Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mankahala ny Fandikan-dalàna ve Ianao?

Mankahala ny Fandikan-dalàna ve Ianao?

Mankahala ny Fandikan-dalàna ve Ianao?

“[Halan’i Jesosy] ny fandikan-dalàna.”—HEB. 1:9.

1. Inona no nampianarin’i Jesosy momba ny fitiavana?

NANTITRANTERIN’I Jesosy Kristy hoe zava-dehibe ny fitiavana. Hoy izy: “Omeko didy vaovao ianareo, dia ny mba hifankatiavanareo. Toy ny nitiavako anareo no tokony mba hifankatiavanareo koa. Raha mifankatia ianareo, dia izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo.” (Jaona 13:34, 35) Nandidy ny mpanara-dia azy i Jesosy teo mba hifaneho fitiavana sy hahafoy tena ho an’ny mpiray finoana. Izany no amantarana ny mpianany. Hoy koa i Jesosy: “Tiavo foana ny fahavalonareo, ary mivavaha foana ho an’izay manenjika anareo.”—Mat. 5:44.

2. Inona no tokony hankahalain’ny mpanara-dia an’i Kristy?

2 Tsy vitan’ny hoe nampianatra momba ny fitiavana anefa i Jesosy. Nampianariny koa hoe inona no tokony hankahalaina. Izao no lazain’ny Baiboly, momba an’i Jesosy: “Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny fandikan-dalàna [faharatsiana].” (Heb. 1:9; Sal. 45:7) Tsy ampy àry ny miezaka ho tia ny fahamarinana. Tsy maintsy miezaka hankahala ny ota na ny fandikan-dalàna koa isika. Nanazava ny apostoly Jaona hoe: “Izay rehetra zatra manota dia zatra mandika lalàna koa. Koa fandikan-dalàna àry ny fahotana.”—1 Jaona 3:4.

3. Inona no hodinihina ato amin’ity lahatsoratra ity?

3 Tokony hanontany tena àry isika Kristianina hoe: ‘Mankahala ny fandikan-dalàna ve aho?’ Mba hahafahantsika mandini-tena, dia hodinihintsika hoe: Ahoana no tokony ho fiheverantsika 1) ny fibobohan-toaka, 2) ny asan’ny maizina, 3) ny fitondran-tena maloto, 4) ary ny olona tia ny fandikan-dalàna?

Aza manaiky handevozin’ny toaka

4. Nahoana i Jesosy no tsy niahotra rehefa nanoro hevitra ny hafa mba tsy hisotro tafahoatra?

4 Nisotro divay i Jesosy indraindray. Niaiky izy fa fanomezan’Andriamanitra izy io. (Sal. 104:14, 15) Tsy nihoa-pefy anefa izy ka hoe nisotro tafahoatra. (Ohab. 23:29-33) Nahavita nitandrina izy, ka tsy niahotra nanome torohevitra hoe tsy mety ny miboboka toaka. (Vakio ny Lioka 21:34.) Mety hitarika ho amin’ny fahotana lehibe hafa ny fisotroana tafahoatra, ka hoy ny apostoly Paoly: “Aza mba mamon-divay, fa mitarika ho amin’ny filibana izany. Fa aoka kosa ianareo ho feno fanahy masina hatrany.” (Efes. 5:18) Nanariny koa ny vehivavy zokiolona teo anivon’ny fiangonana mba tsy “handevozin’ny divay be.”—Tit. 2:3.

5. Inona no fanontaniana tokony hoeritreretin’ireo misotro zava-pisotro misy alkaola?

5 Tokony hieritreritra toy izao ianao, raha misotro zava-pisotro misy alkaola: ‘Mitovy hevitra amin’i Jesosy ve aho momba ny fisotroana tafahoatra? Mahavita mitandrina tsara ve aho amin’io lafiny io, ka tsy hiahotra hanome torohevitra raha misy olona mila torohevitra momba ny fisotroana? Misotro ve aho mba hanalana sorisory sy adin-tsaina? Toy inona ny habetsahan’ny toaka laniko isan-kerinandro? Manao ahoana ny fihetsiko rehefa misy milaza amiko an-kolaka fa misotro tafahoatra aho? Miaro tena ve aho na tezitra mihitsy?’ Tsy hisaina tsara sy tsy handray fanapahan-kevitra tsara isika, raha manaiky handevozin’ny toaka. Miezaka hiaro ny fahaizany misaina anefa ny mpanara-dia an’i Kristy.—Ohab. 3:21, 22.

