Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Misy Vaovao Tsara Ilain’ny Olona Rehetra

Misy Vaovao Tsara Ilain’ny Olona Rehetra

Misy Vaovao Tsara Ilain’ny Olona Rehetra

‘Herin’Andriamanitra ho famonjena an’izay rehetra mino, ny vaovao tsara.’—ROM. 1:16.

1, 2. Nahoana ianao no mitory ny ‘vaovao tsaran’ilay fanjakana’, ary inona no asongadinao rehefa mitory azy io?

EFA nieritreritra toy izao angamba ianao: ‘Tena faly aho mitory ny vaovao tsara isan’andro.’ Vavolombelon’i Jehovah mafana fo ianao, ka fantatrao fa zava-dehibe ny mitory ny “vaovao tsaran’ilay fanjakana.” Hainao tsianjery aza angamba ilay faminaniana nolazain’i Jesosy momba ny asa fitoriana.—Mat. 24:14.

2 Manohy an’ilay asa natombok’i Jesosy ianao, rehefa mitory ny ‘vaovao tsaran’ilay fanjakana.’ (Vakio ny Lioka 4:43.) Azo inoana fa resahinao amin’ny olona hoe handringana ny fivavahan-diso sy hanafoana ny faharatsiana rehetra Andriamanitra, amin’ny “fahoriana lehibe”, izay tsy ho ela intsony. (Mat. 24:21) Asongadinao koa angamba hoe mbola hanova ny tany ho Paradisa indray ny Fanjakan’Andriamanitra, mba hanjakan’ny fiadanana sy hahatonga ny olona ho sambatra. Ny ‘vaovao tsaran’ilay fanjakana’, dia lafiny iray amin’ilay vaovao tsara nambara tamin’i Abrahama hoe ‘amin’ny alalany no hitahiana ny firenena rehetra.’—Gal. 3:8.

3. Inona no mampiseho fa nanasongadina ny vaovao tsara i Paoly, ao amin’ny Romanina?

3 Misy lafiny iray lehibe amin’ny vaovao tsara anefa tokony ho fantatry ny olona. Ilaina ny misaintsaina hoe sao dia tsy tena manasongadina azy io isika rehefa mitory. Mampahafantatra azy io ny apostoly Paoly ao amin’ny bokin’ny Romanina. Indray mandeha ihany izy ao no nampiasa an’ilay teny hoe ‘fanjakana.’ (Vakio ny Romanina 14:17.) In-12 kosa izy ao no nampiasa ny teny hoe ‘vaovao tsara’, raha ny Soratra Grika Kristianina tany am-boalohany no jerena. Lafiny inona amin’ny vaovao tsara io noresahin’i Paoly io? Nahoana izy io no tena zava-dehibe? Ary nahoana isika no tokony hiresaka azy io, rehefa mitory ny “vaovao tsaran’Andriamanitra”?—Mar. 1:14; Rom. 15:16; 1 Tes. 2:2.

Ny tokony ho fantatry ny Kristianina tao Roma

4. Inona avy no noresahin’i Paoly rehefa nitory izy, tamin’izy nigadra voalohany tany Roma?

4 Momba ny inona ny fitorian’i Paoly, tamin’izy nigadra voalohany tany Roma? 1) ‘Nohazavainy tsara’ tamin’ireo Jiosy tonga namangy azy ny “momba ny fanjakan’Andriamanitra.” 2) ‘Nandresy lahatra azy ireo momba an’i Jesosy izy.’ “Nino” izay nolazain’i Paoly ny olona sasany, “fa ny sasany kosa tsy nino.” “Nandray tsara an’izay rehetra tonga tao aminy” koa i Paoly tatỳ aoriana, ‘ka nitory tamin’izy ireo momba ny fanjakan’Andriamanitra ary nampianatra azy ireo ny amin’i Jesosy Kristy Tompo.’ (Asa. 28:17, 23-31) Zava-dehibe tamin’i Paoly tokoa ny Fanjakan’Andriamanitra. Nasongadiny koa anefa ny lafiny lehibe iray amin’io Fanjakana io, dia ny anjara asan’i Jesosy ao amin’ny fikasan’Andriamanitra.

