Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana Isika no Mila ‘Miambina Hatrany’?

Nahoana Isika no Mila ‘Miambina Hatrany’?

Nahoana Isika no Mila ‘Miambina Hatrany’?

NANONTANY an’i Jesosy ny mpianany hoe: “Inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity?” (Mat. 24:3) Ao amin’ny Matio toko faha-24, sy ny Marka toko faha-13, ary ny Lioka toko faha-21 ny valiny nomen’i Jesosy. Mazava tsara sy amin’ny an-tsipiriany ny famantarana nomeny ao, ary ho mora hita ny fahatanterahany. Hoy anefa izy avy eo: “Miambena hatrany.”—Mat. 24:42.

Raha mora hita ilay famantarana, nahoana izy no nilaza hoe “miambena hatrany”? Handinika antony roa isika. Voalohany, mety hisy zavatra hahavariana antsika, ka hahatonga antsika tsy hiraharaha an’ilay famantarana. Mety hihamalemy finoana isika vokatr’izany, ary tsy hiambina intsony. Faharoa, mety ho tsy mitranga ao amin’ny faritra misy antsika ny famantarana sasany, ka na dia fantatsika aza hoe tanteraka izy ireny, dia mety tsy hanaitra antsika. Mety hieritreritra isika, vokatr’izany, hoe mbola ho ela ny “fahoriana lehibe,” ka mbola tsy ilaina ny ‘miambina.’—Mat. 24:21.

“Tsy niraharaha izy ireo”

Niresaka momba ny olona tamin’ny andron’i Noa i Jesosy. Hitan’ireo olona ireo fa nitory sy nanamboatra sambofiara goavam-be i Noa, ary voamarik’izy ireo tsara fa betsaka ny herisetra. “Tsy niraharaha” izany anefa izy ireo. (Mat. 24:37-39) Tsy miraharaha fampitandremana koa ny olona ankehitriny. Mety hisy soratra mazava be, ohatra, hoe: “Tsy azo anariana fako eto”, nefa mbola manao ihany ny olona. Mety ho tsy maintsy hasiana soratra indray hoe mandoa lamandy izay manary fako eo, mba hahatonga ny olona hatahotra kokoa. Mety ho hitantsika miharihary koa ny famantarana hoe andro farany izao, nefa tsy manao zavatra mifanaraka amin’izany isika. Izany no nitranga tamin’i Arielle, tovovavy any Afrika Andrefana.

Tia nijery lalao handibaolina vehivavy tamin’ny tele i Arielle, ka rehefa namorona ekipana handibaolina ny sekoliny, dia tena te hiditra tamin’io ekipa io izy. Tsy noeritreretiny hoe hanimba ny ara-panahiny izany. Nisoratra anarana ho mpiandry tsato-kazo àry izy ary nekena. Inona no nitranga taorian’izay? Hoy izy: “Nanana sipa nifoka sigara sy rongony ny ankizivavy sasany tao amin’ilay ekipa. Naneso ahy ry zareo, satria tsy manao hoatr’azy aho. Nieritreritra aho hoe tsy hisy vokany amiko izany. Tsy nampoiziko anefa fa nanimba tsikelikely ny ara-panahiko ilay lalao. Tena tiako ny handibaolina ka tany foana ny saiko, na dia tany am-pivoriana aza aho. Nanimba ny toetrako koa ilay izy. Lasa te handresy mafy mantsy aho, fa tsy hoe tia milalao fotsiny. Nanjary tia nifaninana aho, ka nanao fanazaran-tena mafy. Nitebiteby lava aho vokatr’izany, ary tsy noraharahaiko intsony ny namako sasany.

“Tamin’ny lalao iray izay aho vao tonga saina! Nahazo penality ny ekipa nifanandrina taminay, ary niomana hitanty an’ilay baolina aho. Tsy tandrintandriko fa nivavaka tamin’i Jehovah aho mba hampiany. Tonga saina aho tamin’izay hoe simba tokoa ny ara-panahiko. Inona no nataoko mba hifandraisana tamin’i Jehovah indray?

“Efa hitako taloha ilay DVD hoe Manontany ny TanoraInona no Hataoko eo Amin’ny Fiainana? * Te hijery an’ilay izy indray anefa aho ary hifantoka tsara. Mitovy amin’ny nanjo an’i Andry ao amin’ilay tantara mantsy ny nanjo ahy. Nampihariko ny torohevitra tao, indrindra fa ny tenin’ilay anti-panahy hoe vakio ny Filipianina 3:8 ary eritrereto tsara. Niala tamin’ilay ekipa aho vokatr’izany.

“Tena niova aho taorian’izay! Lasa tsy tia mifaninana intsony aho, ary tsy mitebiteby lava intsony. Sambatra kokoa aho izao, ary mifandray kokoa amin’ny mpiara-manompo. Ny fanompoana an’i Jehovah no ataoko loha laharana. Lasa mahafinaritra ahy ny fivoriana, ary mifantoka tsara aho any. Mihatsara koa ny fanompoako, ary mpisava lalana mpanampy tsy tapaka aho izao.”