Halaviro ny asan’ny maizina

6, 7. a) Ahoana no nataon’i Jesosy nanoloana an’i Satana sy ny demonia? b) Nahoana no maro be ny olona manao asan’ny maizina?

6 Nanohitra an-kitsirano an’i Satana sy ireo demonia i Jesosy, tamin’izy tetỳ an-tany. Naka fanahy azy mivantana i Satana, kanefa tsy nety nivadika izy. (Lioka 4:1-13) Naka fanahy azy an-kolaka koa i Satana mba hanimbana ny toe-tsainy sy hitarihana azy hanao zavatra tsy mety. Hainy anefa ny namantatra sy nanohitra an’ireny tetika ireny. (Mat. 16:21-23) Nafahan’i Jesosy teo ambany fifehezan’ireo demonia tsy mifaditrovana koa ireo olona tso-po.—Mar. 5:2, 8, 12-15; 9:20, 25-27.

7 Nodiovin’i Jesosy ny lanitra, taorian’ny naha lasa Mpanjaka azy tamin’ny 1914, ka tsy manan-kery any intsony i Satana sy ny demonia. Manao izay ho afany àry i Satana mba ‘hamitahana ny tany rehetra misy mponina.’ (Apok. 12:9, 10) Tsy mahagaga raha maro be sady mihabetsaka hatrany ny olona liana amin’ny asan’ny maizina. Ahoana no hiarovantsika tena amin’izany?

8. Inona no fandinihan-tena tokony hataontsika, mahakasika ny fialam-boly?

8 Mampitandrina mazava tsara ny Baiboly fa mampidi-doza ny fifandraisana amin’ny herin’ny maizina. (Vakio ny Deoteronomia 18:10-12.) Miezaka mamolavola ny sain’ny olona i Satana sy ny demonia ankehitriny, ka mampiasa filma sy boky ary lalao video manindrahindra ny asan’ny maizina. Tokony hanontany tena toy izao àry isika tsirairay, mahakasika ny fialam-boly fidintsika: ‘Tato anatin’ny volana vitsivitsy, moa ve nahitana herin’ny maizina ny zavatra nojereko tao amin’ny tele, filma, lalao video, na boky? Tsapako ve fa tena tokony hohalavirina ny asan’ny maizina, sa aho manamaivana ny loza mety haterak’izany? Efa mba noeritreretiko koa ve hoe manao ahoana ny fihetseham-pon’i Jehovah rehefa mahita ny fialam-boly fidiko?’ Tokony hanontany tena toy izao àry isika, raha nanao an’ireny fialam-boly manindrahindra ny herin’i Satana ireny: ‘Moa ve aho tapa-kevitra ny hiala amin’izy ireny, noho ny fitiavako an’i Jehovah sy ny toro lalany marina?’—Asa. 19:19, 20.

