Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hiaina Mandrakizay ny Olona Ankasitrahan’Andriamanitra

Hiaina Mandrakizay ny Olona Ankasitrahan’Andriamanitra

Hiaina Mandrakizay ny Olona Ankasitrahan’Andriamanitra

“Hitahy ny olo-marina ianao, Jehovah ô! Hataonao mahasarona azy toy ny ampinga lehibe ny fankasitrahanao.”—SAL. 5:12.

1, 2. Inona no nangatahin’i Elia tamin’ilay mpitondratena tao Zarefata, ary inona no toky nomeny azy io?

NOANA ilay mpitondratena sy ny zanany. Noana koa i Elia mpaminany. Nangataka rano sy mofo tamin’io mpitondratena tao Zarefata io i Elia, raha iny handrehitra afo hahandro sakafo iny ilay vehivavy. Vonona ny hanome rano azy ilay vehivavy, nefa nilaza taminy fa tsy afaka manome sakafo. ‘Tsy nanana afa-tsy lafarinina eran-tanan’ila ao anaty siny lehibe’ mantsy izy, ary tsy nanana afa-tsy “menaka kely ao anaty siny kely.”—1 Mpanj. 17:8-12.

2 Mbola niteny ihany anefa i Elia hoe: ‘Anaovy mofo kely boribory anankiray amin’izay misy ao aho aloha, ka ento etỳ amiko. Avy eo, dia afaka mikarakara sakafo ho anareo mianaka ianao. Fa izao no lazain’i Jehovah Andriamanitry ny Israely: “Tsy ho lany ny lafarinina ao anatin’ilay siny lehibe, ary tsy ho ritra ny menaka ao anatin’ilay siny kely.”’—1 Mpanj. 17:13, 14.

3. Inona no fanontaniana lehibe tokony hoeritreretintsika?

3 Marina fa nila nanapa-kevitra ilay mpitondratena hoe hizara an’ilay sakafo kely tao aminy ve izy sa tsia. Ny fanontaniana tena lehibe anefa dia hoe: Hatoky ve izy fa hamonjy azy mianaka i Jehovah? Ny zavatra ilainy eo amin’ny fiainana ve no ho zava-dehibe aminy sa ny hahazo sitraka amin’Andriamanitra sy ho namany? Tsy maintsy manapa-kevitra toy izany koa isika rehetra. Inona no zava-dehibe kokoa amintsika: Ny hahazo sitraka amin’i Jehovah, sa ny hanao izay hahametimety ny fiainantsika? Manana antony maro tokoa isika hatokisana an’Andriamanitra sy hanompoana azy. Handinika an’izany isika ato, sady handinika an’ireo zavatra sasany azontsika atao mba hahazoana sitraka amin’Andriamanitra.

Mendrika hotompoina i Jehovah

4. Nahoana i Jehovah no mendrika hotompointsika?

4 Zon’i Jehovah ny mitaky hoe tokony hanompo azy araka izay ankasitrahany ny olona. Nanamafy an’izany ireo mpanompony sasany any an-danitra, rehefa niara-nilaza hoe: “Mendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery ianao, Jehovah ô, eny, ry Andriamanitray ô, satria namorona ny zava-drehetra ianao, ary noho ny sitraponao no nampisy sy namoronana azy ireny.” (Apok. 4:11) Mendrika hotompointsika i Jehovah, satria izy no Mpamorona.

5. Nahoana ny fitiavan’Andriamanitra antsika no tokony handrisika antsika hanompo azy?

5 Tokony hanompo an’i Jehovah koa isika, satria tena tia antsika izy, ary tsy manan-tsahala ny fitiavany. Hoy ny Baiboly: “Namorona ny olona araka ny endriny Andriamanitra, eny, araka ny endrik’Andriamanitra no namoronany azy. Lahy sy vavy no namoronany azy ireo.” (Gen. 1:27) Afaka mifidy izay tiany hatao ny olombelona, ary nomen’Andriamanitra fahaizana misaina sy manapa-kevitra. Raintsika olombelona i Jehovah, satria nanome aina antsika. (Lioka 3:38) Toy ny ataon’ny ray tsara fanahy, dia nanao izay fara heriny izy, mba hanomezana izay ilaintsika ka hahafahantsika mankafy ny fiainana. “Mampiposaka ny masoandrony” izy, sady “mandatsaka ny orana” amin’ny Tany, ka mahatonga azy io hamokatra be sy ho tsara tarehy.—Mat. 5:45.

