Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fivoriana Tena Niavaka!

Fivoriana Tena Niavaka!

Fivoriana Tena Niavaka!

TSINDRIN-DAONA erỳ ireo mpanatrika maro be, rehefa nilaza i Stephen Lett, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, hoe: “Rehefa hirava isika androany, dia hilaza ianareo hoe: ‘Tena niavaka ity fivoriana ity!’ ” Fa inona io fivoriana natrehin’izy ireo io? Ny fivoriana faha-126 fanaon’ny fikambanana Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania isan-taona. Tao amin’ny Efitrano Fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah, ao New Jersey, Etazonia, izy io no natao, ny 2 Oktobra 2010. Inona avy ny zavatra nahaliana tamin’izy io?

I Stephen Lett no nanao ny lahateny fanokafana. Nafana fo erỳ izy nanazava momba ny kalesin’i Jehovah any an-danitra, voaresaka ao amin’ny Ezekiela. Mifanitsy amin’ny fandaminan’i Jehovah any an-danitra, izay ahitana an’ireo anjely maro be, io kalesy lehibe sady tsara tarehy io. Voafehin’i Jehovah tsara izy io. Nilaza ny Rahalahy Lett fa haingam-pandeha toy ny tselatra io fandaminana any an-danitra io, ary haingam-pandeha toy izany koa ny eritreritr’i Jehovah. Mandroso be toy izany koa anefa ny fandaminan’i Jehovah eto an-tany, ka niresaka ny fandrosoana vita tao anatin’ny taona faramparany ny Rahalahy Lett.

Nilaza, ohatra, izy fa nisy sampana maromaro natambatra, ka maro tamin’ireo nanompo tao amin’ny Betela no notendrena hanompo eny amin’ny saha. Afaka nampitombo ny asa fitoriana izy ireny, noho izany. Nilaza tamin’ny mpanatrika koa ny Rahalahy Lett, fa tokony hivavaka foana izy ireo mba hanampian’i Jehovah ny Filan-kevi-pitantanana ho malina, fa tsy hoe ho mendri-pitokisana fotsiny.—Mat. 24:45-47.

Tatitra sy fanadinadinana nampahery

Nampihetsi-po ny tatitra nataon’i Tab Honsberger, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Haïti. Niresaka ny vokatr’ilay horohoron-tany tamin’ny 12 Janoary 2010 izy, izay nahafatesana olona 300 000 teo ho eo. Nilaza koa izy fa niteny ireo mpitondra fivavahana hoe ‘nosazin’Andriamanitra ireny olona maty ireny satria nivadika taminy, ary narovany kosa ireo nanao ny tsara.’ Nisy mpanao heloka bevava maro be anefa tafavoaka ny fonja, satria nirodana ny rindrin’ny fonja vokatr’ilay horohoron-tany. Tena mampionona an’ireo olona tso-po maro any Haïti àry ny mahalala hoe nahoana no be dia be ny olana ankehitriny. Nilaza izy fa nisy rahalahy iray, namoy ny vadiny tamin’ilay loza, niteny hoe: “Mbola mitomany aho hatramin’izao, ary tsy haiko hoe rahoviana aho vao tsy halahelo ny vadiko intsony. Faly anefa aho satria tsapako hoe tena be fitiavana ny fandaminan’i Jehovah. Manana fanantenana koa aho, ary tapa-kevitra hizara izany.”