5. Inona no tena tokony ho fantatry ny olona, ka noresahin’i Paoly ao amin’ny Romanina?

5 Mila mahafantatra an’i Jesosy sy mino azy ny olona rehetra. Nanasongadina izany i Paoly ao amin’ny Romanina. Hoy izy: “Amin’ny foko manontolo no anaovako fanompoana masina ho an’Andriamanitra ka itoriako ny vaovao tsara momba ny Zanany.” Hoy koa izy: “Tsy menatra noho ny vaovao tsara aho, fa herin’Andriamanitra izy io ho famonjena izay rehetra mino.” Nilaza izy avy eo fa anisan’ny vaovao tsara notoriny ny hoe ho avy ‘ny andro hitsaran’Andriamanitra ny zava-miafin’ny olombelona amin’ny alalan’i Kristy Jesosy.’ Mbola nilaza koa izy hoe: “Vitako tsara ny fitoriana ny vaovao tsara momba an’i Kristy, tany Jerosalema sy ny faritra rehetra hatrany Ilyrikiona.” * (Rom. 1:9, 16; 2:16; 15:19) Nahoana i Paoly no nanantitrantitra ny momba an’i Jesosy Kristy?

6, 7. Ahoana no niforonan’ny fiangonana tao Roma, ary inona no fiavian’ny olona teo anivon’izy io?

6 Tsy fantatsika hoe ahoana no niforonan’ny fiangonana tao Roma. Nisy Jiosy sy olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy, avy any Roma, nanatrika ny Pentekosta tamin’ny taona 33. Tsy fantatra raha izy ireo no nanorina an’ilay fiangonana kristianina tany Roma. (Asa. 2:10) Tsy fantatsika koa anefa raha ireo Kristianina mpivarotra na mpanao dia lavitra no nampiely ny fahamarinana tany Roma. Na ahoana na ahoana, dia efa nisy efa ela ilay fiangonana, rehefa nanoratra ny bokin’ny Romanina i Paoly, tamin’ny taona 56 tany ho any. (Rom. 1:8) Inona no fiavian’ny olona teo anivon’io fiangonana io?

7 Jiosy ny sasany tamin’izy ireo. Jiosy i Androniko sy Jonia, satria nantsoin’i Paoly hoe ‘havany’ izy ireo. Jiosy koa i Akoila mpanao tranolay tao Roma, sy Prisila vadiny. (Rom. 4:1; 9:3, 4; 16:3, 7; Asa. 18:2) Toa tsy Jiosy kosa ny maro amin’ireo rahalahy sy anabavy nandefasan’i Paoly firarian-tsoa. Mety ho anisan’ilay fiangonana tany Roma ny olona sasany avy amin’ny “ankohonan’i Kaisara”, izay angamba midika hoe mpanompo na mpiasam-panjakana madinika niasa ho an’i Kaisara.—Fil. 4:22; Rom. 1:6; 11:13.

8. Inona ny olana niombonan’ny Kristianina tany Roma?

8 Nanana olana iombonana ny Kristianina tany Roma, ary manana an’io olana io koa isika rehetra. Hoy i Paoly: “Samy efa nanota ny rehetra ka tsy mahatratra ny voninahitr’Andriamanitra.” (Rom. 3:23) Nila niaiky ny Kristianina rehetra namaky an’io taratasin’i Paoly io hoe mpanota ny tenany. Tsy maintsy nino ny sorom-panavotana koa izy ireo, satria io no fomba hanafahan’Andriamanitra antsika amin’ny fahotana.

Mila manaiky ny olona hoe mpanota izy

9. Inona no soa lehibe mety ho azon’ny olona noho ny vaovao tsara?

9 Afaka mandray soa lehibe avy amin’ilay vaovao tsara noresahin’i Paoly ny olona. Hoy izy teo am-piandohan’ny bokin’ny Romanina: “Tsy menatra noho ny vaovao tsara aho, fa herin’Andriamanitra izy io ho famonjena izay rehetra mino, dia ny Jiosy aloha vao ny Grika [na ny hafa firenena] koa.” Azo atao àry ny mahazo famonjena noho ny vaovao tsara. Mila manana finoana anefa isika. Hoy mantsy i Paoly: ‘Ny olo-marina ho velona noho ny finoany.’ (Rom. 1:16, 17; Gal. 3:11; Heb. 10:38) Inona anefa no ifandraisan’ilay vaovao tsara mitondra famonjena, sy ilay tenin’i Paoly hoe “samy efa nanota ny rehetra”?

