Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Gazety Fianarana Amin’ny Teny Anglisy Notsorina

Gazety Fianarana Amin’ny Teny Anglisy Notsorina

Gazety Fianarana Amin’ny Teny Anglisy Notsorina

FALY izahay mampahafantatra anareo fa hamoaka gazety fianarana amin’ny teny anglisy notsorina izahay, manomboka amin’ity volana ity. Hiara-mivoaka amin’ny gazety fianarana mahazatra izy io, isam-bolana, ary andrana ihany aloha no hatao mandritra ny herintaona. Ho hita ao ny lahatsoratra fianarana rehetra. Hesorina kosa ny lahatsoratra tsy ianarana sasany, raha tsy ampy ny toerana. Mino izahay fa hahazo izay tena ilainy eo amin’ny lafiny ara-panahy ny Vavolombelon’i Jehovah maro, noho io gazety anglisy notsorina io. Nahoana?

Ny teny anglisy no ampiasain’ireo rahalahy any amin’ireo firenena toa an’i Fidji, Ghana, Kenya, Liberia, Nizeria, Nosy Salomon, ary Papouasie-Nouvelle-Guinée. Marina fa mampiasa ny fitenin-drazany izy ireny, kanefa ny teny anglisy no tena ampiasainy rehefa mivory sy mitory. Tsotra noho ny teny anglisy ao amin’ireo boky sy gazetintsika anefa ny teny anglisy ampiasain’izy ireo. Nifindra monina koa ny vahoakan’i Jehovah sasany, ka tsy maintsy mampiasa ny teny anglisy izy ireo any amin’ny firenena ifindrany. Voafetra anefa ny fahaizan’ny sasany an’ilay fiteny, ary mety tsy ho afaka hanatrika fivoriana amin’ny tenin-drazany izy ireo, any amin’ilay firenena.

Ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana isan-kerinandro no fomba lehibe indrindra anomezana sakafo ara-panahy ho antsika. Navoaka àry ny gazety fianarana amin’ny teny anglisy notsorina, mba handray soa ny mpanatrika rehetra. Voambolana sy fehezanteny tsotra no ampiasaina ao amin’ilay gazety. Tsy mitovy ny fonon’ny gazety mahazatra sy ny gazety notsorina. Ahoana kosa ny lahatsoratra ianarana? Mitovy ny toeran’ny lohatenikely, ny fehintsoratra, ny fanontaniana ho famerenana, ary ny sary ao amin’ny gazety mahazatra sy gazety notsorina. Afaka mifidy an’izay gazety tiany hanarahana an’ilay fianarana àry izay rehetra mampiasa teny anglisy, ary afaka mandray anjara amin’ilay fianarana. Misy efajoro eo ambany, mampiseho ny tsy fitovian’ilay gazety mahazatra sy ilay gazety notsorina. Fehintsoratra faharoa ao amin’ilay lahatsoratra fianarana voalohany izy io.

Mino izahay fa ho voavaly ny vavaky ny Kristianina maro, noho io gazety anglisy notsorina io. Maro mantsy no nivavaka mba hahazo tsara ny tenin’i Jehovah sy ny didiny. (Sal. 119:73) Matoky izahay fa ho afaka hanomana tsara kokoa ny Fianarana Tilikambo ireo olona mampiasa teny anglisy, nefa tsy mahay tsara azy io. Toy izany koa ireo ankizy miteny anglisy. Isaorantsika i Jehovah satria ‘tia ny rahalahy rehetra ao amin’ny finoana’, ka mampiasa ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” mba hanomezana sakafo ara-panahy tondraka.—1 Pet. 2:17; Mat. 24:45.

Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah