Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manaraka ny Tari-dalan’i Jehovah ve Ianao?

Manaraka ny Tari-dalan’i Jehovah ve Ianao?

Manaraka ny Tari-dalan’i Jehovah ve Ianao?

“Halako ny lalan-diso rehetra.”—SAL. 119:128.

1, 2. a) Inona no fampitandremana tianao holazain’ny olona aminao, raha manontany lalana aminy ianao? Nahoana ianao no mila izany fampitandremana izany? b) Mampitandrina antsika momba ny inona i Jehovah, ary inona no mahatonga azy hanao izany?

ERITRERETO hoe te ho any amin’ny toerana iray ianao, saingy tsy hainao ny lalana mankany. Manontany ny namanao iray ianao, satria mahafantatra ny lalana mankany izy sady atokisanao. Atorony anao amin’ny an-tsipiriany ny lalana, sady hoy izy: “Tandremo fa misy takela-by mamitaka eo amin’ny sampanan-dalana voalohany. Be dia be ny olona manaraka ny zavatra voalazan’izy io, ka diso lalana.” Azo inoana fa ho faly ianao hoe nampitandrina anao ilay namanao, ka hanaraka ny teniny ianao. Toa an’io namana io i Jehovah. Manome tari-dalana mazava tsara izy, mba hahazoantsika ny fiainana mandrakizay. Mampitandrina antsika koa anefa izy, ka lazainy amintsika ireo zavatra mety hahatonga antsika ho diso lalana.—Deot. 5:32; Isaia 30:21.

2 Horesahina amin’ity lahatsoratra ity sy ilay manaraka ny sasany amin’ireo zavatra ireo. Tadidio fa fitiavana no mahatonga an’i Jehovah hampitandrina antsika, ary tiany hiaina mandrakizay isika. Malahelo izy rehefa voatarika hanao ratsy ny olona, ka tsy manompo azy intsony. (Ezek. 33:11) Hodinihintsika amin’ity lahatsoratra ity ny telo amin’ireo zavatra mety hitarika antsika hanao ratsy: Avy amin’ny olona manodidina antsika ny voalohany. Avy amin’ny tenantsika ny faharoa. Ary zavatra mety hoeritreretintsika hoe hanampy ny fahatelo nefa tsy manampy akory. Mety hitarika antsika ho amin’ny lalan-diso ireo zavatra ireo, ka mila fantarintsika. Ilaintsika koa ny mahafantatra ny fomba anampian’i Jehovah antsika hanalavitra azy ireo. Hoy ny mpanao salamo: “Halako ny lalan-diso rehetra.” (Sal. 119:128) Mitovy hevitra aminy ve ianao? Hanampy antsika ity lahatsoratra ity mba ho tapa-kevitra hanalavitra ny “lalan-diso” rehetra.

Aza “manaraka ny maro”

3. a) Nahoana no mety hampidi-doza ny manaraka izay alehan’ny olona, rehefa tsy azo antoka ny lalana tokony haleha? b) Inona no toro lalana lehibe hitantsika ao amin’ny Eksodosy 23:2?

3 Ahoana no hataonao raha hanao dia lavitra ianao, nefa tsy azonao antoka ny lalana tokony haleha? Mety ho te hanaraka izay alehan’ny olona ianao, indrindra raha be dia be ny olona hitanao mandeha amin’ilay lalana. Mety hampidi-doza anefa izany. Mety tsy hankany amin’ilay toerana tianao haleha mantsy izy ireo, na tsy mahita lalana toa anao koa. Nisy Lalàna nomen’i Jehovah ny Israelita mifandray amin’izany. Nilaza izy fa tsy tokony ‘hanaraka ny maro’ ny mpitsara sy ny vavolombelona, rehefa eny amin’ny fitsarana, satria mety ho ratsy ny vokatr’izany. (Vakio ny Eksodosy 23:2.) Mora voataonan’ny hafa mantsy ny olona tsy lavorary, ka mety hamadika ny rariny. Azo ampiharina amin’ny zavatra hafa koa anefa ilay hoe “aza manaraka ny maro.”

4, 5. Inona no olana natrehin’i Josoa sy Kaleba? Inona no nanampy azy ireo ho be herim-po?

