Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tiavo Amin’ny Fonao Manontolo ny Fahamarinana

Tiavo Amin’ny Fonao Manontolo ny Fahamarinana

Tiavo Amin’ny Fonao Manontolo ny Fahamarinana

“Tianao ny fahamarinana.”—SAL. 45:7.

1. Inona no hanampy antsika hanaraka ny “lalan’ny fahamarinana”?

MAMPIASA ny Teniny sy ny fanahiny masina i Jehovah mba hitarihana ny vahoakany amin’ny “lalan’ny fahamarinana.” (Sal. 23:3) Tsy lavorary anefa isika, ka matetika no mivaona amin’io lalana io. Mila miezaka mafy àry isika raha tiantsika ny hanao foana izay lazain’i Jehovah fa marina. Inona no hanampy antsika amin’izany? Tsy maintsy tia manao ny marina toa an’i Jesosy isika.—Vakio ny Salamo 45:7.

2. Inona no atao hoe “lalan’ny fahamarinana”?

2 Inona no atao hoe “lalan’ny fahamarinana”? Ny teny hebreo sy grika nadika hoe “marina”, dia midika hoe “fahitsiana” na “mahitsy”, izany hoe mifanaraka tsara amin’ireo fitsipika momba ny fitondran-tena. Ny atao hoe “lalan’ny fahamarinana” àry dia fomba fiaina mifanaraka amin’ny fitsipik’i Jehovah momba ny atao hoe marina. I Jehovah no “fonenan’ny fahamarinana”, ka manantena azy ny mpivavaka aminy mba hanoro azy ireo ny lala-mahitsy.—Jer. 50:7.

3. Inona no tokony hataontsika mba hahalalana bebe kokoa ny fahamarinan’Andriamanitra?

3 Tsy afaka ny tena hampifaly an’Andriamanitra isika, raha tsy miezaka amin’ny fontsika manontolo hanaraka ny fitsipiny marina. (Deot. 32:4) Mila ianarantsika aloha izay rehetra azontsika ianarana momba azy ao amin’ny Baiboly. Raha manao izany isika, sady manatona azy bebe kokoa isan’andro, dia hitombo ny fitiavantsika ny fahamarinana. (Jak. 4:8) Tsy maintsy vonona hanaraka ny tari-dalan’ny Tenin’Andriamanitra koa anefa isika, rehefa handray fanapahan-kevitra lehibe.

Katsaho ny fahamarinan’Andriamanitra

4. Inona no tsy maintsy ataontsika, raha te hikatsaka ny fahamarinan’Andriamanitra isika?

4 Vakio ny Matio 6:33. Tsy ampy ny hoe mitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, raha te hikatsaka ny fahamarinan’Andriamanitra. Tsy maintsy miezaka manana fitondran-tena mifanaraka amin’ny fitsipika ambony takiny koa isika isan’andro, mba hanekeny ny fanompoana masina ataontsika. Tsy maintsy tafintsika koa “ny toetra vaovao izay noforonina araka ny sitrapon’Andriamanitra, amin’ny tena fahitsiana sy tsy fivadihana.”—Efes. 4:24.

5. Inona no hanampy antsika handresy ny hakiviana?

5 Na dia miezaka manaraka ny fitsipika marin’Andriamanitra aza isika, dia mety ho kivy indraindray satria manao fahadisoana. Inona no hanampy antsika handresy ny hakiviana, ka ho tia ny fahamarinana sy hampihatra izany foana? (Ohab. 24:10) Tsy maintsy miezaka isika mba hivavaka tsy tapaka “amin’ny fo mahitsy sy fatokisana tanteraka avy amin’ny finoana.” (Heb. 10:19-22) Mila mino ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy koa isika, na voahosotra na manantena hiaina eto an-tany. Mila matoky isika hoe manao ny asan’ny Mpisoronabe ho antsika izy. (Rom. 5:8; Heb. 4:14-16) Tena manan-kery ny ra nalatsany, araka ny nohazavaina tao amin’ny gazety Tilikambo voalohany. (1 Jaona 1:6, 7) Izao no voalaza tao: ‘Fotsy no fahitana ny zavatra mena midorehitra, rehefa jerena ao ambadiky ny fitaratra menamena, amin’ny andro mazava; toy izany koa fa na dia mena midorehitra aza ny fahotantsika, dia fotsy no fahitan’Andriamanitra azy ireny noho ny ran’i Kristy.’ (Jolay 1879, p. 6) Fanomezana sarobidy avy amin’i Jehovah tokoa ny sorom-panavotan’ilay Zanany malala!—Isaia 1:18.

