Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Araho ny Fitarihan’ilay Mpitarika Lavorary

Araho ny Fitarihan’ilay Mpitarika Lavorary

Araho ny Fitarihan’ilay Mpitarika Lavorary

MATETIKA no diso fanantenana ny olona miantehitra amin’ny mpitondra olombelona. Tsy toy izany kosa anefa ny olona manaraka ny fitarihan’i Kristy. Hoy i Jesosy: “Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra miasa mafy sy mavesatra entana, fa hamelombelona anareo aho. Ento ny ziogako ka mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena aho, dia ho velombelona ianareo.” (Mat. 11:28, 29) Mahazo famelombelomana ny olona manaiky ny fitarihan’i Jesosy. Tena miahy ny olona ambany sy mijaly izy, ka manasa azy ireo hitondra ny ziogany, izay mora entina tokoa. Inona anefa no dikan’ny hoe manaraka ny fitarihan’i Jesosy?

Hoy ny apostoly Petera: “I Kristy aza nijaly ho anareo, ka nanome modely ho anareo mba hanarahanareo akaiky ny diany.” (1 Pet. 2:21) Nahoana no tena mila manaraka ny dian’i Jesosy isika? Aoka hatao hoe tsy maintsy hamakivaky faritra iray misy vanja milevina ny olona maromaro, anisan’izany ianao. Ny iray aminareo ihany anefa no mahita ny fomba hialana amin’ireo vanja milevina. Tsy hanaraka akaiky ny dian’io olona io ve ianareo, na hanaraka ny dian-tongony mihitsy aza? Toy izany koa fa miankina amin’ny fanarahantsika akaiky ny modely navelan’i Jesosy no hahatafavoaka velona antsika amin’ny hoavy. Tafiditra amin’ny hoe manara-dia an’i Jesosy ny mihaino sy mankatò azy ary ny manaraka ny tari-dalan’ireo solontenany eto an-tany.

Aoka ianao hihaino sy hankatò

Hoy i Jesosy teo am-pamaranana ny Toriteniny teo An-tendrombohitra: “Izay rehetra mandre izany teniko izany ka mankatò, dia hoharina amin’ny lehilahy malina izay nanorina ny tranony teo ambony vatolampy. Ary latsaka ny orana ka nisy riaka be, sady nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany. Tsy nirodana anefa ilay trano, satria naorina teo ambony vatolampy.”—Mat. 7:24, 25.

Noharin’i Jesosy tamin’ny lehilahy “malina” ny olona mihaino ny teniny sy mankatò azy. Moa ve ankasitrahantsika sy heverintsika ho sarobidy ny modely navelan’i Kristy, ka ankatoavintsika amin’ny fontsika manontolo ny didiny rehetra? Sa izay didiny hitantsika hoe mora tandremana ihany no ankatoavintsika? Aoka isika hiezaka hanao toa an’i Jesosy, izay nilaza hoe: ‘Manao izay sitrak’Andriamanitra foana aho.’—Jaona 8:29.

Nanaraka ny fitarihan’i Kristy ireo apostoly, ka ohatra tsara ho antsika. Hoy i Petera tamin’i Jesosy: “Izahay efa nahafoy ny zava-drehetra ary nanaraka anao.” (Mar. 10:28) Tena sarobidy tamin’ireo apostoly ny fitarihan’i Jesosy, ka nahafoy ny zava-drehetra izy ireo mba hanarahana ny diany.—Mat. 4:18-22.

