Nandray Fitahiana Maro Aho
Nandray Fitahiana Maro Aho
Notantarain’i Arthur Bonno
NANATRIKA fivoriamben’ny vondrom-paritra izahay sy Edith vadiko, tamin’ny 1951. Nisy fampandrenesana tamin’izay hoe hisy fivoriana ho an’ireo maniry hanao ny asa misionera.
Noteneniko i Edith hoe: “Andao isika hanatrika an’izany!”
Namaly izy hoe: “Tsy natao ho antsika izany, Arthur a!”
Nisisika ihany anefa aho hoe: “Andao akia dia mba mihaino fotsiny a.”
Nandeha tany àry izahay. Ary rehefa tapitra ilay fivoriana, dia nizarana taratasy fangatahana hanao ny Sekolin’ny Gileada izay nanatrika teo.
“Andao hofenointsika ity”, hoy aho tamin’i Edith.
“Dia ahoana ny fianakaviantsika?”, hoy izy.
Nanatrika ny Sekolin’i Gileada izahay, herintaona sy tapany teo ho eo tatỳ aoriana, ary voatendry hanompo eto Ekoatera, atỳ Amerika Atsimo.
Somary be kiry izay ihany aho, araka ny hitanareo tamin’ilay resakay mivady teo, sady tena natoky tena. I Edith kosa malemy paika sady manetry tena. Tany amin’ny tanàna kely iray atao hoe Elizabeth, any Pennsylvanie, Etazonia, izy no nihalehibe, ary mbola tsy niala tao mihitsy. Mbola tsy nihaona tamin’ny olona hafa firenena koa izy. Mafy taminy ny nandao ny fianakaviany, nefa nanaiky tamin’ny fony manontolo izy, rehefa voatendry hanompo tany an-tany hafa izahay. Tonga teto Ekoatera izahay tamin’ny 1954, ary misionera eto hatramin’izao. Nahazo fitahiana maro izahay nandritra ireo taona nipetrahanay teto. Tianao ho fantatra ve ny sasany amin’izany?
Fahatsiarovana mahafinaritra
Voatendry ho any Quito renivohitra izahay tamin’ny voalohany. Any amin’ny 2 850 metatra eo ho eo ambonin’ny haavon’ny ranomasina no misy azy io, any amin’ny Tendrombohitra Andes. Niainga avy tao Guayaquil, tanàna amoron-tsiraka izahay, ary nandeha lamasinina sy kamiao. Roa andro izahay vao tonga tany. Antsasak’adiny kosa izao dia tonga any raha mandeha fiaramanidina.
Efa-taona izahay no tao Quito, efa-taona tsy hay hadinoina! Nahazo fitahiana hafa anefa izahay taorian’izay, tamin’ny 1958. Nasaina hanao ny asan’ny faritra izahay!Vitsy ireo fiangonana teto Ekoatera tamin’izany, ary nizara ho faritra roa monja. Rehefa tsy nitsidika fiangonana àry izahay, dia nitory tany amin’ireo tanàna kelin’ny Indianina, tsy nisy Vavolombelon’i Jehovah. Kely ny trano tany amin’ireny tanàna ireny, ary tsy nisy varavarankely. Fandriana iray fotsiny koa no tao. Nitondra vata hazo iray izahay rehefa nandeha, ka fatana solitany no tao anatiny, vilany iray, vilia vitsivitsy, koveta, lambam-pandriana, lay aro moka, akanjo, gazety efa tonta, ary entana hafa. Notsentsenanay tamin’ilay gazety ny lavaka tamin’ny rindrina, amin’izay mba sahirankirana ireo voalavo vao tafiditra tao an-trano!
