Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ampiasao Amim-pahendrena ny Internet

Ampiasao Amim-pahendrena ny Internet

Ampiasao Amim-pahendrena ny Internet

INONA no atao hoe Internet? Fandaharana manokana ao amin’ny ordinatera izy io, ahafahana mifandray amin’ny olona na sampan-draharaha manana ordinatera. Azo anaovana fikarohana koa ao amin’izy io, satria ahitana fanazavana be dia be sy antontan’isa momba ny zavatra maro ary hevitra be dia be momba ny foto-kevitra isan-karazany. Tsy mahagaga àry raha mampiasa azy io ny olona maro maneran-tany mba hahazoana fanazavana sy hampitana hevitra amin’ny hafa.

Fanomezana mahatalanjona avy amin’ny Mpamorona ny fahaizana mampita hevitra. Afaka mifanakalo hevitra sy mizara fahalalana amin’ny hafa isika, noho isika mahay mampita hevitra. I Jehovah no nampita hevitra voalohany tamin’ny olombelona. Natorony hoe inona no tokony hatao mba hahatonga ny fiainana hisy zava-kendrena. (Gen. 1:28-30) Mety hampiasaina amin’ny fomba ratsy anefa io fanomezana io. Nitranga izany teo am-piandohan’ny tantaran’ny olombelona. Nampita hevitra diso tamin’i Eva i Satana. Nino ny teniny i Eva ary nampita an’izany tamin’i Adama. Narahin’i Adama ilay izy, ka niteraka fijaliana ho an’ny olombelona.—Gen. 3:1-6; Rom. 5:12.

Inona no ifandraisan’izany amin’ny Internet? Afaka mampita hevitra koa ny Internet. Manome fahalalana tena ilaina izy io, ary afaka manafaingana ny zavatra sasany ataontsika. Mety hampita hevitra diso koa anefa izy io, na hahatonga antsika ho lany fotoana be. Mora ahitana sary mamoafady koa ao amin’izy io. Ahoana àry no ampiasana amim-pahendrena ny Internet?

Marina sa diso ny fanazavana hitanao?

Aza mieritreritra mihitsy hoe mahasoa avokoa ny hevitra rehetra ao amin’ny Internet. Misy zavatra tena tsara ao, nefa misy zavatra faran’izay ratsy koa, ka ilaina ny manavaka azy ireny. Ahoana, ohatra, no ataontsika rehefa hahandro vary? Mila mitsimpom-bary sy manasa vary isika, mba hanesorana ny vato sy ny tsimparifary. Hikepoka vato sy hihinankinam-poana isika, raha tsy izany, ka mety harary. Mila mitandrina tsara àry isika rehefa mijery Internet, sao dia zavatra hanimba ny saintsika no hojerentsika ao.

Nisy sarisarina alika anankiroa, miara-mipetraka eo anoloan’ny ordinatera, tao amin’ny gazety iray tamin’ny 1993. Manoratra ao amin’ny Internet izy ireo, ary mifampiresaka hoe: “Tsy hisy hahafantatra mihitsy izao hoe isika no manoratra ato amin’ny Internet.” Nanao zavatra toy izany i Satana rehefa niresaka tamin’i Eva. Tsy nasehony ny maha izy azy, fa nampiasa menarana izy, ary nilaza fa afaka ny ho tahaka an’Andriamanitra i Eva. Toy izany koa ankehitriny. Afaka miseho ho manam-pahaizana daholo ny olona ao amin’ny Internet, ary tsy mitonona anarana izy. Afaka mampiditra fanazavana, na sary, na fanoloran-kevitra ao, izay olona rehetra te hanao izany.

Tandremo sao mora ambakaina tahaka an’i Eva. Aza mino avy hatrany an’ireo fanazavana ao amin’ny Internet, fa eritrereto izao: Iza no nanoratra an’io fanazavana io? Mendri-pitokisana ve izy? Nahoana izy no nanoratra an’io? Mitsara an-tendrony ve izy? Taiza no nakany an’ilay fanazavana? Lazainy ve ny boky na ny toerana nakany an’ilay fanazavana mba hahafahana manamarina azy io? Mbola tsy lany andro ve ilay fanazavana? Nampitandrina momba izany ny apostoly Paoly, rehefa niteny tamin’i Timoty hoe: “Tano izay nankinina taminao, ka ialao ny resaka tsy misy fotony izay manazimbazimba zava-masina, sy ny fifanoheran-kevitra avy amin’ilay atao hoe ‘fahalalana’ nefa sandoka.”—1 Tim. 6:20.

Mitsitsy fotoana sa mandany fotoana?

Mety hitsitsy fotoana sy hery ny fampiasana Internet. Afaka mijery zavatra hovidina ianao ao, na milaza izay entana tianao hamidy, nefa tsy mivoaka ny trano akory. Azo atao koa ny mamindra vola ao amin’ny kaontinao any amin’ny banky, amin’ny alalan’ny Internet. Afaka mikaroka izay entana mora koa ianao ao, ka mety hitsitsy vola. Tsy lany fotoana mivezivezy koa ianao, rehefa manomana dia. Afaka mamandrika toerana amin’ny hotely na amin’ny fiaramanidina mantsy ianao, ao amin’ny Internet. Hita ao koa ny nomeraon-telefaonin’ny sampan-draharaha samihafa. Misy sarintany koa ao manampy anao hahita hoe aiza no misy ny toerana iray. Mampiasa ny maro amin’ireo ny sampan’ny Vavolombelon’ny Jehovah maneran-tany, ka mandray soa amin’izany.