10, 11. Nahoana no tsy vaovao amin’ny olona sasany ny voalazan’ny Romanina 3:23, nefa mety ho hafahafa amin’ny olona sasany?

10 Tsy maintsy manaiky ny olona iray hoe mpanota ny tenany, izay izy vao afaka hanana an’ilay finoana mamonjy aina. Nobeazina mba hino an’Andriamanitra ny olona sasany sady mahalala zavatra sasany ao amin’ny Baiboly, ka tsy vaovao aminy ilay hevitra hoe mpanota ny tenany. (Vakio ny Mpitoriteny 7:20.) Ary na manaiky an’izany izy ireo na tsia, dia fantapantany ihany ny dikan’ny tenin’i Paoly hoe “samy efa nanota ny rehetra.” (Rom. 3:23) Misy anefa olona tsy mahazo tsara an’ireo teny ireo. Mety hihaona amin’ny olona toy izany isika rehefa manompo.

11 Tsy ampianarina ny olona any amin’ny tany sasany hoe nandova ota izy, izany hoe vao teraka izy dia efa mpanota. Mety ho tsapany ihany hoe manao fahadisoana izy, manana toetra ratsy, na nanao zavatra ratsy. Hitany koa hoe toy izany ny olon-kafa. Noho ny fanabeazana azony anefa, dia tsy fantany ny mahatonga izany. Amin’ny fiteny sasany aza, dia midika hoe mpanao heloka bevava, na olona nandika lalàna ny hoe mpanota. Mety tsy hihevitra ny tenany ho mpanota àry ny olona any amin’ireny tany ireny.

12. Nahoana no maro no tsy mino hoe mpanota ny olona rehetra?

12 Na any amin’ireo firenena milaza azy ho Kristianina aza, dia maro no tsy mino hoe mpanota ny tenany. Na dia miangona tsindraindray aza mantsy izy ireo, dia angano fotsiny no fiheverany ny tantaran’i Adama sy Eva. Misy indray nobeazina mba tsy hino an’Andriamanitra, ka misalasala raha tena misy Izy. Tsy eken’ny sain’izy ireo àry ny hoe misy manam-pahefana iray fara tampony mamaritra ny fitsipi-pitondran-tena tokony harahin’ny olona, ka izay tsy manaraka izany dia atao hoe manota. Toy ireo olona noresahin’i Paoly tamin’ny taonjato voalohany izy ireo, satria ‘tsy manana fanantenana sady tsy manana an’Andriamanitra.’—Efes. 2:12.

13, 14. a) Nahoana no azo lazaina hoe tsy afa-tsiny izay tsy mino an’Andriamanitra sy tsy mino hoe mpanota ny tenany? b) Inona no ataon’ny olona maro, noho izy ireo tsy mino an’Andriamanitra sy tsy mino hoe mpanota ny tenany?

13 Tsy afa-tsiny anefa ireo olona tsy mino hoe mpanota ny tenany. Nilaza antony roa mahatonga izany i Paoly, ao amin’ny Romanina. Voalohany, manaporofo ny fisian’ny Mpamorona ny zavatra nataony. (Vakio ny Romanina 1:19, 20.) Nanoratra toy izao ho an’ny Hebreo i Paoly, tamin’izy tany Roma: “Nisy nanao ny trano rehetra, fa ilay nanao ny zava-drehetra kosa dia Andriamanitra.” (Heb. 3:4) Midika izany fa nisy Mpamorona nanao an’izao rehetra izao. Tokony hiaiky àry ny olona rehetra hoe mpanota satria tsy maharaka ny fitsipika napetrany.

