Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Asio Fiheverana Ireo Miasa Mafy eo Aminareo”

“Asio Fiheverana Ireo Miasa Mafy eo Aminareo”

“Asio Fiheverana Ireo Miasa Mafy eo Aminareo”

“Asio fiheverana ireo miasa mafy eo aminareo, sy mitarika anareo eo amin’ny asan’ny Tompo ary mananatra anareo.”—1 TES. 5:12.

1, 2. a) Fiangonana nanao ahoana ny fiangonana tany Tesalonika, tamin’i Paoly nanoratra ny taratasiny voalohany ho azy ireo? b) Inona no fampirisihana nomen’i Paoly ny Tesalonianina?

ERITRERETO hoe Kristianina teo anivon’ny fiangonana tany Tesalonika ianao. Anisan’ny fiangonana voalohany tany Eoropa izy io. Nandany fotoana be ny apostoly Paoly mba hampaherezana an’ireo Kristianina tao. Mety ho nanendry anti-panahy koa izy mba hitarika an’ilay fiangonana, toy ny efa nataony tany amin’ny fiangonana hafa. (Asa. 14:23) Rehefa niorina anefa ilay fiangonana, dia namory vahoaka ny Jiosy mba handroaka an’i Paoly sy Silasy tao amin’ilay tanàna. Mety ho nahatsiaro ho nafoy ireo Kristianina tao Tesalonika vokatr’izany. Raiki-tahotra mihitsy aza angamba izy ireo.

2 Azo antoka fa nanahy momba an’io fiangonana vao niforona io i Paoly, taorian’ny nandaozany an’i Tesalonika. Niezaka hiverina tany izy, saingy “nosakanan’i Satana.” Naniraka an’i Timoty àry izy mba hampahery an’ilay fiangonana. (1 Tes. 2:18; 3:2) Nahafinaritra ny tatitra nentin’i Timoty avy any, ka nanoratra taratasy ho an’ilay fiangonana izy. Nampirisika an’ireo Tesalonianina izy mba ‘hanisy fiheverana an’ireo mitarika’ eo anivon’izy ireo.—Vakio ny 1 Tesalonianina 5:12, 13.

3. Nahoana ny Kristianina tany Tesalonika no nila nanaja fatratra an’ireo anti-panahy teo anivon’ny fiangonany?

3 Tsy be traikefa toa an’i Paoly sy ny mpiara-dia taminy ireo anti-panahy tany Tesalonika. Vao haingana izy ireo no lasa Kristianina, fa tsy toa an’ireo anti-panahy tany Jerosalema. Ilay fiangonana rahateo mbola tsy ampy herintaona akory. Na izany aza, dia tokony hankasitraka an’ireo anti-panahy ireo ilay fiangonana. Tsy vitan’ny hoe ‘niasa mafy’ mantsy izy ireo, fa ‘nitarika’ teo anivon’ilay fiangonana koa, sady ‘nananatra’ an’ireo mpiray finoana taminy. Tena tokony “hanaja fatratra azy ireny” ilay fiangonana, ary hanao izany “amim-pitiavana.” Nampirisika an’ireo Tesalonianina koa i Paoly, mba “samy ho tia fihavanana.” Raha anisan’io fiangonana io ianao, moa ve ianao nankasitraka ny asa nataon’ireo anti-panahy tao? Ahoana ny fiheveranao an’ireo “lehilahy ho fanomezana” eo anivon’ny fiangonanareo, izay nomen’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Kristy?—Efes. 4:8.

“Miasa mafy”

4, 5. Inona no asa mafy nataon’ny anti-panahy tamin’ny andron’i Paoly? Ary inona no asa mafy ataon’ny anti-panahy ankehitriny?

