Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Lalina Tokoa ny Fahendren’Andriamanitra!’

‘Lalina Tokoa ny Fahendren’Andriamanitra!’

‘Lalina Tokoa ny Fahendren’Andriamanitra!’

“Lalina tokoa ny harenan’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! Tsy takatry ny saina tokoa ny fitsarany ary tsy hay fantarina ny lalany!” —ROM. 11:33.

1. Inona no tombontsoa lehibe indrindra ho an’ny Kristianina vita batisa?

INONA no tombontsoa lehibe indrindra efa azonao teo amin’ny fiainana? Tonga ao an-tsainao angamba ny tombontsoam-panompoana azonao, na ny valisoa nomena anao tany am-piasana na tany am-pianarana. Inona anefa no tombontsoa lehibe indrindra ho an’ny Kristianina vita batisa? Ny fifandraisana akaiky amin’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra. Vokatr’io fifandraisana io, dia lasa “fantatr’Andriamanitra” isika.—1 Kor. 8:3; Gal. 4:9.

2. Nahoana no tombontsoa lehibe ny hoe mahafantatra an’i Jehovah sady fantany?

2 Nahoana no tombontsoa lehibe tokoa ny hoe mahafantatra an’i Jehovah sady fantany? Satria izy no Avo Indrindra eo amin’izao rehetra izao, ary miaro an’ireo olona tiany izy. Hoy i Nahoma mpaminany: “Tsara i Jehovah, sady fiarovana mafy amin’ny andro fahoriana. Fantany izay mitady fialofana eo aminy.” (Nah. 1:7; Sal. 1:6) Tsy hahazo ny fiainana mandrakizay koa isika raha tsy mahalala an’ilay tena Andriamanitra sy Jesosy Kristy Zanany.—Jaona 17:3.

3. Inona no dikan’ny hoe mahalala an’Andriamanitra?

3 Ny hoe mahalala an’Andriamanitra dia tsy midika fotsiny hoe mahalala ny anarany. Tsy maintsy miezaka ny hahafantatra azy toy ny mahafantatra namana iray isika, izany hoe mahafantatra ny zavatra tiany sy tsy tiany. Mila miaina mifanaraka amin’izany isika avy eo. Raha manao izany isika, dia ho hita fa mahalala azy tokoa. (1 Jaona 2:4) Misy zavatra hafa mila atao koa anefa. Mila mahafantatra ny zavatra nataony isika, nefa koa mila mahalala ny fomba nanaovany an’ilay izy sy ny antony nanaovany an’ilay izy. Mila mahalala ny fikasany koa isika. Rehefa mazava tsara amintsika ny fikasany, dia ho talanjona isika noho ny ‘halalin’ny fahendren’Andriamanitra.’—Rom. 11:33.

Andriamanitra manana fikasana

4, 5. a) Inona no dikan’ilay teny ao amin’ny Baiboly hoe “fikasana”? b) Hazavao amin’ny alalan’ny ohatra fa misy fomba maro ahafahana manatanteraka fikasana iray.

4 Andriamanitra manana fikasana i Jehovah. Milaza ny Baiboly fa manana “fikasana mandrakizay” izy. (Efes. 3:10, 11) Ao amin’ny Baiboly, ny teny hoe “fikasana” dia manondro tanjona na zava-kendrena voafaritra tsara, izay azo tanterahina amin’ny fomba maro.

5 Intỳ misy ohatra manazava izany: Mety haniry ho any amin’ny toerana iray ny olona iray. Ny ho tonga any amin’io toerana io no tanjony na fikasany. Mety hanana safidy maromaro anefa izy mahakasika ny fitaterana handehanany sy ny lalana hofidiny. Rehefa mandeha eo amin’ny lalana nofidiny indray izy, dia mety ho tratran’ny andro ratsy, na ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Mety hikatona koa ny lalana ka tsy maintsy mijery lalana hafa izy. Tonga any amin’ilay toerana ihany anefa izy amin’ny farany, izany hoe tratrany ny tanjony, na dia nisy fanovana tsy maintsy nataony aza teny an-dalana.

