Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Ny Mankatò no Tsara Kokoa Noho ny Sorona”

“Ny Mankatò no Tsara Kokoa Noho ny Sorona”

“Ny Mankatò no Tsara Kokoa Noho ny Sorona”

I SAOLY no mpanjaka voalohany teo amin’ny Israely, ary Andriamanitra no nifidy azy. Tsy nankatò an’Andriamanitra anefa izy, tatỳ aoriana.

Inona no tsy nety nataony? Azony nosorohina ve ilay izy? Inona no ianarantsika avy amin’izany?

Nampahafantatra ny mpanjaka nofidiny i Jehovah

I Samoela mpaminany no solontenan’Andriamanitra, tamin’ny mbola tsy nisy mpanjaka teo amin’ny Israely. Nisy olana anefa rehefa antitra i Samoela. Nivadika tamin’Andriamanitra ny zanany. Nandrahona an’ilay firenena koa ny fahavalo. Nangataka tamin’i Samoela àry ireo anti-panahin’ny Israely, mba hanendry mpanjaka hitsara sy hitarika azy ireo tamin’ny ady. Vokatr’izany, dia naniraka an’i Samoela i Jehovah mba hanosotra an’i Saoly ho mpitarika. Hoy i Jehovah momba an’i Saoly: “Hamonjy ny oloko eo an-tanan’ny Filistinina izy.”—1 Sam. 8:4-7, 20; 9:16.

“Tanora i Saoly sady tsara tarehy.” Nanana toetra tsara koa anefa izy. Nanetry tena izy. Nilaza tamin’i Samoela, ohatra, izy hoe: “Tsy Benjaminita avy amin’ny foko kely indrindran’ny Israely ve aho? Ary tsy ny fianakaviako ve no tsy manan-danja indrindra amin’ny fianakaviana rehetran’ny fokon’i Benjamina? Koa nahoana ianao no miteny toy izany amiko?” Tsy nirehareha momba ny tenany sy ny fianakaviany i Saoly, na dia “mpanankarem-be” aza i Kisy rainy.—1 Sam. 9:1, 2, 21.

Nohosoran’i Samoela ho mpanjaka tany amin’ny toerana mitokana i Saoly, sady nilazan’i Samoela hoe: “Ataovy izay azon’ny tananao atao, fa momba anao Andriamanitra.” Mariho anefa izay nitranga taorian’izay, rehefa namory ny vahoaka i Samoela mba hampahafantarana hoe voafidin’i Jehovah izy. Tsy hita i Saoly. Menatra izy ka niafina. Natoron’i Jehovah anefa ny nisy azy, ary nambara hoe mpanjaka izy.—1 Sam. 10:7, 20-24.

Tany an’ady

Tsy ela dia noporofoin’i Saoly fa diso hevitra ireo tsy natoky hoe hahavita hitondra izy. Voaporofo izany rehefa nandrahona tanàna israelita iray ny Amonita. “Niasa taminy ny fanahin’Andriamanitra” tamin’izay, ka namoaka didy izy mba hanangonana ny mpiady rehetra teo amin’ny Israely. Nandamina an’ireo mpiady ireo izy, sady nitarika azy ireo tany an’ady, ka nandresy. Niaiky anefa i Saoly fa avy amin’Andriamanitra ilay fandresena. Hoy izy: “I Jehovah no nanao famonjena teo amin’ny Israely.”—1 Sam. 11:1-13.

Nanana toetra tsara maro i Saoly sady notahin’Andriamanitra. Niaiky koa izy fa mahery i Jehovah. Inona anefa no notakina tamin’ny firenen’Israely sy ny mpanjakany, raha tian’izy ireo ny hahomby foana? Hoy i Samoela: “Raha matahotra an’i Jehovah ianareo ka manompo azy tokoa ary mankatò ny teniny, sady tsy manohitra ny baikon’i Jehovah, dia homba anareo sy ny mpanjakanareo i Jehovah Andriamanitrareo.” Inona no ho azon’ny Israelita antoka, raha tsy mivadika izy ireo? Hoy ihany i Samoela: “Tsy hahafoy ny olony i Jehovah, noho ny amin’ny anarany be voninahitra, satria i Jehovah mihitsy no efa nanapa-kevitra hanao anareo ho olony.”—1 Sam. 12:14, 22.

