Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miezaha ho Tia Fihavanana

Miezaha ho Tia Fihavanana

Miezaha ho Tia Fihavanana

‘Aoka isika hiezaka hampisy fihavanana.’—ROM. 14:19.

1, 2. Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no mihavana tsara?

TSY mifandray tsara ny olona eto amin’ity tontolo ity, ary na dia ny olona iray firenena sy mitovy fiteny aza. Ny fivavahana, politika, harena, ary ny fanabeazana matetika no mahatonga an’izany. Hafa mihitsy anefa ny Vavolombelon’i Jehovah. Miray saina izy ireo, na dia ‘avy amin’ny firenena sy foko ary fiteny rehetra’ aza.—Apok. 7:9.

2 Nahoana isika no mihavana tsara toy izany? Voalohany, satria ‘mihavana amin’Andriamanitra’ isika, noho isika mino ny sorona nataon’ny Zanany. (Rom. 5:1; Efes. 1:7) Faharoa, omen’i Jehovah fanahy masina isika satria tsy mivadika. Anisan’ny vokatr’io fanahy io ny “fiadanana”, izay azo adika koa hoe “fihavanana.” (Gal. 5:22) Fahatelo, “tsy anisan’izao tontolo izao” isika. (Jaona 15:19) Tsy miditra amin’ny politika isika, ary tsy mandray anjara amin’ny ady. Toy ny hoe efa ‘nanefy ny sabatra ho angadinomby’ isika.—Isaia 2:4.

3. Inona no ataontsika amin’ny mpiara-manompo amintsika, ary inona no hodinihintsika ato?

3 ‘Mifankatia’ isika Vavolombelon’i Jehovah, na dia samy hafa fiaviana sy toe-tsaina ary fanao aza. (Jaona 15:17) Tsy hoe mitandrina fotsiny isika mba tsy hanisy ratsy ny mpiara-manompo amintsika, fa tena manao soa amin’izy ireo mihitsy. Hoy ny Galatianina 6:10: “Aoka isika hanao soa amin’ny rehetra, indrindra fa amin’ny mpiray finoana amintsika.” Mila mifandray tsara amin’i Jehovah sy ny mpiray finoana isika, satria tena sarobidy izany. Hodinihintsika àry hoe inona no azo atao mba hihavanana foana amin’ny mpiara-manompo.

Ahoana raha misy olona tezitra aminao?

4. Inona no tokony hataonao, raha tsapanao hoe nanafintohina olona ianao?

4 Hoy ny Jakoba 3:2: ‘Manao fahadisoana imbetsaka isika rehetra. Raha misy tsy manao fahadisoana amin’izay lazainy, dia izy no olona lavorary.’ Mety tsy hifankahazo àry ianao sy ny mpiray finoana aminao indraindray. (Fil. 4:2, 3) Azo alamina tsara anefa izany, mba hahafinaritra foana ny fiarahana eo anivon’ny fiangonana. Raha tsapanao, ohatra, hoe nanafintohina olona ianao, dia ampiharo ny torohevitry ny Baiboly.—Vakio ny Matio 5:23, 24.

5. Inona no azonao atao raha nisy olona nahatezitra anao?

5 Ary ahoana raha nisy olona nahatezitra anao? Tokony hiandry azy hiala tsiny ve ianao? Milaza ny 1 Korintianina 13:5 hoe “tsy mitana lolompo” ny fitiavana. Miezaha àry ho tia fihavanana, ka hamela ny fahadisoany ary hanadino izany. (Vakio ny Kolosianina 3:13.) Izay no vahaolana tsara indrindra raha olana madinika ilay izy. Hifandray tsara foana ianareo amin’izay, sady hilamin-tsaina. ‘Voninahitra ny mamela fahadisoana’, hoy ny Ohabolana 19:11.

