Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ry Fianakaviana, Aoka Ianareo ho “Vonona Lalandava”

Ry Fianakaviana, Aoka Ianareo ho “Vonona Lalandava”

Ry Fianakaviana, Aoka Ianareo ho “Vonona Lalandava”

‘Aoka ianareo ho vonona lalandava, satria amin’ny ora tsy ampoizinareo no ho avy ny Zanak’olona.’—LIOKA 12:40.

1, 2. Nahoana isika no tokony hiezaka ho “vonona lalandava” hiatrika ny fiavian’i Jesosy?

HANAO ahoana ianao sy ny fianakavianao, ‘rehefa ho tonga amin’ny voninahiny ny Zanak’olona’, ary “hanavaka ny olona”? (Mat. 25:31, 32) Hitranga amin’ny ora tsy ampoizina izany, ka tena ilaina ny miezaka ho “vonona lalandava” hiatrika azy io, araka ny nampirisihan’i Jesosy.—Lioka 12:40.

2 Hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha hoe inona no andraikitry ny mpianakavy tsirairay, mba hanampiana ny fianakaviana hifoha hatrany. Mbola misy zavatra hafa azontsika atao anefa mba hanampiana ny fianakaviantsika hifandray kokoa amin’Andriamanitra. Izany no hodinihintsika ato.

Manàna maso “tsotra” foana

3, 4. a) Inona no tokony hotandreman’ny fianakaviana kristianina? b) Inona no dikan’ny hoe manana maso “tsotra” foana?

3 Mila mitandrina ny fianakaviana, raha te ho vonona rehefa ho avy i Kristy. Tsy tokony ho variana amin-javatra hafa isika, ka hanao tsirambina ny fanompoana an’i Jehovah. Maro, ohatra, ny fianakaviana voasariky ny fitiavan-karena, ka ilaina ny mandinika ny tenin’i Jesosy hoe mila manana maso “tsotra” foana isika. (Vakio ny Matio 6:22, 23.) Toy ny jiro ny maso ka manampy antsika hahita lalana sy tsy hianjera. Toy izany koa ny ‘mason’ny fontsika.’ Afaka manampy antsika hahay hanavaka izy io, ka tsy ho lavo na hanota isika.—Efes. 1:18.

4 Ahoana no ahitana raha tsotra ny ‘mason’ny fontsika’? Ny hoe manana maso tsotra dia midika hoe mifantoka amin’ny tanjona iray. Raha tsotra àry ny ‘mason’ny fontsika’, dia mifantoka amin’ny fanompoana an’i Jehovah isika, fa tsy variana amin’ny vola aman-karena, na revo mikarakara izay ilain’ny ankohonantsika fotsiny. (Mat. 6:33) Hanao loha laharana ny fanompoana isika, ka hianina amin’izay ananantsika.—Heb. 13:5.

5. Ahoana no nampisehoan’ny ankizivavy iray fa nampifantoka ny ‘masony’ tamin’ny fanompoana an’Andriamanitra izy?

5 Misy vokany tsara, rehefa ampianarina hanana maso tsotra foana ny ankizy. Diniho ny nataon’ny ankizivavy iray any Etiopia. Nahay be izy ka rehefa vita ny fianarany teny amin’ny lise, dia nahazo vatsim-pianarana izy mba hanohizany fianarana. Efa nampianarina hanana maso tsotra anefa izy, ka nampifantoka ny ‘masony’ tamin’ny fanompoana an’i Jehovah. Tsy noraisiny àry ilay vatsim-pianarana. Nisy nanolotra asa be karama indray izy, tsy ela taorian’izay, ka 3 000 euros (na 8 400 000 ariary eo ho eo) isam-bolana no karama! Tsy nekeny anefa ilay asa, satria efa tapa-kevitra hanao ny asan’ny mpisava lalana izy. Nanapa-kevitra samirery izy, fa tsy nila naka hevitra tamin’ny ray aman-dreniny. Faly erỳ anefa izy tamin’ny safidy nataony, ary faly koa ny ray aman-dreniny.

6, 7. Tokony ho “mailo” amin’ny inona isika?

6 Mampitandrina antsika mba tsy hanana faniriana tsy mety afa-po i Jesosy, ao amin’ny Matio 6:22, 23, na dia tsy lazainy mivantana aza izany. Nampifanoheriny tamin’ny hoe ‘maso ratsy’ mantsy ny hoe ‘maso tsotra.’ (Mat. 6:23; fanamarihana ambany pejy) Ilay teny grika nadika hoe “ratsy” eo, dia midika hoe mitsiriritra na manana faniriana tsy mety afa-po. Ahoana no fiheveran’i Jehovah an’ireo toetra ireo? Hoy ny Baiboly: “Aoka tsy hotononina eo aminareo akory izay resaka momba ny fijangajangana sy izay rehetra mety ho fahalotoana na izay faniriana tsy mety afa-po.”—Efes. 5:3.

