Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Faly Aho Manompo An’i Jehovah

Faly Aho Manompo An’i Jehovah

Faly Aho Manompo An’i Jehovah

Notantarain’i Fred Rusk

Mbola kely aho dia efa tsapako fa marina ny tenin’i Davida ao amin’ny Salamo 27:10 hoe: “Na mandao ahy aza ny raiko sy ny reniko, dia handray ahy kosa i Jehovah.” Hotantaraiko aminareo izay nahatonga izany.

TANY amin’ny toeram-pambolena landihazon’i Dadabe, any Géorgie, Etazonia, aho no nipetraka tamin’ny mbola kely. Tany aho nandritra ilay Olana Ara-toe-karena Lehibe tamin’ny 1929 ka hatramin’ny 1939. Nalahelo be i Dada rehefa maty i Neny sy ny zandriko vao teraka, ka navelany tamin’i Dadabe, izay efa maty vady, aho. Lasa niasa tany amin’ny tanàna lavitra izy. Niezaka naka ahy izy tatỳ aoriana, nefa tsy tanteraka mihitsy izany.

Nisy anabavin’i Dada maromaro niara-nipetraka taminay, ary izy ireo no nitantana ny tokantrano. Batista nafana fo izy ireo, ary norahonany hokapohina aho raha vao tsy miangona isaky ny alahady. I Dadabe anefa tsy mpivavaka. Mbola kely aho dia tsy tia fivavahana firy, noho izany rehetra izany. Tia nianatra anefa aho, ary tia nanao fanatanjahan-tena.

Fitsidihana nanova ny fiainako

Nisy mpivady be taona tonga tao aminay indray tolakandro izay, tamin’ny 1941, tamin’izaho 15 taona. Nolazaina tamiko hoe: “Izy no Talmadge Rusk dadatoanao.” Mbola tsy nandre momba azy mihitsy aho. Fantatro anefa avy eo fa Vavolombelon’i Jehovah izy ireo, ary nohazavainy fa tian’Andriamanitra hiaina mandrakizay eto an-tany ny olombelona. Samy hafa be tamin’izay reko tany am-piangonana izany. Nanda izany fampianarana izany ny ankamaroan’ny fianakaviako, ary nankahala izany mihitsy. Tsy navela hanitsaka ny tokonam-baravaranay intsony àry izy mivady. Nanaiky handray Baiboly sy boky ara-baiboly tamin’izy ireo anefa i Mary zandrin’i Dada, izay zokiko telo taona monja.

Vetivety i Mary dia resy lahatra hoe nahita ny fahamarinana, ka natao batisa tamin’ny 1942. Tanteraka taminy koa ilay tenin’i Jesosy hoe: “Ny ankohonan’ny olona ihany no ho fahavalony.” (Mat. 10:34-36) Nanenjika be ny fianakavianay. Niray tsikombakomba tamin’ny ben’ny tanàna ny zokiny vavy, izay nitana toerana lehibe tao an-tanàna, ka nanao izay hisamborana an’i Dadatoa Talmadge. Nampangaina ho mivarotra tsy misy fahazoan-dalana izy, ka voaheloka.

Nivoaka tamin’ny gazety ny tenin’ilay ben’ny tanàna tamin’ireo mpitsara. Anisan’ny mpitsara koa mantsy izy. Hoy izy: ‘Mampidi-doza toy ny poizina ny boky zarain’io rangahy io.’ Na izany aza, dia nampakatra fitsarana ambony i Dadatoa, ary nahazo rariny. Efa nigadra folo andro anefa aloha izy.

Nampian’i Mary aho

Noresahin’i Mary tamiko ireo zavatra vaovao nianarany, sady nanomboka nitory teo an-tanàna izy. Niaraka taminy aho indray andro, tamin’izy nampianatra Baiboly lehilahy iray. Efa nandray ny boky Ny Tontolo Vaovao * izy io. Nilaza ny vadiny fa niari-tory ilay lehilahy namaky an’ilay boky. Tiako daholo ny zavatra reko, nefa mbola tsy te hiditra amin’ny resaka fivavahana aho. Tsy ny fampianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah loatra no nahatonga ahy hino hoe vahoakan’Andriamanitra izy ireo, fa ny fanenjehana natao taminy.

Nahatazana setroka avy tao amin’ny daba fandoroana fako izahay sy Mary indray mandeha, rehefa avy niava voatabiha. Hay nodoran’ireo rahavaviny ny bokin’i Mary sy ny grafofaonina iray ary ny diska maromaro nisy hafatra ara-baiboly. Tezitra be aho, nefa nisy iray tamin’izy ireo nianjona sady niteny hoe: “Mbola hisaotra anay ihany ianao any aoriana any!”

