Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Matahotra Fahafatesana Intsony Aho

Tsy Matahotra Fahafatesana Intsony Aho

Tsy Matahotra Fahafatesana Intsony Aho

Notantarain’i Piero Gatti

NANDRE feona fiaramanidina avy lavitra izahay. Nihamafy ilay izy, ary avy eo nisy fanairana lavareny nampirisika ny olona hiafina. Nandre baomba nipoaka sy feon-javatra potika izahay avy eo, ary nila hamaky ampongantsofina ny feon’ireo fiaramanidina nandalo teo amboninay. Tena nampihorohoro ilay izy!

Tamin’ny 1943 na 1944 izany no nitranga. Miaramila tany Milan, eto Italia, aho tamin’izay ary mbola tanora. Rehefa nisy zera baomba, dia matetika aho no nasaina nanangona ny fatin’ireo olona tototra tao amin’ny toeram-piafenana. Efa potipotika sy tsy hay fantarina ny fatin’izy ireo! Efa saika maty koa anefa aho, ka nivoady tamin’Andriamanitra hoe raha tafavoaka velona dia hanao ny sitrapony.

Lasa tsy natahotra fahafatesana aho

Nihalehibe tany amin’ny tanàna kely tokotokony ho folo kilaometatra avy ao Côme, eto Italia, aho. Eo akaikin’ny sisin-tanin’i Soisa no misy azy io. Mbola tsy teraka anefa aho dia efa matin’ny gripa espaniola ny anabaviko roa. Maty koa i Luigia, reniko tamin’ny 1930, raha vao enin-taona monja aho. Mbola kely àry aho dia efa nahatsapa alahelo sy tahotra vokatry ny fahafatesana. Katolika izahay, ka namonjy Lamesa isan-kerinandro aho, ary nanaraka ny fombafomban’ny Katolika. Tany amin’ny mpanety anefa, fa tsy tany am-piangonana, no nahafantarako ny marina, ka nahatonga ahy tsy hatahotra fahafatesana.

Nandripaka olona maro ny Ady Lehibe II, tamin’ny 1944. Miaramila italianina an’aliny no nandositra an’ilay faritra nisy ady, ary anisan’izany aho. Nankany Soisa izahay, noho io tany io tsy momba ny atsy na ny aroa. Nalefa tany amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana samy hafa izahay tany, ka ilay toby tany akaikin’i Steinach, any amin’ny faritra avaratratsinanan’i Soisa, no nandefasana ahy. Nisy fitsipika tsy maintsy narahina tao, nefa afaka nanao ny zavatra sasany tianay ihany izahay. Nila olona hanampy azy ny mpanety iray tao Steinach, ka niara-nipetraka sy niara-niasa taminy nandritra ny iray volana aho. Tao aho no nihaona tamin’i Adolfo Tellini, ary nanova ny fiainako izany.

Mpihety tao aminay i Adolfo. Italianina mipetraka ao Soisa izy, ary Vavolombelon’i Jehovah. Tsy mbola reko mihitsy io fivavahana io, ary tsy nahagaga izany satria 150 monja ny Vavolombelona teto Italia. Niresaka tamiko momba an’ireo fahamarinana mahatalanjona ao amin’ny Baiboly i Adolfo. Anisan’izany ny hoe mbola hisy ny fandriampahalemana ary afaka ny hiaina mandrakizay ny olona. (Jaona 10:10; Apok. 21:3, 4) Tena faly aho hoe tsy hisy ady sy fahafatesana intsony amin’ny hoavy. Noresahiko tamin’ny tanora italianina iray atao hoe Giuseppe Tubini izany, raha vao niverina tany amin’ny toby aho, ary nampihetsi-po azy koa ilay izy. Nitsidika anay tsindraindray i Adolfo sy ireo Vavolombelona hafa nanomboka teo.