6, 7. a) Inona no manjo ny olombelona rehetra, noho ny nataon’i Adama? b) Inona no soa horaisin’ireo olona ankasitrahan’Andriamanitra, noho ny soron’i Kristy?

6 Nanao zavatra koa i Jehovah mba hanafahana antsika amin’ny voka-dratsin’ny ota. Rehefa nanota i Adama dia nampidi-kizo ny fianakaviany. Toy ny raim-pianakaviana niloka tamin’ny vola tokony hamelomany ny fianakaviany izy, ka nahatonga azy ireo hijaly. Tokony ho sambatra mandrakizay ny fianakavian’olombelona, nefa noho ny nataon’i Adama, dia nafoy izany. Lasa andevon’ny ota ny olombelona rehetra, noho ny fitiavan-tenany. Mety ho tratran’ny aretina daholo àry ny olona, iharan’ny zavatra mampalahelo, ary maty amin’ny farany. Nanao zavatra mba hanafahana antsika amin’ireo anefa i Jehovah, ka toy ny hoe nandoa ny vola hanafahana antsika tsy ho andevo. (Vakio ny Romanina 5:21.) Nirahiny i Jesosy Kristy Zanany, mba hanome “ny ainy ho vidim-panavotana ho takalon’ny maro.” (Mat. 20:28) Tsy ho ela dia handray soa feno avy amin’ny vidim-panavotana ny olona ankasitrahan’Andriamanitra.

7 Tena nanao zavatra lehibe tokoa i Jehovah, mba hanampiana antsika ho sambatra sy hanana zava-kendrena. Lasa mahazo sitraka aminy isika, ka ho afaka hahita ny hanafoanany ny fijaliana rehetra. Mbola hataon’i Jehovah koa izay hahatsapantsika tsirairay fa “mpamaly soa an’izay mitady mafy azy” izy.—Heb. 11:6.

“Hanolo-tena an-tsitrapo ny olonao”

8. Inona no ianarantsika momba ny fanompoana an’Andriamanitra, rehefa dinihina ny zava-nitranga tamin’i Isaia?

8 Mila mampiasa tsara ny safidy ananany ny olona mba hahazoana sitraka amin’Andriamanitra. Tsy manery na iza na iza hanompo azy mantsy i Jehovah. Nanontany toy izao, ohatra, izy tamin’ny andron’i Isaia: “Iza no hirahiko? Iza no hisolo tena anay?” Niaiky i Jehovah fa manan-jo hanapa-kevitra i Isaia, ary hita tamin’izany fa nanaja an’io mpaminany io izy. Azo inoana fa tena faly i Isaia namaly hoe: “Intỳ aho iraho!”—Isaia 6:8.

9, 10. a) Fanompoana manao ahoana no ankasitrahan’Andriamanitra? b) Nahoana isika no tokony hanompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo?

9 Manan-tsafidy ny olona, na hanompo an’Andriamanitra, na tsia. Ny manompo azy an-tsitrapo anefa no tian’i Jehovah. (Vakio ny Josoa 24:15.) Tsy mampifaly an’Andriamanitra ny olona manompo azy tsy sazoka. Tsy ekeny koa raha faniriana hahazo sitraka amin’olona no anompoana azy. (Kol. 3:22) Tsy hahazo sitraka amin’Andriamanitra isika, raha “misalasala” manao fanompoana masina, izany hoe avelantsika hanelingelina ny fanompoantsika ny zavatra mahavariana an’ity tontolo ity. (Eks. 22:29) Fantatr’i Jehovah fa mahasoa antsika ny manompo azy amin’ny fo manontolo. Hahazo ny fiainana isika raha manao izany. Izany no nahatonga an’i Mosesy hilaza tamin’ny Israelita fa mila ‘tia an’i Jehovah sy mihaino ny feony ary mifikitra aminy’ izy ireo, raha ‘mifidy ny fiainana.’—Deot. 30:19, 20.

