Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ry Fianakaviana, Aoka Ianareo “Hifoha Hatrany”

Ry Fianakaviana, Aoka Ianareo “Hifoha Hatrany”

Ry Fianakaviana, Aoka Ianareo “Hifoha Hatrany”

‘Aoka isika hifoha hatrany sy hisaina tsara foana.’—1 TES. 5:6.

1, 2. Inona no hanampy ny fianakaviana “hifoha hatrany”?

NIRESAKA momba ny “andron’i Jehovah, dia ilay andro lehibe sady mampahatahotra” ny apostoly Paoly, rehefa nanoratra ho an’ny Kristianina tany Tesalonika. Hoy izy: ‘Tsy ao amin’ny maizina ianareo, ry rahalahy, ka hoe hahatratra anareo tampoka toy ny mpangalatra izany andro izany. Fa zanaky ny mazava sy zanaky ny andro avokoa ianareo. Tsy an’ny alina isika sady tsy an’ny haizina.’ Hoy koa i Paoly: “Aoka àry isika tsy hatory toy ny hafa, fa aoka kosa hifoha hatrany sy hisaina tsara foana.”—Joela 2:31; 1 Tes. 5:4-6.

2 Tena mila an’io torohevitra io ny Kristianina amin’izao “fotoanan’ny farany” izao. (Dan. 12:4) Kely sisa dia horavana ity tontolo ratsy ity, ka manao izay ho afany i Satana mba hitaomana olona faran’izay betsaka hivadika amin’i Jehovah. Hendry àry isika raha manaraka ny tenin’i Paoly, ka ‘mifoha hatrany.’ Tokony hanao ny andraikiny voalaza ao amin’ny Baiboly ny mpianakavy tsirairay, mba hahatonga ny fianakaviany “hifoha hatrany.” Handinika izany andraikitra izany isika izao.

Ry lehilahy, manahafa an’ilay “mpiandry tena tsara”

3. Inona no andraikitry ny loham-pianakaviana, araka ny 1 Timoty 5:8?

3 Hoy ny Baiboly: “Ny lehilahy no lohan’ny vehivavy.” (1 Kor. 11:3) Inona àry no andraikitry ny loham-pianakaviana? Hoy ny 1 Timoty 5:8: “Raha misy tsy manome izay ilain’ny olona tokony ho adidiny, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nanda ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino.” Tokony hamelona ny fianakaviany àry ny lehilahy. Tsy ampy anefa izany, raha tiany ny hanampy azy ireo “hifoha hatrany.” Mila manamafy orina ny tokantranony koa izy, izany hoe manampy ny mpianakaviny rehetra mba hifandray kokoa amin’Andriamanitra. (Ohab. 24:3, 4) Ahoana no hanaovany an’izany?

4. Inona no tokony hataon’ny lehilahy, mba hahafahany manampy ny ankohonany hifandray kokoa amin’Andriamanitra?

4 “Ny lehilahy no lohan’ny vadiny, toa an’i Kristy izay lohan’ny fiangonana.” (Efes. 5:23) Mila mandinika ny fomba nitondran’i Jesosy ny fiangonana àry ny lehilahy manambady, ary manahaka azy. Mariho izay nolazain’i Jesosy momba ny fifandraisany amin’ny mpanara-dia azy, ao amin’ny Jaona 10:14, 15. (Vakio.) Raha dinihina io andinin-teny io, ahoana no ahafahanareo lehilahy hanampy ny ankohonanareo mba hifandray kokoa amin’Andriamanitra? Antsoina hoe “mpiandry tena tsara” i Jesosy ao amin’io andininy io. Ilainareo àry ny mandinika izay nolazainy sy izay nataony ary ‘manaraka akaiky ny diany.’—1 Pet. 2:21.

