Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Efa Niandriandry ny Mesia Izy Ireo

Efa Niandriandry ny Mesia Izy Ireo

Efa Niandriandry ny Mesia Izy Ireo

“Efa niandriandry ny olona ary samy nihevitra tao am-pony momba an’i Jaona hoe: ‘Izy angamba no Kristy [na Mesia]?’ ” —LIOKA 3:15.

1. Inona no vaovao tsara nolazain’ny anjely iray tamin’ireo mpiandry ondry?

ALINA ny andro tamin’izay. Nisy olona maromaro niandry ondry tany an-tsaha. Taitra be izy ireo fa nisy anjely iray nijoro teo akaikiny. Nanjelanjelatra nanodidina azy ireo koa ny voninahitr’i Jehovah. Hoy ilay anjely: ‘Aza matahotra fa tonga hilaza vaovao tsara aminareo aho, dia fifaliana lehibe ho an’ny olona rehetra. Fa Mpamonjy no teraka ho anareo androany, dia i Kristy Tompo.’ Tsy iza izany fa ny Mesia. Nilaza ilay anjely fa ao anaty fihinanam-bilona, ao amin’ny tanàna eo akaiky eo ilay zaza. Nisy anjely maro be avy eo nidera an’i Jehovah hoe: “Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra, ary fiadanana etỳ ambonin’ny tany eo amin’ny olona ankasitrahany.”—Lioka 2:8-14.

2. Inona no dikan’ny hoe Mesia, ary ahoana no hahalalana azy?

2 Fantatr’ireo mpiandry ondry fa midika hoe Voahosotr’i Jehovah ny hoe Mesia na Kristy. (Eks. 29:5-7) Azo inoana àry fa lasa saina izy ireo hoe: ‘Ahoana no hahalalana fa izay zaza izay tokoa no Mesia nofidin’i Jehovah, ka handresena lahatra ny olon-kafa?’ Nila nandinika ny faminaniana ao amin’ny Soratra Hebreo izy ireo, sady nijery raha tanteraka tamin’ilay zaza izany.

Nahoana ny olona no efa niandriandry?

3, 4. Ahoana no hanazavanao ny Daniela 9:24, 25?

3 Efa niandriandry ny Mesia ny olona, taona maro tatỳ aoriana, ka nieritreritra hoe i Jaona Mpanao Batisa ilay izy. Nahita izay nolazain’i Jaona sy nataony mantsy izy ireo. (Vakio ny Lioka 3:15.) Nisy faminaniana koa nanampy azy ireo hahalala ny fotoana hahatongavan’ny Mesia. Izao no voalazan’ilay izy: “Manomboka amin’ny fotoana hivoahan’ny didy hanarenana an’i Jerosalema sy hanamboarana azy, mandra-pahatongan’ny Mesia Mpitarika, dia hisy fito herinandro sy roa amby enimpolo herinandro.” (Dan. 9:24, 25) Tsy herinandro ara-bakiteny no tiana horesahina eo. Fito taona kosa ny herinandro tsirairay, ary maro ny manam-pahaizana manaiky an’izany.

4 Nanomboka tamin’ny 455 T.K. ireo 69 herinandro na 483 taona resahin’ny Daniela 9:25. Nanome alalana an’i Nehemia i Artaksersesy, mpanjaka persianina, tamin’io mba hanorina indray an’i Jerosalema. (Neh. 2:1-8) Tapitra tamin’ny 29 A.K. ireo 483 taona. Natao batisa i Jesosy tamin’izay, ary nohosorana fanahy masina ka lasa Mesia.—Mat. 3:13-17. *

5. Inona avy no faminaniana hojerentsika?

5 Hijery faminaniana hafa momba ny Mesia isika izao. Tanteraka izy ireo tamin’izy teraka sy nandritra ny fanompoany. Rehefa mandinika azy ireo isika, dia hatoky kokoa fa marina ny Baiboly ary i Jesosy tokoa no Mesia efa nandrasan’ny olona.