Nanao tatitra momba an’i Philippines i Mark Sanderson, Betelita any Brooklyn. Efa anisan’ny Komitin’ny Sampana tany Philippines izy taloha, ka faly erỳ izy nitantara ny fitomboana any. Nisy tampon’isan’ny mpitory in-32 nisesy tany, ary betsaka lavitra noho ny mpitory izao ny isan’ny fampianarana Baiboly. Niresaka momba ny rahalahy atao hoe Miguel koa izy. Nisy namono ny zafikelin’izy io, ka notoriny ilay lehilahy namono, ary nigadra. Nandeha nitory ny vaovao tsara tany amin’ny fonja anefa i Miguel tatỳ aoriana, ka nihaona tamin’io lehilahy io. Natahotra i Miguel, nefa nahavita niresaka taminy tamin-katsaram-panahy ihany. Lasa nampianariny Baiboly àry ilay lehilahy. Nahafinaritra azy io ny zavatra nianarany, ary lasa tia an’i Jehovah izy. Vita batisa izy izao, ary mpinamana be izy sy Miguel. Manao izay hampihenana ny saziny izao i Miguel. *

Nisy fanadinadinana taorian’izay, ary i Mark Noumair, mpampianatra avy ao amin’ny sampan-draharahan’ireo sekoly any Patterson, no nanao izany. Mpivady telo no nadinadininy: Alex Reinmueller sy Sarah, David Schafer sy Krista, ary Robert Ciranko sy Ketra. Nitantara i Alex Reinmueller, mpanampy ny Komitin’ny Fampanontana, hoe lasa nifandray akaiky kokoa tamin’i Jehovah izy, tamin’izy mpisava lalana tany Kanada. Vao 15 taona izy tamin’izany, ary matetika izy no nanompo irery. Rehefa nanontaniana izy hoe iza tamin’ny olona tao amin’ny Betela no tena namela modely ho azy, dia nanonona anarana rahalahy telo izy, ary nilaza fa tena nanampy azy handroso ireo rahalahy tsy nivadika ireo. I Sarah vadiny indray niresaka fa tena nanampy azy ny rahavavy iray namany, izay nigadra am-polony taona tany Chine noho ny finoany. Nilaza koa izy fa nanjary niantehitra tamin’i Jehovah tamin’ny alalan’ny vavaka, noho ny zavatra niainany.

Mpanampy ny Komitin’ny Fampianarana i David Schafer. Nidera ny reniny izy, noho izy io nanana finoana matanjaka. Nitantara koa izy hoe nisy rahalahy maromaro mpitrandraka ala, nanampy azy hanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy, tamin’izy mbola tanora. I Krista vadiny indray nitantara fa nahasoa azy ny modely navelan’ireo Betelita zokiolona, izay ‘mendri-pitokisana tamin-javatra madinika.’—Lioka 16:10.

Ny momba ny raibeny sy renibeny avy amin’ny ray sy reniny kosa no noresahin’i Robert Ciranko, mpanampy ny Komitin’ny Fanoratana. Mpifindra monina avy any Hongria izy ireo, ary Kristianina voahosotra. Nitantara koa ny Rahalahy Ciranko hoe tena nahavariana azy, ireo fivoriambe natrehiny tamin’izy mbola kely, teo anelanelan’ny taona 1950 sy 1960. Gaga izy hoe hay tena lehibe ny fandaminan’i Jehovah, fa tsy ilay fiangonana iray nisy azy fotsiny! I Ketra vadiny kosa nitantara hoe nianatra ny tsy hivadika izy, rehefa nisy mpivadi-pinoana sy olana hafa tao amin’ny fiangonana nisy azy, tamin’izy mpisava lalana. Niaritra foana izy, ary voatendry ho mpisava lalana manokana tatỳ aoriana. Niray saina ilay fiangonana nanendrena azy, ary tena nanohina ny fony izany.

Nanao tatitra momba an’i Etiopia i Manfred Tonak taorian’izay. Efa nisy hatramin’ny andron’ny Baiboly i Etiopia, ary misy mpitory 9 000 mahery. Mipetraka ao Addis-Abeba renivohitra, na tsy lavitra eo, ny ankamaroan’ny mpitory, ka mila mpitory bebe kokoa ny any amin’ireo toerana lavitra. Nasaina hanampy àry ny Etiopianina avy any an-tany hafa. Maro no namaly ny antso, ka nampahery an’ireo Vavolombelona teo an-toerana izany. Nahita olona maro nandray tsara koa izy ireo.

