Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miezaha fa Tsy Hanenina Ianao!

Miezaha fa Tsy Hanenina Ianao!

Miezaha fa Tsy Hanenina Ianao!

TENA ilaina ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana, mba hitaizana ny ankizy “araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah.” (Efes. 6:4) Raha manan-janaka anefa ianao, dia fantatrao fa mora leo ny ankizy rehefa mianatra. Inona àry no azonao atao mba hanampiana azy ireo hifantoka? Diniho ny nataon’ny ray aman-dreny sasany.

Hoy i George, any Kalifornia: “Nataonay mivady foana izay hahatonga ny fianaram-pianakavianay hahaliana ny ankizy, tamin-dry zareo mbola kely. Nataonay toy ny tantara an-tsehatra ny zavatra vakinay ao amin’ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly, ka maka tahaka ny akanjon’ireo olona voatantara ao izahay. Nanamboatra zavatra hafa koa izahay, ohatra hoe sabatra, tehin’ny mpanjaka, ary harona. Nanao ankamantatra koa izahay, ka olona ao amin’ny Baiboly no asaina fantarina. Namorona fanontaniana ara-baiboly izahay indraindray, ka natao mora ny sasany. Nanamboatra sambofiara kely koa izahay, na nandahatra ny fotoana nisehoan’ny zava-nitranga sasany ao amin’ny Baiboly. Nanao sarin’olona ao amin’ny Baiboly koa izahay. Tantara manontolo mihitsy no nataonay sary indraindray. Hanao sarin’ireo fiadiana ara-panahy ao amin’ny Efesianina 6:11-17 indray izahay izao, ka samy hanazava fiadiana iray avy. Tena mahafinaritra ny fianaram-pianakavianay, noho ireo fomba fianarana ireo.”

Hoy indray i Debi, renim-pianakaviana any Michigan, any Etazonia: “Tsy hitanay mivady izay hatao tamin’ny zanakay vavy, tamin’izy telo taona, satria tsy nety liana tamin’ny fianaram-pianakavianay izy. Rehefa namaky ny tantaran’i Isaka sy Rebeka tao amin’ilay boky hoe Ny Bokiko àry izahay, dia noraisiko ny saribakoly anankiroa ary nampiteneniko. Tamin’izay ny zanako vao nihaino tsara! Novaovako ho lasa olona samihafa tao amin’ny Baiboly ireo saribakoly roa ireo, nandritra ny volana maromaro. Isaky ny avy mamaky tantara iray izahay, dia mandeha mitady kilalao na zavatra hafa ny zanako mba hanaovana an’ilay tantara. Lasa tranon’i Rahaba ny baoritra kiraro iray nasiana kofehy mena. Nataonay nihodidina ny kifafa koa ny bibilava kilalao nirefy 1,5 metatra, mba hampisehoana an’ilay bibilava varahina ao amin’ny Nomery 21:4-9. Notehirizinay tao anaty kitapo lamba ngezabe ireo fitaovana rehetra ireo. Matetika ilay zanakay no mipetraka ao amin’ny efitra fandraisam-bahiny, ka misavasava an’ilay kitapo sy manao tantara kely. Faly erỳ izahay mivady mijery azy!”

Tsy mora tokoa ny mitaiza! Mila ampiana foana anefa ny ankizy mba haniry hanompo an’i Jehovah. Maro ny fomba azo ampiasaina, fa ny lehibe indrindra dia ny fanaovana fotoam-pivavahan’ny fianakaviana isan-kerinandro. Miezaha àry fa tsy hanenina ianao!