Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Atao hoe Fitsaharan’Andriamanitra?

Inona no Atao hoe Fitsaharan’Andriamanitra?

Inona no Atao hoe Fitsaharan’Andriamanitra?

“Mbola misy sabata fitsaharana ho an’ny olon’Andriamanitra.”—HEB. 4:9.

1, 2. Inona no azo lazaina momba ny andro fahafito, rehefa dinihina ny Genesisy 2:1-3? Inona no fanontaniana hovaliantsika?

HITANTSIKA ao amin’ny Genesisy toko voalohany fa enina andro no nanomanan’Andriamanitra ny tany mba honenan’ny olona. Tsy andro ara-bakiteny ireo andro ireo, fa vanim-potoana maharitra ela. Voamarika fa isaky ny nifarana ny andro tsirairay tamin’ireo andro enina ireo, dia nilaza ny Baiboly hoe: “Dia nisy hariva, ary nisy maraina.” (Gen. 1:5, 8, 13, 19, 23, 31) Tsy misy an’ireo teny ireo anefa ao amin’ny Genesisy 2:1-3, izay mitantara momba ny andro fahafito. Nahoana?

2 Mbola tsy nifarana ny andro fahafito, tamin’i Mosesy nanoratra ny Genesisy, tamin’ny taona 1513 T.K. Midika izany fa mbola tsy nifarana ny “andro” fitsaharan’Andriamanitra tamin’izay. Nitsahatra tsy namorona zavatra momba ny tany izy tamin’io andro fitsaharany io, ary nanomboka nanatanteraka ny fikasany momba ny tany. Mbola mitohy hatramin’izao ve anefa ilay andro fitsaharana? Raha eny, ahoana no ahafahantsika ‘miditra amin’io fitsaharany io’? Tena zava-dehibe ny ahafantarantsika ny valin’ireo.

Mbola andro fitsaharan’Andriamanitra ve izao?

3. Araka ny Jaona 5:16, 17, inona no mampiseho fa mbola tsy nifarana ny andro fitsaharan’Andriamanitra, tamin’ny andron’i Jesosy?

3 Misy porofo roa ahafahantsika milaza fa mbola nitohy ny andro fahafito tamin’ny andron’i Jesosy sy ireo Kristianina voalohany. Voalohany, diniho ny tenin’i Jesosy rehefa nisy nanakiana azy, noho izy nanasitrana tamin’ny Sabata. Hoy izy: “Ny Raiko tsy mitsahatra miasa mandraka ankehitriny, ary izaho koa tsy mitsahatra miasa.” (Jaona 5:16, 17) Izao no tian’i Jesosy holazaina: Mitovy ny asan’izy sy ny Rainy. Tsy mitsahatra miasa ny Rainy, izay mbola ao anatin’ny Sabatany maharitra an’arivony taona. Mahazo miasa koa àry izy, na dia ao anatin’ny andro sabata aza. Hita amin’izany fa mbola niasa nanatanteraka ny fikasany momba ny tany i Jehovah, tamin’i Jesosy tetỳ an-tany. Mbola tsy nifarana àry ny andro fahafito tamin’izay. *

4. Inona no manaporofo fa mbola nitohy tamin’ny andron’i Paoly ilay andro fahafito?

4 Ny teny nosoratan’ny apostoly Paoly no porofo faharoa. Niresaka momba ny fitsaharan’Andriamanitra resahina ao amin’ny Genesisy 2:2 izy, rehefa nilaza hoe: “Isika izay mino no tena miditra amin’ilay fitsaharana.” (Heb. 4:3, 4, 6, 9) Mbola nitohy tamin’ny andron’i Paoly àry ilay andro fitsaharan’Andriamanitra. Haharitra mandra-pahoviana anefa izy io?

