Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahareta Amin’ilay Hazakazaka Hahazoana Fiainana

Mahareta Amin’ilay Hazakazaka Hahazoana Fiainana

Mahareta Amin’ilay Hazakazaka Hahazoana Fiainana

“Aoka isika hihazakazaka amim-paharetana amin’ilay hazakazaka eo anoloantsika.”—HEB. 12:1.

1, 2. Azo ampitahaina amin’ny inona ny fiainan’ny Kristianina?

MARO ny olona mandray anjara amin’ny fifaninanana hazakazaka lavitra ezaka isan-taona. Ny handresy no tanjon’ireo mpihazakazaka matihanina. Ny hamita an’ilay hazakazaka hatramin’ny farany kosa no tanjon’ny hafa.

2 Milaza ny Baiboly fa toy ny mihazakazaka koa ny Kristianina, satria miezaka foana isika mba hanao ny sitrapon’i Jehovah. Izany no noresahin’ny apostoly Paoly tao amin’ny taratasiny voalohany ho an’ireo Kristianina tany Korinto. Hoy izy: “Tsy fantatrareo ve fa mihazakazaka avokoa ny mpihazakazaka rehetra manao fifaninanana, nefa iray monja no mahazo ny loka? Mihazakazaha koa mba hahazoanareo azy io.”—1 Kor. 9:24.

3. Inona no tian’i Paoly holazaina tamin’ilay hoe iray monja no mahazo ny loka?

3 Te hilaza ve i Paoly hoe Kristianina iray monja no hahazo ny lokan’ny fiainana, fa ho very maina kosa ny herim-pon’ny hafa? Tsia. Rehefa niteny izy hoe “iray monja no mahazo ny loka”, ny tena tiany hasongadina dia hoe misy fanazaran-tena sy ezaka mafy mila atao vao ho azo ilay loka. Tian’i Paoly hiezaka mafy toy izany koa ireo Kristianina namany, mba hahazoana ny fiainana mandrakizay. Tsy iray ihany no hahazo ny loka fa izay rehetra mahavita an’ilay hazakazaka hatramin’ny farany.

4. Inona no tokony ho fantatsika momba an’ilay hazakazaka kristianina?

4 Mampahery sy mampisaintsaina ireo tenin’i Paoly ireo, ho an’izay rehetra manao an’ilay hazakazaka. Tsy manan-tsahala mantsy ilay loka, na ho fiainana any an-danitra izany na ho fiainana ao amin’ny Paradisa eto an-tany. Lavitra sy sarotra anefa ilay hazakazaka. Maro koa ny sakana sy ny zavatra tsy mampifantoka ary ny loza eny an-dalana. (Mat. 7:13, 14) Mampalahelo fa nisy ny lasa niadam-pandeha na tsy nanohy intsony. Inona àry no fandrika sy loza, eo amin’ilay hazakazaka hahazoana fiainana? Ahoana no hialana amin’izy ireny? Inona no azonao atao mba hamitana an’ilay hazakazaka?

Mila miaritra isika mba handresy

5. Inona no nohazavain’i Paoly ao amin’ny Hebreo 12:1?

5 Niresaka momba ny hazakazaka indray i Paoly tatỳ aoriana, rehefa nanoratra ho an’ny Kristianina hebreo tany Jerosalema sy Jodia. (Vakio ny Hebreo 12:1.) Tsy nilaza fotsiny izy tamin’izay hoe nahoana no tokony hatao ilay hazakazaka, fa nasongadiny koa izay tsy maintsy atao mba handresena. Hojerentsika àry aloha hoe nahoana i Paoly no nanoratra ho an’ny Hebreo, ary inona no tiany hataon’izy ireo. Hojerentsika avy eo izay azontsika ampiharina.

6. Inona no fitsapana niaretan’ireo Kristianina voalohany?

6 Niaritra fitsapana maro ireo Kristianina voalohany, indrindra fa ireo Kristianina tany Jerosalema sy Jodia. Nanana fahefana be ny mpitondra fivavahana jiosy, ka nanenjika an’ireo Kristianina. Efa niampanga an’i Jesosy Kristy ho mpikomy sy mpanao heloka bevava izy ireo talohan’izay, ary namono azy mihitsy. Mbola nanenjika ny mpianany indray anefa izy ireo izao. Hitantsika ao amin’ny Asan’ny Apostoly ny fandrahonana sy ny fanenjehana imbetsaka nataon’izy ireo, taorian’ilay fahagagana tamin’ny Pentekosta taona 33. Tena sarotra àry ny fiainan’ireo Kristianina.—Asa. 4:1-3; 5:17, 18; 6:8-12; 7:59; 8:1, 3.

