Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ela ny Ela ka Nandresy ny Vahoakan’i Jehovah!

Ela ny Ela ka Nandresy ny Vahoakan’i Jehovah!

Ela ny Ela ka Nandresy ny Vahoakan’i Jehovah!

NANOMBOKA tamin’ny 1995 ilay ady teny amin’ny fitsarana, ary naharitra 15 taona. Nenjehina foana ireo tena Kristianina tany Rosia nandritra izany fotoana izany. Tapa-kevitra ny mpanohitra fa handrara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah ao Moscou (renivohitr’i Rosia) sy any amin’ny faritra hafa ao Rosia. Novalian’i Jehovah soa anefa ny tsy fivadihan’ireo rahalahy sy anabavy malalantsika any Rosia, ka nomeny fandresena teny amin’ny fitsarana izy ireo. Andeha aloha hojerentsika ny niandohan’ilay ady teny amin’ny fitsarana.

NAHAZO FAHAFAHANA IZY IREO!

Voarara ny asantsika tany Rosia, nanomboka tamin’ny 1917. Nifarana anefa izany tamin’ny 1991, rehefa neken’ny Firaisana Sovietika ho ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah. Rehefa rava ny Firaisana Sovietika, dia nosoratan’ny fitondrana vaovao tany Rosia ho anisan’ny fivavahana ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah. Niaiky ilay fitondrana vaovao fa nanenjika an’ireo rahalahintsika ilay fitondrana teo aloha. Neken’ny Sampan-draharahan’ny Fitsarana ao Moscou ho ara-dalàna koa ny Vavolombelon’i Jehovah ao Moscou, tamin’ny 1993. Nanomboka nanan-kery tamin’io taona io koa ny lalàm-panorenana vaovaon’i Rosia, izay manome toky fa afaka mifidy izay fivavahana tiany ny olona. Tsy mahagaga àry raha nilaza toy izao ny rahalahy iray: ‘Tsy nanampo hahazo an’izao fahafahana izao mihitsy izahay! Efa 50 taona no niandrandranay an’izao!’

Nahay nanararaotra izany fahafahana izany ireo rahalahy sy anabavy tany Rosia, ka nampitombo ny asa fitoriana. (2 Tim. 4:2) Maro ny olona nandray tsara. Nilaza ny vehivavy iray fa “tena liana tamin’ny fivavahana ny olona.” Vetivety dia nitombo ny isan’ny mpitory, sy ny mpisava lalana, ary ny fiangonana. Telonjato teo ho eo ny Vavolombelona tao Moscou tamin’ny 1990, nefa lasa 5 000 mahery tamin’ny 1995. Nampatahotra ny mpanohitra izany, ka nanomboka nanakorontana izy ireo. Nanomboka indray àry ny famelezana ny vahoakan’i Jehovah teny amin’ny fitsarana.

NAMPANGAINA HO MPANAO HELOKA BEVAVA

Tamin’ny Jona 1995 no nisy nametraka fitoriana voalohany. Nisy antokon’olona nihambo ho solontenan’ireo olona manana fianakaviana Vavolombelon’i Jehovah, ary nilaza fa tezitra be ireny fianakaviana ireny rehefa lasa Vavolombelona ny mpianakaviny. Mpanohana ny Eglizy Ortodoksa anefa io antokon’olona io ary niampanga an’ireo rahalahy ho mpanao heloka bevava. Natao ny famotopotorana nanomboka tamin’ny Jona 1996, nefa tsy nisy porofo na dia kely aza hoe nanao ratsy ny Vavolombelona. Inefatra io antokon’olona io no nametraka fitarainana toy izany, ary inefatra koa ilay izy no nanaovana famotopotorana. Tsy nisy porofo mihitsy anefa hoe nanao heloka bevava ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy mampino fa mbola nametraka fitarainana fanindiminy ireo mpanohitra ireo. Mbola tsy nahita porofo ihany anefa ireo mpanao famotorana. Nifarana ny momba an’iny raharaha iny tamin’ny 13 Aprily 1998.

Nisy zavatra hafahafa nitranga anefa taorian’izay. Niaiky ny vehivavy iray solontenan’ny mpampanoa lalàna fa tsy nisy porofo hiampangana ny Vavolombelon’i Jehovah ho nanao heloka bevava. Nilaza anefa izy io fa tokony hatao amin’ny anaran’ny vahoaka indray ny fitoriana. Nilaza izy fa nandika ny lalàm-pirenena sy iraisam-pirenena ny Vavolombelon’i Jehovah ao Moscou. Nanaiky an’ilay fanoloran-kevitra ny mpampanoa lalàna miandraikitra ny faritra avaratr’i Moscou, ka nanao fitoriana tamin’ny anaran’ny vahoaka. * Nanomboka àry ny fitsarana ny 29 Septambra 1998, tao amin’ny Fitsaram-paritr’i Golovinsky, ao Moscou.