Maizimaizina sy naloto ny trano nisy anay, nefa namela fahatsiarovana mahafinaritra. Mipetraka eo ambony fandriana izahay mivady isan’alina, ka sady miresaka no mihinana sakafo tsotra nandrahoina tamin’ilay fatana solitany. Tamin’ireny fotoana naha tony anay ireny ny vadiko no nanoro ahy hoe ahoana no fomba azoko iresahana amin-katsaram-panahy amin’ireo mpiara-manompo tsidihinay. Olona taitaitra izay aho mantsy, ka matetika no manao teny tsy voahevitra. Nanaraka ny teniny aho, ka lasa nampahery kokoa ny fitsidihana nataoko. Rehefa nilaza zavatra ratsy momba ny olon-kafa koa aho, dia tsy nety nandray anjara tamin’ilay resaka i Edith. Nanampy ahy izany mba hifantoka amin’ny toetra tsaran’ireo rahalahy sy anabavy. Matetika izahay no niresaka an’ireo hevitra tsara hitanay tao amin’ny Tilikambo, sy ny zava-nitranga teny amin’ny fanompoana nandritra ny andro. Maro tokoa ny zavatra nahafinaritra teny amin’ny fanompoana!
Ny fomba nahitana an’i Carlos
Nomena anaran’olona liana iray izahay, tao Jipijapa, tanàna any amin’ny faritra andrefan’i Ekoatera. Nolazaina anay fotsiny hoe Carlos Mejía no anarany, fa tsy nomena anay ny adiresiny. Niala tao an-trano àry izahay indray maraina mba hitady azy. Tsy fantatray anefa hoe aiza no hanombohana ny fitadiavana, fa nandeha fotsiny izahay. Avy be ny orana ny alina talohan’io, ka voatery niala an’ireo lavadavaka feno fotaka teny an-dalana izahay. Izaho no nandeha teo aloha, ary tao aoriako i Edith. Tampotampoka teo dia reko nikiakiaka niantso ahy izy. Nitodika aho, ka nahita azy tao anaty fotaka mainty hatreo amin’ny lohaliny. Nahatsikaiky be ilay izy, nefa tsy nihomehy aho satria hitako hoe nitomany izy.
Vitako ihany ny nisintona azy tao, saingy tavela tao anaty fotaka ny kirarony. Nisy ankizy mianadahy nijery anay, ka nilazako ry zareo hoe: “Homeko vola ianareo raha maka ny kiraron’ny vadiko.” Iray minitra dia azo ireo kiraro! Nila nisasa anefa i Edith. Soa ihany fa nijery anay ny renin’izy dahy, ary nampandroso anay tao an-tranony. Nanampy ny vadiko hanasa tongotra izy, ary ireo ankizy kosa nanadio ny kiraron’i Edith. Nisy zava-nitranga nahafinaritra talohan’ny handehananay. Nanontaniako ilay vehivavy raha nahalala lehilahy atao hoe Carlos Mejía. Gagagaga izy sady niteny hoe: “Ie, vadiko i Carlos.” Nianatra Baiboly izy mianakavy taorian’izay, ary natao batisa. Lasa mpisava lalana manokana i Carlos sy ny vadiny ary izy mianadahy, taona maro tatỳ aoriana.
Tia nandray vahiny ireo mpiara-manompo
Tsy mora ny dia nataonay, tamin’izahay nitsidika fiangonana. Nandehananay daholo na bisy, na lamasinina, na kamiao, na lakana, na fiaramanidina kely. Nandeha nitory tany amin’ny tanànan’ny mpanjono teo akaikin’ny sisin-tanin’i Kolombia izahay indray mandeha, niaraka tamin’ny mpiandraikitra ny vondrom-paritra atao hoe John McLenachan sy Dorothy vadiny. Nandeha lakana nisy maotera izahay. Tampotampoka teo dia nisy antsantsa maromaro nitovy habe tamin’ilay lakana nilomano teo akaikinay! Efa za-draharaha ilay olona nitondra anay, nefa natahotra ihany izy
nahita ny haben’ireo antsantsa. Naviliny haingana àry ilay lakana mba hanaraka ny moron-drano.Tsy nanenenanay anefa ny niatrika an’ireny zava-tsarotra ireny. Nanjary nifankahalala tamin’ny rahalahy sy anabavy mahafinaritra sy tia mandray vahiny izahay. Imbetsaka ny fianakaviana nampiantrano anay no tsy nanaiky raha tsy nisakafo intelo isan’andro izahay, nefa ry zareo indray mandeha ihany no nihinana. Tsy nanana afa-tsy fandriana iray koa ny sasany, ka izahay no nasainy natory tamin’ilay izy, fa ry zareo natory tamin’ny tany. Matetika ny vadiko no niteny hoe: “Tsapako amin’ny ataon’ireny ranadahy sy rahavavy ireny hoe zavatra vitsivitsy ihany no tena ilaintsika amin’ny fiainana.”