5. Nahoana no lazaina fa mahafantatra tsara ny fiangonana ilay Mpiandry Tena Tsara?

5 Mifandray tsara ny mpiandry ondry sy ny ondriny, noho izy ireo mifankahalala sy mifampatoky. Fantatry ny mpiandry ondry izay rehetra momba ny ondriny. Mahafantatra azy koa anefa ny ondriny sady matoky azy. Fantatr’izy ireo ny feony, ary mankatò azy izy ireo. Hoy i Jesosy: “Fantatro ny ondriko, ary ny ondriko koa mahalala ahy.” Tsy hoe mahafantapantatra ny fiangonana fotsiny ilay Mpiandry Tena Tsara, fa mahafantatra ny ondriny tsirairay mihitsy. Ilay teny grika nadika hoe ‘mahafantatra’ eo, dia midika hoe “mahafantatra ny tsirairay amin’ny an-tsipiriany.” Fantany izay ilain’ny tsirairay amin’izy ireo, sy ny fahalemeny, ary ny toetra tsarany. Tsy misy na inona na inona tsy voamariny momba ny ondriny. Mahalala tsara ny mpiandry azy koa ireo ondry, sady matoky ny tari-dalany.

6. Ahoana no anahafan’ny lehilahy an’ilay Mpiandry Tena Tsara?

6 Mila mihevitra ny tenany ho toy ny mpiandry ondry ny lehilahy manambady, ary mihevitra ny ankohonany ho toy ny ondriny, raha tiany ny hanahaka an’i Kristy. Mila miezaka hahafantatra tsara ny vady aman-janany izy. Tena ho vitany ve izany? Ho vitany izany, raha mifampiresaka tsara amin’ny mpianakaviny rehetra izy, mihaino azy ireo rehefa milaza izay manahiran-tsaina azy izy ireo, ary mitarika azy ireo hanao zavatra miaraka. Mila mieritreritra ny mpianakaviny tsirairay koa izy, alohan’ny handraisany fanapahan-kevitra momba ny fotoam-pivavahan’ny fianakaviana, ny fanatrehana fivoriana, ny fanompoana eny amin’ny saha, ary ny fialam-boly. Tokony hampifanarahany amin’izay zavatra ianarany ao amin’ny Baiboly sy izay zavatra fantany momba ny vady aman-janany ny fomba itondrany azy ireo. Azo inoana kokoa amin’izay hoe hatoky ny tari-dalany ny fianakaviany, ary izy koa ho faly satria ho tafaray foana ao amin’ny fivavahana marina izy mianakavy.

7, 8. Inona no azon’ny lehilahy atao mba hanehoana fitiavana amin’ny ankohonany?

7 Tia an’ireo ondriny koa ny mpiandry tsara. Manohina ny fontsika ny mahita ao amin’ny Filazantsara fa nampiseho fitiavana tamin’ny mpianany i Jesosy. ‘Nahafoy ny ainy ho an’ny ondry’ mihitsy aza izy. Tokony hanahaka an’i Jesosy ny lehilahy, ka haneho fitiavana amin’ny ankohonany. Tsy masiaka na manjakazaka amin’ny vadiny ny lehilahy te hahazo sitraka amin’Andriamanitra. Maneho fitiavana amin’ny vadiny foana kosa izy, “tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana.” (Efes. 5:25) Tokony hanao teny voahevitra tsara sy feno hatsaram-panahy amin’ny vadiny izy, satria mendrika homem-boninahitra ny vady.—1 Pet. 3:7.

8 Mila maneho fitiavana amin’ny zanany koa ny loham-pianakaviana. Marina fa tokony ho hentitra izy amin’ny fampiharana ny toro lalan’Andriamanitra, ary mila manitsy ny zanany izy indraindray. Tokony hanitsy azy ireo amim-pitiavana anefa izy. Ankoatra izany, dia mila manam-paharetana kokoa izy amin’ny zanany sasany, satria elaela ny ankizy sasany vao mahazo hoe inona no tian’ny ray aman-dreny hataony. Tsy manana ahiahy ny mpianakavy, rehefa manahaka foana an’i Jesosy ny lehilahy. Hahazo fiarovana ara-panahy toy ilay noresahin’ny mpanao salamo ny ankohonany.—Vakio ny Salamo 23:1-6.

9. Inona no andraikitry ny lehilahy kristianina, ka itovizany amin’i Noa? Inona no hanampy azy ireo hanatontosa izany andraikitra izany?