NOSOKAFANA TENY AMIN’NY FITSARANA NY BAIBOLY

Tao amin’ny efitra iray tery sy be olona no natao ilay fitsarana. Rtoa Tatyana Kondratyeva no mpampanoa lalàna tao. Nanonona lalàna iray natao sonia tamin’ny 1997 izy, mba hamelezana antsika. Milaza io lalàna io fa ny Ortodoksa, ny Silamo, ny Jodaisma, ary ny Bodisma ihany no fivavahana efa nisy hatry ny ela. * Sahirana be ny fivavahana hafa vao nekena ho ara-dalàna, noho io lalàna io. Azon’ny fitsarana atao koa ny mandrara izay fivavahana mampirongatra fankahalana. Nilaza àry ilay mpampanoa lalàna fa tokony horarana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah, satria mahatonga ny olona hifankahala sady mandrava fianakaviana.

Hoy ny vehivavy iray, mpisolovava miaro ny Vavolombelon’i Jehovah: “Mba lazao eto hoe iza amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah eto Moscou no nanao an’izany.” Tsy afaka nilaza anaran’olona iray akory ilay mpampanoa lalàna. Nilaza anefa izy avy eo fa mampirisika ny olona hankahala olona avy amin’ny fivavahana hafa ny bokintsika. Namaky ampahana lahatsoratra avy tao amin’ny Tilikambo sy Mifohaza! ary bokintsika hafa izy, mba hanaporofoana ny teniny (jereo ny sary etsy ambony). Rehefa nanontaniana izy hoe nahoana ireny boky ireny no miteraka fankahalana, dia namaly izy hoe: “Satria voalaza ao fa ny Vavolombelon’i Jehovah no fivavahana marina.”

Naka Baiboly ny mpisolovava iray hafa, izay rahalahintsika, ary nomeny iray avy ilay mpitsara sy ilay mpampanoa lalàna. Novakiny avy eo ny Efesianina 4:5, manao hoe: “Iray ny Tompo, iray ny finoana, ary iray ny batisa.” Novakina sy niarahana nidinika koa ny andinin-teny toy ny Jaona 17:18 sy ny Jakoba 1:27. Nanontany an’ilay mpampanoa lalàna ny mpitsara avy eo hoe: “Mampirisika ny olona hankahala olona avy amin’ny fivavahana hafa ve ireo andinin-teny ireo?” Namaly ilay mpampanoa lalàna hoe: ‘Tsy tena mahay Baiboly aho.’ Nampiseho bokin’ny Ortodoksa manakiana mafy ny Vavolombelon’i Jehovah ilay mpisolovava avy eo, ary nanontany hoe: “Mandika ny lalàna ve ny zavatra lazain’ity boky ity?” Namaly indray ilay mpampanoa lalàna hoe: “Tsy mahay manazava ny tenin’ny mpitondra fivavahana aho.”

NANDAMÒKA ILAY FITORIANA

Nilaza indray ilay mpampanoa lalàna fa mandrava fianakaviana ny Vavolombelon’i Jehovah, satria tsy mankalaza fety, toy ny Krismasy. Niaiky ihany anefa izy avy eo fa tsy takin’ny lalàna rosianina ny hankalazana ny Krismasy. Manan-tsafidy ny tsirairay, anisan’izany ny Vavolombelon’i Jehovah. Nilaza koa ilay mpampanoa lalàna fa ‘tsy mamela ny ankizy hiala sasatra tsara sy hifalifaly’ ny fivavahantsika. Rehefa nanontaniana anefa izy hoe efa niresaka tamin’ny ankizy zanaka Vavolombelon’i Jehovah ve izy, dia namaly izy fa mbola tsy nanao izany. Nanontanian’ny vehivavy iray mpisolovava koa izy avy eo raha efa nanatrika fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Namaly izy hoe: “Tsy misy ilana izany.”