7 Mety ho mora ny mahita hoe mitsiriritra, na manana faniriana tsy mety afa-po, ny olona hafa. Mety ho sarotra kosa ny hiaiky hoe manana an’ireo toetra ireo isika. Hendry àry isika raha manaraka ny torohevitr’i Jesosy hoe: “Aoka ianareo ho mailo, ary mitandrema amin’izay rehetra mety ho fitsiriritana.” (Lioka 12:15) Raha mailo isika, dia handini-tena mba hahitana izay tena mibahana ao am-pontsika. Tokony hieritreritra tsara ny fianakaviana kristianina hoe manao ahoana ny habetsahan’ny vola sy ny fotoana laniny amin’ny fialam-boly sy ny fividianan-javatra, mba hahitany raha manana faniriana tsy mety afa-po izy ireo.

8. Ahoana no hampisehoantsika fa “mailo” isika rehefa hividy zavatra?

8 Rehefa hividy zavatra ianao, dia tsy ampy ny mieritreritra hoe: ‘Ampy ve ny volako?’ Tsara koa ny manontany tena hoe: ‘Hampiasa an’io zavatra io tsy tapaka ve aho, ary hanam-potoana hikojakojana azy? Hanao ahoana ny fotoana laniko hianarana mampiasa azy io?’ Ianareo koa ry tanora, aza minomino foana ny dokam-barotra rehetra, ka hitaky be loatra amin’ny ray aman-dreninareo mba hahazoana akanjo lafo vidy, na zavatra hafa. Ilaina ny mifehy tena. Mila misaintsaina koa ny mpianakavy rehetra hoe hanampy ny fianakaviana mba ho vonona hiatrika ny fiavian’ny Zanak’olona ve ilay zavatra tiany hovidina. Matokia an’ilay fampanantenan’i Jehovah hoe: “Tsy handao anao mihitsy aho, ary tsy hahafoy anao velively.”—Heb. 13:5.

Miezaha hanatratra tanjona ara-panahy

9. Inona no vokany raha miezaka hanatratra tanjona ara-panahy ny mpianakavy tsirairay?

9 Tsara koa raha manana tanjona ara-panahy ny mpianakavy tsirairay, sady miezaka hanatratra an’ilay izy. Hanampy ny fianakaviana hanana finoana matanjaka sy hifandray kokoa amin’Andriamanitra izany. Ho hitanareo koa hoe manao ahoana ny fandrosoana vitanareo mba hampifaliana an’i Jehovah, ary ho hainareo ny hanapa-kevitra hoe inona no hatao loha laharana.—Vakio ny Filipianina 1:10.

10, 11. Inona no tanjona efa iezahanareo mianakavy tratrarina, ary inona no tanjona mbola tianareo hotratrarina?

10 Na dia ny fanatratrarana tanjona kely aza, dia andraisan-tsoa be dia be. Azon’ny mpianakavy rehetra tratrarina izy ireny. Anisan’izany ny fiaraha-midinika ny teny vakina isan’andro. Ho hitan’ny loham-pianakaviana hoe manao ahoana ny fitiavan’ireo mpianakaviny an’i Jehovah sy ny fahamarinana, rehefa mihaino ny hevitr’izy ireo izy mandritra ilay dinidinika. Azo atao tanjona koa ny miara-mamaky Baiboly tsy tapaka. Hanampy ny ankizy hahay hamaky teny kokoa sy hahazo tsara izay lazain’ny Baiboly izany. (Sal. 1:1, 2) Nahoana koa raha miezaka manatsara ny vavaka ataonareo, na miezaka haneho ny vokatry ny fanahy bebe kokoa? (Gal. 5:22, 23) Azo atao koa ny miara-mikaroka hoe ahoana no hahafahana miombom-pihetseham-po amin’ny olona eny amin’ny fanompoana. Manampy ny ankizy hahay hangoraka izany, ary mety hahatonga azy haniry hanao ny asan’ny mpisava lalana maharitra na mpisava lalana manokana.

11 Misy tanjona hafa koa azo tratrarina. Afaka mampitombo ny ora anompoanareo ve ianareo? Afaka miezaka ve ianareo mba tsy hatahotra hitory an-telefaonina, na hitory eny an-dalana, na eny amin’ny toeram-piasana? Ary ahoana raha manitatra faritany? Sa misy aminareo afaka mianatra teny vahiny na tenin’ny tanana, mba hitoriana ny vaovao tsara amin’ny vahiny na amin’ny marenina?

