Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miezaha ‘Hampionona An’ireo Ory’

Miezaha ‘Hampionona An’ireo Ory’

Miezaha ‘Hampionona An’ireo Ory’

‘I Jehovah nanosotra ahy hampionona an’ireo ory rehetra.’—ISAIA 61:1, 2.

1. Ahoana no nanampian’i Jesosy an’ireo ory, ary nahoana?

HOY i Jesosy Kristy: “Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’ilay naniraka ahy sy ny mahavita ny asany.” (Jaona 4:34) Nanahaka ny toetran’ny Rainy i Jesosy rehefa nanao an’io asa io. Tena tia olona izy. (1 Jaona 4:7-10) Nisy fomba iray nampisehoan’ny Rainy fa be fitiavana izy. Nilaza ny apostoly Paoly fa “Andriamanitry ny fampiononana rehetra” i Jehovah. (2 Kor. 1:3) Nanahaka azy koa i Jesosy, ka nampionona ny olona, araka ny efa voalaza ao amin’ny faminanian’i Isaia. (Vakio ny Isaia 61:1, 2.) Namaky an’io faminaniana io i Jesosy tao amin’ny synagogan’i Nazareta, ary nilaza fa tanteraka aminy izy io. (Lioka 4:16-21) Nampionona ny ory izy nandritra ny fanompoany, ka nampahery sy nanampy azy ireo hilamin-tsaina.

2, 3. Nahoana isika no mila mampionona ny hafa toy ny nataon’i Kristy?

2 Tokony hanahaka an’i Jesosy ny mpanara-dia azy rehetra, ka hampionona ny ory. (1 Kor. 11:1) Hoy i Paoly: “Mifampionòna sy mifampahereza hatrany.” (1 Tes. 5:11) Tena mila fampiononana sy fampaherezana ny olona, satria miaina amin’ny “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” isika ankehitriny. (2 Tim. 3:1) Manao teny mandratra na manao zavatra mampalahelo sy mandratra fo ny olona sasany, ka mihabetsaka ny olona tsy manan-tsiny mahatsiaro ho ory sy mijaly.

3 Tanteraka ny faminanian’ny Baiboly momba ny andro farany, satria maro ny olona ‘tia tena, tia vola, matin-kambo, manambony tena, mpanevateva, tsy mankatò ray aman-dreny, tsy misaotra, tsy mena-mivadika, tsy tia ny mpianakaviny, tsy azo ifanarahana, mpanendrikendrika, tsy mahafehy tena, masiaka be, tsy tia ny tsara, mpamadika, be di-doha, mpieboebo, tia fahafinaretana fa tsy tia an’Andriamanitra.’ Ratsy noho ny hatramin’izay ny toetran’ny olona satria ‘vao mainka miharatsy kokoa ny ratsy fanahy sy ny mpisandoka.’—2 Tim. 3:2-4, 13.

4. Manao ahoana ny zava-mitranga maneran-tany ankehitriny?

4 Tsy gaga amin’izany isika, satria milaza ny Tenin’Andriamanitra fa ‘izao tontolo izao manontolo dia eo ambany fahefan’ilay ratsy.’ (1 Jaona 5:19) Tafiditra amin’ny hoe “izao tontolo izao manontolo” ny politika, sy ny tontolo ara-barotra, ary ny fivavahana eto amin’ity tontolo ity. Tafiditra amin’izy io koa ny fomba rehetra ampiasain’i Satana mba hampielezana ny heviny. I Satana Devoly tokoa no “mpitondra an’izao tontolo izao” sy “andriamanitr’ity tontolo ity.” (Jaona 14:30; 2 Kor. 4:4) Vao mainka miharatsy ny zava-mitranga maneran-tany, satria tezitra mafy izy izao. Fantany mantsy fa fohy ny fotoana ananany. (Apok. 12:12) Tena mampahery anefa ny mahalala fa kely sisa Andriamanitra, dia tsy handefitra intsony amin’i Satana sy ny tontolo ratsiny. Ho voalamina ilay adihevitra napoitran’i Satana momba ny zon’i Jehovah hitondra.—Gen. toko faha-3; Joba toko faha-2.