6. Inona no tokony hataonao raha tsy vitanao ny manadino izay nataon’ilay olona?

6 Ahoana raha tsy vitanao ny manadino? Tsy tsara ny miresadresaka an’ilay olana etsy sy eroa. Manakorontana ny fiangonana fotsiny izany. Inona àry no azonao atao? Hoy ny Matio 18:15: “Raha manota ny rahalahinao, dia mankanesa any aminy, ka rehefa mitokana ianareo, dia ampahafantaro azy ny fahadisoany. Raha mihaino anao izy, dia hahatafaverina ny rahalahinao ianao.” Marina fa ampiharina amin’ny olona nanao fahotana lehibe ny Matio 18:15-17. Azonao arahina koa anefa io andininy faha-15 io, rehefa manana olana amin’ny mpiara-manompo ianao. Mila miresaka aminy mitokana ianao. Tokony ho tsara fanahy anefa ianao, ary hiezaka hihavana aminy. *

7. Nahoana no tokony halamina haingana ilay olana?

7 Hoy ny apostoly Paoly: “Tezera fa aza manota. Aza avela ho tratran’ny masoandro milentika ny fahatezeranareo, ary aza omena toerana ny Devoly.” (Efes. 4:26, 27) Hoy koa i Jesosy: “Mifandamìna haingana amin’ilay mitory anao any amin’ny fitsarana.” (Mat. 5:25) Alamino haingana àry ilay olana. Nahoana? Satria vao mainka hitatra ilay izy raha tsy izany, ka ho toy ny ratra tsy voatsabo. Manonitra ny ratra rehefa avela amin’izao. Raha be hambom-po na mialona ianao, dia ialao izany satria tsy mampilamina olana. Raha resa-bola koa no nampiady anareo, dia tadidio fa ny fihavanana no zava-dehibe noho ny vola.—Jak. 4:1-6.

Ahoana raha maromaro no tsy mifankahazo?

8, 9. a) Nahoana no tsy nifankahazo ny Kristianina tany Roma? b) Inona no torohevitra nomen’i Paoly azy ireo?

8 Olona maromaro indraindray no tsy mifankahazo. Izany no nitranga teo anivon’ny fiangonana tany Roma. Nihevitra ny sasany fa misy biby tsy tokony hohanina, satria voararan’ny Lalàn’i Mosesy. Tsy nety tamin’ny eritreriny ny nihinana an’ilay izy. Ny hafa kosa nihevitra fa azo atao ny mihinana an’ilay izy, satria tsy mihatra intsony ny Lalàna. Lasa nifampitsaratsara àry izy ireo. Tsy mety anefa izany, satria samy azo atao na ny mihinana na ny tsy mihinana.—Rom. 14:1-6.

9 Samy nahitsin’i Paoly àry izy rehetra. Nilaza izy fa tsy tokony hanambany ny hafa izay Kristianina nahatakatra hoe tsy voatery harahina intsony ny Lalàna. (Rom. 14:2, 10) Mety ho tafintohina mantsy ireo mbola nihevitra hoe maharikoriko ny mihinana zavatra voararan’ny Lalàna. Hoy i Paoly: “Aza ravana intsony amin’izay sakafo ny asan’Andriamanitra.” Nanazava izy avy eo hoe aleo “tsy mihinan-kena na misotro divay” raha manafintohina ny hafa izany. (Rom. 14:14, 15, 20, 21) Inona kosa no nolazainy tamin’ireo nihevitra hoe tsy mety ny mihinana zavatra voararan’ny Lalàna? Nilaza izy fa tsy tokony hitsaratsara an’izay tsy mitovy hevitra aminy izy ireo. (Rom. 14:13) Hoy izy: “Aza mihevi-tena mihoatra noho izay tokony hoheverina.” (Rom. 12:3) Rehefa avy nanitsy ny andaniny sy ny ankilany i Paoly, dia niteny hoe: “Aoka àry isika hiezaka hampisy fihavanana sy hifampahery.”—Rom. 14:19.

10. Raha misy olana eo amin’ny Kristianina maromaro, inona no tokony hataony?

10 Azo antoka fa nihaino ny torohevitr’i Paoly ny fiangonana tany Roma, ka niova. Tokony hampihatra ny torohevitry ny Baiboly koa àry isika rehetra, rehefa misy olana. Tokony ho tsara fanahy sy hanetry tena isika rehefa mandamina an’ilay izy. Mety ho samy mila miova daholo, na ny andaniny na ny ankilany, toy ny nataon’ireo Kristianina tany Roma. ‘Hihavana tsara hatrany’ isika amin’izay.—Mar. 9:50.

Inona no tokony hataon’ny anti-panahy?