Faminaniana momba ny nahaterahany

6. Ahoana no nahatanterahan’ny Genesisy 49:10?

6 Ho avy amin’ny fokon’i Joda ny Mesia. Nitso-drano an’i Joda i Jakoba rainy rehefa ho faty. Hoy izy: “Ny tehim-panjakana tsy hiala amin’i Joda, ary ny tehim-pahefana tsy hiala eo anelanelan’ny tongony, mandra-pahatongan’i Silo. Ary hankatò an’i Silo ireo firenena.” (Gen. 49:10) Maro ny manam-pahaizana jiosy nilaza fa faminaniana momba ny Mesia io. Fantatsika koa fa mpanjaka no tian’i Jakoba horesahina, satria ny mpanjaka no mitazona tehim-panjakana sy tehim-pahefana. Ho avy amin’ny fokon’i Joda ilay mpanjaka. I Davida no mpanjaka voalohany avy tamin’io foko io, ary i Zedekia no farany. Mbola hisy mpanjaka hafa anefa aorian’izay, ary hanjaka mandrakizay. Antsoina hoe “Silo” izy io, izay midika hoe “Ilay Tompony”, izany hoe tompon’ny fitondrana. Nilaza tamin’i Zedekia Andriamanitra fa io Silo io no tena manana zo hitondra. (Ezek. 21:26, 27) Hoy ny anjely Gabriela tamin’i Maria, momba an’i Jesosy: “I Jehovah Andriamanitra hanome azy ny seza fiandrianan’i Davida rainy. Ary ho mpanjaka eo amin’ny taranak’i Jakoba mandrakizay izy, ary tsy hifarana mihitsy ny fanjakany.” (Lioka 1:32, 33) I Jesosy Kristy àry no Silo, satria taranak’i Joda sy Davida izy.—Mat. 1:1-3, 6; Lioka 3:23, 31-34.

7. Taiza ny Mesia no teraka, ary nahoana izany no mahavariana?

7 Ho teraka any Betlehema ny Mesia. Hoy i Mika mpaminany: “Ianao, ry Betlehema Efrata, izay kely loatra ka tsy tokony ho anisan’ny arivon’i Joda akory, avy ao aminao no hivoahan’izay hotendreko ho mpitondra eo amin’ny Israely. Efa hatramin’ny taloha ela be no niandohany, eny, efa hatramin’ny andro fahiny.” (Mika 5:2) Tanàna any Jodia i Betlehema, ary nantsoina hoe Efrata. Avy any Betlehema i Josefa, fa nipetraka tany Nazareta izy sy Maria. Nasain’ny fanjakana romanina nankany an-tanindrazany anefa ny olona rehetra mba hisoratra anarana. Nankany Betlehema àry i Josefa sy Maria, ary tany i Jesosy no teraka. (Mat. 2:1, 5, 6) Tena tanteraka ilay faminaniana!

8, 9. Inona no nolazain’i Isaia momba ny Mesia, ary inona no hitranga rehefa teraka izy?

8 Virjiny no hiteraka ny Mesia. (Vakio ny Isaia 7:14.) Betolah ny hoe “virjiny” amin’ny teny hebreo. ʽAlmah anefa no hita ao amin’ny Isaia 7:14. Voalaza ao fa hiteraka zazalahy “ny tovovavy [haʽalmah].” Midika hoe virjiny koa anefa ny hoe ʽalmah, satria io no iantsoan’ny Baiboly an’i Rebeka tamin’izy mbola tsy nanambady. (Gen. 24:16, 43) Nasain’ny fanahy masina nanoratra i Matio fa tanteraka ny Isaia 7:14 tamin’i Jesosy teraka. Ny teny grika hoe partenôs, izay midika hoe “virjiny”, no nampiasainy. Niteny koa i Lioka fa virjiny i Maria, ary bevohoka noho ny herin’ny fanahy masina.—Mat. 1:18-25; Lioka 1:26-35.

9 Hisy ankizikely hovonoina rehefa teraka ny Mesia. Efa nasain’i Farao, mpanjakan’i Ejipta, natsipy tany amin’ny Reniranon’i Neily ny zazalahikely hebreo rehetra, indray mandeha. (Eks. 1:22) Hita ao amin’ny Jeremia 31:15, 16 fa mbola hisy zavatra toy izany hitranga rehefa teraka ny Mesia. Resahina ao fa ‘mitomany an’ireo zanany i Rahely’ satria maty daholo izy ireo. Re hatrany Rama, any avaratr’i Jerosalema, ny fitomaniany. Milaza i Matio fa tanteraka io faminaniana io tamin’i Heroda Mpanjaka nandidy hoe tsy maintsy vonoina daholo ny zazalahikely rehetra ao Betlehema. (Vakio ny Matio 2:16-18.) Azo antoka fa nalahelo be ny olona tamin’izany!