Zava-dehibe àry ny mankatò raha te hahazo sitraka amin’Andriamanitra. Tahin’i Jehovah ny mpanompony, rehefa mankatò azy. Ahoana anefa raha tsy mankatò izy ireo?

“Hadalana mihitsy izao nataonao izao”

Namely ny Filistinina i Saoly taorian’izay, ka tezitra ny Filistinina ary nanangona tafika “maro be toy ny fasika eny amoron-dranomasina.” “Rehefa hitan’ny Israelita fa notandindomin-doza izy ireo satria voaterin’ny fahavalo, dia lasa niafina tany an-dava-bato sy tany an-tsefatsefaky ny harambato izy ireo, ary koa tany anaty vatolampy sy zohy ary lavaka fanangonan-drano.” (1 Sam. 13:5, 6) Inona no nataon’i Saoly?

Nilaza tamin’i Saoly i Samoela talohan’izay mba ho any Gilgala, satria hanao sorona any izy. Nankany Gilgala àry i Saoly ary niandry tany. Tara anefa i Samoela, ary niparitaka tsikelikely ny tafika israelita, ka nanapa-kevitra hanolotra an’ilay sorona izy. Vao vitany anefa ilay izy, dia tonga i Samoela. Hoy àry i Samoela: “Hadalana mihitsy izao nataonao izao. Tsy notandremanao ny didin’i Jehovah Andriamanitrao izay nandidiany anao. Fa raha notandremanao izany, dia ho nataon’i Jehovah mafy orina teo amin’ny Israely ny fanjakanao nandritra ny fotoana tsy voafetra. Koa izao dia tsy haharitra ny fanjakanao. Hahita lehilahy sitraky ny fony i Jehovah, ary hotendren’i Jehovah ho mpitarika ny vahoakany izy, satria ianao tsy nitandrina an’izay nandidian’i Jehovah anao.”—1 Sam. 10:8; 13:8, 13, 14.

Tokony ho niandry an’i Samoela i Saoly mba hanolotra an’ilay sorona. Tsy nankatò an’izany baikon’Andriamanitra izany anefa izy, satria tsy ampy finoana. Tena tsy nitovy izy sy Gideona, lehiben’ny tafika teo amin’ny Israely! Nankatò i Gideona, rehefa nasain’i Jehovah nahena ho 300 ny miaramilany 32 000. Nahoana izy no nankatò? Satria natoky an’i Jehovah izy. Nampian’Andriamanitra izy, ka nandresy miaramila 135 000. (Mpits. 7:1-7, 17-22; 8:10) Afaka nanampy an’i Saoly koa i Jehovah. Tsy nankatò anefa izy, ka norobain’ny Filistinina ny Israely.—1 Sam. 13:17, 18.

Ahoana no ataonao rehefa mila manapa-kevitra momba ny olana iray ianao? Tsy miraharaha ny toro lalan’Andriamanitra ny olona tsy ampy finoana, rehefa hanapa-kevitra. Toa an’i Saoly izy ireo, ka mihevitra fa tsy maninona izany. Tsy toy izany anefa ny olona tapa-kevitra hampifaly an’Andriamanitra. Mihevitra izy ireo fa ny manaraka ny toro lalan’ny Soratra Masina ihany no fahendrena.