Hamarino raha eny aminao ny fiadianao

6. Nahoana isika no tokony hanamarina raha eny amintsika foana ny fiadiantsika ara-panahy?

6 Hitantsika teo fa midika hoe “fahitsiana” ny fahamarinana. Anisan’ny fiadiana ara-panahy tena ilaina avy amin’Andriamanitra izy io, ka tokony hotafintsika foana toy ny “fiarovan-tratra.” (Efes. 6:11, 14) Tokony hohamarinintsika isan’andro raha eny amintsika foana ny fiadiana ara-panahy, na vao haingana isika no nanokan-tena ho an’i Jehovah na efa am-polony taona maro. Nahoana? Satria natsipy tetỳ an-tany ny Devoly sy ireo demoniany. (Apok. 12:7-12) Tezitra i Satana ary fantany fa kely sisa ny fotoana ananany, ka mihamafy ny fanafihany ny vahoakan’Andriamanitra. Tena mila mitafy “ny fahitsiana” tokoa isika “ho fiarovan-tratra”!

7. Inona no tokony hataontsika, raha tsapantsika fa tena mila “ny fahitsiana ho fiarovan-tratra” isika?

7 Miaro ny fo ny fiarovan-tratra. Tena ilaina arovana ny fo, satria mamitaka sy sarotra fehezina izy io, noho isika tsy lavorary. (Jer. 17:9) Tena mila mamolavola sy mifehy ny fontsika àry isika, satria mora voataona hanao ratsy izy io. (Gen. 8:21) Raha tsapantsika fa tena mila “ny fahitsiana ho fiarovan-tratra” isika, dia tsy hesorintsika eny amintsika mihitsy io fiadiana io, na dia vetivety monja aza. Tsy hifidy fialam-boly misy zavatra halan’Andriamanitra, ohatra, isika, na hanonofinofy manao zava-dratsy. Tsy handany fotoana be hijerena tele koa isika, satria sarobidy ny fotoana. Hiezaka hatrany kosa isika hanao izay hampifaliana an’i Jehovah. Marina fa mety hieritreri-dratsy na hanao zava-dratsy isika indraindray, na dia tsy fanahy iniantsika aza. Ho afaka hiova anefa isika, noho ny fanampian’i Jehovah.—Vakio ny Ohabolana 24:16.

8. Nahoana isika no mila an’ilay “ampinga lehibe, dia ny finoana”?

8 Anisan’ny fiadiana ara-panahy koa ny “ampinga lehibe, dia ny finoana.” Manampy antsika “hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra alefan’ilay ratsy” izy io. (Efes. 6:16) Hahavita hanaraka ny lalan’ny fahamarinana foana isika ary tsy hiala amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay, raha manana finoana sady tia an’i Jehovah amin’ny fo manontolo. Arakaraka ny hampitomboantsika ny fitiavantsika an’i Jehovah, no hitomboan’ny fitiavantsika ny fahamarinany. Afaka manampy antsika ho tia ny fahamarinana koa anefa ny feon’ny fieritreretantsika. Amin’ny fomba ahoana?

Arovy foana ny feon’ny fieritreretanao

9. Inona no soa raisintsika, raha arovantsika foana ny feon’ny fieritreretantsika?

9 Nangataka tamin’i Jehovah isika mba homeny “feon’ny fieritreretana madio”, tamintsika natao batisa. (1 Pet. 3:21) Noho isika mino ny vidim-panavotana, dia voasaron’ny ran’i Jesosy ny fahotantsika, ka madio eo imason’Andriamanitra isika. Tokony harovantsika foana anefa ny feon’ny fieritreretantsika, raha tiantsika ny hadio toy izany foana. Tokony ho faly isika, rehefa mampitandrina antsika ny feon’ny fieritreretantsika. Midika mantsy izany hoe tsy donto izy io, fa miasa tsara mifanaraka amin’ny lalana marin’i Jehovah. (1 Tim. 4:2) Afaka manampy amin’ny lafiny hafa koa anefa ny feon’ny fieritreretana.

10, 11. a) Milazà tantara mampiseho fa tokony hanaraka ny feon’ny fieritreretantsika voaofan’ny Baiboly isika. b) Nahoana no mahafaly ny hoe tia ny fahamarinana?

10 Mety hanameloka na hanenjika antsika ny feon’ny fieritreretantsika, rehefa manao ratsy isika. Izany no nitranga tamin’ny tanora iray, niala tamin’ny “lalan’ny fahamarinana.” Nanjary zatra nijery sary vetaveta izy ary nifoka rongony. Nahatsiaro tena ho meloka anefa izy rehefa nandeha nivory. Tsapany koa hoe toy ny mpihatsaravelatsihy izy, rehefa nanompo teny amin’ny saha. Tsy nivory sy tsy nitory intsony àry izy. Hoy izy: “Tsy nampoiziko mihitsy hoe hanameloka ahy ny feon’ny fieritreretako.” Hoy koa izy: “Efa-taona teo ho eo aho no nanao ny hadalako.” Nieritreritra hiverina tao amin’ny fahamarinana izy, taorian’izay. Nihevitra izy fa tsy hihaino ny vavaka ataony i Jehovah, nefa nivavaka ihany izy ary nangata-pamelana. Tonga nitsidika azy ny reniny, folo minitra monja taorian’izay, ary nampirisika azy hivory indray. Nivory àry izy, ary nangataka anti-panahy iray mba hampianatra azy. Natao batisa izy tatỳ aoriana, ary velom-pisaorana an’i Jehovah namonjy ny ainy.