6. Inona no mampiseho fa nanao fanovana i Jehovah mba hanatanterahana ny fikasany?

6 Nanova ny lalany koa i Jehovah arakaraka ny zava-nisy. Nisy fanovana lehibe maro tsy maintsy nataony mba hanatanterahany an’ilay ‘fikasany mandrakizay’ momba ny tany sy ny olombelona. Fantany fa manana safidy malalaka ny zavaboariny manan-tsaina, ka vonona ny hanova ny fomba hanatanterahany ny fikasany izy, arakaraka izay ataon’izy ireo. Nilaza tamin’i Adama sy Eva, ohatra, i Jehovah hoe: “Manàna taranaka, ary mihabetsaha ka mamenoa ny tany. Anjakao ny tany.” (Gen. 1:28) Nandamòka ve io fikasan’Andriamanitra io, noho ilay fikomiana tao Edena? Tsy izany velively! Nanao zavatra haingana izy hiatrehana an’ilay zava-nitranga vaovao, ka nifidy “lalana” hafa, izany hoe fomba hafa, hanatanterahana ny fikasany. Nampanantena izy fa hisy ‘taranaka’ hanafoana ny voka-dratsin’ilay fikomiana.—Gen. 3:15; Heb. 2:14-17; 1 Jaona 3:8.

7. Inona no ianarantsika momba an’i Jehovah avy amin’ny Eksodosy 3:14?

7 Rehefa misy zava-baovao miseho eo am-panatanterahan’i Jehovah ny fikasany, dia hainy foana ny miatrika an’ilay izy. Mampiseho izany ny teny nolazainy, rehefa nisalasala ny hanao ny asa nanirahany azy i Mosesy. Hoy izy: “Hoporofoiko fa izaho ilay mahavita izay iriko.” Hoy koa izy tamin’i Mosesy: “Izao no holazainao amin’ny zanak’Israely: ‘Ilay hoporofoiko no naniraka ahy ho atỳ aminareo.’ ” (Eks. 3:14) Afaka ny ho tonga izay rehetra ilaina tokoa i Jehovah, mba hanatanterahana an-tsakany sy an-davany ny fikasany. Misy ohatra momba izany ao amin’ny Romanina toko faha-11, izay nosoratan’ny apostoly Paoly. Miresaka momba ny hazo oliva an’ohatra iray izy ao. Andeha isika handinika an’io fanoharana io. Hahatonga antsika hankasitraka kokoa ny halalin’ny fahendren’i Jehovah izany, na manantena ny ho any an-danitra isika na manantena hiaina mandrakizay eto an-tany.

Fikasan’i Jehovah momba ilay Taranaka nampanantenaina

8, 9. a) Inona no zavatra efatra mila tadidintsika mba hahatakarantsika ilay fanoharana momba ny hazo oliva? b) Inona no fanontaniana hodinihintsika izao, ary inona no ho hitantsika rehefa mandinika azy io?

8 Mba hahatakarantsika an’ilay fanoharana momba ny hazo oliva, dia misy zavatra efatra mila tadidintsika ireto, mahakasika ny fomba nanatanterahan’i Jehovah ny fikasany momba ny taranaka nampanantenaina. Voalohany, nampanantena an’i Abrahama toy izao i Jehovah: ‘Hanao izay hahazoana fitahiana amin’ny alalan’ny taranakao ny firenena rehetra eny ambonin’ny tany.’ (Gen. 22:17, 18) Faharoa, nambara tamin’ny firenen’Israely, izay taranak’i Abrahama, fa avy amin’izy ireo no hananganana “fanjaka-mpisorona.” (Eks. 19:5, 6) Fahatelo, nanda ny Mesia ny ankamaroan’ny Israelita, ka nifidy fomba hafa i Jehovah mba hananganana ilay “fanjaka-mpisorona.” Tsy ny firenen’izy ireo intsony no nantsoin’i Jehovah hoe taranak’i Abrahama, nanomboka teo. (Mat. 21:43; Rom. 9:27-29) Fahefatra, misy olon-kafa nomena tombontsoa ho anisan’ilay taranak’i Abrahama, na dia i Jesosy aza no lehibe indrindra amin’io taranaka io.—Gal. 3:16, 29.

9 Azontsika àry izay lazain’ny bokin’ny Apokalypsy hoe hisy olona 144 000 hiara-manjaka amin’i Jesosy sy ho mpisorona any an-danitra. (Apok. 14:1-4) Antsoina hoe “zanak’Israely” izy ireo. (Apok. 7:4-8) Midika ve izany hoe Israelita ara-nofo, na Jiosy, avokoa izy ireo? Handinika ny taratasin’i Paoly ho an’ny Romanina isika, mba hahitana ny valin’io fanontaniana io. Ho hitantsika fa manao fanovana, arakaraka ny zava-misy, i Jehovah mba hanatanterahana ny fikasany.