10 Nihira toy izao ho an’i Jehovah i Davida Mpanjaka: “Hanolo-tena an-tsitrapo ny olonao amin’ny andro anafihan’ny tafikao. Ao anatin’ny fahamasinana sy ny famirapiratana no ahazoanao antokona tanora, izay toy ny ando ateraky ny maraina.” (Sal. 110:3) Tsy mitady afa-tsy izay hahametimety ny fiainany sy hialana voly ny olona maro ankehitriny. Ny fanompoana masina anefa no zava-dehibe indrindra amin’ny olona tia an’i Jehovah. Mazoto mitory ny vaovao tsara izy ireo, ary hita amin’izany hoe inona no ataony loha laharana. Matoky tanteraka izy ireo hoe mahavita manome izay ilainy isan’andro i Jehovah.—Mat. 6:33, 34.

Sorona ankasitrahan’Andriamanitra

11. Inona no tanjon’ny Israelita, rehefa nanao sorona ho an’i Jehovah izy?

11 Te hahazo sitraka tamin’Andriamanitra ny vahoakany teo ambany Lalàna, ka nanao sorona mifanaraka amin’ny sitrapony. Hoy ny Levitikosy 19:5: “Raha manao sorona iombonana ho an’i Jehovah ianareo, dia ataovy mba hahazoanareo sitraka aminy izany.” Hoy koa ny Levitikosy 22:29: “Raha manao sorona biby ho sorona fisaorana ho an’i Jehovah ianareo, dia ataovy mba hahazoana sitraka izany.” Rehefa nifanaraka tamin’ny sitrapon’Andriamanitra ny sorona biby nataon’ny Israelita, dia toy ny ‘hanitra nampitony’ an’i Jehovah ny setroka niakatra avy tamin’ilay izy. (Lev. 1:9, 13) Nampitony sy namelombelona an’i Jehovah ireny fanehoam-pitiavana avy tamin’ny vahoakany ireny. (Gen. 8:21) Andraisantsika lesona izany. Hahazo sitraka amin’i Jehovah isika raha manao sorona mifanaraka amin’ny sitrapony. Sorona manao ahoana no ankasitrahany ankehitriny? Mba hamaliana izany, dia handinika lafiny roa amin’ny fiainantsika isika, dia ny fitondran-tena sy ny teny lazaintsika.

12. Ahoana no hahatonga ny ‘tenantsika ho sorona’ maharikoriko an’i Jehovah?

12 Hoy ny apostoly Paoly: ‘Atolory ny tenanareo ho sorona velona sy masina ary ankasitrahan’Andriamanitra. Izany dia fanompoana masina ampiasanareo ny sainareo.’ (Rom. 12:1) Tokony hanao izay hahamasina ny tenantsika foana isika, raha te hahazo sitraka amin’Andriamanitra. Koa satria ny tenantsika no sorona, dia tsy hisy dikany ny sorona ataontsika, raha mifoka sigara isika, na mihinam-paraky, na mampiasa zava-mahadomelina hafa, na miboboka toaka. Mandoto ny tenantsika mantsy ireo fanao ireo. (2 Kor. 7:1) Manolotra sorona maharikoriko an’i Jehovah koa ny olona maloto fitondran-tena, satria ‘manota amin’ny vatany ihany ny mpijangajanga.’ (1 Kor. 6:18) Tsy maintsy miezaka ‘ho masina amin’ny fitondran-tena rehetra’ àry isika, raha te hampifaly an’Andriamanitra.—1 Pet. 1:14-16.

13. Nahoana no tokony hidera an’i Jehovah isika?

13 Afaka ny ho sorona mampifaly an’i Jehovah koa ny teny lazaintsika. Milaza zavatra tsara momba an’i Jehovah foana ny olona tia azy, na ampahibemaso na ao an-tokantrano. (Vakio ny Salamo 34:1-3.) Vakio ny Salamo faha-148 ka hatramin’ny faha-150, ary jereo hoe impiry ireo salamo ireo no mampirisika antsika hidera an’i Jehovah. Mila “manao fiderana” tokoa “ny olo-mahitsy”! (Sal. 33:1) Tena ilaina koa ny midera an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fitoriana ny vaovao tsara, araka ny nolazain’i Jesosy Kristy, ilay Modelintsika.—Lioka 4:18, 43, 44.