Naka dokotera mpitsabo aretin-tsaina ilay mpampanoa lalàna avy eo mba hatao vavolombelona. Nilaza ilay dokotera fa miteraka olana ara-tsaina ny famakiana ny bokintsika. Nomarihin’ny mpisolovava iray miaro antsika anefa fa mitovy be amin’ny zavatra nosoratan’ireo Arsevekan’i Moscou ny zavatra nosoratan’ilay dokotera ho an’ny fitsarana. Namaly ilay dokotera fa nadikany fotsiny ny maro amin’ireo zavatra nosoratany. Rehefa nametrahana fanontaniana koa izy, dia niaiky fa mbola tsy nitsabo Vavolombelon’i Jehovah mihitsy. Nisy dokotera hafa mpitsabo aretin-tsaina koa, nijoro avy eo. Nilaza kosa izy io fa efa nandinika Vavolombelon’i Jehovah 100 mahery tao Moscou. Hitany fa salama saina tsara izy ireo, ary nanjary nanaja kokoa ny fivavahana hafa rehefa lasa Vavolombelon’i Jehovah.

NANDRESY SAINGY MBOLA TSY VITA NY ADY

Nanendry manam-pahaizana dimy Rtoa Yelena Prokhorycheva, mpitsara tao amin’ny fitsaram-paritra tao Moscou, tamin’ny 12 Martsa 1999, mba handinika ny bokintsika. Niandry ny valin’izany ny fitsarana. Efa nanendry manam-pahaizana vitsivitsy mba handinika ny bokintsika koa anefa ny Minisiteran’ny Fitsarana tany Rosia talohan’io. Namoaka ny vokatry ny fandinihany ireo manam-pahaizana notendren’ny fitsarana tao Rosia ireo, ny 15 Aprily 1999. Nilaza izy ireo fa tsy nahita na inona na inona mety hampidi-doza tao amin’ny bokintsika. Neken’ny Minisiteran’ny Fitsarana ho ara-dalàna àry ny Vavolombelon’i Jehovah, ny 29 Aprily 1999. Tsy nanaiky an’io fandinihana io anefa ilay fitsaram-paritra. Nilaza izy ireo fa tokony hisy manam-pahaizana hafa handinika an’ireo bokintsika. Tena hafahafa ilay izy: Ny Minisiteran’ny Fitsarana tao Rosia nilaza fa manara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny Sampan-draharahan’ny Fitsarana tao Moscou anefa mbola nampanao fanadihadiana mba hahitana raha nandika lalàna ny Vavolombelon’i Jehovah.

Nitohy indray ny fitsarana tao amin’ilay fitsaram-paritra, roa taona teo ho eo tatỳ aoriana, izany hoe ny 23 Febroary 2001. Nandinika ny tatitra nataon’ireo manam-pahaizana nandinika ny bokintsika ny Mpitsara Yelena Prokhorycheva, ary namoaka didim-pitsarana hoe: “Tsy misy antony tokony hanafoanana na handrarana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Moscou.” Afaka madiodio ihany nony farany ireo rahalahintsika! Nolavin’ilay mpampanoa lalàna anefa ilay didim-pitsarana, ka nampakariny tany amin’ny Fitsaran’i Moscou ilay raharaha. Nofoanan’io fitsarana io ilay didim-pitsarana, telo volana tatỳ aoriana, izany hoe ny 30 Mey 2001. Namoaka didy ilay fitsarana fa haverina ny fitsarana, ka mpitsara hafa no hitsara an’ilay raharaha. Tsy hiova kosa ny mpampanoa lalàna.

RESY, SAINGY TSY NIFARANA TEO

Naverina ny fitsarana tamin’ny 30 Oktobra 2001, ka Rtoa Vera Dubinskaya no mpitsara. * Naverin’ny Rtoa Kondratyeva (mpampanoa lalàna) indray ny fiampangany hoe mampirongatra ny fankahalana ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanampy izy avy eo hoe ho voaro ny zon’ireo Vavolombelona ao Moscou, raha rarana ny fikambanana ara-dalànan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nitsipaka izany avy hatrany ireo Vavolombelona tao Moscou, ka nandefa taratasy tany amin’ny fitsarana mba handavana ny tenin’ilay mpampanoa lalàna. Nanao sonia azy io ireo Vavolombelona 10 000 tao Moscou.