Ankatoavy ny fampitandreman’i Jesosy momba ny fitondran-tena

9. Ahoana no ahitana fa tia ny fandikan-dalàna ny olona iray?

9 Nanohana ny fitsipik’i Jehovah momba ny fitondran-tena i Jesosy. Hoy izy: “Mbola tsy novakinareo ve fa izay namorona ny olona, dia nanao azy ho lahy sy vavy, tany am-piandohana, ka nilaza hoe: ‘Noho izany, ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny, ary ho nofo iray ihany izy roa’? Koa tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany. Aoka àry izay nampiraisin’Andriamanitra zioga, tsy hosarahin’olona.” (Mat. 19:4-6) Fantatr’i Jesosy fa misy fiantraikany amin’ny fontsika ny zavatra jerentsika, ka hoy izy, tamin’ny Toriteniny teo An-tendrombohitra: “Efa renareo fa voalaza hoe: ‘Aza manitsakitsa-bady.’ Izaho kosa anefa milaza aminareo fa izay rehetra tsy mitsahatra mijery vehivavy ka maniry hanao firaisana aminy, dia efa nanitsakitsa-bady tao am-pony sahady.” (Mat. 5:27, 28) Azo lazaina hoe tia ny fandikan-dalàna izay olona tsy miraharaha izany fampitandremana izany.

10. Mitantarà zava-nitranga mampiseho fa afaka miova ny olona zatra mijery boky sy sary vetaveta.

10 Mampiasa an’ireo boky sy sary vetaveta i Satana, mba hampirisihana ny olona haloto fitondran-tena. Miely be izy ireny eto amin’ity tontolo ity. Sarotra amin’ny olona mijery azy ireny ny mamafa an’ilay sary ao an-tsainy. Mety hanjary andevozin’ny sary vetaveta mihitsy aza izy. Diniho izay nitranga tamin’ny Kristianina iray. Hoy izy: “Nijery an-tsokosoko sary vetaveta aho. Nihevitra aho hoe tsy misy ifandraisany mihitsy ny fijereko sary vetaveta sy ny fanompoako an’i Jehovah. Fantatro fa tsy mety ny nataoko, kanefa nihevitra aho hoe mbola ankasitrahan’Andriamanitra ny fanompoako azy.” Inona no nanampy an’io rahalahy io hiova? Hoy izy: “Nanapa-kevitra ny hiresaka an’ilay olana tamin’ny anti-panahy aho, na dia tena sarotra tamiko aza izany.” Afaka tamin’ilay fahazarana manimba ilay rahalahy, tatỳ aoriana. Niaiky izy hoe: “Tena madio izao ny feon’ny fieritreretako, satria niala tamin’iny fahotana iny aho.” Tsy maintsy mianatra mankahala ny boky sy sary vetaveta ireo mankahala ny fandikan-dalàna.

11, 12. Ahoana no ampisehoantsika fa mankahala ny fandikan-dalàna isika, rehefa mifidy hira?

11 Tena manan-kery eo amin’ny fontsika ny hira sy ny tononkira miaraka aminy. Fanomezana avy amin’Andriamanitra ny mozika ary efa hatry ny ela no nampiasaina teo amin’ny fivavahana marina. (Eks. 15:20, 21; Efes. 5:19) Mampiely mozika manindrahindra fitondran-tena maloto anefa ny tontolon’i Satana. (1 Jaona 5:19) Ahoana àry no hahalalanao raha manimba na tsia ny hira henoinao?

12 Afaka manontany tena ianao hoe: ‘Moa ve ny hira henoiko manindrahindra ny famonoana olona, fanitsakitsaham-bady, fijangajangana, na manevateva zava-masina? Raha vakiko amin’ny olona ny tonon’ny hira henoiko, moa ve izy hanatsoaka hevitra fa mankahala ny fandikan-dalàna aho, sa hihevitra izy fa voaloto ny foko?’ Tsy ho afaka hilaza mihitsy isika hoe mankahala fandikan-dalàna, raha mihaino hira manindrahindra fandikan-dalàna. Hoy mantsy i Jesosy: ‘Izay mivoaka avy amin’ny vava dia avy ao am-po, ka izany no mandoto ny olona. Avy ao am-po, ohatra, no ivoahan’ny eritreri-dratsy, ny vonoan’olona, ny fanitsakitsaham-bady, ny fijangajangana, ny halatra, ny fijoroana ho vavolombelona mandainga, ary ny fanevatevana zava-masina.’—Mat. 15:18, 19; ampitahao amin’ny Jakoba 3:10, 11.