11 Tena mahafinaritra tokoa ny manaraka ny lalan’ny fahamarinana. Sa tsy izany? Vao mainka hahafaly antsika ny manao ny sitrapon’ilay Raintsika any an-danitra, arakaraka ny hiezahantsika ho tia ny fahamarinana sy hampihatra izany. Eritrereto ange izao e! Hahatonga antsika ho faly ny feon’ny fieritreretantsika amin’ny hoavy, fa tsy hanenjika antsika intsony. Hanahaka tanteraka ny toetran’Andriamanitra koa ny olona rehetra. Aoka àry isika hiezaka ho tia ny fahamarinana amin’ny fontsika manontolo dieny izao, ka hampifaly an’i Jehovah.—Ohab. 23:15, 16.

12, 13. Ahoana no hampiofanantsika ny feon’ny fieritreretantsika?

12 Inona no azontsika atao mba hampiofanana ny feon’ny fieritreretantsika? Rehefa mianatra ny Soratra Masina sy ny boky ara-baiboly isika, dia mila mitadidy hoe “ny fon’ny marina mieritreritra vao mamaly” na manapa-kevitra. (Ohab. 15:28) Tena ilaina izany rehefa hitady asa. Manaraka avy hatrany ny toromarika avy amin’ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina ny ankamaroantsika, rehefa misy asa hitantsika hoe mifanipaka amin’ny Soratra Masina. Ahoana anefa rehefa tsy tena mazava hoe azon’ny Kristianina atao ve ny asa iray sa tsia? Tena ilaina ny mikaroka ny toro lalan’ny Baiboly mifandray amin’ilay izy, ary mieritreritra sy mivavaka momba izany. * Tokony hotadidintsika, ohatra, ilay toro lalana hoe tsy mety ny manafintohina ny hafa. (1 Kor. 10:31-33) Ary indrindra fa ireo toro lalana mahakasika mivantana ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra. Raha tena misy i Jehovah amintsika, dia izao no tena tokony hoeritreretintsika: ‘Hampalahelo na hampahory an’i Jehovah ve ny fanaovako an’io asa io?’—Sal. 78:40, 41.

13 Rehefa manomana ny Fianarana Baiboly Ataon’ny Fiangonana sy ny Fianarana Tilikambo isika, dia tokony hotadidintsika fa zava-dehibe ny misaintsaina an’izay ianarantsika. Moa ve isika zatra manipika haingana ny valin’ireo fanontaniana fotsiny ary avy eo mifindra eo amin’ny fehintsoratra manaraka? Tsy azo inoana hoe hampitombo ny fitiavantsika ny fahamarinana izany, na hahatonga ny feon’ny fieritreretantsika hiasa tsara. Mila mianatra tsara ny Tenin’Andriamanitra sy misaintsaina an’izay ianarantsika ao isika, raha te ho tia ny fahamarinana. Tena mila miezaka isika, raha irintsika ny ho tia ny fahamarinana amin’ny fontsika manontolo!

Noana sy mangetaheta ny fahamarinana

14. Inona no tian’i Jehovah sy Jesosy ho tsapantsika rehefa manao ny fanompoana masina isika?

14 Tian’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy ho sambatra isika, rehefa manao ny fanompoana masina. Inona no hanampy antsika ho sambatra? Ny fitiavana ny fahamarinana! Hoy i Jesosy, tao amin’ilay Toriteniny teo An-tendrombohitra: “Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa izy no homena fahafaham-po.” (Mat. 5:6) Nahoana no tena zava-dehibe amin’ireo miezaka ho tia ny fahamarinana ireo teny ireo?

15, 16. Ahoana no hanomezana fahafaham-po an’ireo noana sy mangetaheta ny fahamarinana?

15 Eo ambany fahefan’ilay ratsy ity tontolo ity. (1 Jaona 5:19) Rehefa mamaky gazety isika, na aiza na aiza misy antsika eto an-tany, dia hitantsika fa tena mahavita habibiana sy herisetra tsy misy hoatr’izany ny olona. Ory ny olo-marina rehefa mahita fa mampijaly ny namany ny olona. (Mpito. 8:9) Noho isika tia an’i Jehovah anefa, dia fantatsika fa izy irery ihany no afaka manome fahafaham-po ny olona noana sy mangetaheta ny fahamarinana. Ahoana no fomba hanaovany an’izany? Horinganina tsy ho ela ny ratsy fanahy. Tsy hijaly noho ny ataon’ny mpandika lalàna intsony ny olona tia ny fahamarinana amin’izay. (2 Pet. 2:7, 8) Fanamaivanana tokoa izany!