4 Mety hisy foana ny toe-javatra hanery antsika ‘hanaraka ny maro.’ Mety ho tampoka izany. Mety ho sarotra be koa anefa ny hanohitra an’ilay izy. Tadidinao angamba izay nitranga tamin’i Josoa sy Kaleba. Nisy 12 lahy izy ireo no nirahina hitsikilo ny Tany Nampanantenaina. Nilaza zavatra nahakivy ny folo tamin’izy ireo, rehefa niverina. Nilaza izy ireo hoe goavam-be taranaky ny Nefilima ny mponina tao amin’ilay tany. (Gen. 6:4) Diso anefa izany. Efa ringana tamin’ny Safodrano daholo ny Nefilima, taonjato maro talohan’izay, ary maty tsy niteraka izy ireo. Na ny zavatra faran’izay diso aza anefa dia inoan’ny olona, rehefa malemy ny finoany. Niely haingana be àry ny tatitra nataon’ireo folo lahy ireo, ka raiki-tahotra ny Israelita. Nanjary nieritreritra ny ankamaroan’izy ireo hoe aleo tsy manaraka ny tenin’i Jehovah hoe hiditra ny Tany Nampanantenaina. Inona no nataon’i Josoa sy Kaleba?—Nom. 13:25-33.

5 Tsy ‘nanaraka ny maro’ izy ireo. Nilaza ny marina izy ireo, na dia tsy te hahalala izany aza ny Israelita sady nitady hitora-bato azy. Inona no nahatonga azy ireo ho be herim-po? Ny finoany. Mino izay ampanantenain’i Jehovah Andriamanitra ny olona manam-pinoana, fa tsy mino ny zavatra diso lazain’ny olona. Nanam-pinoana toy izany i Josoa sy Kaleba. Nilaza izy ireo tatỳ aoriana fa nanatanteraka izay rehetra nampanantenainy i Jehovah. (Vakio ny Josoa 14:6, 8; 23:2, 14.) Tena tia an’Andriamanitra izy ireo, ka tsy te hanao zavatra mampalahelo azy mba hampifaliana ny besinimaro fotsiny. Tsy nanaiky lembenana izy ireo, ary modely ho antsika.—Nom. 14:1-10.

6. Rahoviana isika no mety halaim-panahy hanaraka ny maro?

6 Efa nahatsapa ve ianao hoe te ‘hanaraka ny maro’? Maro tokoa ankehitriny ny olona tsy manaja an’i Jehovah sy tsy miraharaha ny fitsipiny momba ny fitondran-tena. Mampiely ny hevi-disony izy ireo. Lazainy, ohatra, hoe tsy ratsy ny fitondran-tena maloto sy ny herisetra ary ny asan’ny maizina hita ao amin’ny fandaharana amin’ny tele sy ny filma ary ny lalao video. (2 Tim. 3:1-5) Ahoana àry no ataonao rehefa misafidy fialam-boly ho anao sy ny fianakavianao? Izay lazain’ny olona sy ataony ve no amaritanao hoe tsara na ratsy ny fialam-boly iray? Tsy “manaraka ny maro” ve ianao raha manao izany?

7, 8. a) Inona no azontsika atao mba hanazarana ny ‘fahaizantsika misaina’? Nahoana izany no tsara kokoa noho ny hoe manaraka lisitra iray milaza izay tsy tokony hatao? b) Nahoana no mampahery anao ny ataon’ny tanora kristianina maro?

7 Nomen’i Jehovah “fahaiza-misaina” isika mba hanampy antsika hanapa-kevitra. Sarobidy izy io, ary mila ‘ampiasaina’ mba ho zatra miasa tsara. (Heb. 5:14) Tsy ho zatra miasa anefa izy io, raha manaraka izay ataon’ny besinimaro fotsiny isika, na manantena hoe holazaina amintsika foana izay tokony hataontsika. Maro ny fanapahan-kevitra miankina amin’ny feon’ny fieritreretana, ka anjaran’ny tsirairay ny manapa-kevitra. Tsy misy lisitra omena antsika àry milaza hoe izao avy ny boky sy filma ary zavatra ao amin’ny Internet, tsy azontsika jerena. Ary raha nisy aza angamba izany, dia tsy maintsy nohavaozina foana satria misy zava-baovao foana eto amin’ity tontolo ity. (1 Kor. 7:31) Tsy mety koa raha omena lisitra toy izany isika, satria manjary tsy mandinika ny toro lalan’ny Baiboly sy mivavaka isika, rehefa hanapa-kevitra. Tena zava-dehibe anefa izany.—Efes. 5:10.