Torina eran-tany ny vaovao tsara

5. Inona no mampiseho fa tanteraka amin’izao andro farany izao ny tenin’i Jesosy momba ny asa fitoriana?

5 Tanteraka amin’izao fotoan-tsarotra izao ny tenin’i Jesosy hoe: “Hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.” (Mat. 24:14) Mandroso be tokoa ny fitoriana ankehitriny, ka torina maneran-tany ny Fanjakan’Andriamanitra. Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny 7 500 000, any amin’ny fiangonana maherin’ny 107 000, no mitory sy mampianatra momba azy io toy ny nataon’i Jesosy. (Mat. 4:17) Maro ny ory nahazo fampiononana, ka nisy olona 570 601 be izao natao batisa sy lasa Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 2009 sy 2010.

6. Ahoana no fahitanao ny fandrosoan’ny asa fitoriana?

6 Mandroso be koa ny fitoriana, satria mandika sy mizara boky ara-baiboly amin’ny fiteny 500 mahery ny Vavolombelon’i Jehovah. Mbola tsy nisy nahavita toy izany hatramin’izay! Mahavariana fa mbola mahavita ny asany foana ny vahoakan’i Jehovah ary mitombo foana, na dia eo anivon’ny tontolo fehezin’i Satana aza. Tsy ho vita izany, raha tsy teo ny fitarihan’ny fanahy masina sy ny fanampian’izy io. Torina maneran-tany ny vaovao tsara, ka tsy isika ihany no mahazo fampiononana avy amin’ny Soratra Masina, fa ny ory rehetra manaiky ny hafatra momba ilay Fanjakana.

Miezaha hampionona na hampahery ny mpiray finoana

7. a) Nahoana isika no tsy afaka manantena hoe hesorin’Andriamanitra dieny izao ny olana rehetra mampahory antsika? b) Inona no mampiseho fa azonao atao ny miaritra fanenjehana sy fahoriana?

7 Be ny faharatsiana sy ny fijaliana eto amin’ity tontolo ity, ka azo inoana fa hiatrika zava-mampahory isika. Tsy afaka manantena isika hoe hesorin’Andriamanitra dieny izao ireo olana rehetra miteraka hakiviana na alahelo. Rehefa handringana an’ity tontolo ity mantsy izy vao hanao izany. Efa voalaza mialoha koa fa hisy ny fanenjehana. Azonao porofoina hoe tsy mivadika ianao ary manohana ny zon’i Jehovah hitondra, rehefa mitranga aminao izany. (2 Tim. 3:12) Hanampy sy hampahery anao ilay Raintsika any an-danitra, ka ho afaka hiaritra fanenjehana sy fahoriana ianao, sady hanana finoana matanjaka toa an’ireo Kristianina voahosotra tany Tesalonika.—Vakio ny 2 Tesalonianina 1:3-5.

8. Inona no mampiseho fa mampahery ny mpanompony i Jehovah?

8 Afaka matoky isika fa mampahery ny mpanompony i Jehovah rehefa misy ilana izany. Diniho, ohatra, izay nitranga tamin’i Elia mpaminany. Nandrahona hamono azy i Jezebela vadin’ny mpanjaka, ka natahotra izy ary nandositra. Nilaza mihitsy aza izy fa te ho faty. Tsy nibedy azy anefa i Jehovah, fa nampahery sy nanampy azy ho be herim-po mba hanohizany ny asan’ny mpaminany. (1 Mpanj. 19:1-21) Nampahery ny mpanompony koa i Jehovah, tamin’ny taonjato voalohany. Nanampy azy ireo izy, ka ‘nandry feizay sy nihanatanjaka ny fiangonana eran’i Jodia sy Galilia ary Samaria.’ “Nandeha tamin’ny fahatahorana an’i Jehovah” sy nahazo “ny fampiononan’ny fanahy masina” koa ny fiangonana, “ka tsy nitsaha-nitombo.” (Asa. 9:31) Tena faly isika satria mampionona antsika koa ny fanahy masina ankehitriny!

9. Nahoana no mampahery antsika ny mianatra momba an’i Jesosy?

9 Mampahery antsika Kristianina ny mianatra momba an’i Jesosy Kristy sy manaraka ny diany. Hoy i Jesosy: “Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra miasa mafy sy mavesatra entana, fa hamelombelona anareo aho. Ento ny ziogako ka mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena aho, dia ho velombelona ianareo. Fa mora entina ny ziogako, ary maivana ny entako.” (Mat. 11:28-30) Tena hihamaivana ny adin-tsaintsika, raha mianatra ny fomba nitondran’i Jesosy ny olona isika sady manahaka azy.

