareo raha tevatevaina noho ny anaran’i Kristy, satria mitoetra aminareo ny fanahin’ny voninahitra, dia ny fanahin’Andriamanitra.” (1 Pet. 4:14) Mahazo sitraka amin’Andriamanitra isika matoa enjehina noho ny fanarahana ny fitsipiny marina. (Mat. 5:10-12; Jaona 15:20) Tena mahafaly ny mahafantatra izany!

Hery hanoherana fitaoman-dratsy

8. a) Inona no nanampy an’i Josoa sy Kaleba tsy hanaiky ny hevitr’ireo mpitsikilo hafa? b) Inona no ianarantsika avy amin’i Josoa sy Kaleba?

8 Anisan’ny fanoherana an-kolaka atrehin’ny Kristianina ny fitaoman-dratsy. Mahery noho ny fanahin’izao tontolo izao anefa ny fanahin’i Jehovah, ka vitantsika ny manohitra an’ireo olona maneso sy manely lainga ary manery antsika hanaraka ny fisainany. Inona, ohatra, no nanampy an’i Josoa sy Kaleba tsy hanaiky ny hevitr’ireo mpitsikilo folo hafa, izay niaraka tamin’izy ireo tany Kanana? Nanaraka ny fitarihan’ny fanahy masina izy ireo, ka nanjary nanana “toe-tsaina” hafa.—Vakio ny Nomery 13:30; 14:6-10, 24.

9. Nahoana ny Kristianina no tsy maintsy vonona hiavaka amin’ny maro?

9 Nahazo hery tamin’ny alalan’ny fanahy masina koa ireo apostoly, ka nahavita nankatò an’Andriamanitra, fa tsy ireo olona noheverin’ny maro ho mpampianatra ny fivavahana marina. (Asa. 4:21, 31; 5:29, 32) Aleon’ny ankamaroan’ny olona manaraka ny fanaon’ny besinimaro, mba tsy hisian’ny fifandirana. Tsy maintsy mijoro amin’izay fantany fa marina anefa ny tena Kristianina. Tsy matahotra ny hiavaka amin’ny maro izy ireo, noho ny hery avy amin’Andriamanitra. (2 Tim. 1:7) Andeha isika handinika toe-javatra iray, tsy tokony hanekentsika lembenana.

10. Inona no mety hanahiran-tsaina ny Kristianina sasany?

10 Mety ho sahiran-tsaina ny tanora sasany, rehefa mahafantatra fa nanao zavatra tsy araka ny Soratra Masina ny namany. Mety hihevitra izy ireo hoe tsy tokony hiteniteny, satria eritreretiny hoe mamadika an’ilay namany izy raha mangataka fanampiana amin’ny anti-panahy. Sady mety hanery azy ilay nanota mba hanafina ny tsy mety ataony. Misy olon-dehibe koa miahotra ny hanatona ny anti-panahy, rehefa misy namany na mpianakaviny manao ratsy. Inona no tokony hataon’ny tena Kristianina amin’ny toe-javatra toy izany?

11, 12. Inona no tokony hatao raha misy olona eo anivon’ny fiangonana milaza aminao mba tsy hiteniteny momba ny ratsy nataony? Nahoana?

11 Aoka hatao hoe misy rahalahy tanora roa mpinamana atao hoe Tojo sy Faly. Lasa fantatr’i Tojo fa zatra mijery sary vetaveta i Faly, ka nilaza taminy i Tojo fa tena manahy noho ilay zavatra ataony. Tsy mivaky loha anefa i Faly. Nampirisika azy hanatona anti-panahy i Tojo, nefa namaly izy fa raha tena namany i Tojo dia tsy handaza azy. Tokony hatahotra ny tsy ho namany intsony ve i Tojo? Mety hieritreritra koa anefa i Tojo hoe: ‘Ahoana raha mandà izay rehetra holazaiko i Faly, rehefa hanontanian’ny anti-panahy? Iza aminay no hinoan’izy ireo?’ Tsy hanatsara zavatra anefa raha mangina fotsiny i Tojo. Mety ho tafasaraka tanteraka amin’i Jehovah i Faly. Mila mitadidy i Tojo fa “fandrika ny tahotra olona, fa izay matoky an’i Jehovah no ho voaro.” (Ohab. 29:25) Azony atao ny miresaka amim-pitiavana indray amin’i Faly ary mampahafantatra aminy ny fahotany. Marina fa mila herim-po izy hanaovana izany, nefa ilaina izany, satria mety ho amin’izay i Faly vao tena vonona hiresaka momba ilay olana. Tokony hampirisika an’i Faly indray i Tojo amin’izay mba hanatona anti-panahy, ary hanome azy fotoana ampy ho amin’izany. Hilaza koa i Tojo fa raha tsy hiteny i Faly, dia izy mihitsy no hanao izany.—Lev. 5:1.

