Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Mankafy ny Tenin’Andriamanitra ve Ianao?

Tena Mankafy ny Tenin’Andriamanitra ve Ianao?

Tena Mankafy ny Tenin’Andriamanitra ve Ianao?

HOY i Lorraine: “Tamin’izaho vao nanomboka namaky Baiboly tsy tapaka, dia toy ny hoe adidy tsy maintsy natao fotsiny ilay izy, fa tsy mba nahafinaritra ahy. Sarotra tamiko koa ny nahazo izay novakiko, ka matetika aho no tsy nifantoka.”

Misy olona hafa koa niaiky fa tsy nankafy famakiana Baiboly izy tamin’ny voalohany. Nanohy foana anefa izy ireo satria fantany fa tokony hovakina ny Soratra Masina. Hoy i Marc: “Sarotra ny mamaky Baiboly sy mianatra samirery tsy tapaka, satria maro ny zavatra manelingelina. Tsy maintsy nivavaka mafy sy niezaka mafy aho vao nahavita namaky Baiboly isan’andro.”

Inona no azonao atao mba hahatonga anao hankasitraka kokoa ny Tenin’Andriamanitra? Inona no hanampy anao hankafy ny famakiana azy io? Ireto misy soso-kevitra vitsivitsy.

Tanjona azo tratrarina sy fomba famakiana Baiboly

Mivavaha alohan’ny hamakiana Baiboly ary miezaha hifantoka. Mangataha amin’i Jehovah mba hanampiany anao hazoto hianatra ny Teniny. Mitalahoa aminy mba hanokatra ny sainao sy ny fonao, hahatakaranao bebe kokoa ny fahendreny. (Sal. 119:34) Inona no mety hitranga raha tsy manao izany isika? Mety ho lasa fahazarana fotsiny ny fianarantsika ny Baiboly, ary mety tsy hazoto intsony isika amin’ny farany. Hoy i Lynn: “Mamaky haingana loatra aho indraindray, ka misy zavatra sasany tsy voamariko akory nefa mahaliana. Matetika aza no tsy azoko tsara ireo hevi-dehibe. Mivavaka aho mba hahay hifehy tena, ary manampy ahy tsy hiriorio saina izany.”

Hevero ho sarobidy ny zavatra ianaranao. Tadidio fa ahazoana fiainana mandrakizay ny fahatakarana sy ny fampiharana ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Miezaha àry hahita hevitra mahasoa ary ampiharo ilay izy. Hoy i Chris: “Rehefa mamaky Baiboly aho, dia tadiaviko izay hevitra afaka manampy ahy hanitsy ny toe-tsaiko sy ny antony manosika ahy. Tena mampahery ahy hoe misy hevitra mahasoa ahy ao amin’ny Baiboly sy ao amin’ireo bokintsika, na dia mbola tsy nihaona tamiko aza ny mpanoratra azy ireny.”

Manàna tanjona azo tratrarina. Miezaha hianatra zava-baovao momba an’ireo olona resahin’ny Baiboly. Hahita fanazavana tena mahaliana momba azy ireny ianao, ao amin’ny Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah, na amin’ny boky hafa. Hisy vokany kokoa aminao ny zavatra ianaranao, rehefa hitanao fa olona tena nisy izy ireny sady nanana toetra sy fihetseham-po toa antsika ihany.

Mitadiava fomba vaovao handresena lahatra amin’ny alalan’ny Soratra Masina. (Asa. 17:2, 3) Manao toy izany i Sophia rehefa mianatra Baiboly. “Mitady fomba vaovao handresen-dahatra olona foana aho, mba hampihariko rehefa manompo, na rehefa amin’ny fotoana hafa. Ho haiko tsara amin’izay ny manazava ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Tena manampy ahy amin’izany Ny Tilikambo Fiambenana.”2 Tim. 2:15.

Alao sary an-tsaina ireo fitantarana. Milaza ny Hebreo 4:12 fa ‘velona ny tenin’Andriamanitra.’ Ho velona ao an-tsainao ny hafatr’Andriamanitra, raha alainao sary an-tsaina ny fiainan’ireo olona voalaza ao, ny zavatra hitany sy ny feo reny. Miezaha koa hahatsapa ny fihetseham-pony. Jereo hoe inona amin’ny zavatra iainanao no misy itovizany amin’ny zavatra niainany. Mandraisa lesona avy amin’ny fomba niatrehany toe-javatra iray. Hazava kokoa aminao amin’izay ireo tantara ao amin’ny Baiboly, sady ho tadidinao tsara.

Manokàna fotoana hanaovana fikarohana momba an’ireo andinin-teny sarotra. Ataovy ampy tsara ny fotoana ianarana. Azo inoana fa hisy fanontaniana hanitikitika ny sainao eo am-pamakianao Baiboly. Manaova àry fikarohana, ka tadiavo ny hevitr’ireo teny tsy mahazatra, ary diniho ny fanamarihana ambany pejy sy ny fanondroana andininy hafa. Vao mainka hankafy ny Tenin’Andriamanitra ianao, rehefa mihamazava aminao sy hampiharinao bebe kokoa ny zavatra vakinao ao. Ho afaka hilaza toa an’ilay mpanao salamo ianao hoe: ‘Raisiko ho fananako mandritra ny fotoana tsy voafetra ny fampahatsiahivan’i Jehovah, fa ireny no fifalian’ny foko.’—Sal. 119:111.

