Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hilamin-tsaina Izay Mitoky Tanteraka Amin’i Jehovah

Hilamin-tsaina Izay Mitoky Tanteraka Amin’i Jehovah

Hilamin-tsaina Izay Mitoky Tanteraka Amin’i Jehovah

“Hihaino i Jehovah rehefa miantso azy aho.”—SAL. 4:3.

1, 2. a) Inona no olana mampidi-doza natrehin’i Davida? b) Ny salamo fahafiry no hodinihintsika?

EFA elaela i Davida tamin’izay no nitondra ny firenen’Israely. Niatrika olana tena nampidi-doza anefa izy. Nanao tetika hanoherana azy i Absaloma zanany. Nanao ny tenany ho mpanjaka izy io, ka voatery nandositra niala tao Jerosalema i Davida. Namadika azy koa ny mpanolo-tsaina iray nitokisany. Nandositra tany amin’ny Tendrombohitra Oliva izy sy ny olona vitsivitsy tsy nivadika taminy. Nandeha tsy nanao kapa izy, sady nitomany teny am-piakarana. Nanozona azy koa i Simey havan’i Saoly Mpanjaka, taorian’izay, ka sady nitora-bato azy no nanipy vovoka taminy.—2 Sam. 15:30, 31; 16:5-14.

2 Tsy zakan’i Davida ve ny alahelony sy ny fahafaham-baraka nahazo azy, ka maty izy vokatr’izany? Tsia, satria nitoky tamin’i Jehovah izy. Mampiharihary izany ny Salamo faha-3, izay nosoratany. Miresaka momba ny nandosirany an’i Absaloma izy ao. Nanoratra ny Salamo faha-4 koa izy. Asongadin’ireo salamo roa ireo fa tena mihaino sy mamaly vavaka Andriamanitra. (Sal. 3:4; 4:3) Manome toky antsika ireo salamo ireo fa tsy mandao ny mpanompony tsy mivadika i Jehovah, na andro na alina. Manampy azy ireo foana izy, ka mahatonga azy ireo hiadan-tsaina sy tsy hanana ahiahy. (Sal. 3:5; 4:8) Hanampy antsika hilamin-tsaina sy hitoky amin’Andriamanitra ny fandinihana an’ireo salamo ireo.

Ahoana no hatao rehefa ‘maro be ny manohitra antsika’?

3. Inona no nahazo an’i Davida, araka ny Salamo 3:1, 2?

3 Hoy ny mpitondra hafatra iray tamin’i Davida: “Efa babon’i Absaloma hanaraka azy ny fon’ny Israelita.” (2 Sam. 15:13) Tsy maintsy nieritreritra i Davida tamin’izay hoe ahoana no nahavitan’i Absaloma nitaona olona maro be toy izany. Nivavaka àry izy hoe: “Jehovah ô, nahoana no be dia be toy izao ny fahavaloko? Nahoana no maro be no mitsangana hanohitra ahy? Izao no lazain’ny olona maro momba ahy: ‘Tsy hahazo famonjena avy amin’Andriamanitra izy.’ ” (Sal. 3:1, 2) Maro ny Israelita nihevitra fa tsy hamonjy an’i Davida amin’i Absaloma sy ny olony i Jehovah.

4, 5. a) Inona no azon’i Davida antoka? b) Inona no ataon’Andriamanitra rehefa ‘mampitraka ny lohan’ny’ olona iray?

4 Tsy natahotra anefa i Davida satria nitoky tanteraka tamin’Andriamanitra. Nihira izy hoe: “Ianao anefa no ampingako, Jehovah ô, ianao no voninahitro, ary ianao no mampitraka ny lohako.” (Sal. 3:3) Azon’i Davida antoka fa hiaro azy i Jehovah, toy ny ampinga afaka miaro ny miaramila. Marina fa nandositra ilay mpanjaka izay efa be taona, ary nisaron-doha sy nitanondrika noho ny fahafaham-baraka. Hanome azy voninahitra anefa ilay Avo Indrindra, izany hoe hanala ny fahafaham-barakany. Hataon’i Jehovah koa izay hampijoro azy sy hampitraka ny lohany indray. Niantso vonjy tamin’Andriamanitra i Davida, satria fantany fa hamaly azy izy. Matoky an’i Jehovah toy izany koa ve ianao?

