Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Inona no tokony hataoko rehefa misy zavatra tsy azoko ao amin’ny Baiboly, na misy olana ilako torohevitra?

Milaza ny Ohabolana 2:1-5 fa tokony hazoto ‘hikaroka’ foana isika, raha te hanana fahiratan-tsaina sy fahaiza-manavaka. Tokony hataontsika toy ny fikaroka “harena miafina” izany. Midika izany fa tokony hiezaka mafy isika, mba hahita ny valin’ny fanontaniantsika na hamaha ny olana mahazo antsika. Ahoana no anaovantsika izany?

Misy lahatsoratra hoe “Fomba Fanaovana Fikarohana” ao amin’ny boky Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana, pejy 33 ka hatramin’ny 38. Hazavainy ao ny fomba azo anaovana fikarohana amin’ireo fitaovana navoakan’ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina.” (Mat. 24:45) Resahiny eo amin’ny pejy 36 fa afaka mampiasa ny Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah isika. Mizara roa io boky io, dia ny Fanondroana Foto-kevitra sy ny Fanondroana Andinin-teny. Azonao tadiavina ao amin’ilay lisitra ny teny fototra mifandray amin’ilay fanazavana ilainao, na ny andinin-teny tsy azonao. Omeny eo ny boky na gazety miresaka an’ilay izy. Mila manana faharetana ianao rehefa mikaroka ny valin’ny fanontanianao, na te hahazo ny tari-dalana ilainao. Tadidio fa mikaroka “harena miafina” ianao, ary mitaky fotoana sy ezaka izany.

Misy foto-kevitra sy andinin-teny sasany anefa tsy voaresaka ao amin’ny bokintsika. Ary na dia niresaka ny andinin-teny tadiavinao aza ilay boky, dia mety tsy hanazava ny fanontaniana manitikitika ny sainao. Ankoatra izany, dia mety hifandray amin’ny tsipirian-javatra tsy voalaza ao amin’ny tantara ao amin’ny Baiboly ny fanontanianao. Tsy afaka manantena àry isika hoe ho voavaly daholo ny fanontaniana rehetra. Tsy tokony hanombantombana isika, raha tsy voavaly ny fanontaniantsika. Raha manao izany mantsy isika, dia mety ho lany fotoana amin’ny adihevitra, fa tsy hifantoka amin’ny “fanomezana zavatra avy amin’Andriamanitra, dia zavatra manatanjaka finoana.” (1 Tim. 1:4; 2 Tim. 2:23; Tit. 3:9) Tsy afaka manome valim-panontaniana tsy ao amin’ny boky aman-gazetintsika ny sampana sy ny foibe any Brooklyn. Azo antoka anefa fa ampy mba hitari-dalana antsika eo amin’ny fiainana ny fanazavana omena ao amin’ny Baiboly. Raha mbola tsy hita ny valin’ny fanontanianao, dia azonao hararaotina izany mba hampisehoana fa mino an’ilay Andriamanitra nampanoratra ny Baiboly ianao.—Jereo ny boky Manatòna An’i Jehovah, pejy 185 sy 186.

Ahoana anefa raha misy zavatra misy fiantraikany amin’ny fiainanao, ka efa nanaovanao fikarohana nefa tsy nahitanao tari-dalana na vahaolana? Miresaha amin’ny Kristianina matotra, ohatra hoe anti-panahy. Tena mahay Baiboly izy ireny, ary efa nanompo an’i Jehovah an-taonany maro. Akaiky anao koa izy ireny, ary mahalala tsara anao sy izay manjo anao. Tena hanampy anao àry ny tari-dalan’izy ireo, rehefa misy olana mahazo anao na misy fanapahan-kevitra mila raisinao. Aza hadinoina koa ny mivavaka amin’i Jehovah. Hazavao tsara aminy izay mampanahy anao. Mangataha koa fanahy masina mba hanampy anao hieritreritra tsara. I Jehovah mantsy ‘no manome fahendrena sy fahaiza-manavaka.’—Ohab. 2:6; Lioka 11:13.