Nahaliana koa ny lahateny mifampitohy momba ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia sy ny ady ataon’izy ireo eny amin’ny fitsarana. Niresaka momba ny fanenjehana nisy tany hatramin’izay, indrindra fa ny tany Moscou, i Aulis Bergdahl, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Rosia. Nitantara momba ny zavatra tsara nitranga tao anatin’ireo volana vitsivitsy i Philip Brumley, miasa ao amin’ny Sampan-draharaha Momba ny Lalàna, ao amin’ny sampan’i Etazonia. Nilaza izy fa nandinika an’ireo fiampangana sivy momba ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona. Niaiky ny mpitsara rehetra tao fa tsy misy mitombina ireo fiampangana. Nohazavain’izy ireo mihitsy aza hoe nahoana no tsy mitombina ny fiampangana sasany. Mbola ho hita ihany izay ho vokatr’iny didy iny any Rosia, fa nilaza ny Rahalahy Brumley hoe mety hisy fiantraikany tsara amin’ny fitsarana any an-tany hafa iny didy iny.

Taorian’izany vaovao mampientam-po izany, dia nilaza ny Rahalahy Lett fa neken’ny Fitsarana Eoropeanina ny handinihana an’ilay raharaha mahakasika ny asantsika any Frantsa, izay efa nametrahana fitarainana hatry ny ela. Mitaky hetra tsy ara-drariny amin’ny asantsika mantsy ny fitondrana any Frantsa. Vitsivitsy ihany ny fitarainana dinihin’io fitsarana io, kanefa marihina fa efa nitsara raharaha 39 mahakasika antsika izy io, ary nahazoantsika rariny ny 37 tamin’ireo. Nampirisika ny mpanatrika ny Rahalahy Lett mba hivavaka momba an’ilay raharaha mahakasika an’i Frantsa.

I Richard Morlan, mpampianatra amin’ny Sekolin’ny Anti-panahy, no nanao ny tatitra farany. Nafana fo izy niresaka momba an’io sekoly io sy ny fankasitrahan’ireo anti-panahy nanatrika an’ilay izy.

Lahateny hafa nataon’ny Filan-kevi-pitantanana

Nafana fo erỳ i Guy Pierce, rehefa namelabelatra ny andinin-teny ho an’ny taona 2011, dia ilay hoe: Ataovy ‘fialofanao ny anaran’i Jehovah.’ (Zef. 3:12) Fotoana mahafaly ho an’ny vahoakan’i Jehovah izao iainantsika izao, nefa koa fotoana tokony hampieritreritra. Efa akaiky mantsy ny andro lehiben’i Jehovah, nefa ny olona mbola mitady fialofana any amin’ny fivavahan-diso sy ny fitondrana politika ary ny harena. Misy aza miala voly fotsiny mba hanadinoana ny zava-misy. Ny anaran’i Jehovah no tena fialofana, ka ilaina ny miantso azy io, raha te ho voaro. Tafiditra amin’izany ny hoe mahafantatra azy, manaja azy fatratra, matoky azy, ary tia azy amin’ny fontsika manontolo sy mampiasa izay rehetra ananantsika mba hanompoana azy.

Nanao lahateny nampisaintsaina avy eo i David Splane. Izao no lohateniny: “Efa Niditra Amin’ny Fitsaharan’Andriamanitra ve Ianao?” Nilaza izy fa ny hoe fitsaharan’Andriamanitra dia tsy midika hoe mitsahatra amin’ny asany i Jehovah. Mbola “miasa” foana izy sy ny Zanany, mandritra an’ilay andro fitsaharany, mba ho tanteraka ny fikasany momba ny tany. (Jaona 5:17) Ahoana àry no idirana amin’ny fitsaharan’Andriamanitra? Mila miezaka isika mba tsy hanota. Tsy tokony hanao toy ny olona sasany koa isika, izay manao ny saim-pantany fotsiny mba hahatonga azy ho marina eo anatrehan’Andriamanitra. Mila maneho finoana kosa isika. Ilaintsika koa ny miaina mifanaraka amin’ny fikasan’Andriamanitra, ka mitondra ny anjara birikintsika amin’ny fanatanterahana azy io. Mety ho sarotra izany, nefa ilaintsika foana ny manaraka ny torohevitra sy ny tari-dalan’ny fandaminana. Nampirisika ny mpanatrika ny Rahalahy Splane mba hanao izay rehetra azo atao mba hidirana amin’ny fitsaharan’Andriamanitra.