Nentin’i Adolfo tany Arbon aho, indray mandeha, izany hoe tany amin’ny folo kilaometatra avy eo Steinach. Nisy Vavolombelona vitsivitsy nivory tamin’ny teny italianina tao. Tena nahafaly ahy izay reko tany, ka nandeha an-tongotra nankany aho ny herinandro nanaraka. Namonjy fivoriambe tany Zurich koa aho, taorian’izay. Nijery fampisehoana an-tsary momba ny toby famonoana izahay tany, ka nampihoron-koditra ny nahita ireo faty maro be nivangongo. Reko tany fa maro tamin’ireo Vavolombelona alemà no novonoina ho faty noho ny finoany. Nihaona tamin’ny anabavy atao hoe Maria Pizzato koa aho tany. Nigadra 11 taona noho ny finoany izy io, teo ambany fitondrana jadona fasista, teto Italia.

Nody teto Italia aho rehefa nifarana ny ady. Niaraka tamin’ny fiangonana kely tao Côme aho, ary hitako tao koa i Maria Pizzato. Tsy nisy nampianatra Baiboly aho, nefa efa takatro tsara ny fahamarinana fototra. Noresahin’i Maria tamiko fa zava-dehibe ny batisa, ka tapa-kevitra hatao batisa aho. Nasainy hihaona amin’i Marcello Martinelli, izay nipetraka tany Castione Andevenno, àry aho. Voahosotra i Marcello, ary efa nogadrain’ny fitondrana jadona teto Italia nandritra ny 11 taona. Nandeha 80 kilaometatra tamin’ny bisikileta aho mba hihaonana taminy.

Nampiasa Baiboly i Marcello mba hanazavana ireo fepetra takina amin’ny olona hatao batisa. Nivavaka izahay avy eo ary nentiny tany amin’ny Reniranon’i Adda aho, mba hatao batisa. Volana Septambra 1946 tamin’izay. Andro manokana tokoa! Faly be aho hoe nanapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah, sy manana fanantenana azo antoka momba ny hoavy. Tena faly aho tamin’iny andro iny, ka tsy tsapako akory hoe nahavita dia nandroso sy niverina 160 kilaometatra tamin’ny bisikileta.

Natao ny volana Mey 1947, tany Milan, ny fivoriambe voalohany taorian’ny ady, teto Italia. Fitonjato teo ho eo ny mpanatrika, ka anisan’izany ny maro tamin’ireo Vavolombelona nenjehin’ny fitondrana jadona fasista. Nisy zavatra hafakely nitranga tamin’io fivoriambe io. I Giuseppe Tubini, ilay olona nitoriako tany amin’ny toby, no nanao ny lahatenin’ny batisa, ary natao batisa izy avy eo.

Nanana tombontsoa aho tamin’io fivoriambe io, nahita ny Rahalahy Nathan Knorr, avy any amin’ny Betelan’i Brooklyn. Nampirisika anay sy Giuseppe izy mba hampiasa ny fiainanay hanompoana an’i Jehovah, ka tapa-kevitra hanompo manontolo andro aho. Nolazaiko tamin’ny fianakaviako izany raha vao tonga tany an-trano aho, nefa nanakivy ahy izy ireo. Efa tapa-kevitra anefa aho. Nanomboka ny fanompoako aho iray volana taorian’izay, tao amin’ny Betela tany Milan. Nisy mpivady misionera roa nanompo tao, dia i Giuseppe Romano sy Angelina, ary Carlo Benanti sy Costanza. Tonga taloha keliko tao amin’ny Betela i Giuseppe Tubini, ka enina no isanay.

Lasa mpiandraikitra ny faritra aho, iray volana taorian’izay. Izaho no Italianina voalohany voatendry ho mpiandraikitra ny faritra teto Italia. Nampiofanina nandritra ny herinandro vitsivitsy aho, ka i George Fredianelli, mpiandraikitra mpitety faritany, no nampiofana ahy. Izy no misionera voalohany avy any Etazonia, izay tonga teto tamin’ny 1946. Nandeha irery nitsidika fiangonana aho taorian’ny fampiofanana ahy. Ny fiangonana tany Faenza no notsidihiko voalohany, ary mbola tadidiko tsara ilay izy. Tena sahirana aho tamin’izay satria mbola tsy nanao lahateny mihitsy. Na izany aza, dia afaka nampirisika ny mpanatrika hanompo manontolo andro aho. Maro tamin’izy ireo no mbola tanora, ary niantsoroka andraikitra lehibe teto Italia ny sasany tamin’izy ireny tatỳ aoriana.

