Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Tianao ve ny namaky ireo Tilikambo faramparany? Jereo àry raha hainao ny mamaly ireto fanontaniana ireto:

• Inona no zavatra telo hanampy antsika hanao ny marina foana, na dia mety ho sarotra aza izany?

Mila matahotra an’i Jehovah isika. (1 Pet. 3:12) Mila manana feon’ny fieritreretana voavolavolan’ny Baiboly koa isika, ary miezaha mba hahay hianina.—15/4, pejy 6-7.

• Inona no manaporofo fa na dia zava-dehibe amintsika aza ny fanompoana, dia tsy hoe tokony hiseho ho hentitra be isika na tsy hiala voly mihitsy?

Azontsika dinihina ny fiainan’i Jesosy. Niara-nisakafo tamin’ny olona izy. Tsy nasiaka izy ary sariaka. Na ny ankizy aza te hanatona azy, ary nahazo aina erỳ niaraka taminy.—15/4, pejy 10.

• Inona no azon’ny mpivady atao raha tsy dia mifandray intsony izy ireo rehefa tonga ny zaza?

Tokony hifanome toky indray izy mivady hoe mifankatia izy ireo, ary hasehony amin’ny ataony izany. Tokony hiezaka mafy ny lehilahy mba hahatsapan’ny vadiny hoe tena tiana sy misy vidiny izy. Tokony hifamboraka ny fihetseham-pony izy ireo, ary hifampiresaka tsara momba ny firaisana.—1/5, pejy 13.

• Inona ny hevitr’ilay fanoharana momba ny hazo oliva ao amin’ny Romanina toko faha-11?

Miresaka momba an’ireo olona lasa anisan’ny taranak’i Abrahama, izany hoe anisan’ny Israely ara-panahy, ny fanoharana momba io hazo oliva io. I Jehovah no fakan’ilay hazo, ary i Jesosy no vatan’ilay hazo. Tsy nanaiky an’i Jesosy ho Mesia ny ankamaroan’ny Jiosy, ka natao grefy teo amin’ilay hazo oliva ny olona hafa firenena tonga mpino, mba hamenoana ny isan’ny taranak’i Abrahama.—15/5, pejy 22-25.

• Inona ny vaovao tsara azontsika resahina amin’ny mahantra?

Notendren’Andriamanitra ho Mpanjaka i Jesosy. I Jesosy no Mpitondra mety tsara afaka manafoana ny fahantrana. Nahoana? Satria izy irery ihany no ho mpitondra ny olombelona rehetra, ary mahay manafoana ny fahantrana izy. Mangoraka ny mahantra izy, ary vitany ny manafoana ny antony mahatonga ny fahantrana, dia ny fitiavan-tena izay toetra nolovantsika.—1/6, pejy 7.

• Inona no dikan’ilay tenin’i Jesosy tamin’i Kaiafa hoe “voalazanao”?—Mat. 26:63, 64.

Toa fomba fiteny nahazatra ny Jiosy ilay hoe “voalazanao”, mba hanekena fa marina ny zavatra iray. Rehefa nanontanian’i Kaiafa Mpisoronabe àry i Jesosy hoe izy ve no Kristy Zanak’Andriamanitra, dia namaly izy hoe “voalazanao”, satria te hilaza izy hoe marina ny tenin’i Kaiafa.—1/6, pejy 18.

• Raha nanana taranaka lavorary i Jesosy, moa ve anisan’ny vidim-panavotana ny ain’izy ireo?

Tsia. Afaka nanana taranaka lavorary an’arivony tapitrisa i Jesosy. Na nisy aza izany, dia tsy afaka ny ho anisan’ny vidim-panavotana ny ain’izy ireo. Ny aina lavorarin’i Jesosy ihany no mifandanja amin’ny aina lavorarin’i Adama. (1 Tim. 2:6)—15/6, pejy 13.

• Ahoana no ankatoavantsika ny fampitandremana momba ny mpampianatra sandoka, ao amin’ny Asan’ny Apostoly 20:29, 30?

Tsy mampiditra azy ireny ao an-trano isika, na miresaka aminy. (Rom. 16:17; 2 Jaona 9-11) Tsy mamaky ny bokiny koa isika, tsy mijery ny fandaharany ao amin’ny tele, ary tsy mamaky ny fampianarany ao amin’ny Internet.—15/7, pejy 15-16.

• Iza no tokony hampianatra ny ankizy momba an’Andriamanitra?

Milaza ny Baiboly fa samy tokony hanao izany ny ray sy ny reny. (Ohab. 1:8; Efes. 6:4) Hitan’ireo mpikaroka fa misy vokany tsara amin’ny ankizy izany.—1/8, pejy 6-7.