4 Inona no ‘asa mafy’ nataon’ireo anti-panahy tany Tesalonika, rehefa voatery niala tao i Paoly sy Silasy ka nankany Beria? Nanahaka an’i Paoly izy ireo, ka azo antoka fa nampianatra ny fiangonana tamin’ny alalan’ny Soratra Masina. Mety hieritreritra anefa ianao hoe: ‘Fa angaha moa ny Kristianina tany Tesalonika nankasitraka ny Tenin’Andriamanitra?’ Milaza mantsy ny Baiboly hoe: ‘Ambony saina kokoa noho ny Jiosy tany Tesalonika ny Jiosy tany Beria, izay nandinika tsara ny Soratra Masina isan’andro.’ (Asa. 17:11) Ireo Jiosy amin’ny ankapobeny tany Tesalonika anefa no resahina eo fa tsy ny Kristianina. Ireo lasa Kristianina kosa ‘tsy nandray ny tenin’Andriamanitra ho tenin’olona, fa araka ny tena izy, dia tenin’Andriamanitra.’ (1 Tes. 2:13) Noho izy ireo tia ny tenin’Andriamanitra àry, dia tsy maintsy niasa mafy ny anti-panahy mba hamahanana azy ireo ara-panahy.

5 Manome ‘sakafo amin’ny fotoana mety’ ho an’ny andian’ondrin’Andriamanitra koa ankehitriny ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina.” (Mat. 24:45) Manome boky ara-baiboly maro be izy ireo, anisan’izany ny Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny Watchtower Library amin’ny CD-ROM, izay efa misy amin’ny fiteny sasantsasany. Miasa mafy koa ny anti-panahy mba hamahanana ny fiangonana. Manaraka ny toromariky ny mpanompo mendri-pitokisana izy ireo rehefa manao izany. Miezaka manome fahafaham-po izay ilain’ny fiangonana izy ireo, ka mandany ora maro mba hanomanana tsara ny anjarany amin’ny fivoriana. Efa mba noeritreretinao ve ny fotoana lanin’ireo anti-panahy mba hanomanana ny anjarany amin’ny fivoriana sy fivoriambe?

6, 7. a) Inona no modely navelan’i Paoly ho an’ireo anti-panahy tany Tesalonika? b) Nahoana no mety ho sarotra amin’ny anti-panahy ankehitriny ny manahaka an’i Paoly?

6 Nitadidy ny modely tsara navelan’i Paoly ny anti-panahy tany Tesalonika, teo amin’ny fiandrasana ny andian’ondry. Tsy nataon’i Paoly toy ny famitana adidy fotsiny mantsy ny fitsidihan’ny mpiandry. Hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha fa “nalemy fanahy” izy, ‘tahaka ny reny mampinono maneho fitiavana ny zanany naterany.’ (Vakio ny 1 Tesalonianina 2:7, 8.) Vonona ny ‘hanome ny ainy’ ho an’ny andian’ondry mihitsy aza izy! Tokony hanahaka azy ny anti-panahy.

7 Manahaka an’i Paoly ny anti-panahy ankehitriny, ka maneho fitiavana amin’ny andian’ondry. Mety tsy ho sariaka na halemy fanahy ny ondry sasany, nefa miezaka ny anti-panahy mba hitady ny toetra tsaran’izy ireny. Mety ho sarotra amin’ny anti-panahy ny mifantoka amin’ny toetra tsaran’ny ondry tsirairay, satria tsy lavorary koa izy ireo. Manao izay fara heriny anefa izy ireo mba halemy fanahy amin’ny rehetra, ka ho mpiandry tsara eo ambany fitarihan’i Kristy. Tena mendri-piderana ny anti-panahy toy izany!

8, 9. Inona no asa sasany ataon’ny anti-panahy mba ‘hiarovana antsika hatrany’?

8 Tena tokony “hanaiky” an’ireo anti-panahy isika rehetra. Nilaza mantsy i Paoly fa ‘miaro antsika hatrany’ izy ireny. (Heb. 13:17) Mampahatsiahy antsika ny ataon’ny mpiandry ondry, ilay teny hoe ‘miaro hatrany.’ Tsy matory izy ireny amin’ny alina mba hiarovana ny andian’ondry. Mety hiari-tory koa ny anti-panahy indraindray, rehefa mikarakara ny Kristianina marary na ory na manana olana ara-panahy. Tsy maintsy nofohazina tamin’ny alina, ohatra, ireo rahalahy anisan’ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly, rehefa nisy marary nila fikarakarana maika. Tena mankasitraka ny fanampian’ny anti-panahy isika, rehefa tojo olana toy ireny.