10, 11. Iza no tokony hampahery, eo anivon’ny fiangonana?

10 Afaka mampahery antsika koa ny mpiray finoana amintsika. Afaka manampy antsika, ohatra, ny anti-panahy raha misy olana misy fiantraikany eo amin’ny finoantsika. Hoy i Jakoba, mpianatr’i Jesosy: “Misy marary [ara-panahy] ve aminareo? Aoka izy hiantso ny anti-panahin’ny fiangonana, ary aoka ireo hivavaka ho azy.” Inona no ho vokatr’izany? “Hanasitrana ilay marary ny vavaka atao amim-pinoana, ary i Jehovah hanarina azy. Raha nanota koa izy, dia havela ny helony.” (Jak. 5:14, 15) Afaka mampahery koa anefa ny olon-kafa eo anivon’ny fiangonana.

11 Mora kokoa amin’ny vehivavy matetika ny miresaka amin’ny vehivavy hafa momba ny olana mahazo azy. Afaka manome torohevitra tsara ho an’ny anabavy tanora ny anabavy be taona kokoa sy nahita fiainana kokoa. Mety ho efa nanjo an’ireny anabavy matotra ireny mantsy ilay olana, sady mahay mangoraka sy mahay maneho hatsaram-panahy izy ireny. (Vakio ny Titosy 2:3-5.) Mazava ho azy fa tokony “hanao teny mampahery ny kivy” koa ny anti-panahy sy ny olon-kafa. (1 Tes. 5:14, 15) Tadidio fa afaka ‘mampionona an’izay ao anatin’ny fahoriana isan-karazany’ isika, satria omen’i Jehovah fampiononana “amin’ny fahoriantsika rehetra.”—2 Kor. 1:4.

12. Nahoana no tena ilaina ny mamonjy fivoriana?

12 Anisan’ny fomba lehibe ahazoana fampaherezana koa ny famonjena fivoriana. Mampahery antsika ny fanazavana ara-baiboly omena any. Milaza ny Baiboly fa “nampahery an’ireo rahalahy tamin’ny lahateny maro” i Jodasy sy Silasy, “sady nanatanjaka” azy ireo. (Asa. 15:32) Manao resaka mampahery koa ireo rahalahy sy anabavy, aloha sy aorian’ny fivoriana. Raha misy zavatra mampahory antsika àry, dia tsy tsara ny mitokantokana. Tsy hamaha ny olana mahazo antsika izany. (Ohab. 18:1) Tsara ny manaraka ny torohevitr’i Paoly hoe: ‘Aoka isika hifampihevitra mba handrisika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara, ka tsy hahafoy ny fiarahantsika mivory, toy ny sasany izay efa zatra tsy mivory, fa hifampahery kosa, indrindra fa hitanareo hoe manakaiky ny andro.’—Heb. 10:24, 25.

Mampahery ny Tenin’Andriamanitra

13, 14. Ahoana no ampaherezan’ny Soratra Masina antsika?

13 Afaka mahazo fampaherezana avy amin’ny Tenin’Andriamanitra isika, na Kristianina vita batisa, na vao manomboka mianatra momba an’Andriamanitra sy ny fikasany. Hoy i Paoly: “Izay rehetra voasoratra taloha dia nosoratana ho fianarantsika, mba hananantsika fanantenana amin’ny alalan’ny fiaretantsika sy ny fampiononana avy ao amin’ny Soratra Masina.” (Rom. 15:4) Afaka mampionona na mampahery antsika ny Soratra Masina, ary manampy antsika “ho tena mahay sy ho ampy fitaovana tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.” (2 Tim. 3:16, 17) Tena mampahery izy io satria mampahafantatra antsika ny fikasan’i Jehovah, ary manampy antsika hanana fanantenana azo antoka momba ny hoavy. Ianaro tsara àry ny Baiboly sy ireo boky ara-baiboly avoakan’ny fandaminana, fa mampahery izy ireny ary hitondra soa be dia be ho anao.