12. Inona no azon’ny loham-pianakaviana atao mba hanampiana ny fianakaviany handroso ara-panahy?

12 Ry lehilahy manambady, diniho hoe inona no fandrosoana ara-panahy mbola azon’ny fianakavianareo atao. Eritrereto avy eo hoe inona no tanjona hanampy anareo hanatratra izany. Tokony ho azo tratrarina tsara ilay tanjona, ary mifanaraka amin’ny toe-javatra misy anareo sy ny fahaizan’ny mpianakavinareo. (Ohab. 13:12) Mitaky fotoana ny fanatratrarana tanjona tsara. Mba hahitanareo fotoana dia ahenao ny fotoana ijerena tele, mba hanaovana zavatra mifandray amin’ny fanompoana an’i Jehovah. (Efes. 5:15, 16) Ilainareo koa anefa ny miezaka mafy hanatratra ny tanjonareo. (Gal. 6:9) “Hiseho amin’ny rehetra” ny fandrosoanareo mianakavy amin’izay.—1 Tim. 4:15.

Ataovy tsy tapaka ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana

13. Inona no fanovana natao tamin’ny fandaharam-pivoriantsika, ary inona no fanontaniana tokony hoeritreretintsika?

13 Tena manampy ny fianakaviana mba ho “vonona lalandava” ho amin’ny fiavian’ny Zanak’olona, ilay fanovana natao nanomboka tamin’ny 1 Janoary 2009. Tsy natokana intsony ny fotoana anaovana Fianarana Boky, fa natambatra amin’ny Sekolin’ny Fanompoana sy ny Fivoriana Momba ny Fanompoana. Natao io fanovana io mba hananantsika fotoana hanaovana ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana isan-kerinandro, ka hanatanjahantsika ny finoantsika. Efa elaela izay no nanaovana an’io fanovana io, ka tsara ny mandini-tena hoe: ‘Mampiasa an’io fotoana io ve izahay mba hanaovana Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana?’ Na raha irery ianao, dia mandiniha tena hoe: ‘Mampiasa azy io ve aho mba hianarana samirery?’ Ilaina koa ny mandinika raha nahatratra ny tanjona nanaovana ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana ianao na ny fianakavianao.

14. a) Inona no tena antony ampirisihana antsika hanao foana ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana na ny fianarana samirery? b) Nahoana no ilaina ny manokana fotoana hianarana tsy tapaka?

14 Inona tokoa moa no tena antony ampirisihana antsika hanao foana ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana na ny fianarana samirery? Mba hahatonga antsika hifandray kokoa amin’Andriamanitra. (Jak. 4:8) Lasa akaiky kokoa an’ilay Mpamorona isika, rehefa manokana fotoana hianarana Baiboly tsy tapaka sy miezaka hahafanta-javatra bebe kokoa momba azy. Ary rehefa mihakaiky an’i Jehovah isika, dia ho voatosika kokoa ho tia azy ‘amin’ny fontsika sy ny tenantsika sy ny saintsika ary ny herintsika manontolo.’ (Mar. 12:30) Hazoto hankatò sy hanahaka azy koa isika. (Efes. 5:1) Tena ilaina àry ny manao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana tsy tapaka, mba hanampiana ny mpianakavy rehetra ho “vonona lalandava”, eo am-piandrasana ny “fahoriana lehibe.” (Mat. 24:21) Miankina amin’izany ny hahatafavoaka velona antsika.

15. Manao ahoana ny fifandraisan’ny mpianakavy, raha manao ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana izy ireo?

15 Misy antony hafa koa nanaovana ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana. Natao mba hampifandray kokoa ny mpianakavy izy io. Misy vokany be eo amin’ny fifandraisan’ny mpianakavy ny fiarahana midinika hevitra ara-baiboly isan-kerinandro. Faly koa ny mpivady rehefa miana-javatra vaovao avy amin’ny fandinihany ny Baiboly. Lasa mifandray kokoa izy ireo, vokatr’izany. (Vakio ny Mpitoriteny 4:12.) Azo inoana koa hoe lasa mifankatia kokoa ny ray aman-dreny sy ny zanaka, rehefa miara-mianatra Baiboly, ary fantatsika fa “fatorana mampiray tonga lafatra” ny fitiavana.—Kol. 3:14.