Voaroaka niala tao an-trano i Mary tamin’ny 1943, noho izy tsy nety niala tamin’ny finoany sy tsy nety nanajanona ny fitoriany. Efa nahalala zavatra betsabetsaka anefa aho tamin’izay. Tena faly aho satria fantatro hoe i Jehovah no anaran’Andriamanitra, ary be fitiavana sy mangoraka izy fa tsy mandoro olona any amin’ny afobe. Fantatro koa fa manana fandaminana be fitiavana i Jehovah, na dia mbola tsy nivory aza aho.

Nanapaka bozaka aho taorian’izay, ary nisy fiara nandeha moramora. Nisy lehilahy roa tao anatiny, ary nanontany ahy ny iray raha izaho no Fred. Hitako hoe Vavolombelon’i Jehovah izy ireo, ka hoy aho: “Avelao aho hiditra, dia andao isika hijery toerana takontakona hiresahana.” Hay nasain’i Mary nitsidika ahy ry zareo. Shield Toutjian no anaran’ilay iray, ary mpiandraikitra mpitety faritany izy. Nampahery ahy izy ary nanome tari-dalana ara-baiboly. Tena nilaiko izany satria izaho indray no notoherin’ny fianakaviana, noho izaho niaro ny zavatra inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Nipetraka tany Roanoke, any Virginie, i Mary, ary nanoratra tamiko izy hoe afaka mipetraka any aminy aho, raha tena te hanompo an’i Jehovah. Tapa-kevitra avy hatrany aho fa handeha. Nataoko tao anaty baoritra ny zavatra tena nilaiko, indray zoma harivan’ny volana Oktobra 1943. Nofatorako teo amin’ny hazo iray lavidavitry ny tranonay ilay izy, ary nalaiko ny ampitson’iny. Tany ambadiky ny tanàna anefa ny lalako avy eo mba tsy ho tsikaritry ny olona, ary nandray ny lalana nankany an-tanàn-dehibe aho. Nankany Roanoke aho avy eo, ary nahita an’i Mary tao an-tranon’i Edna Fowlkes.

Natao batisa ary lasa Betelita

Voahosotra i Edna, ary tena nangoraka olona, toa an’i Lydia ao amin’ny Baiboly. Nanofa trano lehibe iray izy, ary nampiantrano ny zaobaviny sy ny zanak’izy io roa vavy atao hoe Gladys sy Grace Gregory, izay lasa misionera tatỳ aoriana. Tao koa i Mary. Efa 90 taona mahery izao i Gladys, ary manompo ao amin’ny sampan’i Japon.

Nivory tsy tapaka sy nampiofanina hitory aho tamin’izaho nipetraka tao amin’i Edna. Tanteraka ny faniriako hahalala bebe kokoa an’i Jehovah, satria afaka nianatra Baiboly malalaka aho sady nanatrika fivoriana. Natao batisa àry aho ny 14 Jona 1944. Nirotsaka ho mpisava lalana i Mary sy ry Gregory mirahavavy, ary notendrena ho any amin’ny faritra avaratr’i Virginie. Nandray anjara be tamin’ny fiforonan’ny fiangonana tao Leesburg izy ireo. Nirotsaka ho mpisava lalana aho tany am-piandohan’ny 1946, ary nanompo tsy lavitra azy ireo. Niara-namonjy fivoriambe iraisam-pirenena tao Cleveland, izahay tamin’ny 4 ka hatramin’ny 11 Aogositra tamin’io taona io.

I Nathan Knorr no nitantana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany. Noresahiny tamin’ilay fivoriambe hoe hitarina ny Betelan’i Brooklyn, ka hampiana ny trano fonenana sy ny trano fanontam-pirinty. Nilaza koa izy fa mila rahalahy maro izy ireo hanampy. Tapa-kevitra aho fa any no tiako hanompoana an’i Jehovah. Nandefa fangatahana àry aho, ka voantso aho volana vitsivitsy monja taorian’izay, izany hoe ny 1 Desambra 1946.

Nanatona ahy i Max Larson, mpiandraikitra ny fanontam-pirinty, herintaona teo ho eo taorian’izay. Niasa tao amin’ny Sampan-draharaha Mandefa sy Mandray Taratasy aho tamin’izay. Nilaza tamiko izy fa hafindra ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana aho. Niana-javatra maro momba ny fampiharana ny toro lalan’ny Baiboly sy ny fiasan’ny fandaminana aho rehefa tao, indrindra tamin’izaho niara-niasa tamin’i T. Sullivan, mpiandraikitra an’ilay sampan-draharaha.

Nitsidika ahy imbetsaka i Dada, ary lasa mpivavaka izy rehefa nihantitra. Nitsidika ahy farany izy tamin’ny 1965, ary niteny hoe: “Tongava mamangy ahy, fa tsy ho atỳ intsony aho.” Namangy azy tsindraindray àry aho, mandra-pahafatiny. Nahazo antoka erỳ izy fa ho any an-danitra. Izaho kosa manantena fa ao amin’ny fitadidian’i Jehovah izy, ka hatsangany rehefa hatsangana ny maty, nefa tsy any amin’ilay toerana noeritreretiny, fa eto an-tany, ka hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa.