Nolavin’i Jehovah i Saoly

Nanao fahadisoana lehibe hafa i Saoly, rehefa niady tamin’ny Amalekita. Nanameloka ny Amalekita Andriamanitra satria nanafika ny Israelita izy ireo, taorian’ny nivoahan’ny Israelita avy tany Ejipta. (Eks. 17:8; Deot. 25:17, 18) Nanafika ny vahoakan’i Jehovah, niaraka tamin’ny firenen-kafa, koa izy ireo tamin’ny andron’ireo Mpitsara. (Mpits. 3:12, 13; 6:1-3, 33) Nandidy an’i Saoly àry i Jehovah mba handringana ny Amalekita.—1 Sam. 15:1-3.

Nasain’i Jehovah naringana tanteraka ireo Amalekita ratsy fanahy mbamin’ny fananany. Tsy nankatò anefa i Saoly. Nosamboriny fotsiny ny mpanjakan’ny Amalekita, ary tsy novonoiny ny biby fiompy tsara indrindra. Ahoana no nolazainy rehefa niteny azy i Samoela? Nanilika ny fahadisoany tamin’ny vahoaka izy, ka nanao hoe: “Nangoraka ny tsara indrindra tamin’ny ondry aman’osy sy ny omby izy ireo, mba hatao sorona ho an’i Jehovah.” Tsy fantatra raha tena nikasa hanao sorona an’ireo biby ireo i Saoly na tsia. Na izany na tsy izany, dia tsy nankatò izy. Tsy “nihevi-tena ho kely” intsony izy. Nilaza taminy àry i Samoela fa tsy nankatò an’Andriamanitra izy. Hoy ilay mpaminany avy eo: “Ny fanatitra dorana sy sorona ve no sitrak’i Jehovah kokoa noho ny mankatò ny tenin’i Jehovah? Ny mankatò no tsara kokoa noho ny sorona ... Nanda ny tenin’i Jehovah ianao, ka laviny tsy ho mpanjaka.”—1 Sam. 15:15, 17, 22, 23.

Nesorin’i Jehovah tamin’i Saoly ny fanahiny masina, ary tsy notahiny intsony izy. ‘Nikorontan-tsaina’ i Saoly nanomboka teo. Lasa niahiahy sy nialona an’i Davida koa izy. Imbetsaka izy no nanandrana namono an’i Davida, ilay nomen’i Jehovah ny fanjakana tatỳ aoriana. Nataony ‘fahavalo’ i Davida, satria hitany fa ‘nomba azy i Jehovah.’ Nifofo ny ain’i Davida izy, ka nahavita nampamono mpisorona 85 sy olona maro hafa. Tsy mahagaga raha nafoin’i Jehovah i Saoly!—1 Sam. 16:14; 18:11, 25, 28, 29; 19:10, 11; 20:32, 33; 22:16-19.

Nitady fanampiana tany amin’ny mpamoha angatra i Saoly, rehefa nanafika ny Israely indray ny Filistinina. Very maina anefa izany. Naratra mafy tany an’ady izy ny ampitson’iny, ka namono tena. (1 Sam. 28:4-8; 31:3, 4) Hoy ny Soratra Masina, momba an’io mpanjaka tsy nankatò io: “Maty i Saoly noho izy nivadika tamin’Andriamanitra. Tsy naneho finoana an’i Jehovah mantsy izy fony izy tsy nankatò ny tenin’i Jehovah sy fony izy nanontany mpamoha angatra, fa tsy nanontany an’i Jehovah.”—1 Tan. 10:13, 14.

Hita mazava amin’ny ohatra ratsy navelan’i Saoly, fa ny mankatò an’i Jehovah no tsara kokoa noho ny manolotra sorona ho azy. Hoy ny apostoly Jaona: “Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny. Tsy mavesatra anefa ny didiny.” (1 Jaona 5:3) Enga anie isika ka tsy hanadino mihitsy fa mila mankatò an’Andriamanitra isika, raha te ho namany foana.

[Sary, pejy 21]

Nanetry tena i Saoly tamin’ny voalohany

[Sary, pejy 23]

Nahoana i Samoela no nilaza tamin’i Saoly hoe “ny mankatò no tsara kokoa noho ny sorona”?