Misy lafy ratsiny koa anefa ny Internet. Mety handany fotoana izy io. Misy olona sasany lany fotoana be milalao ao amin’ny Internet, mandefa hafatra, mitady fanazavana, na mikarokaroka ao nefa tsy misy zavatra tena karohina. Ataon’izy ireo tsirambina ny fianakaviany sy ny namany ary ny fiangonany, vokatr’izany. Lasa andevozin’ny Internet koa izy ireo. Nisy fikarohana natao tamin’ny 2010 mampiseho fa andevozin’ny Internet ny ampahadiminy amin’ny tanora koreanina. Hoy koa ny mpikaroka alemà: “Mihamaro ny vehivavy mitaraina hoe andevozin’ny Internet ny vadiny.” Nilaza ny vehivavy iray hoe niova be ny vadiny vokatr’izany, ary rava mihitsy ny tokantranon’izy ireo.

Nanoratra tamin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny lehilahy iray, ary nilaza fa andevozin’ny Internet izy. Nandany adiny folo tamin’ny Internet izy indraindray tao anatin’ny iray andro. Hoy izy: ‘Toa tsy nisy naha ratsy azy ilay izy tamin’ny voalohany. Nihakamo nivory anefa aho, rehefa nandeha ny fotoana, sady tsy nivavaka intsony. Tsy nanomana fivoriana aho, ary na dia tany am-pivoriana aza, dia tany amin’ny Internet foana ny saiko. Tsy andriko izay hamelomana ordinatera indray.’ Soa ihany fa tonga saina izy, ka niova. Aza manaiky handevozin’ny Internet mihitsy àry.

Zavatra manao ahoana no jerenao ao amin’ny Internet?

Hoy ny 1 Tesalonianina 5:21, 22: “Fantaro tsara ny zava-drehetra, ka mifikira amin’izay tsara. Fadio ny ratsy amin’ny endriny rehetra.” Mila fantarintsika raha ankasitrahan’i Jehovah izay jerentsika ao amin’ny Internet, ary tsy mifanipaka amin’ny fitsipiny. Miely be ny sary mamoafady ao amin’ny Internet, ka mety hiteraka olana ho antsika izany raha tsy mitandrina isika.

Ilainao àry ny mandinika toy izao momba ny zavatra fijerinao ao amin’ny Internet: ‘Ho sahiko jerena ve io zavatra io rehefa eo ny vadiko na ny ray aman-dreniko na ny mpiara-manompo, sa hafeniko haingana ilay izy rehefa mandalo izy ireo?’ Raha izany no mitranga, dia tsara raha eo anatrehan’ny hafa isika vao mampiasa Internet. Marina fa nanatsara ny fomba ifandraisan’ny olona ny Internet, nefa nitondra fakam-panahy vaovao koa. Amin’ny alalan’ny Internet indray izao ny olona sasany no ‘manitsakitsa-bady ao am-pony.’—Mat. 5:27, 28.

Mitandrema rehefa mandefa hafatra

Ahafahana mifandefa hafatra koa ny Internet. Mila mieritreritra toy izao anefa isika: ‘Marina sy mifanaraka amin’ny fitsipik’i Jehovah ve ny hafatra na fanazavana alefako any amin’ny olona?’ Ary raha nahazo hafatra na fanazavana avy any amin’ny olona ianao, dia mieritrereta hoe: ‘Nahazo alalana hampita an’ilay izy any amin’ny hafa ve aho?’ * Diniho koa izao: ‘Mahasoa sy mampahery ve ny hafatra tiako halefa? Inona no antony handefasako azy io? Te hampidera fahalalana ve aho?’

Tena mahasoa ny mifandefa hafatra ao amin’ny Internet. Mety hahatonga ny olona ho tototra fanazavana tsy ilaina anefa izy io. Ilaina àry ny mieritreritra hoe: ‘Mandefa hafatra maro tsy misy dikany ve aho, ka lany fotoana mijery azy ireny ny olona? Inona no mahatonga ahy handefa an’ilay izy?’ Rehefa mandefa taratasy ho an’ny havany na ny namany ny olona, dia ny zavatra mitranga eo amin’ny fiainany no tena resahiny. Tsara koa raha toy izany no ataontsika rehefa mandefa hafatra amin’ny Internet. Mila mitandrina koa anefa isika mba tsy handefa hafatra tsy azo antoka.

Ahoana àry no hataonao? Tsy hampiasa Internet mihitsy ve ianao? Mety ho tsara izany. Nanao toy izany ilay lehilahy voaresaka terỳ aloha, izay nandevozin’ny Internet nandritra ny taona maro. Mety hahasoa koa anefa ny Internet. Mahasoa izy io raha ‘mahay misaina’ isika rehefa mampiasa azy io, ary avelantsika ‘hiaro antsika ny fahaiza-manavaka.’—Ohab. 2:10, 11.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 17 Toy izany koa ny sary. Afaka maka sary olona isika. Tsy manana zo hanaparitaka an’ilay izy anefa isika, na hilaza ny anaran’ny olona ao amin’ilay sary, na ny toerana misy azy.

[Sary, pejy 4]

Inona no tokony hataonao mba tsy hahatonga anao ho voafitaky ny fanazavana diso?

[Sary, pejy 5]

Mila mandinika tsara isika rehefa handefa hafatra, sao hahatonga ny olona ho tototra hafatra tsy misy dikany