Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nampiasaina Tamin’ny Famoronana ny Fanahy Masina

Nampiasaina Tamin’ny Famoronana ny Fanahy Masina

Nampiasaina Tamin’ny Famoronana ny Fanahy Masina

“Ny tenin’i Jehovah no nampisy ny lanitra, ary ny fofonain’ny vavany no nampisy ny zava-drehetra eny.”—SAL. 33:6.

1, 2. a) Inona no mampiseho hoe nihanitombo ny fahalalan’ny olona momba ny lanitra sy ny tany? b) Inona ny fanontaniana mila saintsainintsika?

NINO i Albert Einstein sy ny mpahay siansa maro hafa, tamin’ny taona 1905, fa tsy misy afa-tsy vahindanitra iray eo amin’izao rehetra izao, dia ny vahindanitra misy ny tany. Tena diso hevitra anefa izy ireo. Tombanana ho iray hetsy tapitrisa mahery ankehitriny ny isan’ny vahindanitra, ary misy kintana an’arivony tapitrisa ao amin’ny vahindanitra sasany. Mihabetsaka hatrany koa ny vahindanitra hitan’ny mpikaroka, rehefa niha arifomba kokoa ny teleskaopy fijerena ny any ambony tsy taka-maso any.

2 Tsy dia nahalala zavatra momba ny tany koa ny olona tamin’ny 1905, na dia nahalala zavatra betsaka kokoa noho ny razambeny aza. Tena betsaka anefa ny zavatra fantatra ankehitriny. Fantatsika kokoa hoe tena kanto sady be pitsiny ny zavaboary, ary mazava kokoa amintsika ny momba an’ireo zavatra eto an-tany mamelona azy ireny. Azo inoana fa mbola hahalala zavatra maro momba ny tany sy ny lanitra isika. Ilaina anefa ny mieritreritra hoe: Ahoana no nampisy an’izao rehetra izao? Ny Mpamorona ihany no manome ny valin’izany, ary omeny antsika ao amin’ny Soratra Masina izany.

Fahagagana ny famoronana

3, 4. Ahoana no namoronan’Andriamanitra an’izao rehetra izao, ary nahoana no azo lazaina fa manome voninahitra azy ny zavaboary?

3 Hazavaina eo am-piandohan’ny Baiboly hoe ahoana no nampisy an’izao rehetra izao. Izao no voalaza ao: “Tany am-piandohana, dia namorona ny lanitra sy ny tany Andriamanitra.” (Gen. 1:1) Niainga tamin’ny tsy misy i Jehovah, rehefa namorona ny lanitra sy ny tany ary ny zavatra hafa rehetra. Nampiasa ny fanahy masina, na ny heriny izy tamin’izany, tsy misy hafa amin’ny mpanao asa tanana mampiasa ny tanany mba hanamboarana zavatra, sady mampiasa fitaovana samihafa.

4 Antsoin’ny Baiboly hoe “rantsantanan’Andriamanitra” ny fanahy masina. (Lioka 11:20; Mat. 12:28) ‘Asan’ny tanan’Andriamanitra’ àry ireo zavatra noforoniny tamin’ny alalan’ny fanahiny masina. Manome voninahitra azy izy ireny. Hoy i Davida: “Ny lanitra manambara ny voninahitr’Andriamanitra, ary ny habakabaka milaza ny asan’ny tanany.” (Sal. 19:1) Hita amin’ireo zavatra noforonin’Andriamanitra fa hery tena lehibe tokoa ny fanahy masina. (Rom. 1:20) Andeha isika handinika porofo.

Tsy hita fetra ny herin’Andriamanitra

5. Manomeza ohatra mampiseho hoe tena mahery ny fanahy masina.

5 Hita eo amin’izao rehetra izao midadasika fa manana tanjaka sy hery tsy hita pesipesenina i Jehovah. (Vakio ny Isaia 40:26.) Diniho fotsiny ny herin’ny masoandro. Isa-tsegondra, dia misy zavatra milanja efatra tapitrisa taonina eo ho eo avadiky ny masoandro ho tara-pahazavana sy hafanana ary angovo hafa. Ampahany faran’izay kely amin’ireo angovo ireo no tonga etỳ an-tany, nefa ampy hiveloman’ny zavamananaina sy ny zavamaniry. Raha toy izany ny herin’ny masoandro, dia azo antoka fa nisy hery be dia be nampiasaina mba hamoronana azy io sy ireo kintana hafa an’arivony tapitrisa. Ananan’i Jehovah izany hery izany, ary mihoatra noho izany aza.

6, 7. a) Inona no mampiseho fa nilamina tsara ny fomba namoronan’Andriamanitra ny zava-drehetra, rehefa nampiasa ny fanahiny izy? b) Inona no manaporofo fa tsy kisendrasendra no nampisy an’izao rehetra izao?