5. Inona no tian’Andriamanitra hotanterahina mandritra ny andro fahafito, ary rahoviana no ho tanteraka izany?

5 Tokony hotadidintsika aloha hoe inona no tian’Andriamanitra hotanterahina mandritra an’io andro fitsaharany io. Hoy ny Genesisy 2:3: “Nitahy ny andro fahafito Andriamanitra ka nanamasina azy io.” “Nanamasina” an’io andro io i Jehovah, izany hoe nanokana azy io mba hanatanterahany ny fikasany. Ny fikasany dia ny hoe lehilahy sy vehivavy mankatò azy no honina eto an-tany, ary hikarakara ny tany sy ny zavaboary eo aminy. (Gen. 1:28) “Tsy mitsahatra miasa mandraka ankehitriny” i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy, ilay “Tompon’ny sabata”, mba hahatanterahana an’io fikasana io. (Mat. 12:8) Hitohy àry ny andro fitsaharan’Andriamanitra, mandra-pahatanterak’io fikasana io, amin’ny faran’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy.

Tandremo sao lasa tsy mankatò

6. Iza avy no tsy tokony hotahafintsika, ary inona no lesona tsoahantsika avy amin’ny nataon’izy ireo?

6 Nolazain’Andriamanitra tamin’i Adama sy Eva ny fikasany momba ny tany, nefa tsy nanao izay hahatanteraka izany izy ireo. Tsy nankatò izy ireo, ary nisy olon-kafa an-tapitrisany koa nanao toa azy. Lasa zatra tsy nankatò an’Andriamanitra, na dia ny Israelita vahoaka voafidiny aza. Ary ahoana ny amin’ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany? Nampitandrina azy ireo i Paoly fa mety hanjary tsy hankatò toa an’ireo Israelita koa izy ireo. Hoy izy: “Koa aoka isika hanao izay rehetra azontsika atao mba hidirana amin’izany fitsaharana izany, sao hisy amintsika koa ho latsaka ao amin’ny tsy fankatoavana mitovy amin’izany.” (Heb. 4:11) Tsy afaka niditra amin’ny fitsaharan’Andriamanitra àry ny Kristianina voalohany raha tsy nankatò. Ahoana kosa ny amintsika? Ho afaka hiditra amin’ny fitsaharan’Andriamanitra ve isika, raha manao zavatra mifanohitra amin’ny fikasan’Andriamanitra? Tena ilaina ny valin’izany, ka horesahintsika ato amin’ity lahatsoratra ity. Hodinihintsika anefa aloha hoe inona no zava-dratsy nataon’ny Israelita, ary nahoana izy ireo no tsy tafiditra amin’ny fitsaharan’Andriamanitra.

“Tsy hiditra amin’ny fitsaharako ireo”

7. Nahoana i Jehovah no nanafaka ny Israelita avy tany Ejipta, ary inona no notakina tamin’izy ireo?

7 Nilaza toy izao tamin’i Mosesy i Jehovah, tamin’ny 1513 T.K.: “Hidina aho hanafaka [ny Israelita] eo an-tanan’ny Ejipsianina, ka hitondra azy hiala amin’izany tany izany mba hiakatra ho any amin’ny tany soa sady malalaka, dia tany tondra-dronono sy tantely.” (Eks. 3:8) Nahoana i Jehovah no nanafaka an’ireo Israelita ‘teo an-tanan’ny Ejipsianina’? Mba hahatonga azy ireo ho vahoakany, araka ny efa nampanantenainy an’i Abrahama. (Gen. 22:17) Nomeny fehezan-dalàna ny Israelita, mba hanampiana azy ireo hifandray tsara aminy. (Isaia 48:17, 18) Hoy izy tamin’izy ireo: “Raha mankatò an-tsakany sy an-davany ny teniko ianareo ka tena manaja ny fifanekena hataoko aminareo [voalaza ao amin’ny Lalàna], dia ho fananako manokana fidiko avy amin’ny firenena hafa rehetra tokoa ianareo, satria ahy ny tany manontolo.” (Eks. 19:5, 6) Tsy maintsy nankatò ny Lalàn’Andriamanitra àry ny Israelita, mba haneken’i Jehovah azy ho vahoakany.