“Fanjaka-mpisorona”

10. Inona no fanantenana nananan’ny firenen’Israely?

10 Hitantsika teo fa ny firenen’Israely ihany no voalaza fa hakana olona “ho fanjaka-mpisorona sy ho firenena masina.” (Vakio ny Romanina 9:4, 5.) Inona anefa no nitranga rehefa tonga i Jesosy, ilay lehibe indrindra amin’ilay Taranaka nampanantenaina? Nisy Jiosy 144 000 ve nahafeno fepetra ho anisan’ny Israely ara-panahy, ka lasa anisan’ilay taranak’i Abrahama?

11, 12. a) Oviana no nanomboka nofidina ireo olona ho anisan’ny Fanjakana any an-danitra, ary nanao ahoana ny fihetsiky ny ankamaroan’ny Jiosy niaina tamin’izany? b) Inona no nataon’i Jehovah mba ‘hamenoana’ ny isan’ireo ho anisan’ny taranak’i Abrahama?

11 Vakio ny Romanina 11:7-10. Tsy nanaiky an’i Jesosy ho Mesia ny firenena jiosy, tamin’ny taonjato voalohany. Tsy ny firenen’izy ireo irery intsony àry no nakana olona ho anisan’ny taranak’i Abrahama. Nisy tso-po ihany anefa ny Jiosy, rehefa nanomboka nofidina ireo ho anisan’ny “fanjaka-mpisorona” any an-danitra, tamin’ny Pentekosta taona 33. Nanaiky an’ilay fanendrena izy ireo. An’arivony monja izy ireo, ka toy ny hoe ny “sisa tavela” tamin’ny firenena jiosy manontolo.—Rom. 11:5.

12 Inona anefa no nataon’i Jehovah mba ‘hamenoana’ ny isan’ireo ho anisan’ny taranak’i Abrahama? (Rom. 11:12, 25) Mariho izay nolazain’i Paoly: ‘Tsy toy ny hoe foana ny tenin’Andriamanitra. Fa tsy izay rehetra avy amin’ny Israely no tena “Israely.” Ary tsy hoe zanaka [anisan’ny taranak’i Abrahama] avokoa izy ireo na dia taranak’i Abrahama [ara-nofo] aza. Izany hoe, tsy ny zanaka ao amin’ny nofo no tena zanak’Andriamanitra, fa ny zanaky ny fampanantenana no heverina ho taranaka.’ (Rom. 9:6-8) Novan’i Jehovah àry ny fomba nanatanterahany ny fikasany. Tsy nitaky izy hoe tsy maintsy taranak’i Abrahama ara-nofo ireo ho anisan’ilay taranaka.

Ilay hazo oliva an’ohatra

13. Manondro inona a) ilay hazo oliva, b) ny fakany, d) ny vatany, ary e) ny sampany?

13 Noharin’i Paoly tamin’ny sampana hazo oliva ireo ho anisan’ny taranak’i Abrahama. * (Rom. 11:21) Sary mampiseho ny fomba anatanterahan’i Jehovah ny fikasany ilay hazo oliva, dia ilay fikasany mifandray amin’ny fifanekena nataony tamin’i Abrahama. Masina ny fakan’ilay hazo. Manondro an’i Jehovah io faka io, satria izy no nampisy ny Israely ara-panahy. (Isaia 10:20; Rom. 11:16) Manondro an’i Jesosy ny vatan’ilay hazo satria izy no lehibe indrindra amin’ilay taranak’i Abrahama. Mifanitsy amin’ireo olon-kafa anisan’ilay taranaka kosa ny sampan’ilay hazo.

14, 15. Iza ireo sampana “notapahina” tamin’ilay hazo oliva nambolena, ary iza ireo natao grefy teo amin’ilay hazo?

14 Ao amin’ilay fanoharana momba ny hazo oliva, dia oharina amin’ireo sampana “notapahina”, ny Jiosy nanda an’i Jesosy. (Rom. 11:17) Tsy nekena ho anisan’ny taranak’i Abrahama àry izy ireo. Iza no hasolo azy ireo? Tsy ho nieritreritra mihitsy aloha ny Jiosy hoe hosoloana olona hafa firenena izy. Taranak’i Abrahama ara-nofo mantsy izy ireo, ary nireharehany mihitsy izany. Efa nampitandrina azy ireo anefa i Jaona Mpanao Batisa fa vitan’i Jehovah ny manova ny vato ho lasa zanak’i Abrahama, raha tiany izany.—Lioka 3:8.