9 Miasa mafy ho an’ireo rahalahy koa ny anti-panahy anisan’ny Komitin’ny Efitrano Fivoriambe sy ny komitin’ny vonjy rano vaky. Mendrika ny hotohanantsika izy ireny. Eritrereto ny zava-nitranga taorian’ny nandalovan’ny Rivo-doza Nargis, tany Myanmar, tamin’ny 2008. Niezaka mafy ireo rahalahy anisan’ny komitin’ny vonjy rano vaky mba hanampy an’ireo rahalahy. Tsy maintsy namakivaky faritra ravarava sy feno faty izy ireo, vao tonga tany Bothingone, eo amin’ny vavaranon’i Irraouaddi. Hoy ireo rahalahy tany an-toerana, rehefa tonga tany Bothingone ny ekipa voalohany, anisan’izany ny mpiandraikitra ny faritr’izy ireo taloha: “Iny fa tonga ny mpiandraikitra! Tena namonjy antsika i Jehovah!” Moa ve ianao mankasitraka ny asa mafy ataon’ireo anti-panahy andro aman’alina? Misy anti-panahy sasany notendrena ho anisan’ny komity manokana, mba hikarakara raharaha ara-pitsarana sarotra. Tsy mirehareha amin’ny zava-bitany ireny anti-panahy ireny. Tena mankasitraka azy ireny anefa ireo rahalahy sy anabavy mandray soa amin’ny asa ataon’izy ireny.—Mat. 6:2-4.

10. Inona ny asa tsy dia miharihary ataon’ny anti-panahy?

10 Mikarakara taratasy koa ny anti-panahy. Manao ny fandaharana ho an’ny fivoriana isan-kerinandro ny anti-panahy mpandrindra. Manambatra ny tatitra momba ny fanompoana isam-bolana sy isan-taona ny mpitan-tsoratra. Manao ny fandaharana amin’ny sekoly kosa ny mpiandraikitra ny sekoly. Ny anti-panahy koa no manamarina ny kaontin’ny fiangonana, isan-telo volana. Mamaky ny taratasy avy any amin’ny biraon’ny sampana koa izy ireo, ary mampihatra an’izay toromarika omena ao, mba hananan’ny rehetra “zavatra inoana iray ihany.” (Efes. 4:3, 13) Miasa mafy tokoa ny anti-panahy, ary izany ezak’izy ireo izany no mahatonga ny “zava-drehetra hatao amim-pahamendrehana sy amim-pilaminana.”—1 Kor. 14:40.

“Mitarika anareo”

11, 12. Iza no mitarika eo anivon’ny fiangonana, ary inona no tafiditra amin’izany?

11 Nilaza i Paoly hoe ‘nitarika’ teo anivon’ny fiangonana ireo anti-panahy tany Tesalonika. (1 Tes. 5:12) Ilay teny grika nadika hoe “mitarika”, dia azo adika koa hoe “mijoro eo aloha.” Mijoro eo alohan’ny fiangonana ny ankamaroan’ny anti-panahy ankehitriny, rehefa mitarika fivoriana. Ireo anti-panahy “miasa mafy” voalaza tetsy aloha ihany, ireo lazain’i Paoly hoe “mitarika” ireo. Tsy anti-panahy iray monja àry no nitarika, fa ny anti-panahy rehetra teo anivon’ny fiangonana. Novana hoe “anti-panahy mpandrindra” ny niantsoana ny “mpiandraikitra mpitantan-draharaha” vao tsy ela izay. Natao izany mba hanampiana antsika hahatakatra hoe miray saina ny anti-panahy rehetra ary tsy misy ambony sy ambany.

