Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manaiky Hotarihin’ny Fanahy Masina ve Ianao?

Manaiky Hotarihin’ny Fanahy Masina ve Ianao?

Manaiky Hotarihin’ny Fanahy Masina ve Ianao?

“Tsara ny [fanahin’Andriamanitra], ka enga anie izy io hitarika ahy, ao amin’ny tanin’ny fahitsiana!”—SAL. 143:10.

1, 2. a) Ahoana no nampiasan’i Jehovah ny fanahiny masina, mba hanampiana ny mpanompony? b) Nahoana no azo lazaina fa tsy amin’ny toe-javatra miavaka ihany no miasa ny fanahy masina?

INONA no tonga ao an-tsainao, rehefa mieritreritra ny asan’ny fanahy masina? Ireo zava-mahatalanjona nataon’i Gideona sy Samsona ve? (Mpits. 6:33, 34; 15:14, 15) Sa ny fahasahian’ireo Kristianina voalohany? Sa ny fahatonian’i Stefana nanoloana ny Fitsarana Avo Jiosy? (Asa. 4:31; 6:15) Tonga ao an-tsainao ve ny fifaliana lehibe hita any amin’ireo fivoriambe iraisam-pirenena, na ny tsy fivadihan’ireo rahalahintsika nogadraina satria tsy anisan’izao tontolo izao? Sa ny fielezan’ny asa fitoriana, izay tena mahavariana tokoa? Porofon’ny fiasan’ny fanahy masina daholo ireo.

2 Tsy amin’ny toe-javatra miavaka toy ireo ihany anefa no miasa ny fanahy masina. Milaza ny Baiboly fa ‘mandeha araka ny fanahy’ ny Kristianina, na “tarihin’ny fanahy”, na manana ‘fomba fiaina araka ny fanahy.’ (Gal. 5:16, 18, 25) Midika izany fa afaka miasa eo amin’ny fiainantsika foana ny fanahy masina. Tokony hangataka azy io amin’i Jehovah àry isika isan’andro, mba hahalalantsika izay tokony hatao sy izay toe-tsaina sy fomba fiteny mety. (Vakio ny Salamo 143:10.) Mila avelantsika hiasa amintsika izy io, mba hanampy antsika haneho ny vokatry ny fanahy, ka hahatonga antsika hamelombelona ny hafa sy hanome voninahitra an’Andriamanitra.

3. a) Nahoana isika no mila tarihin’ny fanahy masina? b) Inona avy ny fanontaniana hodinihintsika?

3 Nahoana isika no tena mila tarihin’ny fanahy masina? Satria mitady hanjaka ao amintsika ny hery iray manohitra ny fiasan’ny fanahy masina. “Nofo” no iantsoana an’io hery io ao amin’ny Baiboly. Ny tiana horesahina amin’io nofo io dia ny tsy fahalavorariana nolovantsika tamin’i Adama, izay mitarika antsika hanota. (Vakio ny Galatianina 5:17.) Inona àry no atao hoe manaiky hotarihin’ny fanahin’Andriamanitra? Misy zavatra azontsika atao ve mba tsy ho voataonan’ny nofo mpanota? Handinika ny valin’ireo isika sady handinika ny toetra enina farany anisan’ny “vokatry ny fanahy”, dia ny “fahari-po, hatsaram-panahy, hatsaran-toetra, finoana, fahalemem-panahy”, ary “fifehezan-tena.”—Gal. 5:22, 23.

Manampy ny Kristianina hihavana ny fahalemem-panahy sy ny fahari-po

4. Nahoana no manampy antsika hihavana ny fahalemem-panahy sy ny fahari-po?

4 Vakio ny Kolosianina 3:12, 13. Manampy ny olona eo anivon’ny fiangonana mba hihavana ny fahalemem-panahy sy ny fahari-po. Manampy antsika ireo toetra ireo mba ho tsara fanahy amin’ny hafa, ho tony rehefa misy mampahatezitra, ary tsy hamaly faty rehefa misy olona miteny na manao zavatra mampalahelo antsika. Ilaina ny fahari-po, na ny faharetana, rehefa manana olana amin’ny Kristianina iray isika. Manampy antsika izy io mba hiezaka foana hamitram-pihavanana, fa tsy hieritreritra hoe tsy misy azo atao intsony hifandraisana amin’ilay rahalahy na anabavy. Tena ilaina ny fahalemem-panahy sy ny fahari-po eo anivon’ny fiangonana, satria tsy lavorary isika rehetra.