15 Inona àry no nataon’i Jehovah mba hanatanterahana ny fikasany? Nohazavain’i Paoly fa nalaina ny sampan-kazo avy tamin’ny hazo olivadia iray ary natao grefy teo amin’ilay hazo oliva nambolena, mba hanoloana an’ireo sampany notapahina. (Vakio ny Romanina 11:17, 18.) Toy ny hoe natao grefy teo amin’ilay hazo oliva nambolena àry ireo Kristianina voahosotra hafa firenena, anisan’izany ireo teo anivon’ny fiangonana tany Roma. Lasa anisan’ny taranak’i Abrahama izy ireo, vokatr’izany. Toy ny sampan-kazo tamin’ny olivadia izy ireo tamin’ny voalohany, satria tsy tafiditra tamin’ilay fifanekena natao tamin’i Abrahama. Nosokafan’i Jehovah anefa ny lalana ahafahan’izy ireo ho tonga Jiosy ara-panahy.—Rom. 2:28, 29.

16. Ahoana no nanazavan’ny apostoly Petera ny nananganana an’ilay firenena ara-panahy vaovao?

16 Nanazava toy izao ny apostoly Petera: ‘Aminareo [Israelita ara-panahy, anisan’izany ireo hafa firenena] no sarobidy izy [Jesosy Kristy], satria mpino ianareo. Fa amin’ny tsy mpino kosa, dia “ny vato nolavin’ny mpanao trano ihany no tonga vato fehizoro”, sy nanjary “vato mahatafintohina sy vatolampy mahalavo.” Ianareo kosa dia “firazanana voafidy, sady mpisorona no mpanjaka, firenena masina, olona nataon’Andriamanitra ho fananany manokana, mba hanambaranareo hatraiza hatraiza ny hatsaran-toetran’ilay” niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga. Tsy firenena ianareo taloha, fa firenen’Andriamanitra kosa ankehitriny. Tsy namindrana fo ianareo, fa amindrana fo kosa ankehitriny.’—1 Pet. 2:7-10.

17. Nahoana no azo lazaina hoe nanao zavatra ‘tsy fanao’ mahazatra i Jehovah?

17 Nanao zavatra tena tsy nampoizin’ny olona maro i Jehovah. Nilaza i Paoly fa ‘tsy fanao’ mahazatra ilay zavatra nataon’i Jehovah. (Rom. 11:24) Nahoana? Toa tsy fanao mahazatra ny maka sampan-kazo amin’ny hazodia ary manao grefy an’izany eo amin’ny hazo nambolena. Na izany aza, dia nisy tantsaha nanao toy izany ihany tamin’ny taonjato voalohany. * Azo lazaina hoe nanao zavatra tsy mahazatra àry i Jehovah. Naka olona hafa firenena mantsy izy, ka nampiditra azy ireo ho anisan’ny “firenena” mamokatra voa mendrika an’ilay Fanjakana. (Mat. 21:43) Nanao izany izy, na dia nihevitra aza ny Jiosy hoe tsy mahavita mamokatra voa tsara ny olona hafa firenena. I Kornelio no voalohany lasa Kristianina voahosotra, teo amin’ireo olona hafa firenena tsy voafora. Tamin’ny taona 36 izany no nitranga. * Azo natao grefy teo amin’ilay hazo oliva an’ohatra ny olona hafa firenena tsy voafora, nanomboka teo.—Asa. 10:44-48.

18. Inona no mbola azon’ny Jiosy natao, taorian’ny taona 36?

18 Midika ve izany fa tsy afaka ny hiditra ho anisan’ilay taranak’i Abrahama intsony ny Jiosy, taorian’ny taona 36? Tsia. Hoy i Paoly: “Hatao grefy koa [ny Jiosy] raha miala amin’ny tsy finoany, fa hain’Andriamanitra ny manao grefy azy indray. Notapahina tamin’ny olivadia ianao ka natao grefy tamin’ilay oliva nambolena, na dia tsy izany aza no fanao. Koa raha ianao aza natao toy izany, mainka fa [ny Jiosy] izay tena sampany no hatao grefy amin’ilay oliva nisy azy!” *Rom. 11:23, 24.