Fivoriambe sy fanorenana tsy hay hadinoina

Tena nanampy tamin’ny fandrosoan’ny fiangonana ny fivoriambe, indrindra fa ireo fivoriambe iraisam-pirenena teo anelanelan’ny 1950 sy 1960, tao amin’ny Yankee Stadium, eto New York. Niara-nampiasaina ny Yankee Stadium sy ny Polo Grounds tamin’ny 1958, nefa feno hipoka izy ireo, ka nisy mpanatrika 253 922, avy any amin’ny tany 123. Tena nanampy ahy handroso ny zava-nitranga tamin’io fivoriambe io. Nanampy ny Biraon’ny Fivoriambe aho tamin’izay, ary nihazakazaka nanatona ahy ny Rahalahy Knorr. Hoy izy: “Fred a, hadinoko ny nanendry rahalahy hanao lahateny ho an’ny mpisava lalana. Efa tafavory ao amin’ilay trano fanaovana lanonana nohofantsika erỳ akaiky erỳ anefa ry zareo. Afaka mihazakazaka mankany ve ianao, dia manao lahateny mampahery ho azy ireo? Eny an-dalana ianao mieritreritra izay holazainao.” Nivavaka foana aho teny an-dalana, ary nisefosefo be aho tonga tany.

Nitombo be ny fiangonana teto New York, teo anelanelan’ny 1950 sy 1970, ka tsy naharaka intsony ireo trano nohofana hivoriana. Nisy trano telo novidina sy nohavaozina àry tao Manhattan, teo anelanelan’ny 1970 sy 1990, ary izaho no mpandrindra ny asan’ireo komitin’ny fanorenana. Faly aho rehefa mahatsiaro hoe tena notahin’i Jehovah ireo fiangonana nanome vola sy nanampy tamin’ireny asa ireny. Mbola ampiasaina ho foiben’ny fivavahana marina ireny trano ireny ankehitriny.

Niova ny fiainako

Handeha hiasa aho indray andro, tamin’ny 1957. Nandalo teo amin’ny zaridaina anelanelan’ny trano fonenan’ny Betelita sy ny fanontam-pirinty aho, ary nanomboka avy ny orana. Nahita tovovavy nahafatifaty aho tamin’izay nandeha teo alohako! Betelita vao haingana izy. Tsy nanana elo izy, ka nasaiko niara-nielo tamiko. Izany no fomba nifankahitanay sy Marjorie. Nivady izahay tamin’ny 1960, ary faly niara-nanompo an’i Jehovah, na tamin’ny mora na tamin’ny sarotra. Nankalaza ny faha-50 taonan’ny mariazinay izahay tamin’ny Septambra 2010.

Vao avy nanao volan-tantely izahay, dia tonga nilaza tamiko ny Rahalahy Knorr fa voatendry ho mpampianatra ao amin’ny Sekolin’i Gileada aho. Tombontsoa be izany! Nisy kilasy fiofanana dimy tamin’ny 1961 ka hatramin’ny 1965, ary naharitra kokoa ilay fiofanana. Olona miasa ao amin’ny Betela ny ankamaroan’ny mpianatra, ary nampiofanina hiandraikitra ny asan’ny sampana. Naverina ho dimy volana io sekoly io taorian’izay, ary nampiofana misionera toy ny taloha indray.

Notendrena ho mpiandraikitra ny Sampan’asan’ny Famaliana Taratasy aho tamin’ny 1972. Nanao fikarohana izahay mba hamaliana fanontaniana maro sy hamahana olana isan-karazany, ka lasa takatro kokoa ny fampianaran’ny Tenin’Andriamanitra, ary haiko kokoa ny nanaraka ny toro lalan’Andriamanitra rehefa manampy ny hafa.

Nafindra tao amin’ny sampan-draharaha vaovao atao hoe Sampan’asan’ny Filan-kevitra Momba ny Hopitaly aho tamin’ny 1987. Nisy fampiofanana maromaro natao, mba hanampiana an’ireo anti-panahy anisan’ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly. Nampiana izy ireo hahay hanazava amin’ny dokotera sy mpitsara ary mpanao asa soa hoe inona no antony ara-baiboly mahatonga antsika hifady ny ra. Ny tena olana mantsy dia hoe nisy dokotera tonga dia nampiditra ra tamin’ny zanaka Vavolombelona, ary matetika aza naka fahazoan-dalana tany amin’ny fitsarana.