6 Maro ny porofo mampiseho fa nilamina tsara ny fomba namoronan’Andriamanitra ny zava-drehetra, rehefa nampiasa ny fanahiny izy. Aoka hatao hoe manana boaty feno baolina kely samihafa loko ianao. Inona no mitranga raha ahontsankotsanao ilay boaty, ary ararakao amin’ny tany ireo baolina kely? Tonga ve dia ho tafaraka ny baolina mitovy loko? Mazava ho azy fa tsia! Rehefa tsy natao tamin’ny fomba milamina ny zavatra iray, dia korontana foana ny vokany, fa tsy hilamina mihitsy.

7 Tsy mikorontana anefa ny zavatra eo amin’izao rehetra izao. Tena milamina ireo vahindanitra sy kintana ary planeta maro be. Efa maty paika koa ny fihetsik’izy ireny. Tsy azo inoana hoe vokatry ny kisendrasendra izany, na hoe nisy ho azy noho ny fipoahana goavana. Inona àry no hery nampiasain’Andriamanitra mba hampisy an’izao rehetra izao milamina tsara? Tsy mahavaly an’izany raha ny fikarohana ara-tsiansa fotsiny. Ny Baiboly ihany no milaza hoe ny fanahy masin’Andriamanitra io hery io. Izy io no hery lehibe indrindra eo amin’izao rehetra izao. Hoy ny mpanao salamo: “Ny tenin’i Jehovah no nampisy ny lanitra, ary ny fofonain’ny vavany [na ny fanahy masina] no nampisy ny zava-drehetra eny.” (Sal. 33:6) Mbola vao ampahany kely monja amin’ireo ‘zavatra eny amin’ny lanitra’ anefa no hitan’ny masontsika, rehefa mijery ny lanitra isika amin’ny alina.

Famoronana ny tany

8. Manao ahoana ny habetsahan’ny zavatra fantatsika momba ny asan’i Jehovah?

8 Tena kely ny zavatra fantatsika momba ny zavaboarin’Andriamanitra, raha oharina amin’ny zavatra mbola mila ianarantsika. Toy izao no nilazan’i Joba an’izany: “Vao ampahany kely amin’ny zava-bitany izany, ary vao bitsibitsika ihany no mba rentsika momba azy!” (Joba 26:14) Hoy koa i Solomona Mpanjaka, izay nandinika tsara ny zavaboary: “Tsara sy tamin’ny fotoanany avy no nanaovan’Andriamanitra ny zava-drehetra. Ary na ny fotoana tsy voafetra aza dia nataony tao am-pon’ny olombelona, mba tsy hahafantaran’izy ireo mihitsy ny asan’Andriamanitra hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany.”—Mpito. 3:11; 8:17.

9, 10. Inona no hery nampiasain’Andriamanitra rehefa namorona ny tany izy, ary inona ny zava-nitranga sasany nandritra ireo andro famoronana telo voalohany?

9 Na izany aza, dia ampahafantarin’i Jehovah antsika ny tsipiriany lehibe sasany momba ny famoronana. Milaza ny Baiboly fa niasa teto an-tany ny fanahin’i Jehovah, taloha ela be. (Vakio ny Genesisy 1:2.) Tsy nisy tany maina, na hazavana teto an-tany tamin’izany, ary toa tsy nisy rivotra azo iainana koa.

10 Hazavain’ny Baiboly avy eo hoe inona no nataon’Andriamanitra, nandritra ireo andro famoronana. Tsy andro misy 24 ora ny andro famoronana iray, fa vanim-potoana naharitra elaela. Tamin’ny andro voalohany, dia nataon’i Jehovah nanomboka nipoitra tetỳ an-tany ny hazavana. Nitohy ny famoronana ny hazavana tamin’ireo andro manaraka, mandra-pahita ny masoandro sy ny volana avy tetỳ an-tany. (Gen. 1:3, 14) Nanomboka namorona ny habakabaka i Jehovah, tamin’ny andro faharoa. (Gen. 1:6) Efa nisy rano sy hazavana ary rivotra tetỳ an-tany tamin’izay, fa mbola tsy nisy tany maina. Nampiasa ny fanahiny masina i Jehovah, teo am-piandohan’ny andro fahatelo, mba hampisy ny tany maina. Mety ho nataony izay hampisondrotra ny nofon-tany avy tao amin’ny ranomasina, ka nipoitra ireo kontinanta. (Gen. 1:9) Mbola nisy zavatra miavaka nitranga koa tamin’io andro fahatelo io sy taorian’izay.