12 Tsy hoe mampianatra fotsiny no tafiditra amin’ilay hoe “mitarika” eo anivon’ny fiangonana. Mitovy hevitra amin’io ilay teny hoe “mitondra” ao amin’ny 1 Timoty 3:4. Hoy i Paoly ao: ‘Tokony hahay hitondra ny ankohonany ny mpiandraikitra, sady manana zanaka manaiky azy amim-panajana.’ Ilay teny hoe “mitondra” eo, dia tsy midika fotsiny hoe mampianatra, fa midika koa hoe manome modely sy manao izay hahatonga ny zanany hanaiky ny ray aman-dreniny. Toy izany àry no ataon’ny anti-panahy. Manome modely ho an’ny fiangonana izy ireo, ka manampy ny rehetra hanaiky an’i Jehovah.—1 Tim. 3:5.

13. Nahoana no mety handany fotoana ny fandraisana fanapahan-kevitra, amin’ny fivorian’ny anti-panahy?

13 Inona no ataon’ny anti-panahy mba hitarihana tsara ny andian’ondry? Miara-midinika izy ireo hoe ahoana no ikarakarana izay ilain’ny fiangonana. Marina aloha fa mety tsy handany fotoana firy raha anti-panahy iray ihany no mandray ny fanapahan-kevitra rehetra. Manaraka ny modelin’ny filan-kevi-pitantanana tamin’ny taonjato voalohany anefa izy ireo, ka miara-midinika sy mitady tari-dalana ao amin’ny Soratra Masina, alohan’ny handraisana fanapahan-kevitra. Miezaka izy ireo hampihatra ny toro lalan’ny Baiboly. Ho tratra izany tanjona izany raha manomana tsara ny tsirairay amin’izy ireo alohan’ny fivorian’ny anti-panahy, ka mandinika ny Soratra Masina sy ny toromarika omen’ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina. Mitaky fotoana izany. Ahoana raha tsy mitovy hevitra ny anti-panahy, toy izay nitranga rehefa niara-nidinika momba ny famorana ny filan-kevi-pitantanana tamin’ny taonjato voalohany? Ilaina angamba amin’izay ny manokana fotoana fanampiny sy manao fikarohana bebe kokoa, mba hahafahana mandray fanapahan-kevitra iombonana miorina amin’ny Soratra Masina.—Asa. 15:2, 6, 7, 12-14, 28.

14. Ankasitrahanao ve ireo anti-panahy rehefa miara-miasa amim-piraisan-tsaina? Nahoana?

14 Inona no mety hitranga raha manery ny hafa hanaraka ny heviny ny anti-panahy iray, na mitady hampanjaka ny heviny? Ary ahoana raha misy olona mitady hampisy fisaratsarahana, toy ny nataon’i Diotrefa tamin’ny taonjato voalohany? (3 Jaona 9, 10) Hisy voka-dratsiny amin’ny fiangonana izany. Niezaka nanakorontana ny fiangonana tamin’ny taonjato voalohany i Satana, ka azo antoka fa mitady hanimba ny fihavanana eo anivon’ny fiangonana koa ankehitriny. Mety hotaominy, ohatra, isika mba haniry ho ambony noho ny hafa. Mila miezaka àry ny anti-panahy, mba hanetry tena sy hiara-miasa amim-piraisan-tsaina. Ankasitrahantsika tokoa ireo anti-panahy manetry tena sy miara-miasa tsara.

“Mananatra anareo”

15. Inona no mandrisika ny anti-panahy hananatra ny hafa?

15 Nanasongadina asa iray lehibe sy sarotra nasaina nataon’ny anti-panahy i Paoly, dia ny fananarana. I Paoly irery no nampiasa ilay teny grika nadika hoe “mananatra”, ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Mety hidika hoe manome torohevitra hentitra io teny io, nefa tsy midika hoe mankahala. (Asa. 20:31; 2 Tes. 3:15) Nilaza tamin’ny Korintianina, ohatra, i Paoly hoe: ‘Tsy ny hampahamenatra anareo no anoratako izany, fa ny hananatra anareo toy ny zanako malalako.’ (1 Kor. 4:14) Ny fitiavana àry no nandrisika an’i Paoly hananatra ny hafa.

16. Inona no mila tadidin’ny anti-panahy rehefa mananatra ny hafa izy ireo?

16 Mitadidy foana ny anti-panahy fa zava-dehibe ny fomba ananarana. Miezaka ny ho tsara fanahy sy be fitiavana ary tia manampy, toa an’i Paoly, izy ireo, rehefa mananatra. (Vakio ny 1 Tesalonianina 2:11, 12.) Mazava ho azy fa miezaka koa izy ireo mba ‘hitana mafy ilay teny azo antoka, mba hahaizany handrisika ny hafa amin’ny fampianarana mahasoa.’—Tit. 1:5-9.