Rehefa nasaina nampiasa fitsaboana solon’ny fampidiran-dra ny dokotera, dia matetika izy ireny no nilaza hoe tsy misy an’izany, na hoe lafo be izany. Rehefa nilaza izany ilay dokotera, dia matetika aho no niteny hoe: “Mba asehoy ahy ange ny tananao e!” Ary rehefa nasehony ahy ny tanany, dia noteneniko izy hoe: “Hitanao! Manana ny fitaovana sarobidy indrindra ianao! Iny tananao iny no fitaovana tsara indrindra azonao isorohana ny fampidiran-dra.” Nidera ny fahaizany aho tamin’izany, sady nampahatsiahy zavatra efa fantany tsara, dia ny hoe tena kely ny ra very raha mitandrina tsara izy rehefa mampiasa ny antsy fandidiana.

Tena notahin’i Jehovah ilay ezaka natao tato anatin’ny 20 taona, mba hanomezana fanazavana ny dokotera sy ny mpitsara. Niova be izy ireo, rehefa azony kokoa ny antony ifadiantsika ny ra. Nanjary fantatr’izy ireo fa mandaitra ny fitsaboana solon’ny fampidiran-dra, sady voaporofo amin’ny fikarohana. Lasa fantatr’izy ireo koa fa misy dokotera sy hopitaly maro vonona hiara-miasa amintsika ary azo afindra any ireo marary tsy manaiky hampidiran-dra.

Nifindra teto amin’ny Foibem-pampianaran’ny Tilikambo Fiambenana eto Patterson, New York, izahay mivady, nanomboka tamin’ny 1996. Tokotokony ho 110 kilaometatra avaratr’i Brooklyn izy io. Niasa kely tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana aho, ary avy eo nanampy tamin’ny fampiofanana tao amin’ny sekoly ho an’ny mpiandraikitra mpitety faritany, sy sekoly ho an’ireo miandraikitra ny asan’ny sampana. Niverina tao amin’ny Sampan’asan’ny Famaliana Taratasy aho taorian’izay, ary efa 12 taona aho izao no ao. Tany Brooklyn izy io taloha, fa nafindra eto.

Olana nandritra ny fahanterana

Sarotra tamiko ny nanao ny asako, rehefa 85 taona teo ho eo aho. Efa folo taona mahery aho izao no niady tamin’ny kansera. Mahatsapa toa an’i Hezekia aho, satria nohalavain’i Jehovah ny androm-piainako. (Isaia 38:5) Ny vadiko indray voan’ny Alzheimer, ary mifanampy izahay mba hizakany an’izany. Mpitory mahay izy, mpanoro hevitra ny tanora, ary namako sy tsy nivadika tamiko mihitsy. Nazoto nianatra Baiboly foana izy, sady nahay nampianatra. Maro amin’ireo zanakay ara-panahy no mbola manoratra aminay.

Maty teo amin’ny faha-87 taonany i Mary, tamin’ny Martsa 2010. Efa maty talohan’izay ny vadiny, izay misionera tany Israely. Miara-milevina izy mivady, ary matoky aho fa ao amin’ny fitadidian’i Jehovah izy ireo, ary miandry ny fananganana amin’ny maty. Tena nahay nampianatra Baiboly i Mary, ary nanampy ny hafa hanaraka ny fahamarinana. Nanompo manontolo andro nandritra ny taona maro izy. Tena mankasitraka azy aho, noho izy nanampy ahy hahafantatra ny fahamarinana sy ho lasa mpanompon’i Jehovah toa azy.

Mankasitraka an’i Jehovah aho noho ireo fitahiana maro azoko tao anatin’ny 67 taona nanompoako azy. Tena faly aho nanao ny sitrapony! Matoky aho fa haneho hatsaram-panahy tsy manam-paharoa amiko izy, ka ho tanteraka amiko ilay tenin’ny Zanany hoe: “Izay rehetra efa nahafoy trano na rahalahy na anabavy na ray na reny na zanaka na tany noho ny anarako, dia hahazo be lavitra raha oharina amin’izay nafoiny, ary handova fiainana mandrakizay.”Mat. 19:29.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 11 Nivoaka tamin’ny 1942, fa tsy atao pirinty intsony.

[Sary, pejy 19]

Tao amin’ny toeram-pambolen’i Dadabe, tany Géorgie, tamin’ny 1928

[Sary, pejy 19]

I Mary sy Dadatoa Talmadge

[Sary, pejy 20]

I Mary sy Gladys ary Grace

[Sary, pejy 20]

Ny batisako, tamin’ny 14 Jona 1944

[Sary, pejy 20]

Tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana

[Sary, pejy 21]

Izaho sy Mary tamin’ny fivoriambe iraisam-pirenena tamin’ny 1958, tao amin’ny Yankee Stadium

[Sary, pejy 21]

Izahay sy Marjorie tamin’ny mariazinay

[Sary, pejy 21]

Izahay mivady tamin’ny 2008