7. Inona koa no nanasarotra ny fiainan’ireo Kristianina?

7 Sarotra koa ny fiainan’ireo Kristianina tamin’izany, satria efa akaiky ho rava i Jerosalema. Efa nilaza tamin’izy ireo i Jesosy fa horavana ilay tanàna ary horinganina ireo Jiosy tsy mankatò. Nolazainy koa izay hitranga alohan’ilay fandravana, sy izay tokony hataon’ny mpanara-dia azy raha te ho tafavoaka velona. (Vakio ny Lioka 21:20-22.) Nilaza toy izao koa izy: “Mitandrema sao ny fonareo hovesaran’ny fihinanana tafahoatra sy ny fibobohan-toaka ary ny fanahiana eo amin’ny fiainana, ka tsy hampoizinareo ny hahatongavan’izany andro izany aminareo, fa ho tampoka.”—Lioka 21:34.

8. Inona no mety ho nahatonga ny Kristianina sasany ho varimbariana, na hitsahatra mihitsy amin’ilay hihazakazaka?

8 Efa ho 30 taona ny elanelan’ny fotoana nanomezan’i Jesosy an’io fampitandremana io, sy ny nanoratan’i Paoly ho an’ny Hebreo. Inona no nitranga nandritra izany? Nisy Kristianina variana tamin’ny olana sy ny fanahiana eo amin’ny fiainana, ka tsy nianatra momba an’i Jehovah intsony ary lasa tsy nifandray tsara taminy. (Heb. 5:11-14) Mety ho nisy koa nihevitra hoe ho mora kokoa ny fiainany raha manaraka ny fanaon’ny ankamaroan’ny Jiosy izy. Mety ho nieritreritra an’izany izy ireo, satria tsy niala tanteraka tamin’Andriamanitra ireo Jiosy ireo, ary nankatò ny sasany tamin’ny Lalàna. Nisy koa Kristianina nanaiky lembenana rehefa noteren’ny hafa hanaraka ny Lalàn’i Mosesy sy ny lovantsofina. Ahoana no nanampian’i Paoly an’ireo rahalahiny mba hahatonga azy ireo tsy hivadika sy hiaritra amin’ilay hazakazaka?

9, 10. a) Inona no tokony hataon’ny Kristianina, araka ny tenin’i Paoly eo amin’ny faran’ny Hebreo toko faha-10? b) Nahoana i Paoly no niresaka momba ny finoan’ireo vavolombelona fahiny?

9 Mahaliana ny fomba nampaherezan’i Paoly an’ireo Kristianina hebreo. Nohazavainy eo am-piandohan’ny Hebreo toko faha-10 fa “aloky ny zavatra tsara ho avy” ny Lalàna, ary tena sarobidy ny sorom-panavotan’i Kristy. Nampirisika izy avy eo, any amin’ny faran’io toko io, hoe: “Mila miaritra ianareo mba ho tanteraka aminareo ilay fampanantenana, rehefa vitanareo ny sitrapon’Andriamanitra. Fa ‘efa tena kely sisa’ dia ‘ho tonga ilay ho avy, ary tsy ho ela fiavy.’ ”—Heb. 10:1, 36, 37.

10 Nanazava ny atao hoe tena finoana an’Andriamanitra anefa i Paoly, ao amin’ny Hebreo toko faha-11, ary niresaka ny ohatra navelan’ireo lehilahy sy vehivavy nanam-pinoana fahiny. Nahoana i Paoly no lasa niresaka finoana indray nefa fiaretana no noresahiny teo aloha? Satria manana herim-po sy mahavita miaritra ny olona rehefa manam-pinoana. Fantany fa hanampy an’ireo rahalahiny hiatrika zava-tsarotra ny ohatra miavaka navelan’ireo mpanompon’i Jehovah fahiny. Hoy izy rehefa avy niresaka ny finoana nasehon’ireo olona ireo: “Koa satria misy vavolombelona maro be toy ny rahona manodidina antsika, dia aoka koa isika hanaisotra izay rehetra manavesatra antsika sy ny ota izay mora mamatopatotra antsika, ary aoka isika hihazakazaka amim-paharetana amin’ilay hazakazaka eo anoloantsika.”—Heb. 12:1.