Tena nahafinaritra ny asan’ny faritra. Betsaka ny zavatra tsy nampoizina sy nila nahitsy. Teo koa ny zava-tsarotra. Lasa tian’ireo rahalahy sy anabavy anefa aho ary nahita zavatra maro nahafaly.

Ny nataon’ny fivavahana taorian’ny ady

Ny Eglizy Katolika no tena masi-mandidy teto Italia, taorian’ny ady. Nisy lalàm-panorenana vaovao tamin’ny 1948, nefa tsy mbola nofoanan’ny fitondrana ny fandrarana ny fitorian’ny Vavolombelon’i Jehovah, raha tsy efa tamin’ny 1956. Nisy olana àry nandritra ilay fandrarana. Voahelingelina foana matetika ny fivoriamben’ny faritra noho ny nataon’ny mpitondra fivavahana. Tsy nahomby anefa izany indraindray, toy izay nitranga tamin’ny 1948, tany Sulmona, tanàna kely any afovoan’i Italia.

Natao tao amin’ny fanaovana teatra io fivoriambe io. Mbola tsy ampy 500 ny mpitory teto Italia, nefa 2 000 ny mpanatrika. Izaho no mpanolotra fandaharana ny alahady maraina, ary i Giuseppe Romano no nanao ny lahateny ho an’ny besinimaro. Rehefa nifarana anefa ilay lahateny dia nisy tovolahy iray, nikasa hanakorontana, nitsambikina niakatra teo amin’ny lampihazo. Voabosin’ny pretra roa nanatrika teo izy io. Nikiakiaka niteny mafy izy, ka noteneniko hoe: “Raha misy zavatra tianao hambara, dia manofà trano. Any ianao afaka milaza izay tianao hotenenina.” Tsy nanaitra ny mpanatrika ny zavatra noteneniny, ka nitabataba ny olona ary rakotra ny feony. Nitsambikina niala teo amin’ny lampihazo izy ary lasa nivoaka.

Tsy mora ny nanao dia tamin’izany nefa nahafinaritra koa. Nandeha an-tongotra aho, na nandeha bisikileta, na nandeha lamasinina. Nandeha bisy efa kadraoka koa aho indraindray ary feno hipoka izy ireny. Natory tao amin’ny tranon-tsoavaly na trano fampirimana fitaovam-piasana koa aho indraindray. Vao nifarana taloha kelin’izay ny ady ka Italianina maro no nahantra. Vitsy koa ny Vavolombelona sady tsy nanam-bola. Nahafinaritra foana anefa ny fanompoana.

Tany amin’ny Sekolin’i Gileada

Nasaina hanatrika ny Sekolin’i Gileada, kilasy faha-16, izahay sy Giuseppe tamin’ny 1950. Vao nanomboka, dia efa hitako fa ho sarotra ny hianatra teny anglisy. Nanao izay fara heriko aho nefa tsy mora ilay izy. Tsy maintsy namaky ny Baiboly manontolo tamin’ny teny anglisy izahay, ka tsy nisakafo antoandro aho indraindray mba hamitana an’ilay izy, ary nataoko tamin’ny feo avo ny vakiteniko. Nasaina nanao lahateny koa aho, indray mandeha. Mbola tadidiko ny tenin’ilay mpampianatra rehefa vita ilay izy. Hoy izy: “Tena mety tsara ny fihetsika sy ny hafanam-po, saingy tsy misy azo ny teny anglisinao!” Vitako ihany anefa ilay fiofanana. Voatendry hiverina teto Italia izahay sy Giuseppe, ary ampy traikefa kokoa mba hanompoana an’ireo rahalahy.