10. Nahoana no tanteraka tamin’i Jesosy ny Hosea 11:1?

10 Hiala any Ejipta ny Mesia. (Hosea 11:1) Nasain’ny anjely nentin’i Josefa sy Maria tany Ejipta i Jesosy, mba tsy ho matin’i Heroda. Niala tany ry zareo rehefa maty i Heroda. Tanteraka izay nolazain’i Jehovah tamin’ny alalan’i Hosea mpaminany hoe: “Nantsoiko hiala avy tany Ejipta ny zanako.” (Mat. 2:13-15) Mazava ho azy fa tsy hoe nataon’i Jesosy izay hahatanteraka an’ireo faminaniana rehetra ireo taminy.

Faminaniana momba ny fanompoany

11. Iza no nampiomana ny olona hoe ho avy ny Mesia?

11 Hisy hampiomana ny olona hoe ho avy ny Mesia. Nantsoin’i Malakia hoe “Elia mpaminany” izy io, ary hanampy ny olona hino ny Mesia rehefa tonga izy. (Vakio ny Malakia 4:5, 6.) Misy faminaniana mitovy amin’izany koa ao amin’ny Isaia, ary nilaza i Marka fa tanteraka tamin’i Jaona Mpanao Batisa ilay izy. (Isaia 40:3; Mar. 1:1-4) Nilaza koa i Jesosy fa i Jaona ilay nantsoina hoe “Elia.” (Mat. 11:12-14) Tsy i Jesosy no niteny tamin’i Jaona mba hanao asa toy ny nataon’i Elia. I Jehovah no naniraka azy, mba hanampiana ny olona hahafantatra hoe iza ny Mesia.

12. Inona no asa nasain’Andriamanitra nataon’ny Mesia?

12 Hisy asa hasain’Andriamanitra ataon’ny Mesia. Tao amin’ny synagogan’i Nazareta, tanàna nahalehibe azy, i Jesosy, indray mandeha. Namaky andinin-teny tao amin’ny Isaia izy, ary nilaza fa tanteraka taminy ilay izy. Izao no novakiny tao: “Ny fanahin’i Jehovah no ato amiko, satria nanosotra ahy hilaza vaovao tsara amin’ny mahantra izy, ary naniraka ahy hitory fanafahana amin’ny babo sy fampahiratana amin’ny jamba, hanafaka sy handefa ny ory, hitory taona fanehoan’i Jehovah fankasitrahana.” Hoy izy avy eo: “Androany no tanteraka izany andinin-teny vao renareo izany.” (Lioka 4:16-21) Tsy diso izy raha niteny izany, satria tena izy no Mesia.

13. Inona no voalazan’ny faminaniana momba ny fanompoan’i Jesosy?

13 Hanompo any Galilia ny Mesia. Hoy i Isaia momba ny olona tao Zebolona sy Naftaly, any Galilia: “Nahita hazavana lehibe ny olona nandeha tao amin’ny haizina, ary niposahan’ny hazavana ireo nitoetra tao amin’ny tanin’ny haizim-pito.” (Isaia 9:1, 2) Tanteraka tokoa izany. Tany Galilia i Jesosy no nanomboka ny fanompoany, ka nitory tany Kapernaomy sy Zebolona ary Naftaly. Nitondra hazavana lehibe tany izy, izany hoe nampianatra ny fahamarinana. (Mat. 4:12-16) Tany Galilia koa i Jesosy no nanao ilay Toriteny teo An-tendrombohitra, nifidy ny apostoliny, ary nanao fahagagana voalohany. Tany koa angamba izy no niseho tamin’ny mpianatra 500 teo ho eo, rehefa nitsangana tamin’ny maty. (Mat. 5:1–7:27; 28:16-20; Mar. 3:13, 14; Jaona 2:8-11; 1 Kor. 15:6) Nitory tany an-toeran-kafa koa anefa i Jesosy.