8. Ho nanao ahoana ny fiainan’ny Israelita raha nankatò an’Andriamanitra izy ireo?

8 Eritrereto ange ny fitahiana niandry ny Israelita raha nankatò e. Nampanantena i Jehovah fa hataony mamokatra ny sahany sy ny tanimboalobony, ary hampitomboiny ny biby fiompiny. Harovany amin’ny fahavalo izy ireo. (Vakio ny 1 Mpanjaka 10:23-27.) Ho firenena mahaleo tena izy ireo, fa tsy hijaly eo ambany fifehezan’ny Romanina, toy izay nitranga tamin’ny andron’i Jesosy. Ho modely ho an’ny firenen-kafa koa izy ireo, ka ho hitan’ireny firenena ireny fa hahazo fitahiana ny olona mankatò an’Andriamanitra.

9, 10. Ho nanao ahoana ny fikasan’Andriamanitra momba ny Israelita, raha niverina tany Ejipta izy ireo? Nahoana?

9 Nanana tombontsoa manokana ny Israelita, satria izy ireo no nofidin’i Jehovah hampiasaina mba hanatanterahana ny fikasany. Afaka ny hahazo fitahiana izy ireo, sady ho afaka hitondra fitahiana ho an’ny fianakaviana rehetra eto an-tany. (Gen. 22:18) Nohamaivanin’ny Israelita anefa ny tombontsoany ho vahoakan’Andriamanitra sy ho modely ho an’ny firenen-kafa. Nangataka ny hiverina tany Ejipta mihitsy aza izy ireo. (Vakio ny Nomery 14:2-4.) Hanao ahoana anefa ny fikasan’Andriamanitra momba azy ireo, raha miverina any izy ireo? Tsy ho tanteraka, satria tsy afaka ny ho modely ho an’ny firenen-kafa izy ireo. Ho lasa andevo indray mantsy ny Israelita, ka tsy ho afaka hankatò ny Lalàn’Andriamanitra, sady tsy ho afaka hahazo famelan-keloka. Tsy nieritreritra afa-tsy ny tenany tokoa izy ireo, fa tsy mba nihevitra an’Andriamanitra sy ny fikasany. Hoy àry i Jehovah: ‘Nahatsapa rikoriko tamin’ity taranaka ity aho, ka nilaza hoe: “Olona maniasia ao am-pony foana ireo, ary tsy mahalala ny lalako.” Koa nianiana tamin-katezerana aho hoe: “Tsy hiditra amin’ny fitsaharako ireo.” ’—Heb. 3:10, 11; Sal. 95:10, 11.

10 Tsy nankasitraka ny fitahiana ara-panahy noraisiny ireo Israelita tsy nankatò, matoa naniry hiverina tany Ejipta. Tian’izy ireo kokoa ny poarô, sy ny tongolobe, ary ny tongolo lain’i Ejipta. (Nom. 11:5) Nitovy tamin’i Esao izy ireo, izay nanamaivana ny zon’ny lahimatoa ka nanakalo izany tamin’ny sakafo indray mihinana.—Gen. 25:30-32; Heb. 12:16.

11. Na dia tsy nanam-pinoana aza ny Israelita tamin’ny andron’i Mosesy, nanova ny fikasan’Andriamanitra ve izany?

11 Marina fa tsy nanam-pinoana ireo Israelita nafahana tany Ejipta, nefa tsy nanova ny fikasan’i Jehovah momba an’ilay firenena izany. Nifantoka tamin’ny zanak’izy ireo indray izy. Nankatò kokoa ireo zanaka ireo, raha oharina tamin’ny ray aman-dreniny. Nankatò ny baiko nomen’i Jehovah izy ireo, ka niditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina, ary nanomboka nandresy an’ireo firenena tao. Hoy ny Josoa 24:31: “Nanompo an’i Jehovah foana ny Israely nandritra ny androm-piainan’i Josoa sy ireo anti-panahy, izay mbola velona taorian’i Josoa sady efa nahafantatra ny asa rehetra nataon’i Jehovah ho an’ny Israely.”