‘Hovonjena ny Israely rehetra’

19, 20. Inona no hotanterahin’i Jehovah, ka misy ifandraisany amin’ilay fanoharana momba ny hazo oliva?

19 Mahatalanjona tokoa ny fomba anatanterahan’i Jehovah ny fikasany mahakasika ny “Israelin’Andriamanitra.” (Gal. 6:16) Nilaza i Paoly hoe: ‘Hovonjena ny Israely rehetra.’ (Rom. 11:26) Amin’ny fotoana voatondron’i Jehovah, dia ho lasa mpanjaka sy mpisorona any an-danitra ny “Israely rehetra”, izany hoe ny Israelita ara-panahy rehetra. Tsy hisy hahasakana izany fikasan’i Jehovah izany!

20 Efa nambara mialoha fa handrotsaka fitahiana ho an’ny “firenena rehetra” ny taranak’i Abrahama, izany hoe i Jesosy Kristy sy ireo 144 000. (Gen. 22:18) Handray soa amin’izany ny vahoakan’Andriamanitra rehetra. Tena talanjona isika rehefa misaintsaina ny fomba anatanterahan’i Jehovah ny fikasany mandrakizay. “Lalina tokoa ny harenan’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany!”—Rom. 11:33.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 13 Tsy manondro ny firenen’Israely io hazo io. Marina fa nisy mpanjaka sy mpisorona teo amin’ilay firenena. Tsy lasa fanjaka-mpisorona anefa ilay firenena, satria noraran’ny lalàna tsy hanao ny asan’ny mpisorona ny mpanjaka israelita. Nasehon’i Paoly tamin’ilay fanoharana kosa fa amin’ny alalan’ny Israely ara-panahy no hanatanterahan’Andriamanitra ny fikasany hanangana “fanjaka-mpisorona.” Ity fanazavana vaovao ity dia manitsy ny fanazavana nomena tao amin’ny Tilikambo 15 Febroary 1984, pejy 14-18.

^ feh. 17 Nifarana tamin’io taona io ny telo taona sy tapany natokana hidiran’ny Jiosy ho anisan’ilay firenena ara-panahy vaovao. Efa voalazan’ny faminaniana izany, dia ilay faminaniana momba ny 70 herinandron-taona.—Dan. 9:27.

^ feh. 18 Inona no tena hevitr’ilay teny hoe “nambolena”, eo amin’ilay hoe “oliva nambolena”? Midika hoe “tsara, faran’izay tsara” na “araka ny ilana azy” ilay tovona amin’ny teny grika nadika hoe “nambolena” ao amin’ny Romanina 11:24. Ampiasaina io teny io mba hilazana zavatra iray mahatanteraka izay nikasana azy.

Tadidinao Ve?

• Inona no hitantsika momba an’i Jehovah, rehefa mandinika ny fomba anatanterahany ny fikasany isika?

• Ao amin’ny Romanina toko faha-11, manondro inona...

ilay hazo oliva?

ny fakany?

ny vatany?

ny sampany?

• Nahoana i Jehovah no lazaina fa nanao zavatra ‘tsy fanao’ mahazatra?

[Fanontaniana]

[Efajoro/Sary, pejy 24]

 Nahoana ny Olivadia no Atao Grefy eo Amin’ny Oliva Nambolena?

▪ Miaramila romanina sady tantsaha tamin’ny taonjato voalohany i Lucius Columella. Nanoratra boky 12 momba ny fambolena sy ny fiainana eny ambanivohitra izy. Izany no tena ahalalana azy.

Ahitana an’ity ohabolana ity, ao amin’ny boky fahadimy nosoratany: “Izay miasa ny tanin’oliva dia toy ny hoe mangataka amin’ny hazo oliva mba hamoa; izay manisy zezika ny hazo oliva dia toy ny hoe mitalaho aminy mba hamoa; izay manapaka ny sampany kosa dia toy ny hoe manery azy hamoa.”

Izao no torohevitra nomeny momba ireo hazo oliva mandrobona nefa tsy mamoa: “Tsara raha loahana ilay hazo. Aorian’izay, dia makà sampan’olivadia mbola tanora, ary atsatohy hiraikitra mafy eo amin’ilay lavaka. Hamokatra kokoa ilay hazo vokatr’izany, satria nampivadina tamina zana-kazo mamokatra.”

[Sary, pejy 23]

Takatrao ve ny hevitr’ilay fanoharana momba ny hazo oliva?