Faminaniana hafa

14. Nahoana no tanteraka tamin’i Jesosy ny Salamo 78:2?

14 Hampiasa fanoharana ny Mesia. Nihira i Asafa hoe: “Hilaza oha-teny aho.” (Sal. 78:2) Ahoana no ahafantarantsika hoe faminaniana momba an’i Jesosy io? Tantarain’i Matio hoe nanao fanoharana i Jesosy, indray mandeha. Nampitahainy tamin’ny voan-tsinapy sy lalivay ny Fanjakan’Andriamanitra. Hoy i Matio avy eo: “Tsy niteny taminy tokoa [i Jesosy] raha tsy tamin’ny fanoharana, mba ho tanteraka izay nolazaina tamin’ny alalan’ny mpaminany hoe: ‘Hilaza fanoharana aho, ary hanambara zavatra nafenina hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao.’ ” (Mat. 13:31-35) Nanao fanoharana àry i Jesosy rehefa nampianatra, ary tena nahomby izany.

15. Ahoana no nahatanterahan’ny Isaia 53:4?

15 Hanasitrana ny marary ny Mesia. Hoy i Isaia: “Ny aretinay tokoa no nentiny, ary ny fanaintainanay no nozakainy.” (Isaia 53:4) Nanasitrana ny rafozan’i Petera i Jesosy, indray mandeha, ary nanasitrana olon-kafa koa. Nilaza i Matio fa tanteraka ilay faminanian’i Isaia tamin’izay. (Mat. 8:14-17) Mbola nisy olona maro hafa koa nositranin’i Jesosy.

16. Ahoana no nanaporofoan’i Jaona fa tanteraka tamin’i Jesosy ny Isaia 53:1?

16 Maro ny olona tsy hino ny Mesia, na dia betsaka aza ny zavatra tsara hataony. (Vakio ny Isaia 53:1.) Nilaza ny apostoly Jaona fa tanteraka tamin’i Jesosy izany. Hoy izy: “Na dia nanao famantarana maro be teo anatrehany aza anefa [i Jesosy], dia tsy ninoan’izy ireo, mba hahatanteraka ny tenin’i Isaia mpaminany hoe: ‘Jehovah ô, iza no mba nino ny zavatra renay? Ary tamin’iza no naharihary ny sandrin’i Jehovah?’ ” (Jaona 12:37, 38) Mbola vitsy koa ny olona nino ny vaovao tsara momba an’i Jesosy, na dia tamin’ny andron’ny apostoly Paoly aza.—Rom. 10:16, 17.

17. Nahoana no azo lazaina fa tanteraka tamin’i Jesosy ny Salamo 69:4?

17 Hankahalaina tsy amin’antony ny Mesia. (Sal. 69:4) Hoy i Jesosy: “Tsy ho nanan-keloka [ireo olona ireo], raha tsy nataoko teo aminy ny asa mbola tsy nataon’iza na iza. Sady nahita ahy anefa izy izao no nankahala ahy sy ny Raiko koa. Fa mitranga izany mba hahatanteraka ny teny voasoratra ao amin’ny Lalàna hoe: ‘Mankahala ahy tsy amin’antony izy ireo.’ ” (Jaona 15:24, 25) Ny Soratra Masina no atao hoe “Lalàna” eo. (Jaona 10:34; 12:34) Resahin’ny Filazantsara fa maro no nankahala an’i Jesosy, indrindra fa ny mpitondra fivavahana jiosy. Hoy koa i Jesosy tamin’ny rahalahiny: “Tsy misy antony ankahalan’izao tontolo izao anareo. Fa izaho kosa halany, satria manaporofo fa ratsy ny ataony.”—Jaona 7:7.

18. Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

18 Tena nino ireo mpianatr’i Jesosy voalohany fa izy tokoa no Mesia. Tanteraka taminy mantsy ireo faminaniana momba ny Mesia, tamin’izy teraka sy nandritra ny fanompoany. (Mat. 16:16) Hijery faminaniana hafa isika ao amin’ny lahatsoratra manaraka. Raha mandinika tsara azy ireny isika, dia vao mainka ho resy lahatra fa i Jesosy tokoa no Mesia nofidin’i Jehovah.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, pejy 197-199.

[Ahoana no Havalinao?]

• Milazà faminaniana sasany tanteraka tamin’i Jesosy teraka.

• Iza no nampiomana ny olona hoe ho avy ny Mesia?

• Ahoana no nahatanterahan’ireo faminaniana ao amin’ny Isaia toko faha-53?

[Fanontaniana]