17, 18. Inona no tokony hotadidinao rehefa anarin’ny anti-panahy ianao?

17 Tsy lavorary ny anti-panahy ka mety hilaza zavatra hanenenany. (1 Mpanj. 8:46; Jak. 3:8) Fantatr’izy ireo koa fa mazàna no tsy ‘faly’ ireo rahalahy sy anabavy, rehefa homena torohevitra. (Heb. 12:11) Noho izany, dia mandinika tsara sy mivavaka izy ireo, vao manome torohevitra na mananatra. Raha mananatra anao àry ny anti-panahy, moa ve ianao mankasitraka izany fiahiana sy fitiavana asehon’izy ireo izany?

18 Aoka hatao hoe marary ianao, nefa tsy fantatrao izay mahazo anao. Nanatona dokotera ianao, ary fantany ilay aretina. Tsy neken’ny sainao anefa ilay izy, satria tsy tianao. Hitana lolompo amin’ilay dokotera ve ianao noho ilay aretina nolazainy? Tsia. Azo inoana kosa fa hanaraka ny fitsaboana asainy atao ianao, na dia asainy didiana aza, satria fantatrao fa hahasoa anao izany. Na dia mety ho nahatezitra anao aza ny fomba nilazan’ilay dokotera an’ilay aretina, dia tsy hahasakana anao tsy hanaraka ny teniny izany. Mety hahazo fananarana avy amin’ny olona ampiasain’i Jehovah sy Jesosy koa isika ankehitriny. Mety tsy ho araka ny noeritreretinao ny fomba nanomezany an’ilay izy, kanefa henoy izany satria hanampy anao handroso sy hiaro ny fifandraisanao amin’i Jehovah.

Ankasitraho ireo anti-panahy, izay fanomezan’i Jehovah

19, 20. Ahoana no hampisehoanao fa mankasitraka an’ireo “lehilahy ho fanomezana” ianao?

19 Inona no hataonao raha misy olona manome fanomezana tena mahasoa anao? Hankasitraka an’ilay fanomezana ve ianao, ka hampiasa an’ilay izy? Ireo “lehilahy ho fanomezana” no nomen’i Jehovah anao, tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Ahoana no ampisehoanao fa mankasitraka azy ireny ianao? Henoy tsara ny lahateny ataon’izy ireo ary ezaho ampiharina. Manomeza valin-teny voahevitra tsara, rehefa any am-pivoriana. Mandraisa anjara amin’ireo asa tarihin’ny anti-panahy, anisan’izany ny fanompoana eny amin’ny saha. Raha nahasoa anao ny torohevitra nomen’ny anti-panahy iray, nahoana raha resahina aminy izany? Tadidio koa fa matoa ny anti-panahy mahavita miasa mafy ho an’ny fiangonana, dia satria ny fianakaviany nahafoy ny fotoana tokony hiarahana aminy. Nahoana àry raha maneho fankasitrahana an’ireny fianakaviana ireny?

20 Betsaka tokoa ny antony tokony hankasitrahantsika ny anti-panahy. Miasa mafy ho antsika izy ireo, mitarika antsika, ary mananatra antsika. Fanampiana feno fitiavana avy amin’i Jehovah tokoa ireo “lehilahy ho fanomezana”!

Tadidinao Ve?

• Nahoana ireo Kristianina tany Tesalonika no tena nila nankasitraka an’ireo nitarika teo anivon’ny fiangonana?

• Inona avy ny asa mafy ataon’ny anti-panahy ho anao?

• Inona no soa raisinao amin’ny anti-panahy, noho izy ireo mitarika eo anivon’ny fiangonana?

• Inona no tokony hotadidinao rehefa anarin’ny anti-panahy ianao?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 27]

Ankasitrahanao ve ireo fomba maro ikarakaran’ny anti-panahy ny fiangonana?