12 Mety tsy hankasitraka ny ezaka ataonao mba hanampiana azy ny namanao amin’ny voalohany. Mety ho tsapany anefa atỳ aoriana, fa izay tena hahasoa azy no tadiavinao. Raha manaiky hampiana izy, dia mety hankasitraka anao mandrakizay, noho ianao naneho herim-po sy tsy nivadika. Ahoana kosa raha tezitra aminao foana izy? Tena namana tsara ho anao ve izy? Fahendrena foana ny mampifaly an’i Jehovah, ilay Namana tsy fointsika indrindra. Raha ny fifandraisantsika aminy no zava-dehibe indrindra amintsika, dia hanaja antsika ny olon-kafa tia azy satria tsy mivadika isika. Ho lasa tena namantsika koa izy ireo. Tsy tokony hanome toerana ho an’ny Devoly mihitsy isika, eo anivon’ny fiangonana. Hampalahelo ny fanahy masina mantsy isika, raha manao izany. Manaraka ny fitarihan’izy io kosa isika, ka miezaka hihazona ny fiangonana ho madio.—Efes. 4:27, 30.

Hery hiaretana ny zava-tsarotra rehetra

13. Inona no zava-tsarotra atrehin’ny vahoakan’i Jehovah, ary nahoana izy ireny no mateti-pitranga?

13 Isan-karazany ny fitsapana mety hiseho: Olana ara-bola, famoizana asa, hetraketraky ny natiora, fahafatesan’ny havan-tiana, tsy fahasalamana, ary ny zavatra hafa. Miaina amin’ny “fotoan-tsarotra” isika, ka ampoizina fa hisy fitsapana hahazo antsika, na ho ela na ho haingana. (2 Tim. 3:1) Aza manahy be loatra rehefa mitranga izany. Afaka manome hery antsika hiaretana ny karazana zava-tsarotra rehetra ny fanahy masina.

14. Ahoana no nahazoan’i Joba hery hiaretana zava-tsarotra?

14 Niharan’ny olana nifanesy i Joba. Very ny fivelomany, maty ny zanany, nivadika ny namany, azon’aretina izy, ary tsy nitoky tamin’i Jehovah intsony ny vadiny. (Joba 1:13-19; 2:7-9) Tena nampionona an’i Joba anefa i Eliho. Toy izao no votoatin’ny tenin’i Eliho sy ny tenin’i Jehovah: “Mijanòna ary mifantoha amin’ny asa mahatalanjon’Andriamanitra.” (Joba 37:14) Inona no nanampy an’i Joba hiaritra, ka afaka manampy antsika koa? Ilaina ny mitadidy sy misaintsaina an’ireo porofo mampiseho ny herin’i Jehovah sy ny fiasan’ny fanahy masina. (Joba 38:1-41; 42:1, 2) Efa nisy zava-nitranga teo amin’ny fiainantsika angamba nahatsapantsika fa niahy antsika manokana Andriamanitra. Tadidio fa miahy antsika izy hatramin’izao.

15. Inona no nanampy ny apostoly Paoly hiaritra fitsapana?

15 Niharan’ny zava-tsarotra maro nahatandindomin-doza ny ainy ny apostoly Paoly, noho ny finoany. (2 Kor. 11:23-28) Inona no nanampy azy hahay handanjalanja sy ho tony foana? Niantehitra tamin’i Jehovah tamim-bavaka izy. Nanoratra toy izao izy, tao anatin’ny fitsapana, izay azo inoana fa niafara tamin’ny famonoana azy: “Ny Tompo ... nijoro teo anilako ka nankahery ahy, mba hotanterahina an-tsakany sy an-davany amin’ny alalako ny asa fitoriana, ary mba handre izany ny firenena rehetra. Ary nafahana avy tamin’ny vavan’ny liona aho.” (2 Tim. 4:17) Noho ny zavatra niainan’i Paoly àry, dia afaka nanome toky an’ireo Kristianina toa azy izy hoe: “Aza manahy na amin’inona na amin’inona.”—Vakio ny Filipianina 4:6, 7, 13.