11. Inona no tokony hataon’ny anti-panahy raha misy mitaraina aminy?

11 Ahoana raha manana olana amin’ny havany na amin’ny mpiara-manompo ny Kristianina iray, ary miresaka amin’ny anti-panahy? Hoy ny Ohabolana 21:13: “Izay manampin-tsofina amin’ny fitarainan’ny mahantra, dia tsy hohenoina koa rehefa miantso.” Hoy koa anefa ny Ohabolana 18:17: “Izay miteny voalohany eo amin’ny fitsarana no toa marina, fa miditra kosa ny andaniny ka manadihady azy.” Marina fa tsy tokony ‘hanampin-tsofina’ ilay anti-panahy fa hihaino tsara an’ilay olona mitaraina. Tsy tokony hiandany amin’ilay olona anefa izy. Rehefa avy mihaino azy kosa izy, dia tokony hanontany hoe: “Efa niresaka tamin’ilay olona nampahatezitra anao ve ianao?” Tsara koa raha ampahatsiahiviny azy hoe inona no asain’ny Baiboly ataony, mba hihavanana amin’ilay nanafintohina azy.

12. Inona no tantara manaporofo fa tsy mety ny mihaino feon-dakolosy tokana?

12 Misy tantara ao amin’ny Baiboly manaporofo fa tsy mety ny mihaino feon-dakolosy tokana. Tonga dia nino ny vadiny, ohatra, i Potifara vao nitantarany hoe nitady hanolana azy i Josefa. Tezitra be i Potifara, ka nogadrainy i Josefa. (Gen. 39:19, 20) Tonga dia nino an’i Ziba koa i Davida Mpanjaka, rehefa nilazany hoe niray tsikombakomba tamin’ny fahavalon’i Davida i Mefiboseta. Nomeny an’i Ziba daholo àry ny fananan’i Mefiboseta. (2 Sam. 16:4; 19:25-27) Nino lainga koa i Artaksersesy, mpanjaka persianina. Nisy nilaza taminy hoe nanorina ny mandan’i Jerosalema ny Jiosy sady nitady hikomy. Tsy navelany hanorina na inona na inona intsony àry izy ireo, ka tsy afaka nanamboatra ny tempoly. (Ezra 4:11-13, 23, 24) Hita avy amin’ireo fa tsy tokony tonga dia hino tenin’olona ny anti-panahy.—Vakio ny 1 Timoty 5:21.

13, 14. a) Inona no tokony hoeritreretintsika, rehefa misy olona tsy mifanaraka? b) Ary inona no tokony hataon’ny anti-panahy?

13 Ahoana indray anefa raha efa samy niresaka tamintsika ireo olona roa tsy nifanaraka? Mety hieritreritra isika hoe tena azontsika tsara ilay olana. Hoy anefa ny Baiboly: “Raha misy mihevi-tena ho efa manam-pahalalana momba ny zavatra iray, dia mbola tsy mahafantatra izany araka ny tokony hahafantarany azy izy.” (1 Kor. 8:2) Mieritrereta hoe: ‘Fantatro tsara daholo ve ny antony nampiady an-dry zareo? Fantatro tsara koa ve ny toetrany, satria mety ho izay no anisan’ny nahatonga an’ilay ady?’ Mila mitandrina ny anti-panahy mba tsy hino lainga na fosafosa, na hanaiky hofetsifetsen’ny olona. Tokony hanahaka an’i Jesosy Kristy, ilay mpitsara voatendrin’Andriamanitra, izy ireo. ‘Tsy mitsara araka izay hitan’ny masony fotsiny’ i Jesosy, ‘na mananatra araka izay ren’ny sofiny.’ (Isaia 11:3, 4) Manao ny rariny kosa izy, ary manampy azy amin’izany ny fanahy masina. Tokony hanaiky hampian’ny fanahy masina koa ny anti-panahy.

14 Inona àry no hataon’izy ireo rehefa manampy mpiara-manompo tsy mifankahazo? Mila mangataka ny fanahin’i Jehovah izy ireo, ary mitady torohevitra ao amin’ny Baiboly sy ny boky navoakan’ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina.—Mat. 24:45.

Ahoana raha nisy nanao fahotana lehibe?

15. Inona no tokony hataontsika raha tsy manaiky hanatona anti-panahy ny Kristianina iray nanota?

15 Hoy ny Baiboly: ‘Ny fahendrena avy any ambony dia madio aloha, ary avy eo tia fihavanana.’ (Jak. 3:17) Marina fa ampirisihina ho tia fihavanana ny Kristianina. Hita amin’io andininy io anefa fa zava-dehibe kokoa ny hoe madio, izany hoe manaraka ny fitsipik’Andriamanitra. Raha fantatsika àry fa nanao fahotana lehibe ny rahalahy na anabavy iray, dia tokony hasaintsika miteny amin’ny anti-panahy. (1 Kor. 6:9, 10; Jak. 5:14-16) Isika kosa no hanao izany, raha tsy manaiky izy. Ahoana anefa raha tsy sahy miteny isika, satria tsy te hiady aminy? Manota isika raha mangina fotsiny.—Vakio ny Levitikosy 5:1; Ohab. 29:24.

