Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Soa Ihany Aho fa Namaky Baiboly Foana

Soa Ihany Aho fa Namaky Baiboly Foana

Soa Ihany Aho fa Namaky Baiboly Foana

Notantarain’i Marceau Leroy

NIAFINA tao amin’ny efitranoko aho, indray andro, mba hamaky Baiboly. Fa nahoana? Satria tsy nino an’Andriamanitra mihitsy ny dadanay, ka tsy tia Baiboly. Izao no novakiko voalohany tao: “Tany am-piandohana, dia namorona ny lanitra sy ny tany Andriamanitra.”

Sambany aho vao namaky Baiboly, ka gaga be rehefa nahita an’io fehezanteny voalohany ao amin’ny Genesisy io. Tonga saina aho hoe: ‘Hay ve nisy namorona izao rehetra izao e! Gaga anie aho hoe maninona ilay izy no milamina tsara e!’ Nahaliana be ahy ilay boky ka variana namaky teo aho, nanomboka tamin’ny valo alina ka hatramin’ny efatra maraina. Lasa zatra namaky Baiboly aho taorian’izay. Tena nampahery ahy foana izy io.

‘Lasa tsy maintsy mamaky an’io isan’andro ianao’

Teraka tamin’ny 1926, tany Vermelles aho. Any amin’ny faritra avaratr’i Frantsa izy io, ary nisy fitrandrahana arintany. Nitrandraka arintany no asako. Tsy nantsoina hanao miaramila aho satria tena nilaina ny arintany tamin’ny Ady Lehibe II. Te hahazo vola bebe kokoa anefa aho, ka nianatra momba ny radio sy ny herinaratra. Tamin’izay no nahitako hoe milamina tsara ny lalàna mifehy ny natiora. Nanome Baiboly ahy ny namako, tamin’izaho 21 taona, sady niteny hoe: “Mahasoa leisy ity fa vakio a.” Rehefa nahavaky an’ilay Baiboly aho, dia resy lahatra hoe Tenin’Andriamanitra ilay izy, ary nataony ho an’ny olombelona.

Nihevitra aho hoe te hamaky Baiboly koa ny iray tanàna tamiko, ka nitady Baiboly ho azy ireo aho, ary nahazo valo. Gaga anefa aho fa tsy tian-dry zareo ilay izy sady nesoiny aho. Misy minomino foana koa ny havanay, ka nampitandrina ahy hoe: “Raha vao mamaky an’io ianao, dia lasa tsy maintsy mamaky isan’andro!” Dia namaky tokoa aho, ary tsy nanenina mihitsy. Lasa zatra mamaky Baiboly aho hatramin’izao.

Nisy mpiray tanàna nanome ahy bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah, satria fantany hoe tia boky ara-baiboly aho. Anisan’izany ilay hoe Tontolo Iray, Fitondram-panjakana Iray * (eo amin’ny sary). Voalaza ao fa ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no mahavita manavotra ny olombelona. (Mat. 6:10) Tena te hiresaka an’izany tamin’ny olona aho.

Nisy nanaiky ihany rehefa nomeko Baiboly. Anisan’izany ny namako iray atao hoe Noël. Katolika nafana fo izy, ka nampihaoniny tamin’ny lehilahy iray niofana ho mompera aho. Natahotra aho, nefa sahy niresaka tamin’ilay lehilahy hoe raran’Andriamanitra ny mivavaka amin’ny sary sy manome anaram-boninahitra mpitondra fivavahana. Efa novakiko tao amin’ny Salamo 115:4-8 sy ny Matio 23:9, 10 mantsy izany. Inona no vokany? Lasa Vavolombelon’i Jehovah i Noël, ary tsy mivadika hatramin’izao.

Nankany amin’ny anabaviko koa aho. Nanana boky momba ny asan’ny maizina ny vadiny, ary nampijalin’ny demonia. Nieritreritra aho hoe tsy hahavita hanampy azy ireo. Hitako tao amin’ny Baiboly anefa fa afaka manampy ahy ny anjelin’i Jehovah. Nampahery ahy, ohatra, ny Hebreo 1:14. Narahin’ilay zaodahiko ny toro lalan’ny Baiboly natoroko azy, sady tsy notehiriziny intsony izay zavatra nisy nifandraisany tamin’ny demonia. Tsy nampijalin’ny demonia intsony izy avy eo. Lasa Vavolombelon’i Jehovah izy mivady sady tena mazoto.