16. Inona no soa noraisin’ny anabavy telo, rehefa nanokana takariva iray izy ireo hiarahana mianatra Baiboly?

16 Nandray soa tamin’ilay fotoana natao hianarana Baiboly ny anabavy telo, mpiray tanàna. Tsy mpihavana izy ireo, samy maty vady, ary mpinamana hatramin’ny taona maro. Te hifandray kokoa izy ireo, ary tiany raha mba hanatanjaka ny finoan’izy ireo ny fotoana iarahany fa tsy hoe fotoana mahafinaritra fotsiny. Nanapa-kevitra àry izy ireo hoe hanokana takariva iray mba hiarahana mianatra Baiboly. Nampiasa ny boky ‘Torio Amin’ny Fomba Feno ny Fanjakan’Andriamanitra’ izy ireo tamin’ny voalohany. Hoy ny iray tamin’izy ireo: “Tena tianay ilay fianarana, ka matetika no mihoatra ny adiny iray ilay izy. Miezaka maka sary an-tsaina ny zavatra niainan’ireo Kristianina namantsika tamin’ny taonjato voalohany izahay, ary avy eo miresaka hoe ahoana no hataonay amin’ny toe-javatra mitovy amin’izany. Ampiharinay eny amin’ny fanompoana koa izay ianaranay. Lasa mahafinaritra kokoa ny fitoriana sy ny fampianarana, ary mahita vokatra bebe kokoa noho ny taloha izahay.” Sady nanatanjaka ny finoan’izy telo vavy ilay izy, no nampifankatia kokoa azy ireo. “Tena tianay ilay izy!” hoy izy ireo.

17. Ahoana no hahatonga ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana hahafinaritra sy handraisan-tsoa?

17 Mandray soa amin’ny fotoam-pivavahan’ny fianakaviana na ny fianarana samirery koa ve ianao? Tsy ho tratra ny tanjon’izy io, raha toa ka tsindraindray ianao vao manao azy io. Tokony ho efa vonona koa ny mpianakavy rehetra, rehefa tonga ilay fotoana. Tsy tokony hisy zavatra madinidinika havelanareo hanakana an’ilay fianarana. Foto-kevitra hahasoa ny fianakaviana koa no tokony hofidina. Ahoana no azo atao mba hahatonga an’ilay fianarana hahafinaritra? Miezaha hahay hampianatra, ary ataovy izay hahatonga ny rehetra hifanaja sy ho falifaly.—Jak. 3:18. *

Aoka isika “hifoha hatrany” sy ho “vonona lalandava” 

18, 19. Tokony handrisika anao sy ny fianakavianao hanao inona ny fahafantarana fa efa antomotra ny fiavian’ny Zanak’olona?

18 Tsy isalasalana hoe nanomboka tamin’ny 1914 ny andro faran’ny tontolon’i Satana, satria tena niharatsy ny fiainana nanomboka teo. Efa mananontanona ny Hara-magedona. Tsy ho ela ny Zanak’olona dia hampihatra ny didim-pitsaran’i Jehovah, amin’ny olona tsy matahotra an’Andriamanitra. (Sal. 37:10; Ohab. 2:21, 22) Tsy tokony handrisika anao sy ny fianakavianao hanao zavatra ve izany?

19 Manaraka ny torohevitr’i Jesosy ve ianareo, ka manana maso “tsotra” foana? Miezaka hanatratra tanjona ara-panahy ve ny fianakavianao, na dia ny harena sy ny laza ary ny fahefana aza no imasoan’ny olona eto amin’ity tontolo ity? Mandeha tsara ve ny fotoam-pivavahan’ny fianakavianareo, na ny fianaranao samirery? Nanatsara ny fifandraisanareo ve izy io, ary nanampy anareo hifandray kokoa amin’i Jehovah? Na ray ianao, na reny, na ankizy, ampiharinao ve ny voalazan’ny lahatsoratra teo aloha, ka manao ny andraikitrao voalazan’ny Soratra Masina ianao, mba hanampiana ny fianakavianao “hifoha hatrany”? (1 Tes. 5:6) Ho “vonona lalandava” ho amin’ny fiavian’ny Zanak’olona ianareo, raha manao an’ireo.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 17 Jereo ny Tilikambo 15 Oktobra 2009, pejy 29-31, mba hahitanao hoe inona no azo ianarana amin’ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana, ary ahoana no hahatonga azy io hahafinaritra sy handraisan-tsoa.

Inona no Nianaranao?

• Nahoana no lazaina fa ho “vonona lalandava” hiatrika ny fiavian’i Kristy ny fianakavianao raha...

manana maso “tsotra”?

manana tanjona ara-panahy sy manatratra an’izany?

manao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana tsy tapaka?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 13]

Tsy ho variana amin’ny zavatra eto amin’ity tontolo ity isika raha manana maso “tsotra”