8 Mety tsy ho tian’ny olona isika, rehefa mandray fanapahan-kevitra mifanaraka amin’ny Baiboly. Izany no manjo an’ireo tanora kristianina. Taomin’ny mpiara-mianatra aminy foana izy ireo mba hanaraka ny fanaony. (1 Pet. 4:4) Tsy mety ‘hanaraka ny maro’ anefa izy ireo. Mahafinaritra tokoa ny mahita Kristianina, na tanora na antitra, manam-pinoana toa an’i Josoa sy Kaleba.

Aza manaraka izay tian’ny ‘fonao sy ny masonao’

9. a) Raha manao dia lavitra isika, nahoana no mety hampidi-doza ny manaraka izay lalana mahafinaritra antsika fotsiny? b) Nahoana ny Israelita no tena nila nanaraka ny lalàna ao amin’ny Nomery 15:37-39?

9 Avy amin’ny tenantsika ihany indraindray no mety hahatonga antsika hanao ratsy. Ahoana izany? Aoka hatao hoe hanao dia lavitra ianao, ary mitondra sarintany ahitanao ny lalana. Inona no hitranga raha tsy manaraka an’ilay sarintany ianao, fa mandeha amin’izay lalana hitanao hoe mahafinaritra? Tsy ho tonga any amin’ny tanjona tianao haleha mihitsy ianao. Mifanaraka amin’io ohatra io indrindra ny lalàna iray nomena ny Israelita. Nandidy azy ireo i Jehovah mba hanisy mikiramborambo eo amin’ny morontongotr’akanjony, ary hanisy kofehy manga eo ambonin’ilay mikiramborambo. (Vakio ny Nomery 15:37-39.) Azonao ve ny maha zava-dehibe an’io lalàna io? Nampiavaka ny vahoakan’Andriamanitra tamin’ireo firenena mpanompo sampy ny fankatoavana azy io. Ary tena nilaina izany, mba hahazoan’izy ireo sitraka tamin’i Jehovah. (Lev. 18:24, 25) Izay no antony voalohany nanomezana an’io lalàna io. Misy antony hafa koa anefa. Mila fantarintsika io antony io, satria hanampy antsika hahita fa mety ho avy amin’ny tenantsika ihany no hahatonga antsika tsy hahatratra ny tanjontsika, dia ny hahazo ny fiainana mandrakizay. Inona izany antony izany?

10. Inona no mampiseho fa mahafantatra tsara ny olombelona i Jehovah?

10 Hoy i Jehovah ao amin’ilay lalàna: “Aza mandeha araka izay tian’ny fonareo sy ny masonareo, fa ny fanaovanareo izany no mampijangajanga anareo.” Nilaza izany i Jehovah satria fantany tsara ny olombelona. Fantany fa mora voatariky ny zavatra hitan’ny masontsika ny fontsika. Izany no nahatonga azy hampitandrina hoe: “Mamitaka mihoatra noho ny zava-drehetra ny fo, sady sarotra fehezina. Iza no mahalala ny aminy?” (Jer. 17:9) Tsy mahagaga àry raha nilaza tamin’ny Israelita i Jehovah mba tsy hanaraka izay tian’ny fon’izy ireo sy ny mason’izy ireo. Fantany fa hijery an’ireo firenena mpanompo sampy eo amin’ny manodidina azy izy ireo, ka mety ho voasariky ny zavatra hitany. Mety ho te hitovy amin’ireny tsy mpino ireny izy ireo, ka hanjary hitovy fisainana aminy sy hanaraka ny ataony.—Ohab. 13:20.