5. Inona no nitranga teo amin’i Paoly sy Barnabasy, ary inona no ianarantsika amin’izany?

5 Diniho izay nitranga tamin’i Paoly sy Barnabasy. Niara-niasa mba hampiely ny vaovao tsara izy ireo nandritra ny taona maro. Samy nanana toetra tsara koa izy ireo. “Nisafoaka mafy” anefa izy roa lahy indray mandeha, “ka nisaraka.” (Asa. 15:36-39) Hitantsika amin’izany fa mety tsy hifanaraka na dia ny mpanompon’i Jehovah tsy mivadika aza. Raha misy zavatra àry tsy mampifanaraka anao amin’ny Kristianina iray, inona no azonao atao mba tsy hisian’ny fifamaliana be, izay mety hanimba tanteraka ny fihavanana?

6, 7. a) Inona no torohevitry ny Baiboly tsara hampiharina, raha tsy tiantsika ho lasa fifamaliana ny resaka ataontsika? b) Nahoana no mahasoa ny hoe ‘mailaka hihaino sy tsy maika hiteny ary tsy mora tezitra’?

6 Voalaza fa “nisafoaka mafy” i Paoly sy Barnabasy. Midika izany fa nifanditra be tampoka izy ireo. Mety ho tsapan’ny Kristianina iray koa hoe manomboka tezitra izy, eo am-piresahana amin’ny mpiray finoana aminy. Inona no azony atao? Tsara ny mampihatra izay lazain’ny Jakoba 1:19, 20 hoe: “Aoka ny olona rehetra ho mailaka hihaino, tsy ho maika hiteny, tsy ho mora tezitra, fa ny fahatezeran’ny olona tsy ahavitana izay marina eo imason’Andriamanitra.” Azo atao ny manova resaka, na miangavy mba hanohizana ny resaka amin’ny fotoana hafa, na mangataka handeha dieny mbola tsy raikitra ny fifamaliana.—Ohab. 12:16; 17:14; 29:11.

7 Nahoana no mahasoa ny manaraka an’io torohevitra io? Satria manaiky hotarihin’ny fanahin’Andriamanitra isika, rehefa miezaka ho tony, mivavaka, ary mandinika hoe ahoana no fomba tsara indrindra hamaliana an’ilay anankiray. (Ohab. 15:1, 28) Hanampy antsika mba halemy fanahy sy hahari-po ny fanahy masina, ka ho haintsika ny hampihatra ny Efesianina 4:26, 29, manao hoe: “Tezera fa aza manota. ... Aoka tsy hisy teny ratsy hivoaka amin’ny vavanareo, fa izay teny tsara ho fampaherezana kosa, rehefa ilaina izany, mba hahasoa an’izay mihaino.” Manampy ny fiangonana mba hihavana sy hiray saina tokoa àry isika, rehefa miezaka halemy fanahy sy hahari-po.

Mamelombelona ny mpianakavy ny hatsaram-panahy sy hatsaran-toetra

8, 9. Inona no atao hoe hatsaram-panahy sy hatsaran-toetra, ary inona no vokany raha maneho an’ireo toetra ireo ny mpianakavy?

8 Vakio ny Efesianina 4:31, 32; 5:8, 9. Mamelombelona toy ny tsio-drivotra malefaka sy rano mangatsiaka amin’ny andro mafana ny hatsaram-panahy sy hatsaran-toetra. Mahafinaritra ny fifandraisan’ny mpianakavy, rehefa maneho an’ireo toetra ireo izy ireo. Tena miahy ny hafa ny olona manana hatsaram-panahy. Manao zavatra hanampiana ny olona izy, ary manao teny mampahery. Ary ahoana ny hatsaran-toetra? Manao soa koa ny olona manana an’io toetra io, ary malala-tanana.—Asa. 9:36, 39; 16:14, 15.

