Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Nahoana i Mosesy no tezitra tamin’i Eleazara sy Itamara, zanakalahin’i Arona, taorian’ny nahafatesan’i Nadaba sy Abiho, ary ahoana no nampitony azy?—Lev. 10:16-20.

Novonoin’i Jehovah i Nadaba sy Abiho, zanakalahin’i Arona, tsy ela taorian’ny lanonana nametrahana ny mpisorona teo amin’ny toerany. Nanolotra fanatitra tsy ara-dalàna mantsy izy ireo. (Lev. 10:1, 2) Nandidy an’i Eleazara sy Itamara zanakalahin’i Arona sisa velona, i Mosesy, mba tsy hisaona azy roa lahy. Tezitra tamin’i Eleazara sy Itamara anefa i Mosesy, tsy ela taorian’izay, satria tsy nihinanan’izy ireo ny osy natao fanatitra noho ny ota. (Lev. 9:3) Nahoana izany no nahatezitra an’i Mosesy?

Voalaza mazava tao amin’ny Lalàna nomen’i Jehovah an’i Mosesy, fa tokony hohanin’ny mpisorona eo an-tokotanin’ny tranolay fihaonana ny ampahany amin’ny fanatitra noho ny ota. Toy ny hoe nitondra ny fahotan’ireo nanao an’ilay fanatitra izy ireo, rehefa nanao izany. Tsy tokony hohanina kosa ilay fanatitra fa tokony hodorana, raha nangalana ra hoentina tany amin’ny efitra voalohany tao amin’ny toerana masina.—Lev. 6:24-26, 30.

Tsapan’i Mosesy, taorian’ilay loza nitranga tamin’iny andro iny, fa tokony hatao azo antoka hoe narahina tsara ny didin’i Jehovah. Hitany anefa fa nodorana ilay osy natao fanatitra noho ny ota, nefa tsy nentina teo anatrehan’i Jehovah tao amin’ny Toerana Masina ny rany. Tezitra àry izy ka nanontany an’i Eleazara sy Itamara hoe nahoana izy ireo no tsy nihinana tamin’ilay fanatitra, araka ny voalazan’ny Lalàna.—Lev. 10:17, 18.

I Arona no namaly an’i Mosesy, satria azo antoka fa nahazo alalana taminy i Eleazara sy Itamara matoa nandoro an’ilay fanatitra. Inona tokoa no antony nandorana an’ilay fanatitra? Nieritreritra angamba i Arona, rehefa maty ny zanany roa lahy, fa mety henjehin’ny eritreriny izy sy Eleazara sy Itamara raha nihinana tamin’ny fanatitra noho ny ota natao tamin’iny andro iny. Nihevitra koa angamba izy hoe tsy hankasitraka izany i Jehovah, na dia tsy izy ireo aza no tompon’andraikitra mivantana tamin’ny fahadisoan’i Nadaba sy Abiho.—Lev. 10:19.

Nieritreritra koa angamba i Arona fa andro voalohany nanaovan’izy ireo ny asan’ny mpisorona iny, ka tokony ho nitandrina tsara ny zanany mba hanao izay hampifaliana an’Andriamanitra na tamin’ny zavatra madinika indrindra aza. Nanazimbazimba ny anaran’i Jehovah anefa i Nadaba sy Abiho, ka tezitra tamin’izy ireo i Jehovah. Mety ho nieritreritra àry i Arona fa tsy tokony hihinana amin’ny fanatitra masina ny fianakavian’ny mpisorona raha nisy tamin’ny mpianakaviny nanao fahotana toy izany.

Toa nanaiky ny tenin’i Arona rahalahiny i Mosesy, satria izao no voalaza eo amin’ny andininy farany: “Nony nandre izany i Mosesy, dia hitany fa nety izany.” (Lev. 10:20) Azo inoana fa afa-po tamin’ny valin-tenin’i Arona koa i Jehovah.