Nanambady an’i Lidia aho tamin’ny 1955. Izaho no nanao ny lahatenin’ny batisany, fito taona talohan’izay. Mahafinaritra i Domenico, dadan’i Lidia. Afaka nanampy an’ireo zanany fito ho tonga tao amin’ny fahamarinana izy, na dia nenjehin’ny fitondrana jadona aza, ary natao sesitany telo taona. Vavolombelona tsy nivadika koa i Lidia. Efa intelo niakatra fitsarana izy, talohan’ny nanekena ny fitoriana isan-trano ho ara-dalàna. Niteraka an’i Beniamino, zanakay lahimatoa, izahay tamin’ny 1961, ary niteraka an’i Marco tamin’ny 1972. Faly aho fa mazoto manompo an’i Jehovah izy mirahalahy sy ny vady aman-janany.

Mazoto manompo foana

Maro ny zavatra tsy hay hadinoina teo amin’ny fanompoako. Anisan’izany ny fihaonako tamin’i Sandro Pertini. Niara-natao sesitany tamin’ny dadan’i Lidia tany amin’ny nosy Ventotene izy io, nandritra ny fitondrana jadona. Nogadraina tany mantsy izay olona noeritreretina ho fahavalon’ny fitondrana. Lasa filoham-pirenena teto Italia izy tatỳ aoriana, ka nangataka hihaona taminy ny dadan’i Lidia taoriana kelin’ny 1980, mba hahafahana hitory aminy. Niaraka tamin’i Dada aho rehefa nahazo alalana izy. Noraisina tsara izahay ary tena tsy nahazatra anay izany. Nofihinin’ilay prezidà i Dada rehefa niarahaba azy. Niresaka ny zavatra inoantsika izahay avy eo ary nanome boky azy.

Tsy nanao ny asan’ny faritra intsony aho tamin’ny 1991, rehefa avy nanao izany nandritra ny 44 taona. Mpiandraikitra ny Efitrano Fivoriambe aho nandritra ny efa-taona nanaraka, nefa narary mafy aho ka tsy maintsy nijanona. Tena tsara fanahy amiko anefa i Jehovah, ka mbola anisan’ny mpanompo manontolo andro foana aho. Miezaka manao araka izay vitako aho eo amin’ny fitoriana sy fampianarana, ary manana fampianarana Baiboly vitsivitsy. Mbola milaza amiko foana ny mpiara-manompo hoe mafana fo be aho rehefa manao lahateny. Misaotra an’i Jehovah aho fa mbola tsy nihena ny hafanam-poko na dia mandroso taona aza aho.

Natahotra fahafatesana aho taloha, saingy niova izany rehefa nahalala ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly aho. Lasa nanantena hahazo fiainana mandrakizay aho, dia ilay “fiainana maharitra” noresahin’i Jesosy. (Jaona 10:10) Izany no andrandraiko izao: Fiainana tsy misy ady, tsy misy ahiahy, fiainana feno fahasambarana sy tondraka fitahiana avy amin’i Jehovah. Mendrika homena an’ilay Mpamorona be fitiavana tokoa ny voninahitra rehetra, ary tombontsoa ho antsika ny mitondra ny anarany.—Sal. 83:18.

[Sarintany, pejy 22, 23]

(Jereo ny gazety)

SOISA

BERNE

Zurich

Arbon

Steinach

ITALIA

ROMA

Côme

Milan

Reniranon’i Adda

Castione Andevenno

Faenza

Sulmona

Ventotene

[Sary, pejy 22]

Tamin’izahay handeha hanatrika ny Sekolin’i Gileada

[Sary, pejy 22]

Izahay sy Giuseppe tamin’ny nanatrika ny Sekolin’i Gileada

[Sary, pejy 23]

Sary mariazinay

[Sary, pejy 23]

Efa 55 taona mahery izao izahay sy Lidia no nivady