9 Ohatra tsara koa i Noa, izay niaina tamin’ny andro faran’ilay tontolo nisy azy. Niaro azy valo mianaka i Jehovah, rehefa “nahatonga safodrano teo amin’ny tontolon’ny olona tsy natahotra an’Andriamanitra.” (2 Pet. 2:5) Nanana andraikitra hanampy ny fianakaviany i Noa, mba hahatonga azy ireo ho tafavoaka velona. Izany koa no andraikitry ny loham-pianakaviana kristianina amin’izao andro farany izao. (Mat. 24:37) Ho afaka hanampy ny fianakaviany ny lehilahy, raha mandinika ny ohatra navelan’ilay “mpiandry tena tsara” ary miezaka manahaka azy.

Ry vehivavy, miezaha ‘manamafy orina ny ankohonanareo’

10. Inona no hataon’ny vehivavy, raha manaiky ny vadiny izy?

10 Hoy ny apostoly Paoly: “Aoka ny vehivavy hanaiky ny vadiny, toy ny anekeny ny Tompo.” (Efes. 5:22) Tsy midika izany hoe ambany ny vehivavy. Nilaza toy izao Andriamanitra, talohan’ny namoronany an’i Eva: “Tsy tsara raha irery foana ralehilahy. Hanao mpanampy ho azy aho, ho famenony.” (Gen. 2:18) Manana toerana mendri-kaja àry ny vehivavy. Natao ho “mpanampy” sy ‘fameno’ ho an’ny vadiny ny vehivavy, izany hoe hanampy ny vadiny hiantsoroka ny andraikiny eo anivon’ny fianakaviana.

11. Ahoana no ataon’ny vehivavy fakan-tahaka, mba hahafahany ‘manamafy orina ny ankohonany’?

11 Manao izay hahasoa ny ankohonany ny vehivavy hendry sy fakan-tahaka. (Vakio ny Ohabolana 14:1.) Manaja fatratra ny fahefan’ny vadiny izy, fa tsy toy ny vehivavy adala izay manao tsinontsinona ny fahefan’ny vadiny. Manaiky ny vadiny izy, fa tsy manahaka an’ity tontolo ity, izay tsy tia mankatò sady manao izay saim-pantany fotsiny. (Efes. 2:2) Tsy mba misalasala manaratsy ny vadiny ny vehivavy adala, fa ny vehivavy hendry kosa miezaka mba hahatonga ny zanany sy ny olon-kafa hanaja kokoa ny vadiny. Tsy manakiana lava ny vadiny izy, na mifamaly aminy. Fanaovana tsinontsinona ny fahefany mantsy izany. Mandanilany ny volan’ny fianakaviana ny vehivavy adala, nefa efa nisasarana mafy izany. Ny vehivavy hendry kosa manampy ny vadiny eo amin’ny ara-bola. Mailo sy mahay mitsitsy izy, ary tsy manery ny vadiny hiasa ivelan’ny ora fiasana mba hahazoana vola bebe kokoa.

12. Inona no azon’ny vehivavy atao mba hanampiany ny fianakaviany “hifoha hatrany”?

12 Manampy ny vadiny koa ny vehivavy fakan-tahaka eo amin’ny fampianarana ny zanany momba an’i Jehovah. (Ohab. 1:8) Manampy ny ankohonany “hifoha hatrany” izy amin’izany. Manampy ny vadiny izy mba hahafahan’izy ireo manao ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana. Manohana ny vadiny izy rehefa mananatra na manitsy ny zanany ny vadiny. Mifanohitra tanteraka amin’izany kosa no ataon’ny vehivavy adala, ka mijaly ny zanany, na eo amin’ny lafiny ara-batana na ara-panahy.