12. Inona no mampiseho fa afaka miditra amin’ny fitsaharan’Andriamanitra ny Kristianina ankehitriny?

12 Nihantitra anefa ireo Israelita nankatò ireo ka maty. “Tsy nahalala an’i Jehovah sy tsy nahalala ny asa nataony ho an’ny Israely” ny taranaka nandimby azy ireo. “Nanjary nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah ny zanak’Israely, sady nanompo an’ireo Bala.” (Mpits. 2:10, 11) Tsy nihavana tamin’Andriamanitra ireo Israelita ireo, satria tsy nankatò azy. Tsy “toeram-pitsaharana” ho azy ireo àry ny Tany Nampanantenaina. Hoy i Paoly momba azy ireo: “Raha nentin’i Josoa tany amin’ny toeram-pitsaharana tokoa izy ireo, dia tsy ho niresaka andro iray hafa Andriamanitra taorian’izany.” Hoy i Paoly avy eo: “Koa mbola misy sabata fitsaharana ho an’ny olon’Andriamanitra.” (Heb. 4:8, 9) Ny Kristianina no lazain’i Paoly hoe “olon’Andriamanitra” eo. Midika izany fa afaka miditra amin’ny fitsaharan’Andriamanitra ny Kristianina, na Jiosy izy na tsy Jiosy.

Tsy niditra tamin’ny fitsaharan’Andriamanitra ny Kristianina sasany

13, 14. a) Inona no tsy maintsy nataon’ny Israelita tamin’ny andron’i Mosesy, mba hidirana amin’ny fitsaharan’Andriamanitra? b) Inona no tsy maintsy ataon’ny Kristianina, raha te hiditra amin’ny fitsaharan’Andriamanitra?

13 Nanoratra ho an’ny Kristianina hebreo, izany hoe ho an’ny Kristianina jiosy, i Paoly, satria nanao zavatra nifanohitra tamin’ny fikasan’Andriamanitra ny sasany tamin’izy ireo. (Vakio ny Hebreo 4:1.) Mbola nankatò ny zavatra sasany voalazan’ny Lalàn’i Mosesy ihany mantsy izy ireo. Marina fa tsy maintsy nankatò an’io Lalàna io ny Israelita nandritra ny 1 500 taona tany ho any, raha tian’izy ireo ny hiaina mifanaraka amin’ny fikasan’Andriamanitra. Tsy nila nitandrina azy io intsony anefa izy ireo, taorian’ny nahafatesan’i Jesosy. Tsy nahatakatra an’izany ny Kristianina sasany, ka nanizingizina fa tokony mbola harahina ny zavatra sasany takin’ny Lalàna. *

14 Nohazavain’i Paoly tamin’ireo Kristianina hebreo mbola nitandrina ny Lalàna, fa tsara lavitra noho ny mpisoronabe sy ny fifanekena ary ny tempoly fahiny, ilay Mpisoronabe ankehitriny sy ny fifanekena vaovao ary ny tempoly ara-panahy. (Heb. 7:26-28; 8:7-10; 9:11, 12) Nampiasa ny Lalàn’i Mosesy momba ny Sabata i Paoly, mba hanazavana hoe inona no tokony hataon’ny Kristianina mba hidirana amin’ny fitsaharan’i Jehovah. Hoy izy: “Mbola misy sabata fitsaharana ho an’ny olon’Andriamanitra. Fa izay olona niditra tamin’ny fitsaharan’Andriamanitra dia nitsahatra tamin’ny asany koa, tahaka ny nitsaharan’Andriamanitra tamin’ny asany.” (Heb. 4:8-10) Tsy tokony hieritreritra intsony ny Kristianina hebreo hoe ny fanaovana ‘asa’ mifanaraka amin’ny Lalàn’i Mosesy no ahazoana sitraka amin’Andriamanitra. Ny finoana an’i Jesosy Kristy mantsy no ahazoana sitraka amin’Andriamanitra, nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33. Fanomezana maimaim-poana izany.