11. Rahoviana isika no mety ho te hanaraka izay tian’ny fontsika sy izay hitan’ny masontsika?

11 Vao mainka mora voatarik’izay hitan’ny masony ny fon’ny olona ankehitriny. Ataon’ity tontolo ity mantsy izay hahatonga antsika ho mora voatariky ny fanirian-dratsy. Ilaina àry ny manaraka izay voalazan’ny Nomery 15:39. Afaka mampihatra azy io isika eo amin’ny resaka fitafiana. Manao akanjo manaitaitra ny filan’ny nofo ny olona, na any am-pianarana, na any am-piasana, na eny an-tanàna. Moa ve ‘ny fonao sy ny masonao’ lasa tia ny fomba fitafin’izy ireo, rehefa mahita azy ireo ianao isan’andro? Raha izany mantsy, dia mety haka tahaka azy ireo ianao amin’ny farany, ka tsy ho hita tsara intsony ny maha Kristianina anao.—Rom. 12:1, 2.

12, 13. a) Inona no tokony hataontsika raha mitady hijery zava-dratsy ny masontsika? b) Nahoana isika no tokony hitandrina mba tsy hahatonga ny hafa hanana fanirian-dratsy?

12 Tena ilaina àry ny mifehy tena. Mila sakanantsika tsy hijery zava-dratsy ny masontsika. Ohatra tsara i Joba, lehilahy tsy nivadika. Nanao fifanekena tamin’ny masony izy, izany hoe nandray fanapahan-kevitra hentitra hoe tsy hijerijery na hitsiriritra vehivavy tsy vadiny. (Joba 31:1) Hoy koa i Davida Mpanjaka: “Tsy hamela zava-poana ho eo anoloan’ny masoko aho.” (Sal. 101:3) Izay rehetra mety hanimba ny feon’ny fieritreretantsika sy hahatonga antsika tsy hifandray tsara amin’i Jehovah, no lazain’i Davida hoe “zava-poana” eo. Anisan’izany ny zavatra jerentsika ka mety hiteraka fanirian-dratsy ao am-pontsika ary hitarika antsika hanao ratsy.

13 Mety ho isika mihitsy anefa no hanimba ny feon’ny fieritreretan’ny hafa sy hanimba ny fifandraisany amin’i Jehovah, raha toa ny zavatra ataontsika ka mahatonga azy ireo hanana fanirian-dratsy. Mety ho ny fomba fitafintsika no mahatonga izany. Mila mankatò izay lazain’ny Baiboly àry isika, ka manao akanjo milamina tsara sy maotina. (1 Tim. 2:9) Mba hanampiana antsika hanao akanjo maotina, dia mila manaja ny feon’ny fieritreretan’ny hafa isika, fa tsy hieritreritra izay tiantsika fotsiny. Izay hahasoa azy ireo no eritreretintsika voalohany, fa tsy izay tiantsika. (Rom. 15:1, 2) Modely amin’ny fomba fitafy ny tanora maro eo anivon’ny fandaminana. Tena reharehantsika izy ireny, satria tsy ‘mandeha araka izay tian’ny fony sy ny masony’, fa miezaka hampifaly an’i Jehovah amin’izay rehetra ataony.

Aza manaraka “zava-poana”

14. Inona no fampitandremana nomen’i Samoela momba ny “zava-poana”?

14 Eritrereto hoe tsy maintsy mamakivaky tany efitra ianao, mandritra ilay dia. Hoatran’ny mahatazana rano ianao tsy lavidavitra eo. Tsy rano anefa ilay izy fa diso fijery ianao. Ahoana raha nivily lalana ianao mba hankanesana teny? Mety ho very ianao, ka ho faty any. Mampidi-doza àry ny mitoky amin’ny zavatra tsy azo ianteherana. Izany no nahatonga an’i Jehovah hampitandrina ny Israelita, rehefa nangataka hanana mpanjaka olombelona izy ireo, toy ny firenena manodidina azy. Fahotana lehibe izany, satria toy ny hoe mandà an’i Jehovah tsy ho mpanjakany izy ireo. Navelan’i Jehovah hanana mpanjaka olombelona ihany anefa ny Israelita. Na izany aza, dia nampitandrina azy ireo tamin’ny alalan’i Samoela mpaminany izy hoe tsy tokony hanaraka “zava-poana” izy ireo, izany hoe tsy tokony hatoky zavatra tsy azo ianteherana.—Vakio ny 1 Samoela 12:21.