9 Tsy vitan’ny hoe manao soa anefa ny olona manana hatsaran-toetra, fa tsara fitondran-tena koa. Tsy ny zavatra ataony ihany no tsara, fa ny maha izy azy mihitsy. Tsy misy hafa amin’ny voankazo iray tsy misy lo izany, ary masaka sy mamy tsara ny ao anatiny rehetra. Hita taratra eo amin’ny fiainan’ny Kristianina manontolo ny hatsaran-toetra, izay vokatry ny fanahy masina.

10. Inona no azo atao mba hanampiana ny mpianakavy haneho ny vokatry ny fanahy?

10 Inona no hanampy ny fianakaviana kristianina, mba hifaneho hatsaram-panahy sy hatsaran-toetra? Ilaina ny fahalalana marina tsara ny Tenin’Andriamanitra. (Kol. 3:9, 10) Misy loham-pianakaviana manapa-kevitra hoe handinika momba ny vokatry ny fanahy izy ireo mandritra ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana. Tsy sarotra ny manao izany. Mifidiana vokatry ny fanahy iray, ary manaova fikarohana momba azy io ao amin’ireo boky sy gazetintsika. Azo atao ny mamakafaka vokatry ny fanahy iray mandritra ny herinandro maromaro, ka fehintsoratra vitsivitsy isan-kerinandro ihany no dinihina. Vakio sy iaraho midinika ireo andinin-teny. Resaho hoe ahoana no azo ampiharana an’ilay fianarana, ary mivavaha amin’i Jehovah mba hanampiany anareo haneho an’ilay toetra. (1 Tim. 4:15; 1 Jaona 5:14, 15) Mety hanatsara ny fifandraisan’ny mpianakavy tokoa ve ny fianarana toy izany?

11, 12. Inona no soa noraisin’ny mpivady anankiroa, noho izy ireo nianatra momba ny hatsaram-panahy?

11 Nisy mpivady iray te hanatsara ny tokantranony, ka nanapa-kevitra handalina momba ny vokatry ny fanahy. Inona no soa noraisin’izy ireo? Hoy ilay anabavy: “Tena niova ny fomba fifampitondranay mivady, rehefa nianatra bebe kokoa momba ny hatsaram-panahy feno fitiavana izahay. Nianatra nandefitra sy namela heloka izahay, ary nanjary nahay nisaotra sy niala tsiny rehefa ilaina izany.”

12 Diniho koa ny nataon’ny mpivady iray nanana olana tao an-tokantranony. Nanapa-kevitra izy mivady hoe hianatra momba ny hatsaram-panahy, satria tsapany hoe tsy nifaneho an’io toetra io izy ireo. Inona no vokany? Hoy ilay rahalahy: “Hitanay tamin’ilay fianarana hoe tokony hatoky ny vadinao ianao, fa tsy hieritreritra hoe manana antony manosika ratsy izy. Ilaina koa ny mifantoka amin’ny toetra tsarany. Lasa nifampiahy kokoa izahay, vokatr’izany. Takatro hoe raha te ho tsara fanahy aho, dia tokony hamela ny vadiko hilaza izay ao an-tsainy ary tsy ho tezitra amin’izay lazainy. Tsy maintsy niezaka àry aho mba tsy hanambony tena. Nanjary tsy niaro tena loatra intsony izahay mivady, rehefa niezaka ho tsara fanahy. Tena nahasoa anay ilay izy!” Mety hahasoa ny fianakavianao koa ve ny mianatra momba ny vokatry ny fanahy?