Famoronana ny zavamananaina sy ny zavamaniry

11. Inona no voaporofo rehefa mandinika an’ireo zavaboary kanto sy be pitsiny ary manana endrika mirindra tsara?

11 Namorona karazan-javamaniry sy biby tsy tambo isaina koa Andriamanitra, tamin’ny andro fahatelo ka hatramin’ny andro fahenina. (Gen. 1:11, 20-25) Namorona azy ireny tamin’ny alalan’ny fanahy masina izy, ary nataony nilamina tsara izy ireny. Maro be amin’ireny zavatra noforoniny ireny àry no be pitsiny sy kanto ary manana endrika mirindra tsara, ka manaporofo fa tena mahay ilay namorona azy.

12. a) Inona no asan’ny ADN? b) Manaporofo inona ny fiasan’ny ADN?

12 Diniho ny ADN ao anaty sela. Manana ADN daholo ny zavamananaina sy ny zavamaniry, na ny kely indrindra, na ny lehibe indrindra. Manana azy io ny mikraoba, ny bozaka, ny elefanta, ny trozona manga, ary ny olona. Inona no asan’ny ADN? Izy io no mahatonga ny fifandovan-toetra, izany hoe mahatonga ny toetoetran’ny zavamaniry sy ny zavamananaina hifindra amin’ny taranany atỳ aoriana. Na dia tena samy hafa aza anefa ireo zavaboary, dia tsy miovaova ny ADN ao anatiny. Izany no mahatonga ny zavaboary ho samy hafa karazana foana, ka samy mbola manatanteraka ny anjara asa nikasan’Andriamanitra azy eo amin’ny tontolo iainana. (Sal. 139:16) Milamina sy mandeha tsara tokoa ny fiasan’ny ADN, ka manaporofo hoe asan’ny “rantsantanan’Andriamanitra” (na fanahy masina) ny zavaboary.

Ny zavaboary tsara indrindra eto an-tany

13. Ahoana no namoronan’Andriamanitra ny olombelona?

13 Rehefa avy namorona zavamananaina sy tsy mananaina maro be Andriamanitra, dia tsy azo nolazaina intsony hoe tsy nisy endrika, na tsy nisy na inona na inona ny tany. Mbola namorona zavatra hafa ihany anefa i Jehovah, tamin’ny faramparan’ny andro fahenina. Namorona ny olombelona izy, dia ny zavaboary tsara indrindra eto an-tany. Namorona ny olona tamin’ny alalan’ny fanahy masina izy, ary nampiasa an’ireo singan-javatra avy amin’ny tany.—Gen. 2:7.

14. Inona no tena mampiavaka ny olona amin’ny biby?

14 Hoy ny Genesisy 1:27: “Namorona ny olona araka ny endriny Andriamanitra, eny, araka ny endrik’Andriamanitra no namoronany azy. Lahy sy vavy no namoronany azy ireo.” Noforonina araka ny endrik’Andriamanitra isika, izany hoe noforonina mba ho afaka hisafidy, haneho fitiavana, ary hifandray amin’ny Mpamorona. Izany no mahatonga ny atidohantsika ho samy hafa be amin’ny atidohan’ny biby. Nataon’i Jehovah ny atidohantsika mba hahafahantsika hianatra foana momba azy sy ny asany, ka ho faly amin’izany.

15. Tokony ho nanao ahoana ny hoavin’i Adama sy Eva?

15 Nomen’Andriamanitra an’i Adama sy Eva ny tany sy ireo zava-mahatalanjona eo aminy, mba hodinihin’izy ireo sy hankafiziny. (Gen. 1:28) Nomeny sakafo tondraka koa izy ireo, ary napetrany tao amin’ny Paradisa. Afaka niaina mandrakizay izy ireo, ary afaka nanana taranaka lavorary maro be. Tsy izany anefa no nitranga.

Ekeo ny anjara asan’ny fanahy masina

16. Inona no fanantenantsika, na dia nikomy aza ny mpivady voalohany?

16 Tokony ho nankasitraka ny Mpamorona i Adama sy Eva, ka nankatò azy. Nikomy anefa izy ireo satria tia tena. Lasa tsy lavorary sy mijaly ny taranak’izy ireo, vokatr’izany. Soa ihany fa milaza ny Baiboly hoe hanafoana ny zava-dratsy rehetra vokatry ny fahotan’izy mivady i Jehovah, ary hanatanteraka ny fikasany tany am-boalohany. Ho lasa paradisa ny tany, ary ho feno olona sambatra sy salama ary velona mandrakizay. (Gen. 3:15) Mila ny fanahy masina isika, mba hanampy antsika hino foana an’izany fampanantenana mahafinaritra izany.