5 Nino i Davida fa i Jehovah no hanampy azy. Mampiseho izany ilay teniny hoe: “Ianao no mampitraka ny lohako.” Toy izao no andikana ny Salamo 3:3 ao amin’ny Dikan-teny Anglisy Ankehitriny: “Ianao foana anefa TOMPO Ô no ampinga miaro ahy amin’ny loza; omenao fandresena aho ary ampodianao ny herim-poko.” Hoy ny boky iray: ‘Manampy ny olona iray hilamin-tsaina sy hanana fanantenana Andriamanitra, rehefa mampitraka ny lohan’ilay olona.’ Kivy be i Davida, rehefa nesorina an-keriny tsy ho mpanjakan’ny Israely. ‘Nampitraka ny lohany’ anefa Andriamanitra, ka lasa be herim-po sy nilamin-tsaina indray izy, ary natoky azy tanteraka.

Mamaly vavaka i Jehovah

6. Nahoana i Davida no nilaza fa nivaly avy any an-tendrombohitra masin’i Jehovah ny vavaka nataony?

6 Natoky an’i Jehovah i Davida, sady nino fa mamaly vavaka izy. Izany no nahatonga azy hilaza hoe: “Hanandratra ny feoko hiantso an’i Jehovah aho, dia hamaly ahy avy any an-tendrombohiny masina izy.” (Sal. 3:4) Araka ny baiko nomen’i Davida, dia nentina nankany amin’ny Tendrombohitra Ziona ny vata misy ny fifanekena, izay porofon’ny fanatrehan’Andriamanitra. (Vakio ny 2 Samoela 15:23-25.) Marina àry ny nolazain’i Davida hoe nivaly avy any an-tendrombohitra masin’i Jehovah ny vavaka nataony.

7. Nahoana i Davida no tsy natahotra?

7 Natoky i Davida fa hivaly ny vavaka nataony, ka tsy natahotra izy. Nihira toy izao àry izy: “Hitsotsotra aho ka hatory, ary hifoha aho, satria manampy ahy foana i Jehovah.” (Sal. 3:5) Tsy natahotra ny handeha hatory i Davida, na dia amin’ny alina aza no tena atahorana hamely tampoka ny fahavalo. Nahazo antoka koa izy fa hifoha, satria hitany avy tamin’ny zavatra niainany fa nanampy azy foana Andriamanitra. Mahazo matoky koa isika fa hanampy antsika foana Andriamanitra, raha manaraka foana ‘ny lalany’ isika ary tsy mivadika aminy.—Vakio ny 2 Samoela 22:21, 22.

8. Inona no mampiseho fa nitoky tamin’Andriamanitra i Davida, raha jerena ny Salamo 27:1-4?

8 Nisy salamo hafa nosoratan’i Davida mampiseho fa nilamin-tsaina izy sady natoky tanteraka an’Andriamanitra. Izao no nosoratany: “I Jehovah no mpanazava sy mpamonjy ahy, koa iza no hatahorako? I Jehovah no manda miaro ny aiko, koa iza no haharaiki-tahotra ahy? ... Na dia misy tafika manangana toby hamelezana ahy aza, dia tsy mba hatahotra ny foko. ... Zavatra iray monja no angatahiko amin’i Jehovah, eny, izay ihany no hotadiaviko, dia ny honina ao an-tranon’i Jehovah mandritra ny androm-piainako. Amin’izay aho dia hahita ny hatsaran’i Jehovah sy ho finaritra hijery ny tempoliny.” (Sal. 27:1-4) Raha manana fihetseham-po toy izany isika, ary tsy hoe tsy azo anoarana ny zavatra manjo antsika, dia tokony hanatrika fivoriana tsy tapaka isika, miaraka amin’ireo mpiray finoana amintsika.—Heb. 10:23-25.

9, 10. Na dia nilaza ny teny ao amin’ny Salamo 3:6, 7 aza i Davida, nahoana ianao no milaza fa tsy tia mamaly faty izy?

9 Nihira toy izao i Davida, na dia nivadika taminy aza i Absaloma sy ny olona maro hafa: “Tsy hatahorako ny olona an’aliny, izay milahatra manodidina mba hamely ahy. Mitsangàna, Jehovah ô! Vonjeo aho, ry Andriamanitro ô! Asio eo amin’ny valanoranony ny fahavaloko rehetra, ary ataovy tapatapaka ny nifin’ny ratsy fanahy.”Sal. 3:6, 7.