14 Nanana antony marim-pototra tokoa i Paoly mba hilazana fa “tsy afa-tsiny” ny olona tsy mino an’Andriamanitra, ka manompo sary tsy manana aina toy ny nataon’ny Israelita. Toy izany koa ireo olona tsy mino ka nanjary niala tamin’ny fanao voajanahary eo amin’ny lahy sy ny vavy ary nanao firaisana mamoafady. (Rom. 1:22-27) Raha jerena àry ny tenin’i Paoly rehetra nodinihintsika teo, dia marina ilay teniny hoe: “Eo ambany fahefan’ny ota avokoa na ny Jiosy na ny Grika”, izany hoe ny olona rehetra.—Rom. 3:9.

Ny feon’ny fieritreretana no “vavolombelona” hoe mpanota isika

15. Inona no ananan’ny olona rehetra, ary inona no vokatr’izany eo amin’izy ireo?

15 Misy antony faharoa koa tokony hahatonga ny olona hanaiky hoe mpanota ny tenany ary mila fanafahana. Nilaza i Paoly fa ‘hotsarain’ny lalàna izay rehetra nanota teo ambanin’ny lalàna’, izany hoe teo ambanin’ny Lalàna nomen’Andriamanitra an’ireo Israelita. (Rom. 2:12) Nilaza koa anefa izy hoe na dia tsy mahafantatra an’io Lalàna io aza ny olona hafa firenena sy avy amin’ny foko hafa, dia “manao izay takin’ny lalàna” izy ireo matetika, “satria voajanahary aminy izany.” Nahoana tokoa moa ireny olona ireny no samy mandrara ny fanaovana firaisana amin’olom-pady sy ny famonoan’olona ary ny halatra? Noho ny feon’ny fieritreretana, izay “vavolombelona miaraka aminy”, hoy i Paoly.—Vakio ny Romanina 2:14, 15.

16. Inona no mampiseho fa tsy voatery hahasakana ny olona tsy hanota ny feon’ny fieritreretana?

16 Voamarikao angamba anefa fa na dia manana feon’ny fieritreretana aza ny olona, dia mety tsy hanaraka ny tari-dalan’izy io. Diniho ny nataon’ny Israelita. Nomen’Andriamanitra feon’ny fieritreretana sy Lalàna mazava tsara mandrara ny halatra sy ny fanitsakitsaham-bady izy ireo. Sady tsy nanaraka ny feon’ny fieritreretany anefa izy ireo matetika, no nandika ny Lalàn’i Jehovah. (Rom. 2:21-23) Meloka noho ireo zavatra roa ireo ny Israelita. Tena azo lazaina hoe mpanota àry izy ireo satria tsy nanaraka ny fitsipik’Andriamanitra sady tsy nanao ny sitrapony. Tena nanimba ny fifandraisan’izy ireo tamin’ny Mpamorona izany.—Lev. 19:11; 20:10; Rom. 3:20.

17. Inona no hevitra mampahery resahin’ny Romanina?

17 Asehon’ny bokin’ny Romanina àry fa mpanota daholo isika eo anatrehan’ilay Mahery Indrindra. Toa mahakivy izany! Mbola nanohy ny fanazavany anefa i Paoly. Namerina ny tenin’i Davida ao amin’ny Salamo 32:1, 2 izy, ka nilaza hoe: “Sambatra izay voavela ny helony, ary voasarona ny fahotany. Sambatra ny olona izay tsy hisain’i Jehovah mihitsy ny fahotany.” (Rom. 4:7, 8) Nanao zavatra Andriamanitra mba hahazoantsika famelan-keloka, ary mifanaraka amin’ny lalàna marina napetrany ny zavatra nataony.

Vaovao tsara momba an’i Jesosy

18, 19. a) Inona ilay lafiny amin’ny vaovao tsara nasongadin’i Paoly ao amin’ny bokin’ny Romanina? b) Inona no tsy maintsy ekentsika, raha te hahazo ny fitahiana hoentin’ilay Fanjakana isika?

18 Mety hiaiky ianao hoe vaovao tsara tokoa ny hoe nanao zavatra mba hahazoantsika famelan-keloka i Jehovah. Tsara hotadidina anefa fa mifandray amin’ilay vaovao tsara nasongadin’i Paoly ao amin’ny Romanina izany. Hoy izy ao: “Tsy menatra noho ny vaovao tsara aho, fa herin’Andriamanitra izy io ho famonjena izay rehetra mino.”—Rom. 1:15, 16.