17. Inona no hevitra tokony hohalavirintsika?

17 Tokony hangataka fanahy masina amin’i Jehovah isika, mba hanampy antsika ho resy lahatra kokoa hoe asan’ny tanan’Andriamanitra tokoa izao rehetra izao. (Lioka 11:13) Mihabetsaka izao ny hevitra tsy marim-pototra aelin’ireo olona tsy mino an’Andriamanitra sy mino ny evolisiona. Tsy tokony hahatonga antsika hisalasala na hatahotra anefa izany. Tsy maintsy miomana ny Kristianina rehetra, mba hahatohitra ny fitaoman’ireny olona ireny sy ny hevitra aeliny.—Vakio ny Kolosianina 2:8.

18. Nahoana no azo lazaina fa tsy mandinika tsara ireo olona tsy mino ny fisian’ny Mpamorona?

18 Hihamatanjaka ny finoantsika an’Andriamanitra sy ny Baiboly, raha dinihintsika amin’ny saina tsy miangatra ireo porofo mampiseho hoe nisy namorona izao rehetra izao. Maro ny olona tsy te hino hoe misy hery hafa ankoatra ny fantatry ny mpahay siansa, nampisy an’izao rehetra izao sy ny olombelona. Tsy azo lazaina hoe mandinika ny porofo rehetra, amin’ny saina tsy miangatra, ny olona toy izany. Tsy raharahainy tsotra izao ireo zavaboary “tsy hita isa”, izay hita hoe milamina sady misy ilana azy. (Joba 9:10; Sal. 104:25) Ahoana kosa isika Kristianina? Resy lahatra isika fa ny fanahy masina no hery nampiasaina tamin’ny famoronana, ary i Jehovah, izay tena mahay, no nitarika ny fomba fiasan’izy io.

Manatanjaka ny finoantsika an’Andriamanitra ny fanahy masina

19. Inona no mahatonga antsika ho resy lahatra hoe misy Andriamanitra ary miasa tokoa ny fanahiny masina?

19 Tsy voatery hahalala ny tsipiriany rehetra momba ny zavaboary nataon’Andriamanitra isika, vao hino azy sy ho tia azy ary hanaja azy fatratra. Hitombo anefa ny finoantsika azy, rehefa mahalala azy bebe kokoa isika. Vao mainka resy lahatra, ohatra, isika hoe tena misy izy, rehefa mahazo valim-bavaka isika, na koa mahatsapa hoe nandray soa rehefa nampihatra ny toro lalany. Lasa akaiky kokoa an’i Jehovah isika, rehefa mihabetsaka ny porofo hitantsika hoe mitari-dalana antsika izy, miaro antsika, mitahy ny ezaka ataontsika amin’ny fanompoana, ary manome izay ilaintsika. Mahatonga antsika ho resy lahatra kokoa izany hoe tena misy Andriamanitra ary miasa tokoa ny fanahiny masina.

20. a) Nahoana Andriamanitra no namorona an’izao rehetra izao sy ny olombelona? b) Inona no ho vokany, raha manaiky hotarihin’ny fanahy masina foana isika?

20 Anisan’ireo zavatra miavaka nataon’i Jehovah tamin’ny alalan’ny fanahy masina koa ny Baiboly. Milaza ny 2 Petera 1:21 hoe: ‘Avy tamin’Andriamanitra no nitenenan’ny olona [nanoratra azy io], araka izay nitarihan’ny fanahy masina azy.’ Raha mianatra tsara ny Soratra Masina àry isika, dia hihamatanjaka ny finoantsika hoe Andriamanitra no namorona ny zava-drehetra. (Apok. 4:11) Ny fitiavana no nahatonga azy hamorona, ka tokony hanao izay rehetra azo atao isika, mba hanampiana ny hafa hahafantatra an’io Namantsika sady Raintsika io. (1 Jaona 4:8) Na isika koa aza ho afaka hiana-javatra momba azy mandrakizay, raha manaiky foana ny fitarihan’ny fanahiny. (Gal. 5:16, 25) Enga anie isika ka hianatra foana momba an’i Jehovah sy ny asa lehibe nataony. Enga koa anie isika ka hanahaka ny fitiavana lehibe nasehony tamin’izy nampiasa ny fanahy masina, mba hamoronana ny tany sy ny lanitra ary ny olombelona.

Hainao Hazavaina Ve?

• Inona no ianarantsika momba ny fanahy masina, rehefa mandinika ny lanitra sy ny tany isika?

• Inona no tombony ananantsika, noho isika noforonina araka ny endrik’Andriamanitra?

• Nahoana isika no mila mandinika an’ireo porofo hoe nisy namorona izao rehetra izao?

• Inona no manampy antsika hifandray kokoa amin’i Jehovah?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 7]

Manaporofo inona ny filaminana hitantsika eo amin’izao rehetra izao?

[Sary nahazoan-dalana]

Kintana: Anglo-Australian Observatory/David Malin Images

[Sary, pejy 8]

Inona ny asan’ny ADN, eo amin’ireo zavaboary ireo?

[Sary, pejy 10]

Efa niomana hiaro ny finoanao ve ianao?