10 Tsy hoe tia mamaly faty i Davida. Tsy nieritreritra ny hamaly faty izy, satria fantany fa i Jehovah no hamaly. Izy no hamely an’ireo fahavalo “eo amin’ny valanoranony.” Nadikan’i Davida tamin’ny boky ny Lalàna, ka fantany ilay tenin’i Jehovah hoe: “Ahy ny famaliana, ary izaho no hamaly.” (Deot. 17:14, 15, 18; 32:35) Andriamanitra koa no ‘hanapatapaka ny nifin’ny ratsy fanahy’, raha izay no tiany. Midika izany hoe hataony izay tsy hananan’izy ireo hery hanisiana ratsy ny hafa. Fantatr’i Jehovah hoe iza no ratsy fanahy, satria “mijery ny fo” izy. (1 Sam. 16:7) Tena mankasitraka an’Andriamanitra koa isika satria omeny finoana sy hery mba hanoherana an’ilay ratsy, dia i Satana. Tsy ho ela i Satana dia hohidiana ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka. Mendrika ny horinganina tokoa io liona mierona nefa banga ridana io!—1 Pet. 5:8, 9; Apok. 20:1, 2, 7-10.

“Avy amin’i Jehovah ny famonjena”

11. Nahoana isika no tokony hivavaka ho an’ireo mpiray finoana amintsika?

11 Fantatr’i Davida fa i Jehovah irery ihany no ho afaka hitondra ny fanafahana, nandrandrainy fatratra. Tsy ny tenany fotsiny anefa no noeritreretiny, fa nieritreritra an’ilay vahoaka ankasitrahan’i Jehovah koa izy. Izao no nosoratany teo am-pamaranana ny Salamo faha-3: “Avy amin’i Jehovah ny famonjena. Mitahy ny olonao ianao.” (Sal. 3:8) Marina fa nanana olana lehibe i Davida. Nahatsiaro ny vahoakan’i Jehovah anefa izy, ary natoky fa hitahy azy ireo i Jehovah. Tsy tokony hahatsiaro an’ireo mpiray finoana amintsika koa ve isika? Tena tsara raha tsy manadino azy ireo isika rehefa mivavaka. Tokony hangataka amin’i Jehovah isika mba hanomezany ny fanahiny masina ho azy ireo, ka hananan’izy ireo herim-po sy fahasahiana rehefa mitory ny vaovao tsara.—Efes. 6:17-20.

12, 13. Inona no nitranga tamin’i Absaloma, ary ahoana no nataon’i Davida?

12 Fahafatesana nanala baraka ny fahafatesan’i Absaloma. Fampitandremana ho an’izay manisy ratsy ny hafa izany, indrindra fa ho an’ireo manisy ratsy ny voahosotr’Andriamanitra, toa an’i Davida. (Vakio ny Ohabolana 3:31-35.) Nisy ady tamin’izay, ary resy ny tafik’i Absaloma. Nandositra nitaingina ramole i Absaloma, kanefa voasaringotry ny sampan-kazo ny volo beny ka nihantona teo izy, ary tsy nahavita na inona na inona. Tonga i Joaba avy eo ka notsatohany tamin’ny lefona kely telo teo amin’ny fon’i Absaloma.—2 Sam. 18:6-17.

13 Faly ve i Davida rehefa nandre hoe maty ny zanany? Tsia. Nivezivezy eran’ny trano izy, sady nitomany no niantsoantso hoe: “Ry Absaloma zanako, ry zanako, ry Absaloma zanako ô! Inay anie aho maty nisolo anao, ry Absaloma zanako, ry zanako ô!” (2 Sam. 18:24-33) Ny tenin’i Joaba ihany no nanampy an’i Davida tsy ho resin’ny alahelo. Ratsy fiafara tokoa i Absaloma. Tafahoatra ny fitiavany fahefana, ka niady tamin’ny rainy, izay voahosotr’i Jehovah, izy. Nitondra loza ho an’ny tenany izany.—2 Sam. 19:1-8; Ohab. 12:21; 24:21, 22.

Nampiseho ny fitokisany tamin’Andriamanitra indray i Davida

14. Inona no azo lazaina momba ny Salamo faha-4?

14 Toy ny Salamo faha-3 ihany ny Salamo faha-4. Vavaka nataon’i Davida tamin-kafanam-po izy io, ary mampiseho ny fitokisany tanteraka tamin’i Jehovah. (Sal. 3:4; 4:3) Nanoratra an’io hira io angamba izy, mba hanehoana ny hafaliany sy ny fankasitrahany an’Andriamanitra, rehefa nandamòka ny fikomian’i Absaloma. Mety ho hira nosoratany ho an’ny Levita mpihira koa anefa izy io. Na ahoana na ahoana, dia manampy antsika hitoky kokoa amin’i Jehovah ny fisaintsainana azy io.