Nisy Vavolombelon’i Jehovah tonga tao amiko, tamin’ny 1947. Faly erỳ aho! Amerikanina izy, ary Arthur Emiot no anarany. Nanontaniako izy hoe aiza no misy fivoriana, ka natorony hoe any Liévin, folo kilaometatra eo ho eo avy eo aminay. Zara raha nisy bisikileta tamin’izany, ka nandeha an-tongotra nankany aho, nandritra ny volana maromaro. Efa valo taona no noraran’ny fanjakana frantsay ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy nisy afa-tsy 2 380 ny mpitory teto, ary maro no avy any Polonina. Neken’ny fanjakana ihany anefa ny fivavahantsika tamin’ny 1 Septambra 1947. Nasiana biraon’ny sampana indray teto Paris, tao amin’ny Villa Guibert. Tsy nisy mpisava lalana tatỳ Frantsa tamin’izany. Nampirisika ny mpitory hanao mpisava lalana àry ny Mpilaza Vaovao (Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana ankehitriny) tamin’ny Desambra 1947, ary 150 ora isam-bolana no notakina. (Lasa 100 ora izany tamin’ny 1949.) Tena resy lahatra aho hoe ny tenin’Andriamanitra no fahamarinana, ka natao batisa aho tamin’ny 1948, ary lasa mpisava lalana ny Desambra 1949.—Jaona 17:17.

Vao avy nigadra dia niverina tany Dunkerque

Nanompo tany Agen, any amin’ny faritra atsimon’i Frantsa, aho nefa vetivety ihany no tany. Tsy nitrandraka arintany intsony mantsy aho, ka voantso ho miaramila. Tsy nanaiky aho, dia nogadraina. Tsy navela hitondra Baiboly aho, nefa soa ihany fa nahazo pejy vitsivitsy tamin’ny bokin’ny Salamo. Tena nampahery ahy ilay izy. Niasa saina aho rehefa tafavoaka ny fonja hoe hanorin-tokantrano sy hitady vola amin’izay ve sa mbola hanao mpisava lalana. Mbola nanampy ahy indray ny Baiboly. Nosaintsainiko ilay tenin’i Paoly hoe: “Manana ny hery hiatrehana ny toe-javatra rehetra aho, amin’ny alalan’ilay manome hery ahy.” (Fil. 4:11-13) Nanapa-kevitra àry aho fa mbola hanao mpisava lalana. Voatendry tany Dunkerque aho tamin’ny 1950. Tanàna efa nitoriako taloha izy io.

Tsy nanana na inona na inona aho rehefa tonga tany. Simban’ny ady ilay tanàna ka sarotra ny nahita trano. Nankany amin’ny fianakaviana iray efa nitoriako àry aho. Faly be ilay ramatoa, ary niteny hoe: “Hay ve efa tafavoaka tany am-ponja ianao e! Hozy ny vadiko hoe raha mba hoatr’anao daholo ny olona, dia tsy ho nisy mihitsy ny ady.” Nanana trano fandraisana mpizaha tany izy ireo, ka nasainy nipetraka tao aho aloha. Nahita asa ho ahy koa i Evans, * rahalahin’i Arthur Emiot. Mpandika teny tao amin’ny seranan-tsambo izy, ary nitady olona hiambina sambo. Nampifankahalalany tamin’ny tompon’andraikitra iray aho. Nahia kely hoatran’ny tahon-kifafa aho, ka nohazavain’i Evans hoe vao avy nigadra. Nasain’ilay rangahy naka sakafo tao amin’ny vata fampangatsiahana àry aho. Sady nahita trano aho tamin’io andro io, no nahazo asa sy sakafo. Vao mainka aho natoky hoe marina ny Matio 6:25-33.

Nisy mpizaha tany tonga taoriana kelin’izay, ka voatery niala tao amin’ilay trano izaho sy Simon Apolinarski, mpisava lalana niaraka tamiko. Nanapa-kevitra anefa izahay hoe hijanona tao Dunkerque. Nipetraka tao amin’ny tranon-tsoavaly iray izahay, ary natory tamin’ny kidoro misy sesika mololo. Nitory foana izahay nandritra ny andro. Nitorianay, ohatra, ny tompon’ilay tranon-tsoavaly, ka lasa Vavolombelona. Tsy ela dia nisy gazety nampitandrina hoe lasa be dia be ny Vavolombelon’i Jehovah tao an-tanàna. Vao mpitory vitsivitsy anefa izahay no tao. Tsy mora ilay izy, nefa nampahery anay ny nisaintsaina ny fampanantenan’i Jehovah sy izay efa nataony mba hikarakarana anay. Lasa 30 teo ho eo ny mpitory tao Dunkerque, tamin’izaho niala tany, tamin’ny 1952.

Nahazo andraikitra vaovao

Nanompo vetivety tany Amiens aho, ary avy eo voatendry ho mpisava lalana manokana tany Boulogne-Billancourt. Be dia be ny olona nampianariko Baiboly tany, ary lasa mpanompo manontolo andro sy misionera ny sasany. Anisan’izany i Guy Mabilat. Lasa mpiandraikitra ny faritra izy, ary avy eo vondrom-paritra. Niandraikitra ny fanorenana ny trano fanontam-pirinty tao amin’ny Betela eto Louviers izy tatỳ aoriana. Nitory sy nampianatra foana aho ka niraikitra kokoa tao an-tsaiko ny tenin’Andriamanitra. Vao mainka aho faly sy nahay nampianatra kokoa.