13. Nahoana ny vehivavy no mila manohana ny vadiny, raha manana andraikitra eo anivon’ny fandaminana ny vadiny?

13 Raha manohana ny vadiny ny vehivavy, manao ahoana ny fihetseham-pony, rehefa mazoto mandray anjara amin’ny asan’ny fiangonana ny vadiny? Tena faly izy! Faly izy hoe mpanampy amin’ny fanompoana ny vadiny, na anti-panahy, na anisan’ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly na Antokona Mpamangy Marary. Marina fa mila mahafoy tena ny vehivavy, mba hahafahany manohana ny vadiny amin’ny teniny sy ny ataony. Vonona hanao izany anefa izy, satria fantany fa manampy azy mianakavy mba “hifoha hatrany” ny vadiny, rehefa mandray anjara amin’ny asan’ilay Fanjakana.

14. a) Inona no mety ho sarotra amin’ny vehivavy, nefa inona no azony atao raha mitranga izany? b) Inona no azon’ny vehivavy atao, mba hahasoa ny fianakaviany?

14 Mety ho sarotra amin’ny vehivavy ny hanohana ny vadiny, rehefa tsy ekeny ny fanapahan-keviny. Na izany aza, dia mila miezaka hanana “toetra tony sy malemy paika” izy, ary hanao izay hahombiazan’ilay fanapahan-kevitry ny vadiny. (1 Pet. 3:4) Manahaka an’ireo vehivavy natahotra an’Andriamanitra fahiny koa ny vehivavy hendry. Azony tahafina, ohatra, i Saraha, Rota, Abigaila, ary Maria renin’i Jesosy. (1 Pet. 3:5, 6) Tahafiny koa ireo vehivavy zokiolona ankehitriny, ‘manana fitondran-tena mendrika.’ (Tit. 2:3, 4) Tia sy manaja ny vadiny izy, ka mandray soa ny fianakaviany manontolo ary mifandray tsara izy sy ny vadiny. Mahatsiaro ho sambatra sy tsy manana ahiahy ny fianakaviany. Tsapan’ireo lehilahy miasa mafy ho an’i Jehovah, fa tena sarobidy aminy ny vadiny rehefa manohana azy!—Ohab. 18:22.

Ry tanora, ‘mifantoha amin’ny zavatra tsy hita’

15. Inona no azon’ny tanora atao, mba hahatonga ny fianakaviana “hifoha hatrany”?

15 Afaka mifanampy amin’ny ray aman-dreninareo koa ianareo ry tanora, mba hahatonga ny fianakavianareo “hifoha hatrany.” Amin’ny fomba ahoana? Eritrereto ange ilay loka napetrak’i Jehovah eo anoloanareo e! Angamba nampiseho sarina Paradisa taminareo ny ray aman-dreninareo tamin’ny ianareo mbola kely. Rehefa nihalehibe indray ianareo, dia azo inoana hoe nampiasa ny Baiboly sy ny bokintsika izy ireo, mba hanampiana anareo haka sary an-tsaina ny fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovao. Miezaha àry hifantoka amin’ny fanompoana an’i Jehovah, sy hanana tanjona mifandray amin’izany, mba hahatonga anareo “hifoha hatrany.”

16, 17. Inona no azon’ny tanora atao, mba hahazoana ny lokan’ny fiainana?

16 Ampitahain’ny apostoly Paoly amin’ny hazakazaka ny fanompoantsika an’i Jehovah, ka ny fiainana mandrakizay no loka. (Vakio ny 1 Korintianina 9:24.) Aoka àry ianao ho tapa-kevitra hahazo azy io. Izay hahazoana an’ilay loka eritreretina, rehefa manao safidy eo amin’ny fiainana. Maro no lasa variana mikatsaka vola sy harena, ka tsy mibanjina an’ilay loka intsony. Hadalana anefa izany! Tsy tena ho sambatra isika, raha izay hahazoana harena no imasoantsika. Tsy maharitra mantsy ny zavatra vidina amin’ny vola. Miezaha kosa ‘hampifantoka ny masonao amin’ny zavatra tsy hita’, satria ‘maharitra mandrakizay ny tsy hita.’—2 Kor. 4:18.