Nilaza ilay mpampanoa lalàna fa tsy mila manome porofo izy hoe nanao ratsy tokoa ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy ny zavatra ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah no nolazainy hoe itsarana azy ireo fa ny bokiny sy ny zavatra inoany. Nilaza izy fa hampiantso mpitondra tenin’ny Eglizy Ortodoksa, hanamarina izany. Mazava araka izany fa ireo mpitondra fivavahana no tena rangory fototry ny afo. Namoaka didy ilay mpitsara tamin’ny 22 Mey 2003, fa hisy manam-pahaizana indray handinika ny bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Nitohy indray ny fitsarana ny 17 Febroary 2004, rehefa vita ilay fandinihana. Nilaza ireo manam-pahaizana fa mampirisika ny olona “hiaro ny fianakaviana sy ny fanambadiana” ny bokintsika. Hitan’izy ireo koa fa “tsy mitombina” ny fiampangana hoe mampirongatra fankahalana ny bokintsika. Niombon-kevitra tamin’izy ireo ny manam-pahaizana hafa. Nanontanian’ilay mpitsara ny lehilahy iray, manam-pahaizana momba ny tantaran’ny fivavahana, hoe: “Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no mitory?” Namaly ilay lehilahy hoe: “Tsy maintsy mitory ny Kristianina. Izany no voalazan’ny Filazantsara, ary io koa no asa nanirahan’i Kristy ny mpianany hoe ‘mandehana mitory any amin’ny firenena rehetra.’ ” Na dia teo aza izany rehetra izany, dia namoaka didy nandrara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah ao Moscou ilay mpitsara, ny 26 Martsa 2004. Nanamafy an’io didy io ny Fitsaran’i Moscou, ny 16 Jona 2004. * Nilaza toy izao ny Vavolombelona iray efa ela: “Noterena tsy hino an’Andriamanitra ny Rosianina, tamin’ny andron’ny Firaisana Sovietika. Terena ho Ortodoksa kosa izy ireo izao.”

Ahoana àry no nataon’ny vahoakan’i Jehovah? Nanao toa an’i Nehemia izy ireo. Tsy natahotra i Nehemia, rehefa nanohitra ny ezaka nataony ny fahavalo, tamin’izy nanorina indray ny mandan’i Jerosalema. Tsy nanaiky ho voahelingelina izy sy ny vahoaka niaraka taminy. Notohizin’izy ireo foana ilay fanorenana ary “niasa tamin’ny fony” izy ireo. (Neh. 4:1-6) Toy izany koa ireo rahalahintsika tao Moscou. Tsy nanaiky ho voahelingelin’ny mpanohitra izy ireo, fa nanohy an’ilay asa tsy maintsy vitaina ankehitriny, dia ny fitoriana ny vaovao tsara. (1 Pet. 4:12, 16) Natoky izy ireo fa hiaro azy ireo i Jehovah. Mbola vonona koa izy ireo hanohy ny ady teny amin’ny fitsarana.

NITOMBO NY HETRAKETRAKA

Nanoratra taratasy tany amin’i Vladimir Poutine, filoham-pirenen’i Rosia tamin’izany, ireo rahalahintsika, tamin’ny 25 Aogositra 2004. Nolazain’izy ireo tao ny fanahiany momba an’ilay fandrarana. Olona 315 000 mahery no nanao sonia an’ilay izy ary nahafeno boky 76 izany. Nampiseho izay tena tao am-pony koa ireo mpitondra fivavahana ortodoksa, nandritra izany. Hoy ny solontenan’ireo Arsevekan’i Moscou: “Manohitra tanteraka ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah izahay.” Nilaza koa ny mpitondra fivavahana silamo iray hoe “tena tsara” ny nandrarana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary “dingana lehibe teo amin’ny tantara” izany.

Nino ny lainga niampangana ny Vavolombelon’i Jehovah ny olona sasany tany Rosia, ka nanomboka nanenjika azy ireo. Nisy nandaka sy namely totohondry ny Vavolombelona sasany nitory tao Moscou. Tezitra be, ohatra, ny lehilahy iray ka noroahiny ny anabavintsika iray. Nodakany mafy be ny lamosin’ilay anabavy, ka niankarapoka tamin’ny tany izy ary voadona ny lohany. Nila fitsaboana izy vokatr’izany. Tsy nanao na inona na inona tamin’ilay namely azy anefa ny polisy. Ny Vavolombelona hafa aza nosamborin’ny polisy, nentina toy ny mpanao heloka bevava, ary tonga dia nampidiriny am-ponja. Norahonana koa ireo tompon’andraikitra mampanofa trano fivoriana hoe hesorina amin’ny asany raha mbola manome trano ho an’ny Vavolombelona. Maro àry ny fiangonana tsy nanana trano fivoriana intsony. Efitrano Fanjakana efatra monja no tao amin’ny toerana iray, nefa fiangonana 40 no tsy maintsy nampiasa azy. Tsy maintsy niditra tamin’ny 7.30 maraina ny fiangonana iray tamin’izy ireo, rehefa nanao Fivoriana ho An’ny Besinimaro. Hoy ny mpiandraikitra mpitety faritany iray: ‘Tsy maintsy nifoha maraina ireo mpitory mba hahafahana manatrika fivoriana. Nazoto nanao izany anefa izy ireo nandritra ny herintaona mahery.’