15. Nahoana no azo lazaina hoe nanaraka “zava-poana” ny Israelita?

15 Nihevitra angamba ny Israelita hoe azo ianteherana kokoa noho i Jehovah ny mpanjaka olombelona, ka niantehitra tamin’ilay mpanjaka izy ireo. Nitoky tamin’ny “zava-poana” izy ireo tamin’izany. Izay mitoky amin’ny “zava-poana” anefa, dia mety hanaraka “zava-poana” hafa koa avy amin’i Satana. Mety ho nitarika ny Israelita hanompo sampy mantsy ny mpanjaka olombelona. Mety hihevitra ireo olona manompo sampy hoe azo ianteherana kokoa noho i Jehovah ny sampy, satria hita maso ny vato aman-kazo fa tsy hita maso kosa i Jehovah, ilay namorona ny zava-drehetra. “Tsinontsinona” anefa ny sampy. (1 Kor. 8:4) Tsy mahita, na mandre, na miteny, na manao zavatra izy ireny. Marina fa hita maso sy azo tsapain-tanana ny sampy, kanefa zava-poana izy ireny. Hahita loza izay manompo azy ireny.—Sal. 115:4-8.

16. a) Ahoana no itaoman’i Satana ny olona mba hanaraka zava-poana? b) Nahoana no azo lazaina hoe zava-poana ny vola sy ny fananana, raha oharina amin’i Jehovah?

16 Mbola vitan’i Satana ankehitriny ny mitaona olona hanaraka “zava-poana.” Olona maro, ohatra, no voataonany ka lasa mihevitra hoe ho sambatra sy ho voaro izy ireo, raha manam-bola sy asa tsara ary fananana be dia be. Mieritreritra izy ireny hoe hanampy azy hamaha ny olana rehetra mahazo azy izany. Ahoana anefa raha marary ilay olona, na miharatsy ny toe-karena, na misy loza voajanahary? Ahoana koa raha mahatsapa izy hoe tsy misy dikany ny fiainany? Ahoana raha sahiran-tsaina izy amin’ireo fanontaniana lehibe momba ny fiainana? Ahoana raha eo am-bavahoanan’ny fahafatesana izy? Ho afaka hanampy azy ve ny vola aman-karena? Ho diso fanantenana isika, raha ny vola sy ny fananana no itokisantsika. Tsy mahasambatra izy ireny, ary tsy miaro antsika amin’ny aretina sy ny fahafatesana. “Zava-poana” ireny. (Ohab. 23:4, 5) Tsy toy izany kosa i Jehovah, ilay tena Andriamanitra. Tena azo ianteherana izy! Mila mifandray akaiky aminy àry isika, satria izay ihany no hahatonga antsika ho sambatra sy ho voaro. Fitahiana lehibe tokoa izany! Tsy tiantsika mihitsy àry ny hoe hiala amin’i Jehovah ka hanaraka “zava-poana.”

17. Tapa-kevitra hanao inona ianao, rehefa avy nandinika ny fampitandremana tato amin’ity lahatsoratra ity?

17 Tena faly isika hoe namantsika i Jehovah, sady mitarika antsika eo amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana! Afaka hiaina mandrakizay isika, raha manaraka foana ny fampitandremany. Hitantsika tamin’ity lahatsoratra ity fa mety ho diso lalana ny olona, raha manaraka ny besinimaro, na manaraka izay tian’ny fony, na manaraka “zava-poana.” Hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny zavatra telo hafa ampitandreman’i Jehovah antsika, mba hanampiana antsika hankahala sy hanalavitra ny lalan-diso.—Sal. 119:128.

Ahoana ny Hevitrao?

Ahoana no hampiharanao ny toro lalana ao amin’ny:

Eksodosy 23:2?

Nomery 15:37-39?

1 Samoela 12:21?

Salamo 119:128?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 11]

Te ‘hanaraka ny maro’ ve ianao indraindray?

[Sary, pejy 13]

Nahoana no mampidi-doza ny manaraka ‘izay tian’ny fonao sy ny masonao’?

[Sary, pejy 14]

Mikatsaka “zava-poana” ve ianao?