19 Ny anjara asan’i Jesosy amin’ny fanatanterahana ny fikasan’Andriamanitra no tena votoatin’io vaovao tsara io. Nilaza i Paoly fa ‘amin’ny alalan’i Kristy Jesosy no hitsaran’Andriamanitra ny zava-miafin’ny olombelona.’ (Rom. 2:16) Tsy midika akory izany hoe nanamaivana ny “fanjakan’i Kristy sy Andriamanitra” i Paoly, na koa hoe nanamaivana izay hataon’Andriamanitra amin’ny alalan’ilay Fanjakana. (Efes. 5:5) Tiany haseho kosa hoe raha te hahazo an’ireo fitahiana hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra isika, dia mila 1) manaiky hoe mpanota isika eo anatrehan’Andriamanitra, ary 2) mahatakatra hoe tena ilaina ny mino an’i Jesosy Kristy mba hahazoana famelan-keloka. Mila mahazo sy manaiky an’ireo zavatra roa ireo ny olona, ary mahatakatra koa hoe manampy azy hanana hoavy tsara ireo. Amin’izay izy vao tena afaka milaza hoe: “Vaovao tsara tokoa izany!”

20, 21. Nahoana isika no mila manampy ny olona hahafantatra an’ilay vaovao tsara nasongadina ao amin’ny Romanina? Ary inona no soa mety ho azon’ny olona avy amin’izany?

20 Tena tokony hanasongadina an’io lafiny iray amin’ny vaovao tsara io isika, rehefa manompo. Niresaka momba an’i Jesosy i Paoly rehefa namerina ny tenin’i Isaia, ka nilaza hoe: “Tsy hisy ho diso fanantenana izay mino azy.” (Rom. 10:11; Isaia 28:16) Raha mahafantatra izay lazain’ny Baiboly momba ny fahotana ny olona iray, dia mety tsy ho vaovao aminy ny hoe tonga hamonjy antsika i Jesosy. Mety ho vaovao amin’ny olona sasany anefa izany, raha tsy mino an’izany ny olona ao amin’ny taniny na tsy mahalala momba izany. Rehefa lasa mino an’Andriamanitra àry ireny olona ireny ary mino ny Soratra Masina, dia tokony hohazavaintsika aminy ny anjara asan’i Jesosy. Mamelabelatra an’io lafiny iray amin’ny vaovao tsara io koa ny Romanina toko faha-5, izay hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka. Tena hanampy anao amin’ny fanompoana io lahatsoratra io.

21 Mahafaly tokoa ny manampy ny olona tso-po hahatakatra an’ilay vaovao tsara averimberina ao amin’ny bokin’ny Romanina, dia ilay vaovao tsara afaka mitondra ‘famonjena ho an’izay rehetra mino.’ (Rom. 1:16) Mahafaly koa ny mahita ny olona mankasitraka ny asantsika, ka miombom-pihetseham-po amin’i Paoly, izay nilaza hoe: “Tsara tarehy erỳ ny tongotr’ireo mitory ny vaovao tsara momba ny zava-tsoa!”—Rom. 10:15; Isaia 52:7.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Misy andininy hafa koa ahitana ny teny hoe “vaovao tsara momba an’i Kristy.”—Mar. 1:1; Asa. 5:42; 1 Kor. 9:12; Fil. 1:27.

Tadidinao Ve?

• Inona no lafiny iray amin’ny vaovao tsara asongadina ao amin’ny Romanina?

• Inona no zavatra tokony ho fantatry ny olona, ka mila ampianarintsika azy?

• Inona no tokony hataontsika mba handraisantsika soa avy amin’ny “vaovao tsara momba an’i Kristy”, ary ahoana no hanampiantsika ny olona mba handray soa avy amin’izany?

[Fanontaniana]

[Teny notsongaina, pejy 8]

Mahakasika ny anjara asan’i Jesosy ao amin’ny fikasan’Andriamanitra ilay vaovao tsara nasongadina ao amin’ny Romanina

[Sary, pejy 9]

Vao teraka isika rehetra dia mpanota, ary mahafaty ny ota