Tahafo ny fiheveran’i Jesosy an’ireo olona tia ny fandikan-dalàna

13. Ahoana no fiheveran’i Jesosy an’ireo mpanota tsy mety mibebaka?

13 Nilaza i Jesosy fa tonga hiantso ny mpanota, na ny mpandika lalàna, izy mba hahatonga azy ireo hibebaka. (Lioka 5:30-32) Ahoana anefa no niheverany an’ireo mpanota tsy mety mibebaka? Nampitandrina mafy antsika izy mba tsy hanaiky hotaomin’izy ireny. (Mat. 23:15, 23-26) Hoy koa izy: “Tsy izay rehetra milaza amiko hoe: ‘Tompo ô, Tompo ô’, no hiditra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra. Maro no hilaza amiko [toy izao] amin’izany andro izany [rehefa hampihatra ny didim-pitsarany Andriamanitra]: ‘Tompo ô, Tompo ô, moa ve izahay tsy efa naminany tamin’ny anaranao, sy efa namoaka demonia tamin’ny anaranao, ary efa nanao fahagagana maro tamin’ny anaranao?’ ” Holavin’i Jesosy anefa ireny mpandika lalàna tsy mibebaka ireny. Hoy izy: “Mialà amiko.” (Mat. 7:21-23) Nahoana i Jesosy no hanao izany? Satria tsy manome voninahitra an’Andriamanitra ny olona toy ireny, sady manimba ny fiainan’ny hafa noho izy ireo mandika lalàna.

14. Nahoana no roahina tsy ho anisan’ny fiangonana ny mpanota tsy mibebaka?

14 Milaza ny Tenin’Andriamanitra fa tsy maintsy roahina tsy ho anisan’ny fiangonana ny mpanota tsy mibebaka. (Vakio ny 1 Korintianina 5:9-13.) Misy antony telo, fara fahakeliny, tokony hanaovana izany: 1) Mba tsy ho afa-baraka ny anaran’i Jehovah, 2) mba hiarovana ny fiangonana hadio foana, ary 3) mba hanampiana an’ilay mpanota hibebaka.

15. Inona no fanontaniana lehibe tokony hoeritreretintsika, raha tsy te hivadika amin’i Jehovah isika?

15 Mitovy amin’ny fiheveran’i Jesosy ve ny fiheverantsika an’ireo olona lasa mpandika lalàna tsy mety miova? Tokony hieritreritra isika hoe: ‘Manao izay hifaneraserana amin’ny olona voaroaka na niala an-tsitrapo ve aho? Ahoana raha havako akaiky io olona io, ary efa tsy miara-mipetraka amiko intsony?’ Hita amin’ny toe-javatra toy izany raha tia ny fahamarinana sy tsy mivadika amin’Andriamanitra isika.

16, 17. Inona no olana natrehin’ny renim-pianakaviana iray, ary inona no nanampy azy hankatò ny fitsipika momba ny voaroaka?

16 Diniho ny zavatra niainan’ny anabavy iray. Tia an’i Jehovah ny zanany lahy iray efa lehibe, tamin’ny voalohany. Nanjary zatra nandika lalàna anefa io zanany io, tatỳ aoriana, sady tsy nibebaka, ka voaroaka. Tia an’i Jehovah ilay anabavintsika. Tia an’ilay zanany koa anefa izy, ka tena sarotra taminy ny nankatò ny baikon’ny Soratra Masina hoe tsy tokony hifanerasera amin’ny voaroaka.

17 Inona no holazainao amin’io anabavy io, raha asaina manoro hevitra azy ianao? Nanampy azy ny anti-panahy iray mba hahatakarany fa mahatsapa ny alahelony i Jehovah. Nampisaintsaina azy ilay anti-panahy hoe: ‘Nanao ahoana ny alahelon’i Jehovah rehefa nikomy taminy ny anjely sasany, izay zanany ara-panahy?’ Nohazavainy avy eo fa tsapan’i Jehovah tsara ny alahelony. Nasehony anefa fa mitaky ny handroahana an’ireo mpanota tsy mibebaka i Jehovah. Nanohina ny fon’ilay anabavy izany fampahatsiahivana izany, ka tsy nivadika izy fa nampihatra ny fitsipika momba ny voaroaka. * Mampifaly ny fon’i Jehovah ny tsy fivadihana toy izany.—Ohab. 27:11.