‘Tsy te ho very tombontsoa izahay’
Nahazo fitahiana hafa indray izahay tamin’ny 1960. Nasaina hanompo teto amin’ny biraon’ny sampana eto Guayaquil izahay. Asa birao no nataoko, fa i Edith kosa nanompo teny amin’ny saha niaraka tamin’ilay fiangonana tsy lavitra teto. Nihevitra aho hoe tsy mety amiko ny miasa birao, ary nahatsiaro tena ho tsy mahay aho. Nampahery ahy anefa ny Hebreo 13:1 hoe: ‘Manome antsika ny zavatra tsara rehetra’ Andriamanitra, ‘mba hanaovantsika ny sitrapony.’ Nasaina hanatrika fiofanana tany amin’ny Betelan’i Brooklyn, any New York, aho, roa taona taorian’izay. Sekolin’i Gileada natao ho an’ny rahalahy izy io, ary naharitra folo volana. Tsy niaraka tamin’ny vadiny ny vehivavy tamin’izany, ka nahazo taratasy avy tany Brooklyn i Edith. Niangaviana izy mba handinika tsara, raha tsy mampaninona azy ny hisaraka amiko folo volana.
Izao no valiny nalefan’i Edith: “Azoko antoka fa tsy ho mora mihitsy izany, kanefa fantatray fa tsy maintsy hanampy anay i Jehovah, na inona na inona olana hitranga. ... Tsy te ho very tombontsoa koa izahay, na handa ny fampiofanana anay. Fantatray mantsy fa hanampy anay izany mba hahay hiantsoroka kokoa ny andraikitray.” Nahazo taratasy isan-kerinandro tamin’ny vadiko aho, tamin’izaho tany Brooklyn.
Niara-nanompo tamin’ny rahalahy sy anabavy tsy mivadika
Niverina tany Quito izahay mivady tamin’ny 1966, satria narary aho. Tany indray izahay no nanao ny asa misionera, ka niara-nanompo tamin’ireo rahalahy sy anabavy. Tena mahafinaritra ny tsy fivadihan’izy ireo!
Nisy anabavy iray, ohatra, nanana vady tsy Vavolombelona ary namono azy matetika izy io. Novonoin’ny vadiny izy io indray andro, ka nisy nampilaza taminay tamin’ny enina maraina. Nihazakazaka nankany an-tranony aho, ary tsy nampino ny zavatra hitako. Teo ambony fandriana ilay anabavy, ary mangana sy nivontovonto ny vatany. Nively azy tamin’ny tahon-kifafa ny vadiny, ary tsy nijanona raha tsy tapaka ilay izy. Hitako tao an-tranony ilay rangahy, tamin’iny andro iny ihany, ary nilazako hoe olona kanosa no manao toa azy. Niala tsiny be izy tamin’izay.
Niverina nanao ny asan’ny faritra izahay, rehefa nihatsara ny fahasalamako taoriana
kelin’ny 1970. Tao anatin’ny faritra notsidihinay ny tanànan’i Ibarra. Rahalahy misionera iray sy rahalahy iray no mba Vavolombelona tao, tamin’izahay nitsidika tany taloha kelin’ny 1960. Nisy fitomboana be anefa tany, ka may erỳ izahay hahita an’ireo olona vaovao.Nanao anjara ny Rahalahy Rodrigo Vaca, tamin’izahay nivory voalohany tao Ibarra. Rehefa nametraka fanontaniana anefa izy, dia tsy nanangan-tanana ny mpanatrika, fa niantsoantso hoe: “Yo, yo!” (“Izaho! Izaho!”). Gagagaga izahay sy Edith sady nifampijery. Nieritreritra aho hoe: ‘Fa inona àry ity?’ Fantatray avy eo fa jamba ny Rahalahy Vaca. Hainy anefa ny namantatra ny feon’ny mpanatrika rehefa niantsoantso izy ireo. Mpiandry mahafantatra ny ondriny tokoa izy! Nampahatsiahy anay an’ireo teny ao amin’ny Jaona 10:3, 4, 14 izany, dia ilay hoe mifankahalala tsara i Jesosy Mpiandry Tena Tsara, sy ny ondriny. Misy fiangonana enina miteny espaniola, sy fiangonana iray miteny quechua, ary fiangonana iray mampiasa tenin’ny tanana izao ao Ibarra. Mbola anti-panahy sady mpisava lalana manokana ny Rahalahy Vaca hatramin’izao, ary tsy mivadika.