15. Inona no mampiseho fa tena ilaina ny mankatò raha tiantsika ny hiditra amin’ny fitsaharan’Andriamanitra?

15 Nahoana no tsy tafiditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina ireo Israelita tamin’ny andron’i Mosesy? Satria tsy nankatò an’i Jehovah izy ireo. Nahoana no tsy tafiditra amin’ny fitsaharan’Andriamanitra ny Kristianina sasany tamin’ny andron’i Paoly? Satria tsy nankatò koa izy ireo. Tsy neken’izy ireo ny hoe tsy ny Lalàn’i Mosesy intsony no asain’i Jehovah tandreman’ny mpanompony fa zavatra hafa indray.

Ahoana no hidirantsika amin’ny fitsaharan’Andriamanitra?

16, 17. a) Inona no tokony hataon’ny Kristianina mba hidirana amin’ny fitsaharan’Andriamanitra? b) Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

16 Tsy misy amintsika mieritreritra hoe tokony hankatò ny Lalàn’i Mosesy izay olona te ho voavonjy. Mazava ny tenin’i Paoly tamin’ny Efesianina hoe: “Izany hatsaram-panahy tsy manam-paharoa izany tokoa no namonjena anareo, noho ny finoanareo. Ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezan’Andriamanitra. Tsia, tsy avy amin’izay atao izany, mba tsy hisy hanana antony hireharehana.” (Efes. 2:8, 9) Inona anefa no tokony hataon’ny Kristianina mba hidirana amin’ny fitsaharan’Andriamanitra? Tadidio fa natokan’Andriamanitra mba hanatanterahana ny fikasany momba ny tany ny andro fahafito. Mampiasa ny fandaminany izy mba hanoro antsika ny fikasany sy izay tokony hataontsika mifandray amin’io fikasany io. Ho tafiditra amin’ny fitsaharan’i Jehovah àry isika raha manao zavatra mifanaraka amin’ny fikasany, ka mankatò Azy sy ny fandaminany.

17 Manao zavatra mifanohitra amin’ny fikasany kosa isika, raha tsy mankatò ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina fa manao izay heverintsika fa mety fotsiny. Hanimba ny fihavanantsika amin’i Jehovah izany. Misy toe-javatra vitsivitsy horesahina ao amin’ny lahatsoratra manaraka. Tena ilaintsika ny mandinika azy ireo satria raha mankatò an’Andriamanitra isika amin’ireo toe-javatra ireo, dia midika izany fa efa niditra amin’ny fitsaharan’Andriamanitra isika.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Niasa tao amin’ny tempoly ireo mpisorona sy Levita, tamin’ny andro Sabata, ary tsy nomelohin’ny Lalàn’i Mosesy izany. Nofidin’Andriamanitra ho Mpisoronabe koa i Jesosy, ka tsy diso izy raha nanao ny asa nampanaovin’Andriamanitra azy, tamin’ny andro Sabata.—Mat. 12:5, 6.

^ feh. 13 Tsy fantatsika hoe mbola nanaraka izay voalazan’ny Lalàna momba ny Andro Fandrakofam-pahotana ve ny Kristianina jiosy sasany, taorian’ny Pentekosta taona 33. Tsy nanaja ny soron’i Jesosy mantsy izay nanao izany. Ny azo antoka anefa dia hoe nisy Kristianina jiosy sasany nanaraka fomba amam-panao hafa ankoatra an’io, tao amin’ny Lalàn’i Mosesy.—Gal. 4:9-11.

Fanontaniana Hosaintsainina

• Inona no tian’Andriamanitra hotanterahina amin’ny andro fitsaharany?

• Inona no porofo fa mbola ao anatin’ny andro fahafito isika ankehitriny?

• Nahoana ny Israelita tamin’ny andron’i Mosesy sy ny Kristianina sasany tamin’ny andron’i Paoly no tsy tafiditra amin’ny fitsaharan’Andriamanitra?

• Inona no tokony hataontsika mba hidirana amin’ny fitsaharan’Andriamanitra?

[Fanontaniana]

[Teny notsongaina, pejy 27]

Ho tafiditra amin’ny fitsaharan’i Jehovah isika raha manao zavatra mifanaraka amin’ny fikasany, ka mankatò Azy sy ny fandaminany

[Sary, pejy 26]

Inona foana hatramin’izay no takina amin’izay te hiditra amin’ny fitsaharan’Andriamanitra?