Ilaina ny maneho finoana na dia rehefa irery aza

13. Inona no tokony hohalavirintsika, satria mety hanimba ny fifandraisantsika amin’i Jehovah?

13 Mila manaiky hotarihin’ny fanahy ny Kristianina, na eny imason’olona, na rehefa irery. Miely be eo amin’ny tontolon’i Satana ny sary maloto sy ny fialam-boly ratsy, ka mety hanimba ny fifandraisantsika amin’i Jehovah. Inona àry no tokony hataon’ny Kristianina? Hoy ny Baiboly: “Esory ny fitondran-tena mahamenatra rehetra sy izay zavatra tsy ilaina, dia ny faharatsiana. Ary ekeo amim-pahalemem-panahy ny teny, izay afaka mamonjy ny ainareo, ka amboleo ao am-ponareo.” (Jak. 1:21) Hanampy antsika hadio foana eo anatrehan’i Jehovah ny finoana, izay anisan’ny vokatry ny fanahy. Izany no hodinihintsika izao.

14. Nahoana isika no mety hanao ratsy, raha tsy manam-pinoana?

14 Ny hoe manam-pinoana dia midika hoe miaiky fa misy i Jehovah Andriamanitra. Ho mora amintsika ny manao ratsy, raha tsy miaiky isika hoe misy izy. Diniho ny nataon’ny vahoakany fahiny. Nampahafantarin’i Jehovah an’i Ezekiela hoe nanao zavatra maharikoriko ny vahoaka, tany ambadimbadika tany. Hoy izy: “Hitanao ve, ry zanak’olona, izay ataon’ny anti-panahin’ny taranak’Israely ao amin’ny maizina, dia izay ataon’izy tsirairay ao amin’ireo efitrano anatiny misy ireo sary sokitra? Hoy mantsy izy ireo: ‘Tsy mahita antsika i Jehovah! Efa nafoin’i Jehovah ny tanintsika!’ ” (Ezek. 8:12) Inona no nahatonga ilay olana? Tsy nino izy ireo hoe tena misy i Jehovah ary mahita ny ataony.

15. Nahoana no miaro antsika ny finoana matanjaka?

15 Diniho kosa ny nataon’i Josefa. Lavitra ny fianakaviany sy ny mpiray firenena taminy izy, nefa nahatohitra fakam-panahy ka tsy nety nijangajanga tamin’ny vadin’i Potifara. Nahoana? Hoy izy: “Hataoko ahoana ny hanao izany ratsy lehibe izany ka hanota amin’Andriamanitra?” (Gen. 39:7-9) Nino i Josefa hoe misy i Jehovah. Raha mino koa isika hoe tena misy i Jehovah, dia tsy hijery filma na zavatra hafa misy fitondran-tena maloto isika rehefa irery. Tsy hanao zavatra hafa tsy mampifaly an’i Jehovah koa isika any ambadimbadika any. Ho tapa-kevitra toy ny mpanao salamo isika hoe: “Handeha amin’ny fahitsian’ny foko aho ao an-tranoko. Tsy hamela zava-poana ho eo anoloan’ny masoko aho.”—Sal. 101:2, 3.

Manàna fifehezan-tena mba hiarovana ny fonao

16, 17. a) Ahoana no nahatonga ny “tovolahy iray tsy ampy saina” ho voafandrika ka hanota? b) Inona ny fakam-panahy mitovitovy amin’izany, ka mety hanjo antsika na firy taona isika na firy taona? (Jereo ny sary eo amin’ny pejy 26.)

16 Manampy antsika hanalavitra an’ireo zavatra tsy tian’Andriamanitra ny fifehezan-tena, izay vokatry ny fanahy fahasivy. Miaro ny fontsika koa izy io. (Ohab. 4:23) Diniho ny Ohabolana 7:6-23. Resahiny ao ny momba ny “tovolahy iray tsy ampy saina”, izay nadalain’ny mpivaro-tena ka babony. Voafandrika izy rehefa ‘nandalo teo amin’ilay zoron-dalana mankany an-tranon’ilay vehivavy.’ Mba te hahafanta-javatra fotsiny angamba izy, ka nandehandeha teny. Tsy tandrintandriny anefa fa vetivety teo izy dia voatarika hanao hadalana “haningotra ny ainy.”