16. Inona no ianaran’ny anti-panahy avy amin’i Jeho?

16 Naleon’i Jeho nanaraka ny fitsipik’i Jehovah toy izay hihavana amin’ny mpanao ratsy. Nirahin’Andriamanitra hanafay ny fianakavian’i Ahaba i Jeho. I Jorama zanak’i Ahaba no nanjaka tamin’izay. Nitsena an’i Jeho izy, ary niteny taminy hoe: “Fihavanana ve, ry Jeho?” Hoy anefa i Jeho: “Ahoana no hisian’ny fihavanana raha mbola mijangajanga sy fatra-pilalao ody i Jezebela reninao?” (2 Mpanj. 9:22) Tonga dia notifiriny tamin’ny tsipìka i Jorama avy eo, ka voa teo amin’ny fony. Tokony hanahaka an’i Jeho ny anti-panahy. Tsy mety raha mandefitra amin’ny mpanota tsy mibebaka izy ireo, satria hoe tsy te ho ratsy fihavanana aminy. Mila roahiny ilay olona, amin’izay ny fiangonana ho tsara fihavanana amin’Andriamanitra foana, izany hoe hotahiny.—1 Kor. 5:1, 2, 11-13.

17. Inona no tokony hataontsika rehetra?

17 Matetika anefa no tsy misy ifandraisany amin’ny fahotana lehibe ny olana eo amin’ny samy mpiara-manompo, ka tsy voatery horesahina amin’ny anti-panahy. Hoy ny Ohabolana 17:9: “Izay manarona fahadisoana dia mitady fitiavana, fa izay mbola miresaka momba ny raharaha efa nivalona kosa mampisaraka ny tena mpinamana.” Nisy olona nahasorena anao àry ve? Nahoana raha hadinoina fotsiny izay nataony? Raha samy manao izany isika rehetra eo anivon’ny fiangonana, dia hihavana tsara daholo, ary hifandray tsara amin’i Jehovah.—Mat. 6:14, 15.

Tahin’i Jehovah ny olona tia fihavanana

18, 19. Inona no soa horaisintsika raha miezaka ho tia fihavanana isika?

18 Inona no soa horaisintsika raha miezaka ho tia fihavanana isika? Vao mainka isika ho tian’i Jehovah satria manahaka azy. Lasa miray saina koa ny fiangonana. Tsy vitan’izay fa lasa haintsika ny mifandray amin’ny olona itoriantsika “ny vaovao tsaran’ny fihavanana”, satria efa zatra mifandray tsara amin’ny mpiara-manompo isika. (Efes. 6:15) “Halemy fanahy amin’ny rehetra” isika, ary “hahafehy tena rehefa misy mahasosotra.”—2 Tim. 2:24.

19 Tadidio koa fa olona maro be no hatsangana amin’ny maty, na ny marina na ny tsy marina. (Asa. 24:15) Samy hafa fiaviana ireo olona ireo, ary tsy mitovy toetra. Misy aza efa niaina fahiny ela be, taoriana kelin’ny “nanorenana izao tontolo izao.” (Lioka 11:50, 51) Isika no hampianatra azy ireny ho tia fihavanana, ary tena hahafinaritra izany. Ho mora amintsika ilay izy, raha dieny izao isika dia efa mianatra ho tia fihavanana.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Raha fahotana lehibe, toy ny fanendrikendrehana na fisolokiana ilay izy, dia jereo ny Tilikambo 15 Oktobra 1999, pejy 17-22 sy ny boky “Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”, pejy 222-223.

Inona no Nianaranao?

• Inona no tokony hataonao, raha nanafintohina olona ianao?

• Inona no azontsika atao raha nisy olona nahatezitra antsika?

• Nahoana no tsy mety ny mihaino feon-dakolosy tokana?

• Inona no tokony ho zava-dehibe kokoa amintsika rehefa misy olona nanao fahotana lehibe?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 29]

Tian’i Jehovah ny olona tena mamela heloka