Araho ny tari-dalan’ireo solontenan’i Kristy

Misy fomba hafa koa ahafahantsika mampiseho fa manaraka ny fitarihan’i Kristy isika. Niresaka momba izany i Jesosy, taloha kelin’ny nahafatesany. Hoy izy: “Izay mandray ny [olona] irahiko dia mandray ahy.” (Jaona 13:20) Nanendry solontena i Jesosy taorian’ny nananganana azy tamin’ny maty ho any an-danitra. Tsy iza izy ireo fa ireo voahosotra, izay nantsoiny hoe ‘rahalahiny.’ (Mat. 25:40) Ambasadaoro “solon’i Kristy” izy ireo, ary miangavy ny olona mba hihavana amin’Andriamanitra. (2 Kor. 5:18-20) Tafiditra amin’ny hoe manaiky ny fitarihan’i Kristy àry ny fankatoavana an’ireo ‘rahalahiny’ ireo.

Omena torohevitra ara-baiboly amin’ny alalan’ny boky aman-gazety isika. Mila mandini-tena isika hoe moa ve isika mankatò an’ireny torohevitra tonga amin’ny fotoana ilana azy ireny. Mila mianatra ny Soratra Masina sy manatrika an’ireo fivoriana koa isika. Manampy antsika izy ireny hahatsiaro ny tenin’i Kristy. (2 Pet. 3:1, 2) Tena mankasitraka an’ireny sakafo ara-panahy ireny ve isika, ka mandray azy ireny tsy tapaka? Ary ahoana no tokony ho fihetsitsika rehefa mahazo torohevitra miverimberina isika? Manoro hevitra ny Kristianina, ohatra, ny Tenin’Andriamanitra mba hanambady “ao amin’ny Tompo ihany.” (1 Kor. 7:39) Naverimberina tao amin’ny Tilikambo izany, nandritra ny zato taona mahery. Azo antoka fa noho ny fitiavan’ireo rahalahin’i Kristy antsika no mahatonga azy ireo hamoaka lahatsoratra mirakitra torohevitra toy ireny sy torohevitra hafa ara-baiboly. Tsy tian’izy ireo ho simba mantsy ny fifandraisantsika amin’i Jehovah. Asehontsika amin’ny fankatoavana an’ireny fampahatsiahivana ireny fa manaraka ny fitarihan’i Jesosy Kristy, ilay Mpitarika lavorary, isika.

Milaza ny Ohabolana 4:18 hoe: ‘Ny lalan’ny marina dia tahaka ny hazavan’ny maraina izay mihamazava mandra-pitataovovonan’ny andro.’ Tsy mipetra-potsiny i Jesosy fa mitondra fanatsarana hatrany, rehefa mitarika ny fiangonana. Rehefa ahitsin’ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” àry ny fahazoantsika ny zavatra sasany lazain’ny Baiboly, dia tokony horaisintsika tsara izany. Asehontsika amin’izany fa mankatò an’ireo ‘rahalahin’i Kristy’ isika.—Mat. 24:45.

Ankoatra izany, dia tokony hanaraka ny tari-dalan’ireo mpiandraikitra kristianina isika. Hoy ny apostoly Paoly: “Aoka ianareo hankatò sy hanaiky an’ireo mitarika eo aminareo, fa izy ireny miaro anareo hatrany.” (Heb. 13:17) Mety hampahatsiahy antsika, ohatra, ny anti-panahy fa zava-dehibe ny manao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana tsy tapaka. Mety hanome soso-kevitra koa izy ireny mba hanatsarantsika ny fanompoantsika. Eo koa ny mpiandraikitra mpitety faritany, izay mety hanoro hevitra antsika mahakasika ny fomba fiaina kristianina. Manaraka ny fitarihan’i Jesosy isika, raha manaraka an’ireny torohevitra ireny.

Mampalahelo fa tsy ahitana mpitarika mahay eto amin’ity tontolo ity. Isika kosa anefa manana an’i Kristy, mpitarika be fitiavana. Mahazo famelombelomana isika rehefa manaraka ny fitarihany. Aoka àry isika hankatò hatrany an’io Mpitarika antsika io sy ireo olona ampiasainy.

[Sary, pejy 27]

Ankatoavinao ve ny torohevitry ny Soratra Masina hoe aza miray zioga amin’ny tsy mpino?