Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Nanana Rameva ve i Abrahama?

Tena Nanana Rameva ve i Abrahama?

Tena Nanana Rameva ve i Abrahama?

MILAZA ny Baiboly fa nomen’i Farao biby fiompy isan-karazany i Abrahama, ka anisan’izany ny rameva. (Gen. 12:16) Tantaraina ao koa fa ‘naka rameva folo tamin’ny ramevan’i Abrahama’ ny mpanompony iray, rehefa nirahiny hanao dia lavitra ho any Mezopotamia. Voalazan’ny Baiboly àry fa nanana rameva i Abrahama, tamin’ny taona 2000 T.K. tany ho any.—Gen. 24:10.

Milaza toy izao anefa ny Baiboly iray misy fanazavana: “Tsy eken’ny manam-pahaizana hoe nanana rameva [i Abrahama], satria mihevitra ny ankamaroan’izy ireo fa tsy tena niompy rameva ny olona raha tsy tamin’ny taona 1200 T.K. tany ho any, izany hoe ela be taorian’ny andron’i Abrahama.” Mihevitra àry izy ireo fa diso ny filazan’ny Baiboly hoe nanana rameva i Abrahama, satria tsy mifanaraka amin’ny zava-misy tamin’ny fotoana niainany, hono, izany.

Milaza kosa ny manam-pahaizana hafa fa na dia mbola tsy zava-dehibe tamin’ny olona aza ny fiompiana rameva, raha tsy tamin’ny taona 1000 T.K. tany ho any, dia tsy midika izany hoe tsy nampiasa rameva izy ireo. Hoy ny boky Kolontsaina Tany Israely sy ny Manodidina Azy (anglisy): “Hita tamin’ny fikarohana vao haingana fa efa nisy niompy rameva tany amin’ny faritra atsimoatsinanan’i Arabia, teo anelanelan’ny taona 3000 [T.K.] sy 2000 [T.K.]. Nompiana izy ireny tamin’ny voalohany mba hakana ronono, hoditra, hena, ary volon-drameva. Azo inoana anefa fa tsy ela tatỳ aoriana, dia hita hoe azo itaterana entana ny rameva.” Hita tamin’ireo taolana sy zavatra hafa hita tany ambanin’ny tany, fa mety ho efa nampiasa rameva mba hitaomana entana ny olona, talohan’ny andron’i Abrahama.

Hoy ihany io boky io: ‘Misy soratra tranainy miresaka momba ny rameva, any Mezopotamia. Ahitana tombo-kase vitsivitsy misy sarina rameva koa any. Rehefa nojerena ireo dia hita fa efa nisy rameva tany, tamin’ny taona 2000 T.K tany ho any’, izany hoe tamin’ny andron’i Abrahama.

Misy manam-pahaizana mino fa nampiasa rameva ireo mpivarotra emboka manitra, mba hitondrany ny entany. Avy any amin’ny faritra atsimon’i Arabia izy ireo, ary namakivaky ny tany efitra ka tonga hatrany Ejipta sy Syria ary tany hafa koa. Nanjary nisy rameva àry tany amin’ireny tany ireny. Azo inoana fa efa betsaka ny mpivarotra toy ireny tamin’ny taona 2000 T.K. Mahaliana fa milaza ny Genesisy 37:25-28 hoe nampiasa rameva ireo mpivarotra ismaelita mba hitondrana zavamaniry fanamboarana emboka manitra nankany Ejipta. Zato taona teo ho eo monja taorian’ny andron’i Abrahama no nitrangan’izany.

Angamba tsy tena nampiasa rameva ny olona tany Israely sy ny manodidina azy, tamin’ny taona 2000 T.K. tany ho any. Tsy hoe tsy nahafantatra rameva mihitsy anefa ny olona tany, araka ny porofo hitantsika teo. Hoy Ny Rakipahalalana Ara-baiboly Iraisam-pirenena (anglisy): ‘Tsy tokony hihevitra isika hoe diso ny resaka momba ny rameva ao amin’ireo tantara voalohandohany ao amin’ny Baiboly. Betsaka mantsy ny zavatra hita tamin’ny fikarohana ambanin’ny tany, manaporofo fa niompy rameva ny olona talohan’ny andron’i Abrahama.’