16, 17. Manomeza ohatra mampiseho fa omen’i Jehovah hery hiatrehana zava-tsarotra ny mpanompony ankehitriny.

16 Afaka manome izay ilain’ny vahoakany i Jehovah. Nahatsapa an’izany i Roxana, mpisava lalana. Nangataka andro tsy iasana izy, indray mandeha, mba hanatrehana fivoriambe. Tezitra ilay mpampiasa azy sady namaly fa horoahiny i Roxana, raha mandeha amin’izany. Nandeha ihany anefa i Roxana, sady nivavaka mafy mba tsy ho voaroaka. Tony izy taorian’izay. Voaroaka tokoa izy, ny alatsinainy taorian’ny fivoriambe. Niasa saina izy. Tena nila an’ilay asa mantsy izy mba hamelomany ny ankohonany, na dia kely karama aza ilay izy. Nivavaka indray izy sady nataony an-tsaina fa raha nahavita nanome izay ilainy teo amin’ny lafiny ara-panahy Andriamanitra tany amin’ny fivoriambe, dia azo antoka fa ho afaka hanome ny zavatra hafa ilainy koa. Nahita filazana izy teny an-dalana hody. Voalaza teo fa mitady mpiasa manana traikefa amin’ny fampiasana milina fanjairana ny orinasa iray. Nanao fangatahana àry i Roxana. Hitan’ny talen’ilay orinasa fa mbola tsy manana traikefa izy, nefa nomeny azy ihany ilay asa, ary efa ho avo roa heny noho ny karaman’i Roxana teo aloha ny karama nomeny. Tsapan’i Roxana fa nivaly ny vavaka nataony. Ny tena tsara anefa, dia afaka nitory ny vaovao tsara tamin’ny mpiara-miasa taminy vitsivitsy izy. Nanaiky ny fahamarinana ny dimy tamin’ireo, ary natao batisa, anisan’izany ilay tale.

17 Mety hahatsapa isika indraindray fa toa tsy mivaly ny vavaka nataontsika. Tsy mivaly eo no ho eo angamba ilay izy, na tsy araka ny noeritreretintsika ny valiny. Tsy maintsy misy antony tsara, matoa mitranga izany. Mahafantatra ny antony i Jehovah, ary mety ho any aoriana ilay izy vao hazava amintsika. Izao anefa no azontsika antoka: Tsy manary an’ireo tsy mivadika aminy Andriamanitra.—Heb. 6:10.

Hery handresena fitsapana sy fakam-panahy

18, 19. a) Nahoana isika no manampo fitsapana sy fakam-panahy? b) Inona avy no hanampy anao hiatrika fitsapana?

18 Mety ho kivy na hiharan’ny fakam-panahy sy fanenjehana ary fitaoman-dratsy ny vahoakan’i Jehovah. Tsy vaovao amintsika anefa izany satria fantatsika fa tsy tia antsika ity tontolo ity. (Jaona 15:17-19) Afaka manampy antsika hiatrika ny zava-tsarotra rehetra ny fanahy masina. Tsy havelan’i Jehovah halaim-panahy mihoatra noho izay zakantsika isika. (1 Kor. 10:13) Tsy handao na hahafoy antsika mihitsy izy. (Heb. 13:5) Miaro sy manatanjaka antsika ny fankatoavana ny Teniny, izay avy amin’ny fanahiny. Afaka mandrisika an’ireo mpiray finoana koa ny fanahy masina mba hahatonga azy ireo hanampy antsika amin’ny fotoana tena ilantsika izany.

19 Aoka àry isika rehetra hiezaka foana hahazo ny fanahy masina, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fianarana ny Soratra Masina. Enga anie isika ka ‘hatanjaka’ foana noho ny “hery rehetra” avy amin’Andriamanitra, “araka ny haben’ny heriny be voninahitra.” Ho afaka “hiaritra tanteraka” isika amin’izay “sady haneho fahari-po amim-pifaliana.”—Kol. 1:11.

[Fanamarihana ambany pejy]

[Ahoana no Havalinao?]

• Ahoana no azonao iomanana ho amin’ny fanenjehana?

• Inona no tokony hataonao raha misy milaza aminao mba tsy hiteniteny momba ny ratsy nataony?

• Inona no toky anananao rehefa misy zava-tsarotra, na inona izany na inona?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 28]

Inona no ianarantsika avy amin’i Josoa sy Kaleba?

[Sary, pejy 29]

Ahoana no azonao anampiana namana nanao ratsy?