14 Modely ho antsika i Jesosy, satria nampiasa ny Soratra Masina izy mba hampianarana sy hampaherezana ny olona. Nanao izany, ohatra, izy taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty. ‘Nohazavainy tsara’ tamin’ny mpianany roa lahy ny Soratra Masina, ary nanohina ny fon’izy ireo izany. (Lioka 24:32) Nanahaka azy i Paoly, ka “nandresy lahatra” ny olona, “niorina tamin’ny Soratra Masina.” “Faran’izay nazoto nandray ny teny” ireo olona nihaino azy tany Beria, “ka nandinika tsara ny Soratra Masina isan’andro.” (Asa. 17:2, 10, 11) Tena ilaina àry ny mamaky Baiboly isan’andro sy mamaky an’ireo boky ara-baiboly, mba hahazoantsika fampaherezana sy hampaherezantsika ny hafa. Tena ilaina koa izany satria manome fanantenana amin’izao fiainana feno olana izao.

Fomba hafa anomezana fampaherezana

15, 16. Inona avy no azontsika atao mba hanampiana sy hampaherezana ny mpiara-manompo?

15 Betsaka ny zavatra azo atao mba hanampiana sy hampaherezana ny mpiray finoana. Azo atao ny miantsena ho an’ny be taona na ny marary. Azo atao koa ny manampy ny rahalahy na anabavy sasany amin’ny raharaha ao an-trano. Mihevitra izay hahasoa azy isika amin’izany. (Fil. 2:4) Afaka midera ny mpiara-manompo koa isika noho ny toetra tsarany, ohatra hoe noho izy be fitiavana, na be herim-po, na manana finoana matanjaka, na koa mahay mitady hevitra.

16 Mampahery ny zokiolona isika, raha mitsidika azy ary mihaino azy tsara rehefa mitantara ny fiainany izy na miresaka ny fitahiana azony teo amin’ny fanompoany an’i Jehovah. Na isika koa aza mety hahazo fampaherezana avy amin’izany! Azontsika amakiana Baiboly na boky ara-baiboly koa izy ireny. Azo iarahana midinika aminy koa ny lahatsoratra hianarana mandritra ny herinandro, ohatra hoe izay hianarana amin’ny Tilikambo Fiambenana na ny Fianarana Baiboly Ataon’ny Fiangonana. Azo atao koa ny miara-mijery filma navoakan’ny fandaminana. Nahoana koa raha itantarana zavatra mampahery avy ao amin’ny bokintsika izy, na amakiana an’ilay izy mihitsy?

17, 18. Nahoana isika no afaka matoky fa hanohana sy hampahery ny mpanompony tsy mivadika i Jehovah?

17 Azontsika atao ny mivavaka ho an’ireo mpiara-manompo hitantsika hoe mila fampaherezana. (Rom. 15:30; Kol. 4:12) Raha misy olana manjo antsika nefa isika miezaka mampahery ny hafa, dia afaka matoky isika fa hampahery antsika koa i Jehovah. Hoy i Davida: “Apetraho amin’i Jehovah izay manavesatra anao, fa izy no hanohana anao. Tsy havelany hangozohozo mihitsy ny olo-marina.” (Sal. 55:22) Ho eo foana i Jehovah hampahery sy hanohana antsika. Tsy hanary ny mpanompony tsy mivadika mihitsy izy.

18 Hoy i Jehovah tamin’ny vahoakany fahiny: “Izaho Ilay mampionona anareo.” (Isaia 51:12) Azo antoka fa hampionona na hampahery antsika koa i Jehovah, ary hitahy ny ezaka ataontsika mba hampaherezana an’ireo ory. Na manantena ho any an-danitra isika, na manantena ho eto an-tany, dia mampahery antsika ny tenin’i Paoly tamin’ireo voahosotra namany hoe: “Tia antsika Andriamanitra Raintsika sady nanome antsika fampiononana mandrakizay sy fanantenana tsara, noho ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa. Koa enga anie i Jesosy Kristy Tompontsika sy io Andriamanitra Raintsika io samy hampionona ny fonareo sy hampahery anareo amin’izay asa sy teny tsara rehetra ataonareo!”—2 Tes. 2:16, 17.

Tadidinao Ve?

• Inona no porofo fa mandroso be ny asa fitoriana?

• Inona avy no azontsika atao mba hampaherezana ny hafa?

• Inona no porofo ara-baiboly mampiseho fa mampahery ny vahoakany i Jehovah?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 28]

Mampionona an’ireo ory ve ianao?

[Sary, pejy 30]

Samy afaka mampahery na ny tanora na ny be taona