16 Mpanompon’i Jehovah sy mpanara-dia an’i Kristy isika, ka mahafantatra fa “homena fahafaham-po” izay rehetra noana sy mangetaheta ny fahamarinana, amin’ny hoavy. Ho afa-po tanteraka izy ireo, rehefa ho tonga ny lanitra vaovao sy tany vaovao, izay “hitoeran’ny fahamarinana.” (2 Pet. 3:13) Aza kivy àry, na dia manjaka eto amin’ity tontolon’i Satana ity aza ny fampijaliana sy ny herisetra, ka tsy misy intsony ny fahamarinana. Aza atao mahagaga koa izany. (Mpito. 5:8) Hitan’ilay Avo Indrindra ny zava-mitranga, ary tsy ho ela izy dia hanafaka an’ireo tia ny fahamarinana.

Soa azon’ireo tia ny fahamarinana

17. Inona avy ny soa azon’ireo tia ny fahamarinana?

17 Miresaka momba ny soa lehibe azon’ireo manaraka ny lalan’ny fahamarinana ny Salamo 146:8. Hoy izy io: “Tia an’ireo olo-marina i Jehovah.” Saintsaino ange izany e! Tia antsika ilay Mpanjakan’izao rehetra izao, satria tia ny fahamarinana isika! Matoky àry isika fa hanome izay ilaintsika izy, raha mbola ataontsika loha laharana eo amin’ny fiainana ilay Fanjakana. (Vakio ny Salamo 37:25; Ohabolana 10:3.) Ireo tia ny fahamarinana ihany sisa no honina eto an-tany amin’ny hoavy. (Ohab. 13:22) Hahazo valisoa izy ireo. Hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa tsara tarehy eto an-tany ny ankamaroan’izy ireo, ary ho dibo-kafaliana. Dieny izao anefa dia efa mandray soa ireo tia ny fahamarinan’Andriamanitra. Manana fiadanana anaty izy ireo ka mifandray tsara, na eo anivon’ny fianakaviany izany, na eo anivon’ny fiangonany.—Fil. 4:6, 7.

18. Inona no tokony hataontsika eo am-piandrasana ny andron’i Jehovah?

18 Tsy maintsy mikatsaka ny fahamarinana hatrany isika, eo am-piandrasana ny andro lehiben’i Jehovah. (Zef. 2:2, 3) Aoka àry asehontsika fa tena tiantsika ny lalan’ny fahamarinana atoron’i Jehovah. Manao izany isika raha mitafy foana “ny fahitsiana ho fiarovan-tratra”, mba hiarovana ny fontsika. Tokony harovantsika koa ny feon’ny fieritreretantsika mba hadio foana. Sady hahafaly antsika izany no hampifaly ny fon’Andriamanitra!—Ohab. 27:11.

19. Tokony ho tapa-kevitra hanao inona isika, ary inona no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

19 “Ny mason’i Jehovah dia mijery eny rehetra eny manerana ny tany, mba hanehoany ny heriny hamonjena izay mifikitra aminy amin’ny fo manontolo.” (2 Tan. 16:9) Tena mampahery antsika izany, satria miezaka manao ny tsara foana isika, na dia mitombo aza ny korontana, ny herisetra, ary ny faharatsiana eto amin’ity tontolo ity. Marina fa mety ho very hevitra ireo olona tafasaraka amin’Andriamanitra, rehefa mahita antsika manaraka ny lalan’ny fahamarinana. Mandray soa lehibe anefa isika izay manaraka ny fahamarinan’i Jehovah. (Isaia 48:17; 1 Pet. 4:4) Aoka àry isika ho tia ny fahamarinana amin’ny fontsika manontolo ary hampihatra izany hatrany, satria hitondra fifaliana ho antsika izany. Mila mankahala ny ratsy koa anefa isika, raha tia an’i Jehovah amin’ny fo manontolo. Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny hevitr’izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 12 Misy toro lalan’ny Baiboly momba ny asa ao amin’ny Tilikambo 15 Aprily 1999, pejy 28-30.

Ahoana no Havalinao?

• Nahoana isika no mila mankasitraka ny vidim-panavotana, raha te ho tia ny fahamarinana?

• Nahoana no tena ilaina ny mitafy “ny fahitsiana ho fiarovan-tratra”?

• Ahoana no azontsika ampiofanana ny feon’ny fieritreretantsika?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 26]

Manampy antsika hifidy asa mety amin’ny Kristianina ny feon’ny fieritreretana voaofana tsara