17 Anisan’ny “zavatra tsy hita” ireo fitahiana hoentin’ilay Fanjakana. Mifidiana àry tanjona hanampy anao hahazo an’ireo fitahiana ireo. Tadidio fa rehefa mampiasa ny fiainanao mba hanompoana an’i Jehovah ihany ianao vao tena ho sambatra. Maro ny tanjona azo tratrarina eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Ao ny azo tratrarina vetivety, ary ao ny tanjona lavitra ezaka. * Tsara ny mamaritra tanjona mifanentana amin’izay ho vitanao. Hanampy anao izany mba hifantoka amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, eo am-piezahanao hahazo ilay loka.—1 Jaona 2:17.

18, 19. Ahoana no hahalalan’ny tanora iray raha nandray am-po ny fahamarinana izy?

18 Ry tanora, tena mandray am-po ny fahamarinana ve ianareo? Izany no dingana voalohany eo amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay. Tsara ny manontany tena hoe: ‘Tena tia an’i Jehovah ve aho, sa rehefa ampirisihin’ny ray aman-dreniko aho vao mandray anjara amin’ireo lafiny samihafa amin’ny fanompoana? Miezaka hanana toetra mampifaly an’Andriamanitra ve aho? Moa ve aho manao tsy tapaka an’ireo zavatra anisan’ny fanompoana an’i Jehovah, anisan’izany ny vavaka, fianarana samirery, fanatrehana fivoriana, ary ny fanompoana eny amin’ny saha? Manatona an’Andriamanitra ve aho, ka miezaka hifandray akaiky aminy?’—Jak. 4:8.

19 Saintsaino ny ohatra navelan’i Mosesy. Na dia nobeazina mba hanaraka kolontsaina vahiny aza izy, dia tsy nety natao hoe zanaky ny zanakavavin’i Farao, fa naleony fantatr’olona hoe mpanompon’i Jehovah. (Vakio ny Hebreo 11:24-27.) Tokony ho tapa-kevitra ny tsy hivadika koa ianareo, ry tanora. Raha manao izany ianareo, dia ho tena tsara ny fiainanareo dieny izao. “Hifikitra mafy amin’ny tena fiainana” koa ianareo, ary hahita ny tena fahasambarana.—1 Tim. 6:19.

20. Iza no mahazo ny loka amin’ilay hazakazaka mba hahazoana ny fiainana?

20 Olona iray ihany no nahazo ny loka tamin’ny hazakazaka natao fahiny. Tsy toy izany kosa amin’ilay hazakazaka mba hahazoana ny fiainana. “Sitrapon’Andriamanitra ny hamonjena ny karazan’olona rehetra sy ny hananany fahalalana marina tsara ny fahamarinana.” (1 Tim. 2:3, 4) Efa maro no nahavita an’io hazakazaka io talohanao, ary maro no mbola miara-mihazakazaka aminao. (Heb. 12:1, 2) Izay rehetra manohy an’ilay hazakazaka hatramin’ny farany no mahazo ny loka. Aoka àry ianao ho tapa-kevitra ny hamita an’ilay hazakazaka!

21. Inona no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

21 Tsy maintsy ho tonga ny “andron’i Jehovah, dia ilay andro lehibe sady mampahatahotra.” (Mal. 4:5) Tsy tokony ho varimbariana ny fianakaviana kristianina, mba tsy ho tampoka aminy io andro io. Mila manao ny andraikiny voalazan’ny Baiboly àry ny mpianakavy tsirairay. Misy zavatra hafa koa ve afaka manampy ny fianakaviana “hifoha hatrany” sy hifandray akaiky kokoa amin’Andriamanitra? Handinika lafin-javatra telo mahakasika izany isika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 17 Jereo ny Tilikambo 15 Novambra 2010, pejy 12-16, sy ny Tilikambo 15 Jolay 2004, pejy 21-23.

Inona no Nianaranao?

• Nahoana ny fianakaviana kristianina no mila ‘mifoha hatrany’?

• Inona no azon’ny lehilahy atao, mba hanahafana an’ilay Mpiandry Tena Tsara?

• Inona no azon’ny vehivavy atao mba hanohanana ny vadiny?

• Inona no azon’ny tanora atao mba hanampiana ny fianakaviany “hifoha hatrany”?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 9]

Tsapan’ireo lehilahy miasa mafy ho an’i Jehovah, fa tena sarobidy aminy ny vadiny rehefa manohana azy