Ankasitrahanay ny fitahiana nomen’i Jehovah
Nomen’i Jehovah fitahiana hafa indray izahay tamin’ny 1974. Nantsoina hiverina hiasa teto amin’ny Betela izahay. Nanao asa birao indray aho, ary avy eo notendrena ho anisan’ny Komitin’ny Sampana. I Edith indray niasa tao an-dakozia aloha, ary avy eo tao amin’ny fandefasana taratasy. Ao izy no miasa hatramin’izao.
Faly izahay nandray misionera an-jatony nahavita ny Sekolin’ny Gileada, nandritra ireo taona maro naha teto anay. Manampy an’ireo rahalahy sy anabavy ho matotra sy be zotom-po izy ireny. Mampahery anay koa ireo rahalahy sy anabavy an’arivony, avy amin’ny firenena 30 mahery, tonga manompo eto. Tena mampiaiky ny fahafoizan-tenan’izy ireo! Nisy tamin’izy ireny nivarotra ny tranony sy ny orinasany, mba hahafahany hankatỳ sy hanompo amin’ny faritra mila mpitory bebe kokoa eto. Nividy fiara izy ireny mba hitoriana any amin’ny faritra lavitra. Nanorina fiangonana vaovao koa izy ireo, ary nanampy tamin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana. Maro be koa ireo anabavy mpitovo tonga avy any ivelany, mba hanao ny asan’ny mpisava lalana eto Ekoatera. Mpitory mazoto izy ireo sady tena mahay!
Nandray fitahiana be dia be tokoa aho, nandritra ireo taona maro nanompoako an’Andriamanitra. Ny lehibe indrindra amin’izany, dia ny fifandraisako amin’i Jehovah. Misaotra an’i Jehovah koa aho nomeny an’i Edith ho “mpanampy” ahy. (Gen. 2:18) Tonga ao an-tsaiko ny Ohabolana 18:22, rehefa mieritreritra an’ireo 69 taona nivadianay aho. Voalaza ao hoe: “Izay nahita vady tsara, dia nahazo zava-tsoa.” Tena mahafinaritra ny miaraka amin’i Edith. Nanampy ahy tamin’ny zavatra maro izy. Nanampy ny reniny tamim-pitiavana koa izy. Nandefa taratasy isan-kerinandro ho azy izy, nanomboka tamin’izahay tonga teto, mandra-pahafatin’ny reniny tamin’ny 1990, tamin’izy 97 taona.
Efa 90 taona aho izao, ary 89 taona i Edith. Tena faly izahay nanampy olona 70 eo ho eo hahafantatra an’i Jehovah. Tsy nanenina mihitsy izahay nameno an’ilay taratasy fangatahana hanao Sekolin’i Gileada, 60 taona lasa izay. Nahazo fitahiana maro izahay!
[Sary, pejy 29]
Tao amin’ny Yankee Stadium, any New York, tamin’ny 1958, niaraka tamin’ny misionera niara-nanao Sekolin’i Gileada taminay
[Sary, pejy 31]
Mitsidika fianakaviana Vavolombelona, tamin’izahay nanao ny asan’ny faritra, tamin’ny 1959
[Sary, pejy 32]
Eto amin’ny sampan’i Ekoatera, tamin’ny 2002