14, 15. Inona no sorona nasain’i Hosea nataon’ny Israelita, ary ahoana no fiheveran’i Jehovah ny olona nanao sorona toy izany?

14 Hita hoe tia an’i Jehovah isika, sady te hahazo sitraka aminy, raha mazoto mitory. Diniho, ohatra, ny zavatra nasain’i Hosea mpaminany nataon’ny Israelita, rehefa nanompo sampy izy ireo ka tsy nahazo sitraka tamin’Andriamanitra intsony. (Hosea 13:1-3) Nasainy nitalaho izy ireo hoe: “Enga anie ka hamela heloka ianao [Jehovah]! Ary raiso izay tsara. Izahay kosa, ho setrin’izany, dia hanolotra ny vokatry ny molotray, dia ny vantotr’ombilahy fiderana.”—Hosea 14:1, 2.

15 Ny ombilahy no biby lafo vidy indrindra azon’ny Israelita natolotra ho an’i Jehovah. Ny “vantotr’ombilahy fiderana” àry dia ny teny vokatry ny fo sy voahevitra tsara, natao hiderana an’Andriamanitra. Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny olona nanao sorona toy izany? Hoy izy: “Sitrapoko ny ho tia azy.” (Hosea 14:4) Namela ny heloky ny olona nanao sorona fiderana toy izany i Jehovah, nankasitraka azy, ary nandray azy ho namany.

16, 17. Raha ny finoana no mandrisika antsika hitory, ahoana no handraisan’i Jehovah ny fiderana ataontsika?

16 Nitana toerana lehibe teo amin’ny fivavahana marina foana hatramin’izay ny fiderana an’i Jehovah ampahibemaso. Tena zava-dehibe tamin’ny mpanao salamo ny fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra toy izany, ka nitalaho izy hoe: “Jehovah ô, mba ankasitraho re ny fanatitra an-tsitrapo avy amin’ny vavako e!” (Sal. 119:108) Ahoana kosa ny amin’izao andro izao? Naminany i Isaia fa hisy olona maro be ‘hanambara fiderana an’i Jehovah’ amin’ny androntsika, ary “hankasitrahana” ny fanomezana hataon’izy ireo eo ambony alitaran’i Jehovah. (Isaia 60:6, 7) Tanteraka izany ankehitriny. Olona an-tapitrisany no ‘manao sorona fiderana ho an’Andriamanitra, dia ny vokatry ny molotra izay manao fanambarana ampahibemaso momba ny anarany.’—Heb. 13:15.

17 Ahoana ny aminao? Manolotra sorona mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra ve ianao? Raha hitanao hoe tsy manao izany ianao, moa ve ianao vonona hiova, ary hanomboka hidera an’i Jehovah ampahibemaso? Ho “sitrak’i Jehovah” kokoa noho “ny ombilahy” ny sorona hatolotrao, raha ny finoanao no mandrisika anao hitory ny vaovao tsara. (Vakio ny Salamo 69:30, 31.) Matokia fa ho tonga any amin’i Jehovah ny “hanitra mampitony” avy amin’ny sorona fiderana ataonao, ka hahazo sitraka aminy ianao. (Ezek. 20:41) Tena hahafaly anao izany!

‘Hitahy ny olo-marina i Jehovah’

18, 19. a) Ahoana no fiheveran’ny olona maro ny fanompoana an’Andriamanitra ankehitriny? b) Inona no vokany rehefa tsy ankasitrahan’Andriamanitra intsony ny olona iray?

18 Maro ankehitriny ny olona mitovy hevitra amin’ny olona tamin’ny andron’i Malakia. Hoy izy ireo: “Tsy misy dikany ny hanompoana an’Andriamanitra. Ary inona moa no mba soa noraisintsika tamin’isika nanao adidy taminy?” (Mal. 3:14) Matimatin-karena izy ireo, ka mihevitra fa tsy ho tanteraka mihitsy ny sitrapon’Andriamanitra. Tsy mihatra amin’izao andro izao intsony koa, hono, ny lalàn’Andriamanitra. Mahasorena azy ireo ny fitoriana, ary heveriny ho lany andro fotsiny ireo mpitory.

