Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Mpiandraikitra Tsara Fanahy sy Namana Mahafinaritra”

“Mpiandraikitra Tsara Fanahy sy Namana Mahafinaritra”

“Mpiandraikitra Tsara Fanahy sy Namana Mahafinaritra”

NAHAVITA ny fanompoany teto an-tany teo amin’ny faha-97 taonany i John (Jack) Barr, tamin’ny asabotsy 4 Desambra 2010 maraina. Anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy. “Mpiandraikitra tsara fanahy sy namana mahafinaritra” no nahalalan’ny olona azy.

Teraka tany Aberdeen, any Ekosy, ny Rahalahy Barr. Telo mianadahy izy ireo, ary izy no farany. Samy voahosotra ny ray aman-dreniny. Mihetsi-po erỳ ny Rahalahy Barr matetika rehefa mitantara momba ny fianakaviany. Tena mankasitraka ny ohatra tsara navelan’ny dadany sy ny mamany izy.

Lasa tsy sahy niresaka tamin’ny olona tsy fantany ny Rahalahy Barr rehefa nihalehibe. Niady mafy tamin’izany anefa izy mba ho lasa mpitory. Nilaza tamin’ny dadany àry izy indray alahady tolakandro hoe vonona hitory isan-trano hiaraka aminy. Taona 1927 tamin’izay, ary 14 taona izy. Nazoto nitory ny vaovao tsara izy nanomboka tamin’izay ka mandra-pahafatiny.

Nieritreritra lalina momba ny antony namoronana ny olombelona izy, taoriana kelin’izay, satria saika maty tamin’ny loza lehibe iray ny reniny. Nanokan-tena ho an’i Jehovah izy taorian’izay, tamin’ny 1929, saingy tamin’ny 1934 vao afaka natao batisa. Lasa anisan’ny fianakavian’ny Betela tany Londres, any Angletera, izy tamin’ny 1939. Tamin’izay izy no nanomboka ny fanompoany manontolo andro, izay naharitra 71 taona.

Nanambady an’i Mildred Willet izy ny 29 Oktobra 1960. Nilaza izy fa tena sarobidy taminy io vadiny io. Mpisava lalana be zotom-po i Mildred, ary avy eo lasa misionera. Mpivady mifankatia be sy fakan-tahaka no nahalalana an’i John sy Mildred Barr. Niara-namaky Baiboly isan’andro izy mivady, hatramin’ny fotoana nivadian’izy ireo. Nahavita ny fanompoany teto an-tany tamin’ny Oktobra 2004 i Mildred, izay anisan’ny voahosotra.

Raha vao mandre hoe Jack Barr ny olona mahafantatra azy, dia lehilahy manome torohevitra voahevitra tsara no tonga ao an-tsain’izy ireo. Tsara fanahy sy nahay nandanjalanja izy rehefa nanome torohevitra, ary niorina tamin’ny Soratra Masina foana ny toroheviny. Mpiasa mazoto koa izy, mpiandraikitra be fiahiana sy be fitiavana, ary namana tsy mivadika. Hita tamin’izay nolazainy sy tamin’ny lahateniny ary ny vavaka nataony, fa tena tia ny fahamarinana izy ary nifandray akaiky tamin’i Jehovah.

Malahelo an’io rahalahy malalantsika io tokoa isika, nefa miara-mifaly aminy koa noho izy lasa tsy mety maty. Niandrandra mafy an’izany tombontsoa izany izy, ary niresaka momba azy io matetika. Tena sarobidy taminy io fanantenana io.—1 Kor. 15:53, 54. *

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Ao amin’ny Tilikambo 1 Oktobra 1987, pejy 26-31, ny tantaram-piainan’i John Barr.