Aza vakina maimaika fotsiny ny zavatra ianaranao. Ataovy araka ny antonony àry ny fotoana atokanao hianarana samirery, satria mila manomana fivoriana koa ianao. Hoy i Raquel: “Matetika aho no tsy milamin-tsaina ka tsy mahavita mifantoka. Hitako àry fa tsara kokoa raha atao fohifohy ny fianarana. Tena mandray soa aho, vokatr’izany.” Hoy i Chris: “Tsy mahatadidy zavatra firy aho rehefa mianatra maimaika, ka manenjika ahy ny eritreritro. Matetika no tsy latsaka ao am-poko ny zavatra ianarako.” Aza maimaika àry rehefa mianatra.

Ampitomboy ny fanirianao hianatra ny tenin’Andriamanitra. Hoy ny apostoly Petera: “Toy ny zaza menavava, dia ataovy izay haniriana fatratra ny ronono tsy misy fangarony, dia ny ronono ao amin’ny tenin’Andriamanitra, mba hampitomboan’izy io anareo ho amin’ny famonjena.” (1 Pet. 2:2) Tsy miezaka ho tia ronono ny zaza. Tonga izy dia tia azy io. Isika kosa mila miezaka mba ho tia ny tenin’Andriamanitra. Tsy ho ela ianao dia ho tia azy io, raha mamaky pejy iray monja isan’andro. Mety ho sarotra ilay izy amin’ny voalohany, nefa ho vetivety dia hahafinaritra anao.

Saintsaino ny andinin-teny vakinao. Handray soa lehibe ianao, raha manao izany. Afaka mampifandray an’ireo foto-kevitra ara-baiboly efa nianaranao ianao, rehefa misaintsaina, ka vetivety dia hitombo ny fahendrenao, izay fananana sarobidy tokoa.—Sal. 19:14; Ohab. 3:3.

Tsy ho very maina ny fotoana laninao

Mitaky ezaka ny fahazotoana mianatra. Maro anefa ny soa azo. Hazava kokoa aminao, ohatra, ny Soratra Masina. (Heb. 5:12-14) Ho lasa hendry sy hahay hanavaka koa ianao, ary hiadana sy ho sambatra ary ho finaritra. “Hazon’aina” ho an’izay manana azy sy mampihatra azy ny fahendrena ao amin’ny Tenin’Andriamanitra.—Ohab. 3:13-18.

Hahira-tsaina ianao, raha mandalina azy io. (Ohab. 15:14) Hanampy anao hanome torohevitra miorina amin’ny Baiboly izany. Hilamina sy hahafinaritra koa ny fiainanao, raha toa ny fanapahan-kevitrao ka ataonao mifanaraka amin’izay vakinao ao amin’ny Soratra Masina sy ao amin’ireo boky aman-gazety avoakan’ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina.” (Mat. 24:45) Hahay hijery lafy tsaran-javatra sy ho be fanantenana ary ho olona araka ny fanahy koa ianao. Hahomby daholo koa ny zavatra ataonao misy ifandraisany amin’ny fifandraisanao amin’Andriamanitra.—Sal. 1:2, 3.

Hazoto hiresaka ny finoanao ianao, rehefa tia an’Andriamanitra amin’ny fonao manontolo. Tena mahafa-po izany. Miezaka mitadidy sy mampiasa andinin-teny isan-karazany izao i Sophia, mba hisarihana ny sain’ny olona itoriany sy mba hahitana vokatra sy fifaliana. Hoy izy: “Tena faly aho rehefa hitako hoe mankasitraka ny andinin-teny vakiko aminy ny olona.”

Ny fifandraisana akaiky amin’i Jehovah anefa no soa lehibe indrindra raisin’ny olona mankafy ny Teniny. Lasa mahafantatra ny fitsipiny ianao rehefa mianatra Baiboly, ary lasa mahatsapa sy mankasitraka ny fitiavany sy ny fahalalan-tanany ary ny fanaovany ny rariny. Tsy misy zava-dehibe sy mahasoa kokoa noho ny fianarana Baiboly. Miezaha mafy àry mianatra ny Tenin’Andriamanitra. Tsy ho very maina mihitsy ny fotoana laninao hanaovana izany.—Sal. 19:7-11.

[Efajoro/Sary, pejy 5]

TANJONA AZO TRATRARINA SY FOMBA FAMAKIANA BAIBOLY

▪ Mivavaha alohan’ny hamakiana Baiboly ary miezaha hifantoka.

▪ Hevero ho sarobidy ny zavatra ianaranao.

▪ Manàna tanjona azo tratrarina.

▪ Mitadiava fomba vaovao handresena lahatra amin’ny alalan’ny Soratra Masina.

▪ Alao sary an-tsaina ireo fitantarana.

▪ Manokàna fotoana hanaovana fikarohana momba an’ireo andinin-teny sarotra.

▪ Aza vakina maimaika fotsiny ny zavatra ianaranao.

▪ Ampitomboy ny fanirianao hianatra ny tenin’Andriamanitra.

▪ Saintsaino ny andinin-teny vakinao.

[Sary, pejy 4]

Rehefa mamaky tantara ao amin’ny Baiboly ianao, dia eritrereto hoe ianao mihitsy no ao amin’ilay tantara