“VAVOLOMBELONA” AMIN’NY OLONA REHETRA

Nampiakatra an’ilay raharaha tany amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona ny mpisolovavan’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny Desambra 2004, mba hanaporofoana fa tsy ara-dalàna ilay fandrarana. (Jereo ilay hoe “Nahoana no Nodinihina Tany Frantsa Ilay Didim-pitsarana Tany Rosia?”, eo amin’ny pejy 6.) Nandinika ny fiampangana rehetra natao tamintsika io fitsarana io, ka nahita fa tsy misy mitombina izy ireny. Namoaka didy manome rariny ny Vavolombelon’i Jehovah àry izy io ny 10 Jona 2010, izany hoe enin-taona tatỳ aoriana. * Nilaza koa ilay fitsarana fa tsy maintsy manala an’ilay fandrarana ny fitondrana rosianina, ary tokony hanao izay rehetra azo atao mba hanonerana ny ratsy rehetra natao tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah.—Jereo ilay hoe “Didy Navoakan’ilay Fitsarana”, eo amin’ny pejy 8.

Nilaza ilay Fitsarana Eoropeanina fa miaro ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Fifanarahana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona. Tsy any Rosia ihany no mihatra io fifanarahana io, fa any amin’ny firenena 46 hafa anisan’ny Filan-kevitra Eoropeanina. Ho liana amin’io didim-pitsarana io ireo mpitsara sy mpanao lalàna ary olona maro eran-tany mandinika momba ny zon’olombelona. Nahoana? Satria rehefa nanonona an’ilay didim-pitsarana ireo mpitsara tao amin’ny Fitsarana Eoropeanina, dia tsy ireo didim-pitsarana valo noraisin’izy ireo teo aloha, manome rariny ny Vavolombelon’i Jehovah, ihany no noresahiny. Nohazavain’izy ireo koa ny fandresena sivy azon’ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny fitsarana tampony tany Afrika Atsimo, Arzantina, Espaina, Etazonia, Japon, Kanada, Rosia, ary Royaume-Uni. Afaka mampiasa an’io didy navoakan’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona io izao ny Vavolombelona eran-tany, mba hiarovana ny fivavahany.

Hoy i Jesosy tamin’ny mpanara-dia azy: “Hotaritarihina hankeo anatrehan’ny governora sy ny mpanjaka ianareo noho ny amiko, ka izany dia ho vavolombelona aminy sy amin’ireo firenena.” (Mat. 10:18) Nihamaro hatrany ny olona nahafantatra ny anaran’i Jehovah tany Moscou sy tany amin’ny faritra hafa any Rosia, noho ilay ady teny amin’ny fitsarana, naharitra 15 taona. Lasa “vavolombelona” tamin’ny olona rehetra ny zava-nitranga nandritra ny fitsarana, ka fitoriana vita ho azy. “Nampandroso ny vaovao tsara” koa izany. (Fil. 1:12) Rehefa mitory izao ny Vavolombelon’i Jehovah, dia betsaka no manontany hoe: “Fa angaha moa tsy norarana ny asanareo?” Afaka manazava bebe kokoa momba ny zavatra inoantsika ny mpitory, rehefa mitranga izany. Mazava àry fa tsy misy mahavita mampitsahatra ny asa fitoriana. Mivavaka isika mba hotahin’i Jehovah sy hampiany hatrany ireo rahalahy sy anabavintsika be herim-po any Rosia.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Tamin’ny 20 Aprily 1998 io fitarainana io. Nanamafy anefa i Rosia tapa-bolana taorian’izay, izany hoe ny 5 Mey, fa ekeny ny Fifanarahana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona.

^ feh. 10 Milaza ny gazety navoakan’ny Fampahalalam-baovao Mitambatra tamin’ny 25 Jona 1999, fa tian’ny Eglizy Ortodoksa horarana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ka notereny hanoratra an’io lalàna io ny fitondrana rosianina.

