Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Firy ny tena isan’ny faminaniana momba ny Mesia voalaza ao amin’ny Soratra Hebreo?

Misy faminaniana maro be momba ny Mesia ao amin’ny Soratra Hebreo, izay tanteraka tamin’i Jesosy. Misy amin’izy ireny miresaka momba ny fianakaviana hiaviany, ny fotoana hisehoany, ny asa hataony, ny fomba hitondran’ny olona azy, ary ny asa asain’Andriamanitra hotanterahiny. Ireny faminaniana ireny mitambatra no manampy antsika hahafantatra hoe i Jesosy tokoa no Mesia. Firy àry ny tena isan’ny faminaniana momba ny Mesia, ao amin’ny Soratra Hebreo?

Sarotra ny mamantatra izany, satria tsy mitovy hevitra ny olona hoe iza marina ny faminaniana momba ny Mesia. Manazava momba izany i Alfred Edersheim ao amin’ny boky iray nosoratany. Voalaza ao fa ‘nilaza ireo mpitondra fivavahana jiosy hoe 456 ny andinin-teny momba ny Mesia ao amin’ny Soratra Hebreo’, na dia tsy misy teny hoe Mesia aza ao amin’ny ankamaroan’ireo andininy ireo. Tsy faminaniana momba an’i Jesosy anefa ny sasany amin’izy ireny. Misy ohatra ireto, hita tao amin’ilay bokin’i Edersheim: Milaza ny Jiosy fa “nalaina tany amin’ny Tendrombohitry ny Mesia, ilay ravin’oliva nentin’ny voromailala” voaresaka ao amin’ny Genesisy 8:11. Nihevitra àry ny Jiosy fa faminaniana momba ny Mesia io andininy io. Toy izany koa ny Eksodosy 12:42. Nihevitra izy ireo hoe “satria nivoaka avy tany an-tany efitra i Mosesy” rehefa nitondra ny zanak’Israely, araka ny Eksodosy 12:42, “dia hivoaka avy any Roma koa ny Mesia.” Tsy mitombina anefa izany fanazavana izany. Tsy hitan’ny manam-pahaizana maro sy ny olon-kafa izay ifandraisan’ireo andinin-teny ireo amin’i Jesosy.

Ahoana indray raha ireo faminaniana tena tanteraka tamin’i Jesosy ihany no isaina? Mbola tsy hitovy ihany ny isa holazain’ny olona. Diniho ny Isaia toko faha-53, izay miresaka faminaniana maromaro momba ny Mesia. Voalazan’ny Isaia 53:2-7, ohatra, hoe: ‘Tsy manana bika aman’endrika manintona izy ... Natao tsinontsinona sy nihatakatahan’ny olona ... Nitondra ny aretinay ... Notrobarana noho ny helokay ... Nentina toy ny ondry hovonoina.’ Firy àry ny faminaniana ao amin’io andininy io? Iray ihany ve sa maromaro?

Diniho koa ny Isaia 11:1, manao hoe: “Hisy rantsana hitsiry avy amin’ny foto-kazon’i Jese, ary hisy tsimoka hipoitra avy amin’ny fakany ka hamokatra.” Mbola averina io faminaniana io ao amin’ny andininy faha-10. Ahoana àry no hanisana an’io faminaniana io? Faminaniana iray ve izy io sa faminaniana roa? Tsy hitovy àry ny isan’ny faminaniana ho hitantsika, satria tsy hitovy ny fomba hanisantsika ny faminaniana ao amin’ny Isaia toko faha-53 sy ny Isaia toko faha-11.

Hita araka izany fa tsy afaka milaza isika hoe firy marina ny faminaniana momba ny Mesia resahin’ny Soratra Hebreo. Efa namoaka lisitra misy faminaniana maro momba an’i Jesosy anefa ny fandaminana, ary nilaza ny fomba nahatanterahan’izy ireny. * Hihamatanjaka ny finoantsika, raha mampiasa azy ireny isika rehefa mianatra samirery, na manao fianaram-pianakaviana, na mitory. Na firy na firy ny tena isan’ireny faminaniana ireny, ny tena zava-dehibe dia ny hoe voaporofo amin’ireny faminaniana ireny fa i Jesosy tokoa no Kristy, na Mesia.

[Fanamarihana ambany pejy]