“Vavolombelona maro be toy ny rahona”

11. Inona no soa raisintsika raha misaintsaina ny ohatra navelan’ireo “vavolombelona maro be toy ny rahona” isika?

11 Tsy mpitazana an’ilay hazakazaka fotsiny akory ireo “vavolombelona maro be toy ny rahona.” Nandray anjara toy ny mpihazakazaka matihanina mihitsy izy ireo, ary efa nahavita ny fihazakazahany. Efa maty izy ireo, kanefa mampahery an’ireo mpihazakazaka vao manomboka ny ohatra navelany, ary mandrisika azy hiezaka mafy. Rehefa misaintsaina ny ohatra navelan’ny mpanompon’i Jehovah fahiny ireo mandray anjara amin’ilay hazakazaka, dia miaiky fa afaka mandresy izy na sarotra aza ilay hazakazaka. Toy izany koa fa nila nitadidy ny ohatra navelan’ireny olona ireny ireo Kristianina hebreo mba ho be herim-po sy hanana ‘faharetana’ eo am-panaovana an’ilay hazakazaka. Hanampy antsika ankehitriny koa izany.

12. Nahoana no mitovitovy amin’ny fiainantsika ny fiainan’ireo olona notanisain’i Paoly?

12 Mitovitovy amin’ny fiainan’ireo olona tsy nivadika notanisain’i Paoly ny fiainantsika Kristianina ankehitriny. Eo, ohatra, i Noa. Niaina taloha kelin’ny nandravana an’ilay tontolo ratsy fahiny izy. Efa kely koa sisa dia horavana ity tontolo misy antsika ity. Eo koa i Abrahama sy Saraha. Nasaina nandao ny tanànany izy ireo mba hanarahany ny fivavahana marina, ary niandry ny fahatanterahan’ny fampanantenan’i Jehovah izy ireo tany. Asaina mahafoy tena koa isika, mba hahazoana ny fankasitrahan’i Jehovah sy ireo fitahiana nampanantenainy. I Mosesy indray namakivaky tany efitra nampidi-doza mba ho any amin’ny Tany Nampanantenaina. Toy ny hoe mamakivaky an’ity tontolo mampidi-doza ity koa isika ankehitriny, mba ho ao amin’ilay tontolo vaovao nampanantenain’i Jehovah. Tena ilaintsika àry ny mandinika ny zavatra niainan’ireny olona ireny, anisan’izany ny zavatra nety sy tsy nety nataony, ary ny toetra tsarany sy ny fahalemeny.—Rom. 15:4; 1 Kor. 10:11.

Inona no nanampy azy ireo hamita an’ilay hazakazaka?

13. Inona no asa sarotra nataon’i Noa, ary inona no nanampy azy hahavita izany?

13 Inona no nanampy an’ireo mpanompon’i Jehovah ireo hiaritra sy hamita an’ilay hazakazaka? Mariho izay noresahin’i Paoly momba an’i Noa ao amin’ny Hebreo 11:7. (Vakio.) Mbola tsy nisy safodrano mihitsy talohan’izay, ary ‘mbola tsy nahita’ safodrano ‘nandringana ny nofo rehetra’ mihitsy izy. (Gen. 6:17) Tsy nieritreritra anefa izy hoe tsy hitranga mihitsy izany. Nahoana? Satria nino izy fa manatanteraka ny teniny foana i Jehovah. Tsy nihevitra àry i Noa hoe sarotra loatra ny zavatra nasaina nataony. Nankatò tanteraka an’i Jehovah izy. Hoy ny Baiboly: “Izany indrindra no nataony.” (Gen. 6:22) Eritrereto ange ny zavatra tsy maintsy nataon’i Noa e: Nanamboatra sambofiara, nanangona biby, nanangona sakafo ho an’ny olona sy ny biby, nitory sy nampitandrina ny olona, ary nanampy ny fianakaviany hifandray tsara amin’i Jehovah. Sarotra izany asa nataon’i Noa izany. Nanam-pinoana sy niaritra anefa izy, ka nanao foana an’ilay asa. Novonjen’i Jehovah àry izy sy ny fianakaviany, ary nomeny fitahiana maro.

14. Inona no zava-tsarotra niaretan’i Abrahama sy Saraha, ary inona no ianarantsika avy amin’izy ireo?

14 Anisan’ireo “vavolombelona maro be toy ny rahona” koa i Abrahama sy Saraha. Nanaiky handao ny fonenany tao Ora izy ireo, na dia tsy fantany aza hoe hanao ahoana ny hoaviny. Nanam-pinoana sy nankatò izy ireo, na tao anatin’ny sarotra aza. Antsoin’ny Baiboly hoe “rain’izay rehetra manam-pinoana” i Abrahama, noho izy nahafoy zavatra maro ho an’i Jehovah. (Rom. 4:11) Efa fantatr’ireo Kristianina hebreo tsara ny fiainan’i Abrahama, ka zavatra vitsivitsy momba azy ihany no nasongadin’i Paoly. Na izany aza, dia misy lesona lehibe ao amin’ny teniny. Hoy izy: “Maty tamim-pinoana ireo rehetra ireo [anisan’izany i Abrahama sy ny fianakaviany], na dia tsy hitany aza ny fahatanterahan’ny fampanantenana, fa tazany lavitra kosa, ka faly niandrandra izany izy ireo, ary nanambara ampahibemaso fa vahiny sy mpivahiny teo amin’ilay tany.” (Heb. 11:13) Nanampy an’i Abrahama sy Saraha hiaritra tamin’ilay hazakazaka, ny finoany an’Andriamanitra sy ny fifandraisany tsara taminy.