15. Nahoana isika no tsy misalasala mivavaka amin’i Jehovah amin’ny alalan’ny Zanany?

15 Nasehon’i Davida indray fa natoky tanteraka an’Andriamanitra izy sady nino hoe mamaly vavaka Andriamanitra. Nihira izy hoe: “Ry Andriamanitro tia rariny ô, valio aho rehefa miantso anao. Voagejan’ny fahoriana aho, ka omeo fahalalahana. Iantrao aho, ka henoy ny vavaka ataoko.” (Sal. 4:1) Mahazo matoky koa isika fa hamaly ny vavaka ataontsika Andriamanitra, raha manao ny rariny na manao ny marina foana isika. Fantatsika fa ‘Andriamanitra tia rariny’ izy, ka mitahy ny mpanompony izay manao ny marina. Izany no mahatonga antsika tsy hisalasala hivavaka amin’ny alalan’ny Zanany noho ny finoantsika ny sorom-panavotana. (Jaona 3:16, 36) Miadan-tsaina isika vokatr’izany.

16. Inona no mety ho nahakivy an’i Davida?

16 Mety hisy toe-javatra mahakivy, ka hampitebiteby antsika. Mety ho nahatsapa toy izany koa i Davida, ka nihira hoe: “Ry zanak’olombelona, mandra-pahoviana no hanaovanareo tsinontsinona ny voninahitro? Mandra-pahoviana ianareo no ho tia zava-poana sy hamoron-dainga?” (Sal. 4:2) Tsy olona tsara no tiana holazaina amin’ilay hoe “zanak’olombelona” eo. “Tia zava-poana” ireo fahavalon’i Davida ireo. Toy izao no andikan’ny Dikan-teny Vaovao Iraisam-pirenena an’io andininy io: “Mandra-pahoviana ianareo no ho tia hevi-diso sy hitady andriamani-diso?” Mety ho kivy noho ny zavatra ataon’ny hafa koa isika indraindray. Aoka isika hivavaka mafy hatrany rehefa mitranga izany, ary hatoky tanteraka an’ilay tena Andriamanitra.

17. Ahoana no azontsika ampiharana ny Salamo 4:3?

17 Miharihary amin’ireto teny ireto ny fitokisan’i Davida tamin’Andriamanitra: “Koa fantaro fa miavaka ny fomba hitondran’i Jehovah ny olony tsy mivadika. Hihaino i Jehovah rehefa miantso azy aho.” (Sal. 4:3) Mila manana herim-po sy mitoky tanteraka amin’i Jehovah isika, raha tiantsika ny tsy hivadika aminy. Mila an’ireo toetra ireo ny fianakaviana kristianina rehefa misy havana tsy mibebaka ka voaroaka. Tahin’i Jehovah ny olona tsy mivadika aminy sy manaraka ny fitsipiny. Mampisy fifaliana eo anivon’ny vahoakan’i Jehovah isika, raha samy miezaka ny tsy hivadika aminy sy mitoky tanteraka aminy.—Sal. 84:11, 12.

18. Araka ny Salamo 4:4, inona no tokony hataontsika raha nisy olona nanao zavatra nahatezitra antsika?

18 Ahoana raha misy olona manao zavatra mahatezitra antsika? Ho faly foana isika, raha mampihatra ny tenin’i Davida hoe: “Tezera fa aza manota. Tazòny ao am-ponareo ihany ny teninareo, eo am-pandriana. Ary aoka hangina ianareo.” (Sal. 4:4) Aoka isika tsy hamaly faty satria fahotana izany. (Rom. 12:17-19) Afaka milaza izay fihetseham-pontsika isika, rehefa mivavaka irery ao am-pandriana. Mety hiova ny fahitantsika an’ilay olana amin’izay, ka ho voatosika hamela heloka amim-pitiavana isika. (1 Pet. 4:8) Tsara homarihina ny torohevitra nomen’ny apostoly Paoly, izay azo inoana fa avy ao amin’ny Salamo 4:4. Hoy izy: “Tezera fa aza manota. Aza avela ho tratran’ny masoandro milentika ny fahatezeranareo, ary aza omena toerana ny Devoly.”—Efes. 4:26, 27.