19 Tany amin’ny zaridainan’i Edena no niandohan’izany toe-tsaina izany. I Satana no nandresy lahatra an’i Eva, mba hanao tsinontsinona an’ilay fiainana tena tsara nomen’i Jehovah azy, ary tsy hiraharaha ny fankasitrahan’i Jehovah. Mampirisika ny olona koa i Satana ankehitriny, mba hieritreritra hoe tsy mahasoa ny manao ny sitrapon’Andriamanitra. Rehefa tsy ankasitrahan’Andriamanitra intsony anefa ny olona iray, dia hamoy ny ainy. Nahatakatra an’izany i Adama sy Eva, ary tsy ho ela dia hahatakatra an’izany koa ireo manahaka azy.—Gen. 3:1-7, 17-19.

20, 21. a) Inona no nataon’ilay mpitondratena tao Zarefata, ary inona no vokatr’izany? b) Nahoana isika no tokony hanahaka an’io mpitondratena io, ary ahoana no hanahafantsika azy?

20 Tsy toy ny nanjo an’i Adama sy Eva ny nanjo an’ilay mpitondratena tao Zarefata. Nampahery azy ny tenin’i Elia, ka nanamboatra mofo izy. Ilay mpaminany no nomeny voalohany, na dia efa kely aza no nananany. Nanatanteraka ny fampanantenana nataony tamin’ny alalan’i Elia i Jehovah avy eo. Hoy ny Baiboly: “Nanan-kohanina nandritra ny andro maro ravehivavy sy Elia ary ny ankohonan-dravehivavy. Tsy lany ny lafarinina tao anatin’ilay siny lehibe, ary tsy ritra ny menaka tao anatin’ilay siny kely, araka ny tenin’i Jehovah tamin’ny alalan’i Elia.”—1 Mpanj. 17:15, 16.

21 Nanao zavatra tsy hataon’ny ankamaroan’ny olona ankehitriny ilay mpitondratena. Natoky tanteraka an’ilay Andriamanitry ny famonjena izy. Tsy nanary azy Andriamanitra, vokatr’izany. Porofoin’io tantara io sy ny tantara ara-baiboly hafa fa mendrika ny hatokisantsika i Jehovah. (Vakio ny Josoa 21:43-45; 23:14.) Porofoin’ny fiainan’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny koa, fa tsy hanary ny olona ankasitrahany mihitsy i Jehovah.—Sal. 34:6, 7, 17-19. *

22. Nahoana no ilaina maika ny miezaka hahazo sitraka amin’Andriamanitra?

22 Efa antomotra ny andro hitsaran’Andriamanitra an’izay “rehetra monina ambonin’ny tany manontolo.” (Lioka 21:34, 35) Tsy misy ho afa-mandositra an’izany. Tsy hisy dikany ny harena amin’izay fotoana izay, raha oharina amin’izao valisoa hotenenin’ilay Mpitsara voatendrin’Andriamanitra izao: “Avia ianareo izay notahin’ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay nomanina ho anareo.” (Mat. 25:34) ‘Hitahy ny olo-marina i Jehovah’ amin’izay. ‘Hataony mahasarona azy toy ny ampinga lehibe ny fankasitrahany.’ (Sal. 5:12) Tsy tokony hiezaka àry ve isika mba hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 21 Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Martsa 2005, pejy 13, fehintsoratra faha-15, sy Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aogositra 1997, pejy 20-25.

Tadidinao Ve?

• Nahoana i Jehovah no mendrika hotompointsika amin’ny fo manontolo?

• Inona avy ny sorona ankasitrahan’i Jehovah ankehitriny?

• Inona no dikan’ilay hoe “vantotr’ombilahy fiderana”, ary nahoana isika no tokony hanolotra an’izany ho an’i Jehovah?

• Nahoana isika no tokony hiezaka hahazo sitraka amin’Andriamanitra?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 13]

Inona no safidy tsy maintsy nataon’ny renim-pianakaviana sahirana iray?

[Sary, pejy 15]

Inona no soa raisintsika noho isika manao sorona fiderana ho an’i Jehovah?

[Sary, pejy 17]

Tsy ho diso fanantenana mihitsy ianao raha tena matoky an’i Jehovah