15. Inona no nandrisika an’i Mosesy handao ny zava-drehetra tany Ejipta?

15 Anisan’ireo “vavolombelona maro be toy ny rahona” koa i Mosesy. Nilaozany ny fonenany sy ny voninahitra ary ny harena tao an-dapa, ka “naleony nampijalina niaraka tamin’ny vahoakan’Andriamanitra.” Nahoana izy no nanao izany? Hoy i Paoly: ‘Nibanjina tsara ny fanomezana an’ilay valisoa izy. Tsy azo nohozongozonina mihitsy izy, toy ny mahita an’Ilay tsy hita.’ (Vakio ny Hebreo 11:24-27.) Fantany fa nisy zavatra tsara lavitra noho ny hoe ‘nifaly vetivety tamin’ny fahotana.’ Tena nino izy fa misy Andriamanitra ary ho tanteraka ny fampanantenany. Be herim-po sy niaritra izy vokatr’izany. Nanampy azy hiezaka mafy izany mba hitarika ny Israelita hiala avy tao Ejipta ho any amin’ny Tany Nampanantenaina.

16. Ahoana no ahalalantsika fa tsy kivy i Mosesy na dia tsy navela niditra ny Tany Nampanantenaina aza?

16 Tsy nahita ny fahatanterahan’ny fampanantenan’i Jehovah i Mosesy, toa an’i Abrahama ihany. Izao no nolazaina taminy talohan’ny nidiran’ny Israelita tao amin’ny Tany Nampanantenaina: “Hitazana an’ilay tany avy eny lavitra ianao, fa tsy hiditra ao amin’ilay tany homeko ny zanak’Israely.” Nahoana izy no tsy nahazo niditra an’ilay tany? Satria tezitra loatra tamin’ilay vahoaka nikomy izy sy Arona “teo amin’ny ranon’i Meriba”, ka tsy nanome voninahitra an’Andriamanitra. (Deot. 32:51, 52) Kivy sy nanao an-dolompo ve anefa izy, rehefa tsy navela hiditra ny Tany Nampantenaina? Tsia. Nitso-drano an’ilay vahoaka kosa izy, ary namarana ny teniny toy izao: “Sambatra ianao, ry Israely ô! Iza moa no tahaka anao, izay vahoaka mahazo famonjena avy amin’i Jehovah Ilay ampingan’ny famonjena anao, sy Ilay sabatrao malaza?”—Deot. 33:29.

Lesona ho antsika

17, 18. a) Inona no ianarantsika avy amin’ireo “vavolombelona maro be toy ny rahona”? b) Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

17 Nandinika ny fiainan’ireo anisan’ny “vavolombelona maro be toy ny rahona” isika teo. Hitantsika tamin’izany fa tena mila mino an’Andriamanitra sy ny fampanantenany isika, raha te hamita an’ilay hazakazaka. (Heb. 11:6) Tsy tokony hoe indraindray ihany isika vao ho hita hoe manam-pinoana, fa tokony hoe amin’ny fiainantsika manontolo mihitsy. Tsy mifantoka amin’izao fiainana izao, toy ny olona tsy manam-pinoana isika, fa manantena hoavy tena tsara. Toy ny hoe mahita “an’Ilay tsy hita” isika, ka maharitra amin’ilay hazakazaka hahazoana fiainana.—2 Kor. 5:7.

18 Tsy mora ilay hazakazaka, nefa azontsika atao ny mamita azy io hatramin’ny farany. Hojerentsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka hoe inona koa no hanampy antsika hamita an’ilay hazakazaka.

Hainao Hazavaina Ve?

• Nahoana i Paoly no niresaka momba ny finoan’ireo vavolombelona fahiny?

• Nahoana no manampy antsika hiaritra amin’ilay hazakazaka ny ohatra navelan’ireo “vavolombelona maro be toy ny rahona”?

• Inona no nianaranao avy amin’ny ohatra navelan’i Noa, Abrahama, Saraha, ary Mosesy?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 19]

Vonona handao ny fiainana nampiadana tao Ora i Abrahama sy Saraha