18, 19. a) Inona no hita hoe halantsika, rehefa tsy mifanerasera amin’ny mpandika lalàna isika? b) Inona no mety ho vokany rehefa tsy mivadika amin’Andriamanitra sy ny fitsipiny isika?

18 Raha miatrika olana toy izany ianao, dia tadidio fa mahatsapa ny mahazo anao i Jehovah. Rehefa tsy mifanerasera amin’ny olona voaroaka na niala an-tsitrapo ianao, dia asehonao amin’izany fa halanao ny toe-tsainy sy ny zavatra nataony. Asehonao amin’izany koa anefa fa tia an’ilay olona ianao ka manao zavatra tena mahasoa azy. Azo antenaina kokoa hoe hibebaka sy hiverina amin’i Jehovah ilay iharan’ny famaizana, raha tsy mivadika amin’i Jehovah ianao.

19 Hoy ny anabavy iray, efa voaroaka taloha: ‘Faly aho satria tena tia ny vahoakany i Jehovah, ka harovany hatrany ny fandaminany mba hadio. Mety hihevitra ireo tsy Vavolombelona hoe sazy henjana loatra ny fandroahana. Tena ilaina anefa ilay izy sady porofom-pitiavana.’ Araka ny hevitrao, mety ho nanatsoaka hevitra toy izany ve io anabavy io, raha nifanerasera taminy ny fiangonana sy ny fianakaviany kristianina, tamin’izy voaroaka? Aoka àry isika hankatò ny fitsipiky ny Baiboly momba ny voaroaka. Asehontsika amin’izany fa tia ny fahamarinana isika ary manaja ny zon’i Jehovah hametraka fitsipi-pitondran-tena.

“Ankahalao ny ratsy”

20, 21. Nahoana no zava-dehibe ny mianatra mankahala ny fandikan-dalàna?

20 Nampitandrina ny apostoly Petera hoe: “Aoka ianareo hisaina tsara sy hiambina, satria ny Devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona, mitady olona harapaka.” (1 Pet. 5:8) Tian’i Satana harapaka ianao. Tsy hahavita izany anefa izy, raha tena mianatra hankahala ny fandikan-dalàna ianao.

21 Tsy mora ny mankahala ny ratsy. Vao teraka mantsy isika dia efa mpanota. Mampirisika antsika hanaram-po amin’ny fanirian’ny nofo koa ity tontolo ity. (1 Jaona 2:15-17) Ho vitantsika anefa ny hankahala ny fandikan-dalàna, raha manahaka an’i Jesosy Kristy isika sady miezaka ny ho tena tia an’i Jehovah Andriamanitra. Aoka àry isika ho tapa-kevitra ny ‘hankahala ny ratsy’, sady hatoky fa “miaro ny ain’izay tsy mivadika aminy” i Jehovah. ‘Hafahany tsy ho azon’ny ratsy fanahy’ izay olona tsy mivadika aminy.—Sal. 97:10.

[Fanamarihana ambany pejy]

Ahoana no Havalinao?

• Inona no fandinihan-tena tokony hataontsika mahakasika ny zava-pisotro misy alkaola?

• Inona no azontsika atao mba hiarovan-tena amin’ny asan’ny maizina?

• Nahoana no mampidi-doza ny fijerena boky sy sary vetaveta?

• Rehefa misy havantsika voaroaka, ahoana no hampisehoantsika fa mankahala ny fandikan-dalàna isika?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 29]

Inona no tokony hoeritreretinao raha misotro zava-pisotro misy alkaola ianao?

[Sary, pejy 30]

Mitandrema amin’ireo fialam-boly manindrahindra ny herin’i Satana

[Sary, pejy 31]

Tia ny fandikan-dalàna ny olona mijery sary vetaveta