19. Ahoana no azontsika ampiharana ny Salamo 4:5 eo amin’ny fanompoana ataontsika?

19 Nohamafisin’i Davida fa ilaina ny mitoky amin’Andriamanitra, ka nihira izy hoe: “Manaova sorona ka atolory amim-pahamarinana izany, ary matokia an’i Jehovah.” (Sal. 4:5) Tsy nisy dikany ny sorona natolotry ny Israelita, raha ratsy ny antony nanosika azy hanao izany. (Isaia 1:11-17) Raha tiantsika hankasitraka ny fanompoantsika àry Andriamanitra, dia tokony ho tsara ny antony manosika antsika hanao izany ary tokony hitoky tanteraka aminy isika.—Vakio ny Ohabolana 3:5, 6; Hebreo 13:15, 16.

20. Inona no soa ho azontsika raha mitoky amin’i Jehovah isika?

20 Hoy ihany i Davida: “Maro no miteny hoe: ‘Iza no hanao izay hahitantsika zava-tsoa?’ Aoka ianao hankasitraka anay, Jehovah ô!” (Sal. 4:6) Nitalaho tamin’i Jehovah i Davida mba hahazo ny fankasitrahany. Hahazo sitraka amin’i Jehovah sy ho faly manao ny sitrapony koa isika, raha mitoky aminy.

21. Inona no ho azontsika antoka raha mandray anjara faran’izay betsaka amin’ilay asa fijinjana atao ankehitriny isika?

21 Lehibe noho ny fifaliana amin’ny fotoam-pijinjana ny fifaliana azo avy amin’Andriamanitra. Naniry mafy hanana an’io fifaliana io i Davida, ka nihira hoe: “Hataonao mahatsapa fifaliana aho ato am-poko, dia fifaliana lehibe kokoa noho ny tamin’ny fotoana naha betsaka ny varimbazahany sy ny divainy vaovao.” (Sal. 4:7) Azo antoka fa ho faly be koa isika raha mandray anjara faran’izay betsaka amin’ilay asa fijinjana, dia ny fitoriana. (Lioka 10:2) Mitarika an’io asa io ireo voahosotra, ary faly isika satria mitombo hatrany ireo mpijinja. Moa ve ianao manao izay fara herinao amin’io asa fijinjana mahafaly io?

Aoka isika hatoky tanteraka an’Andriamanitra foana

22. Araka ny Salamo 4:8, nanao ahoana ny fiainan’ny Israelita rehefa nitandrina ny Lalàn’Andriamanitra izy ireo?

22 Toy izao no namaranan’i Davida ny Salamo faha-4: “Handry sy hatory amim-piadanana aho, fa ianao irery ihany, Jehovah ô, no mahatonga ahy tsy hanana ahiahy.” (Sal. 4:8) Nihavana tamin’i Jehovah ny Israelita sady tsy nanana ahiahy, rehefa nitandrina ny Lalàny. “Nonina tsy amin’ahiahy”, ohatra, ny Joda sy ny Israely nandritra ny fitondran’i Solomona. (1 Mpanj. 4:25) Niadana ireo nitoky tamin’Andriamanitra, na dia niady aza ireo firenena nanodidina. Matory amim-pilaminana toa an’i Davida koa isika, satria ampian’Andriamanitra mba tsy hanana ahiahy.

23. Hanao ahoana isika raha mitoky tanteraka amin’Andriamanitra foana?

23 Aoka àry isika ho tapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah hatrany. Aoka koa isika hivavaka amim-pinoana, ka hahazo “ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra.” (Fil. 4:6, 7) Ho faly isika raha manao izany. Tsy hanahy ny amin’ny hoavy koa isika raha mitoky tanteraka amin’i Jehovah foana.

Ahoana no Havalinao?

• Inona no olana natrehin’i Davida noho i Absaloma?

• Nahoana no lazaina fa manampy antsika hilamin-tsaina ny Salamo faha-3?

• Nahoana no manampy antsika hatoky bebe kokoa an’i Jehovah ny Salamo faha-4?

• Inona no soa ho azontsika rehefa mitoky tanteraka amin’Andriamanitra isika?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 29]

Nitoky tamin’i Jehovah foana i Davida, na dia voatery nandositra an’i Absaloma aza

[Sary, pejy 32]

Mitoky tanteraka amin’i Jehovah ve ianao?