17 Inona no tokony ho nataon’ilay tovolahy, mba tsy ho tonga tamin’izany fahadisoana mampidi-doza izany? Tokony ho nanaraka ity fampitandreman’ny Baiboly ity izy: ‘Aza mandehandeha eny amin’ny lalan-dravehivavy.’ (Ohab. 7:25) Andraisantsika lesona izany: Mila manalavitra an’ireo toe-javatra mety hiteraka fakam-panahy isika, raha tiantsika ny hotarihin’ny fanahin’Andriamanitra. Mandeha any amin’ny lalana mampidi-kizo toa an’ilay ‘tovolahy tsy ampy saina’ ny olona iray, raha mikarokaroka ao amin’ny Internet nefa tsy misy zavatra tena tadiaviny ao, na koa manovaova tsy amin’antony ny zavatra jereny ao amin’ny tele. Mety hahita sary manaitra ny filana izy, na fanahy iniany na tsia. Mety ho lasa zatra tsikelikely mijery sary vetaveta izy, ka ho simba ny feon’ny fieritreretany sy ny fifandraisany amin’Andriamanitra. Mety haningotra ny ainy mihitsy aza izany.—Vakio ny Romanina 8:5-8.

18. Inona no fepetra mety horaisin’ny Kristianina iray mba hiarovana ny fony, ary nahoana izany no ilana fifehezan-tena?

18 Marina fa afaka mifehy tena sy manao zavatra haingana isika, rehefa sendra mahita sary maloto. Tsara lavitra anefa ny misoroka! (Ohab. 22:3) Mandraisa fepetra mialoha ary ataovy izay hanarahana izany. Tsy mora anefa izany ka mila fifehezan-tena. Ho voaro, ohatra, ianao, raha ataonao amin’ny toerana talaky maso ny ordinatera. Misy indray mahita hoe aleo tsy mampiasa ordinatera na tsy mijery tele, raha tsy rehefa misy olon-kafa eo. Misy koa manapa-kevitra ny tsy hanana Internet mihitsy. (Vakio ny Matio 5:27-30.) Aoka àry isika handray izay fepetra rehetra ilaina mba hiarovana ny tenantsika sy ny fianakaviantsika. Amin’izay isika dia ho afaka hanompo an’i Jehovah ‘amin’ny fo madio sy amin’ny feon’ny fieritreretana madio ary amin’ny finoana tsy mihatsaravelatsihy.’—1 Tim. 1:5.

19. Inona avy no soa raisintsika, raha manaiky hotarihin’ny fanahy masina isika?

19 Mitondra soa be dia be ny fanehoana ny vokatry ny fanahy. Mampisy fihavanana eo anivon’ny fiangonana ny fahalemem-panahy sy ny fahari-po. Sambatra ny fianakaviana rehefa mifaneho hatsaram-panahy sy hatsaran-toetra. Ary hifandray akaiky amin’i Jehovah sy hadio eo anatrehany foana isika, raha manana finoana sy fifehezan-tena. Tsy vitan’izany fa manome toky ny Galatianina 6:8 hoe: ‘Izay mamafy ho an’ny fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin’ny fanahy.’ Noho ny vidim-panavotan’i Kristy, dia hampiasa ny fanahy masina i Jehovah, mba hanomezana fiainana mandrakizay ho an’izay manaiky ny fitarihan’ny fanahy.

Ahoana no Havalinao?

• Nahoana no mampisy fihavanana eo anivon’ny fiangonana ny fahalemem-panahy sy ny fahari-po?

• Inona no hanampy ny Kristianina mba haneho hatsaram-panahy sy hatsaran-toetra amin’ny mpianakaviny?

• Nahoana no manampy ny Kristianina hiaro ny fony ny finoana sy ny fifehezan-tena?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 24]

Inona no azonao atao mba tsy ho lasa fifamaliana be ny resaka ifanaovanao amin’ny hafa?

[Sary, pejy 25]

Handray soa ny fianakavianao raha mianatra momba ny vokatry ny fanahy ianareo

[Sary, pejy 26]

Inona no loza ho voasoroka raha manana finoana sy fifehezan-tena isika?