^ feh. 20 Mahatsikaiky fa nitsingerina tamin’io daty io ny fahafolo taona nieken’ny fitondrana rosianina fa tsy nety ny nataon’ny Firaisana Sovietika nampijaly ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 22 Noravana ny fikambanana nampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah tao Moscou, vokatr’io didy io. Nihevitra àry ireo mpanohitra fa tsy hitory ny vaovao tsara intsony ireo rahalahintsika.

^ feh. 28 Tsy nanaiky izany ny fitondrana rosianina, ka nampakatra an’ilay raharaha tany amin’ny Filan-kevitra Ambony Indrindra Amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona, ny 22 Novambra 2010. Nolavin’ireo mpitsara dimy anisan’ilay filan-kevitra anefa izany. Ilay didim-pitsarana tamin’ny 10 Jona 2010 àry no didim-pitsarana farany sy manan-kery.

[Efajoro/Sary, pejy 6]

Nahoana no Nodinihina Tany Frantsa Ilay Didim-pitsarana Tany Rosia?

Nanao sonia ny Fifanarahana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona i Rosia, ny 28 Febroary 1996. (Nohamafisin’izy ireo ny fanekeny an’io fifanarahana io, ny 5 Mey 1998.) Izay manao sonia azy io dia manaiky, fa ny olom-pireneny dia:

‘manana zo hifidy malalaka izay fivavahana tiany sady afaka manao izay takin’ny fivavahany na ao an-trano na ampahibemaso. Manana zo hiova fivavahana koa izy ireo.’—Andininy Faha-9.

‘manana zo hilaza sy hanoratra izay eritreretiny, nefa tokony hataony amim-pahendrena izany. Afaka maneho ny heviny amin’ny hafa koa izy ireo.’—Andininy Faha-10.

‘manana zo hivory, raha tsy manana endrika fanakorontanana ilay izy.’ —Andininy Faha-11.

Mety hisy olona na fikambanana mahatsapa hoe voahitsakitsaka ny zony voalazan’ilay fifanarahana. Inona no azony atao raha efa nampandalovina tany amin’ny fitsarana rehetra ao amin’ny taniny ilay raharaha, nefa hitany hoe mbola tsy voalamina? Azony atao ny mampakatra an’ilay izy any amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona, any Strasbourg, any Frantsa (aseho eo amin’ny sary). Misy mpitsara 47 ao amin’izy io, satria firenena 47 no nanao sonia an’ilay fifanarahana. Tsy maintsy manaiky ny didy avoakan’io fitsarana io ireo firenena nanao sonia an’ilay fifanarahana.

[Efajoro, pejy 8]

Didy Navoakan’ilay Fitsarana

Misy ampahana fanazavana tao amin’ilay didy navoakan’ny Fitsarana Eoropeanina ireto.

Nilaza ny fiampangana iray fa mandrava fianakaviana ny Vavolombelon’i Jehovah. Nitsipaka izany ilay fitsarana, ka nilaza hoe:

“Manan-jo hanaraka izay fivavahana tiany ny tsirairay, ary afaka maneho ny finoany ampahibemaso. Misy fianakavian’ireo Vavolombelon’i Jehovah anefa tsy manaja izany zo izany, ka izay no mahatonga ilay tsy fifanarahana.”—Fehintsoratra Faha-111.

Nisy fiampangana koa nilaza fa mampiasa fomba an-kolaka hanerena olona hanaraka ny heviny ny Vavolombelon’i Jehovah, ka voahitsakitsaka ny zo hanaraka ny feon’ny fieritreretana. Tsy nahita porofo momba izany ilay fitsarana. Izao no nolazainy:

‘Tsy nanome anaran’olona iray akory niharan’izany ny fitsarana rosianina. Tena hafahafa aminay izany.’—Fehintsoratra Faha-129.

Nisy fiampangana iray koa nilaza fa manimba ny fahasalaman’ny mpivavaka ao aminy ny Vavolombelon’i Jehovah satria tsy manaiky fampidiran-dra. Nitsipaka izany koa ilay fitsarana, ka nilaza hoe:

“Manana zo hanaiky na handa fitsaboana iray ny olona. Afaka mifidy izay karazana fitsaboana tiany koa izy. Fanajana ny zony hahaleo tena sy hanapa-kevitra samirery izany. Afaka misafidy ny olon-dehibe salama saina na hanaiky fandidiana na fitsaboana iray izy, na tsia. Afaka misafidy koa izy raha hampidiran-dra na tsia.”—Fehintsoratra Faha-136.