Raha misy zavatra mahavariana anao tato ho ato, ka nahatonga anao tsy niraharaha ny famantarana nomen’i Jesosy, inona no tokony hataonao? Miezaha mafy toa an’i Arielle. Azonao jerena koa ny Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah, izay toy ny “sarintany manampy hahita harena sarobidy.” Misy loharanon-kevitra maro ao, ahitana torohevitra tsara sy tantaram-piainan’olona niatrika olana mitovy amin’ny anao. Tena handray soa koa ianao, raha manomana tsara ny fivoriana sy mandray an-tsoratra rehefa tonga any. Hitan’ny olona sasany hoe manampy azy ny mipetraka eny aloha. Miezaha hanome valin-teny aloha kokoa rehefa asaina mandray anjara ny mpanatrika. Hifoha ara-panahy hatrany koa ianao, raha ampitahainao amin’ilay famantarana nomen’i Jesosy sy ny faminaniana hafa momba ny “andro farany”, ny zavatra renao amin’ny vaovao.—2 Tim. 3:1-5; 2 Pet. 3:3, 4; Apok. 6:1-8.

‘Aoka ianareo ho vonona’

Efa mitranga any amin’ny toerana maro “maneran-tany” ny famantarana momba ny andro farany. (Mat. 24:7, 14) Mamely olona an-tapitrisany ny areti-mandringana, ny mosary, ny horohoron-tany ary ireo zavatra hafa nambara mialoha. Tsy mitranga any amin’ny toerana sasany anefa izany. Raha tsy mitranga any aminareo àry ny lafiny sasany amin’ilay famantarana, tokony hieritreritra ve ianao hoe mbola ho ela vao ho tonga ny fahoriana lehibe? Tsy mety ny mieritreritra toy izany.

Diniho, ohatra, ny momba ny “areti-mandringana sy mosary.” Voalohany, nilaza i Jesosy fa “hisy areti-mandringana sy mosary any amin’ny toerana samy hafa.” (Lioka 21:11) Ilay teny grika nadika hoe “any amin’ny toerana samy hafa”, dia midika hoe “hifandimby hitranga any amin’ny toerana samy hafa.” Midika izany fa tsy hitranga amin’ny fotoana iray, any amin’ny toerana rehetra, ilay famantarana. Faharoa, nampitandrina ny mpianany mba tsy hihinana tafahoatra i Jesosy, taoriana kelin’ny niresahany momba ny mosary. Hoy izy: “Mitandrema sao ny fonareo hovesaran’ny fihinanana tafahoatra.” (Lioka 21:34) Tsy hisy mosary àry any amin’ny toerana sasany, na dia hisy aza any an-toeran-kafa. Midika izany fa tsy ny zavatra rehetra voaresaka ao amin’ilay famantarana no hitranga ao amin’ny faritra misy antsika. Hoy kosa i Jesosy: ‘Rehefa hitanareo fa mitranga izany zavatra izany, dia fantaro fa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra.’ (Lioka 21:31) Afaka mahita ny fahatanterahan’ny famantarana rehetra isika, amin’ny alalan’ny fampitam-baovao, na dia tsy mitranga ao amin’ny faritra misy antsika aza izy ireny.

Tadidio koa fa efa noferan’i Jehovah ny “andro sy ora” hanombohan’ny fahoriana lehibe. (Mat. 24:36) Tsy hiova io fotoana io, na inona na inona zava-miseho eto an-tany.

Nampitandreman’i Jesosy toy izao ny Kristianina rehetra, na aiza na aiza misy azy: ‘Aoka ianareo ho vonona.’ (Mat. 24:44) Tokony ho vonona foana àry isika. Mazava ho azy fa tsy hoe hanao zavatra eo amin’ny lafiny ara-panahy foana isika tontolo andro. Tsy fantatsika koa hoe ho eo am-panaovana inona isika rehefa hanomboka ny fahoriana lehibe. Mety ho eny an-tsaha ny sasany, na ho eo am-panaovana raharaha. (Mat. 24:40, 41) Inona àry no tokony hataontsika mba ho vonona foana?

Diniho ny ataon-dry Emmanuel sy Victorine ary ny zanany enim-bavy, izay mipetraka atỳ Afrika. Tsy mitranga ao amin’ny tany misy azy ny zava-drehetra ao amin’ilay famantarana, ka miara-midinika hevitra ara-baiboly isan’andro izy ireo, mba ho vonona foana. Hoy i Emmanuel: “Sarotra ny nahita fotoana nety tamin’ny rehetra. Natao amin’ny 6.00 maraina ka hatramin’ny 6.30 àry ilay fianarana. Mandinika ny teny vakina izahay aloha, ary avy eo manomana fehintsoratra vitsivitsy amin’ny zavatra natao hianarana any am-pivoriana.” Manampy azy ireo hifoha ara-panahy hatrany izany. Anti-panahy mpandrindra izao i Emmanuel. I Victorine indray mpisava lalana mpanampy matetika, ary efa maro ny olona nampiany hanaiky ny fanamarinana. Mandroso tsara koa ny zanany.

Hoy i Jesosy: “Mitandrema hatrany sy miambena hatrany.” (Mar. 13:33) Aza avela hisy zavatra hahavariana anao àry, ka hahatonga anao tsy hiambina intsony. Manaova toa an’i Arielle ka ampiharo ny torohevitra omena any am-pivoriana sy ao amin’ireo zavatra navoakan’ny fandaminana. Manahafa koa an-dry Emmanuel, ka manaova zavatra isan’andro mba hahatonga anao ho vonona foana sy ‘hiambina hatrany.’

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Tantaran’ny tovolahy iray niezaka mafy hanao ny sitrapon’i Jehovah izy io.

[Sary, pejy 4]

Manampy an-dry Emmanuel mba ho “vonona” foana ny fiaraha-midinika hevitra ara-baiboly isan’andro