I Anthony Morris no nanao ny lahateny farany hoe: “Inona no Andrasantsika?” Nampahatsiahiviny fa misy faminaniana mbola tsy tanteraka, ary miandrandra mafy ny hahatanterahan’izy ireny ny olona rehetra tsy mivadika. Anisan’izany faminaniana izany ilay antsoantso hoe: “Fandriampahalemana sy filaminana!” Eo koa ny fandringanana ny fivavahan-diso. (1 Tes. 5:2, 3; Apok. 17:15-17) Nilaza ny Rahalahy Morris hoe rehefa misy zava-mitranga resahin’ny vaovao nefa tsy mahatanteraka an’ireo faminaniana ireo, dia tsy tokony hieritreritra isika hoe: “Ho tonga ny Hara-magedona!” Mila maharitra sy miandry amim-pifaliana isika, araka ny voalazan’ny Mika 7:7. Nampirisika ny rehetra izy mba hiara-miasa akaiky amin’ny Filan-kevi-pitantanana, toy ny miaramila mifanatona sy miara-miasa tsara rehefa mafotaka ny ady. Hoy izy: “Hatanjaho ny fonareo, dia ianareo rehetra izay miandry an’i Jehovah.”—Sal. 31:24.

Nisy fampandrenesana nahafinaritra teo am-pamaranana an’ilay fivoriana. Nilaza i Geoffrey Jackson fa hisy gazety fianarana amin’ny teny anglisy notsorina, ho an’ireo tsy mahay teny anglisy tsara, ary andrana fotsiny aloha ilay izy. Nilaza koa i Stephen Lett fa nanapa-kevitra ny Filan-kevi-pitantanana hoe hahazo fitsidihan’ny mpiandry ny mpiandraikitra ny vondrom-paritra sy ny vadiny, any Etazonia. Nilaza koa izy fa hovana ny anaran’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana, ka lasa hoe Sekoly Ara-baiboly ho An’ny Rahalahy Mpitovo. Hisy sekoly vaovao koa atao hoe Sekoly Ara-baiboly ho An’ny Mpivady Kristianina. Natao hampiofanana ny mpivady izy io, mba hahafahan’ny fandaminana mampiasa azy ireo bebe kokoa. Nilaza koa ny Rahalahy Lett fa hisy kilasy roa isan-taona ny Sekolin’ireo Anisan’ny Komitin’ny Sampana sy ny Vadiny. Toy izany koa ny Sekolin’ny Mpiandraikitra Mpitety Faritany sy ny Vadiny, ho an’ireo any Etazonia. Hatao any Patterson izy ireo, ary mbola mahazo manatrika ireo efa nanao.

I John Barr, izay efa anisan’ny Filan-kevi-pitantanana hatramin’ny ela, no namarana ny fivoriana tamin’ny vavaka. Tena nampihetsi-po ny nandre ny vavaka feno fanetren-tena sy vokatry ny fo nataon’io rahalahy 97 taona io. * Niaiky ny rehetra fa tena niavaka tokoa ilay fivoriana!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 20 Maty tamin’ny 4 Desambra 2010 ny Rahalahy Barr, izay anisan’ireo mankany an-danitra.

[Teny notsongaina, pejy 19]

Tena nahafinaritra ny mpanatrika ny fanadinadinana

[Teny notsongaina, pejy 20]

Tahin’i Jehovah ny fitoriana any Etiopia