Tsy nampoiziko tamin’ny 1953, fa voatendry ho mpiandraikitra ny faritra tany Alsace-Lorraine aho. Indroa io toerana io no lasan’i Alemaina, teo anelanelan’ny 1871 sy 1945. Tsy maintsy nianatra teny alemà àry aho. Tsy dia nisy milina fanoratana na tele na fiara na radio tany, ary mbola tsy nisy ordinatera koa. Tsy nankaleo anefa ny fiainako, fa tena nahafinaritra. Mora tamiko ny nanana ‘maso tsotra’ sy nifantoka tsara tamin’ny fanompoana, satria tsy dia nisy fialam-boly tamin’izany.—Mat. 6:19-22.

Tsy hadinoko mihitsy ilay fivoriambe hoe “Fanjakana Mandresy”, teto Paris, tamin’ny 1955. Tany mantsy no nahitako an’i Irène Kolanski vadiko. Poloney izy, ary herintaona talohako no nanomboka nanompo manontolo andro. Vavolombelon’i Jehovah efa ela ny ray aman-dreniny. I Adolf Weber no nitory tamin-dry zareo. Mpanao zaridainan’ny Rahalahy Russell izy, ary nankatỳ Eoropa mba hitory. Natao mariazy izahay sy Irène tamin’ny 1956. Nanampy sy nampahery ahy foana izy tamin’ny andraikitro.

Lasa mpiandraikitra ny vondrom-paritra aho, roa taona taorian’izay. Tsy nampoiziko koa ilay izy! Vitsy anefa ny mpiandraikitra ny faritra tamin’izany, ka mbola nanao an’io asa io aho indraindray. Be atao aho, satria tsy maintsy nitory 100 ora isam-bolana, nanao lahateny isan-kerinandro, nitsidika fianarana boky telo, ary nijery antontan-taratasy sy nanao tatitra momba ny fiangonana. Tsy nanam-potoana hamakiana Baiboly àry aho. Inona, hoy ianareo, no nataoko? Nanana Baiboly efa ratsy aho ka nesoriko ny pejy sasany tamin’ilay izy, ary nentiko nanaraka ahy mba hovakiko rehefa sendra miandry olona aho. Vetivety fotsiny aho matetika no afaka namaky. Nampahery ahy anefa izay novakiko, ka nazoto nanao ny asako foana aho.

Nasaina hanompo eto amin’ny Betela izahay mivady, tamin’ny 1967. Miasa ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana aho, 40 taona mahery izao. Anisan’ny andraikitro ny mamaly fanontanian’ny olona momba ny Baiboly. Mahafinaritra ahy ilay izy, satria mandalina ny Baiboly aho ary ‘miaro ny vaovao tsara.’ (Fil. 1:7) Tiako koa ny mitarika fotoam-pivavahana maraina. Voatendry ho anisan’ny Komitin’ny Sampana aho tamin’ny 1976.

Ny manompo an’i Jehovah no tena tsara

Efa antitra sy tsy salama izahay mivady izao, ka tsy afaka manao zavatra firy intsony. Izany no fitsapana mafy indrindra aminay. Miara-mamaky sy mianatra Baiboly anefa izahay, ka tadidinay foana ny fampanantenan’i Jehovah. Mazoto mandeha fiara fitaterana koa izahay, mba hiresaka an’io fanantenana io ao amin’ny faritaninay. Efa 120 taona mahery no nanompoanay manontolo andro, raha atambatra. Tena nahafinaritra be ny fiainanay, ka mampirisika anareo rehetra izahay mba hanao toa anay koa. Miombon-kevitra amin’i Davida Mpanjaka aho. Hoy izy ao amin’ny Salamo 37:25: “Efa antitra aho ankehitriny, nefa mbola tsy nahita olo-marina nafoy tanteraka.”

Nampahery ahy tamin’ny alalan’ny Teniny foana i Jehovah. Tanteraka ny tenin’ny havako, 60 taona mahery izay hoe hamaky Baiboly foana aho. Mamaky azy io isan’andro aho, ary tsy nanenenako mihitsy izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Navoaka tamin’ny 1944, fa tsy atao pirinty intsony.

^ feh. 14 Miresaka momba an’i Evans Emiot Ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary 1999, pejy 22 sy 23.

[Sary, pejy 5]

Izahay sy Simon

[Sary, pejy 5]

Tamin’izaho mpiandraikitra ny vondrom-paritra

[Sary, pejy 5]

Baiboly mitovy amin’ilay Baiboliko voalohany

[Sary, pejy 6]

Tamin’ny mariazinay

[Sary, pejy 6]

Tia mamaky sy mianatra ny Tenin’Andriamanitra izahay sy Irène