Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hatsarao ny Fianaram-pianakavianao na ny Fianaranao Samirery

Hatsarao ny Fianaram-pianakavianao na ny Fianaranao Samirery

Hatsarao ny Fianaram-pianakavianao na ny Fianaranao Samirery

NATAMBATRA ny fivoriana andavanandro nanomboka tamin’ny Janoary 2009. Nampirisihina ny rehetra mba hampiasa an’ilay fotoana iray tokony hivoriana, mba hanaovana Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana na fianarana samirery. Nohararaotinao ve izany, ka nandraisanao soa?

Inona àry no azo atao mandritra ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana? Tsy faritan’ny Filan-kevi-pitantanana hoe inona no tokony hodinihintsika amin’io fotoana io, satria tsy mitovy ny zavatra ilaintsika. Ny loham-pianakaviana no hanapaka izany mba handraisan’ny fianakaviany soa. Ahoana indray ireo tsy mipetraka miaraka amin’ny fianakaviana Vavolombelona? Fianarana samirery no ataon’izy ireo, ka anjarany no mifidy izay hianarany.

Manomana fivoriana ny fianakaviana sasany mandritra an’io fotoana io. Tsy izay ihany anefa no azo atao. Misy fianakaviana, ohatra, mamaky Baiboly na mamaky fanazavana ao amin’ny bokintsika, ary avy eo miara-midinika an’ilay izy. Misy koa milalao an’ireo tantara ao amin’ny Baiboly, mba hahafahan’ny ankizy mandray soa. Tsy voatery hatao fanontaniana sy valiny toy ny any am-pivoriana ilay fianarana. Tokony havela hilaza ny heviny ny tsirairay. Miasa kokoa ny saina rehefa mahafinaritra ny fianarana, ka ho mora mahita hevitra ny rehetra. Hamelombelona ilay fianarana amin’izay, ary ho tadidy tsara.

Hoy ny raim-pianakaviana iray manan-janaka telo mianadahy: ‘Ny vaky Baiboly fanao isan-kerinandro matetika no dinihinay amin’ny fianaram-pianakaviana. Samy mamaky mialoha izahay, ary mikaroka momba an’izay mahaliana azy ny ankizy. Samy mamelabelatra ny hevitra hitany izy ireo mandritra ny fianaranay. Matetika i Michael [fito taona] no manao sarisary na manoratra fehintsoratra iray mamintina izay novakiny. I David sy Kaitlyn [13 sy 15 taona] kosa samy manoratra tantara iray, ka ataony toy hoe nanatri-maso an’ilay zava-nitranga ao amin’ny Baiboly izy. Rehefa namaky ny Genesisy toko faha-40, ohatra, isika, dia nosoratan’i Kaitlyn toy ny tantara kely ny zava-nitranga rehefa nohazavain’i Josefa ny nofin’ireo mpanompon’i Farao. Nataony toy ny hoe niara-nigadra tamin’izy ireo izy.’

Tsy mitovy anefa ny fianakaviana tsirairay. Izay hevitra azo ampiharina amin’ny fianakaviana iray, mety tsy handaitra amin’ny hafa. Misy soso-kevitra mety hanampy anao àry eo amin’ny pejy manaraka. Azo inoana fa mbola afaka mahita hevitra maro hafa koa ianao.

[Efajoro/Sary, pejy 7]

Ho an’ireo manan-janaka tanora:

• Iaraho midinika ny boky Manontany ny Tanora.

• Raha miresaka tantara ao amin’ny Baiboly, dia diniho hoe inona no ho nataonareo raha ianareo ilay olona voaresaka ao. (Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay 2009, pejy 17, fehintsoratra faha-14.)

• Iaraho midinika ny tanjona hotratrarinareo izao sy amin’ny hoavy.

• Jereo ny video na DVD navoakan’ny fandaminana ary iaraho midinika.

• Diniho ny lahatsoratra ao amin’ny Tilikambo hoe “Ho An’ny Ankizy sy ny Tanora.”

Ho an’ny mpivady tsy manan-janaka:

• Diniho ny toko 1, 3, 11-16 ao amin’ny boky Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana.

• Resaho ny fikarohana nataonareo momba ny zavatra novakinareo tao amin’ny Baiboly.

• Omano ny Fianarana Baiboly Ataon’ny Fiangonana sy ny Fianarana Tilikambo.

• Diniho ny fomba azonareo ampitomboana ny fanompoana.

Ho an’ireo tsy miara-mipetraka amin’ny fianakaviana Vavolombelona, na mpitovo:

• Ianaro ny boky nivoaka tamin’ny fivoriambe.

• Vakio ny Diary farany na ny Diary taloha.

• Ianaro ny fomba hamaliana an’ireo fanontaniana fametraky ny olona.

• Omano izay holazainao rehefa mitory.

Ho an’ireo manan-janaka mbola kely:

• Ataovy toy ny tantara an-tsehatra ny tantara ao amin’ny Baiboly.

• Manaova kilalaon-tsaina toy ny hita ao amin’ny Mifohaza! pejy 30 sy 31.

• Mampiasà zavatra hitan’ny maso mba hanampiana ny ankizy haka sary an-tsaina ny tantara iray na ny zavatra ianaranareo ao amin’ny Baiboly. (Jereo ny Tilikambo 15 Febroary 2011, pejy 11.)

• Diniho ny lahatsoratra ao amin’ny Tilikambo hoe “Ampianaro ny Zanakao.”