Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Torohevitra Momba ny Mpitovo sy ny Fanambadiana

Torohevitra Momba ny Mpitovo sy ny Fanambadiana

Torohevitra Momba ny Mpitovo sy ny Fanambadiana

‘Milaza izany aho mba handrisihana anareo ho amin’izay mety sy ho amin’izay atao hoe fanompoana ny Tompo mandrakariva tsy misy fieritreretana zavatra hafa.’—1 KOR. 7:35.

1, 2. Nahoana isika no mila mahafantatra izay lazain’ny Baiboly momba ny fijanonana ho mpitovo sy ny fanambadiana?

METY hahatsiaro sambatsambatra erỳ ianao rehefa mitepo fitiavana olona iray. Mety ho diso fanantenana koa anefa ianao na mety hatahotra. Mila ny tari-dalan’Andriamanitra isika mba hiatrehana izany. Mila ny fitarihany koa anefa isika amin’ny toe-javatra hafa. Mety ho tsapan’ny Kristianina iray, ohatra, hoe mety aminy ny fiainany amin’ny maha mpitovo azy, nefa ampirisihin’ny fianakaviany na ny namany izy hanambady. Ny sasany indray te hanambady fa mbola tsy mahita vady mety aminy. Misy koa miomana ho amin’ny fanambadiana. Ary na ny manambady, na ny tsy manambady, dia samy miatrika fakam-panahy haloto fitondran-tena.

2 Misy vokany eo amin’ny fahasambarantsika ireo toe-javatra ireo, sady misy vokany eo amin’ny fifandraisantsika amin’i Jehovah. Nanome tari-dalana momba ny fijanonana ho mpitovo sy ny fanambadiana àry i Paoly, ao amin’ny 1 Korintianina toko faha-7. Nandrisika ny mpamaky izy ao mba hanao ‘izay mety sy hanompo ny Tompo mandrakariva tsy misy fieritreretana zavatra hafa.’ (1 Kor. 7:35) Rehefa mandinika ny toroheviny àry ianao, dia eritrereto hoe azonao atao ny manatsara ny fanompoanao an’i Jehovah, na manambady ianao na tsia.

Fanapahan-kevitry ny tsirairay

3, 4. a) Inona no ataon’ny olona sasany, rehefa manahy be izy hoe mbola tsy manambady ny namany na ny havany? b) Nahoana ny tenin’i Paoly no manampy antsika hahay handanjalanja eo amin’ny resaka fanambadiana?

3 Tena zava-dehibe ny hoe manambady amin’ny kolontsaina maro, toy ny tamin’ny Jiosy tamin’ny taonjato voalohany ihany. Misy namana na havana àry mampirisika ny mpitovo hanambady, rehefa hitany hoe dila ny fotoana tokony hanambadiana ilay mpitovo nefa mbola tsy manambady. Mety hiteny izy ireo hoe mila miezaka kokoa hitady vady izy. Na hatorotorony azy hoe iza no olona mety aminy. Misy aza manao hafetsena mihitsy mba hampihaonana an’ireo mpitovo anankiroa. Mety hahamenatra sy hanimba fifandraisana ary handratra fo anefa ny fanaovana an’ireo.

4 Tsy nanery olona hanambady i Paoly, nefa koa tsy nanery olona tsy hanambady. (1 Kor. 7:7) Faly izy nanompo an’i Jehovah na dia tsy nanambady aza. Tsy nanakiana an’ireo te hanambady koa anefa izy. Ny tsirairay àry no manapa-kevitra raha hanambady izy na tsia. Tsy tokony hisy hanery azy amin’izany.

Afaka ny hahomby ny mpitovo

5, 6. Nahoana i Paoly no nampirisika ny Kristianina tsy hanambady?

5 Mampiavaka ny taratasin’i Paoly ho an’ny Korintianina ny filazany hoe tsara ny mijanona ho mpitovo. (Vakio ny 1 Korintianina 7:8.) Na dia tsy nanambady aza anefa i Paoly, dia tsy nihevitra ny tenany ho ambony kokoa noho ireo manambady, tahaka ny ataon’ireo mpitondra fivavahana sasany tsy manambady. Ny nasongadiny kosa dia hoe manana tombony ireo mpitory ny vaovao tsara tsy manambady. Inona izany tombony izany?

6 Matetika ny mpitovo no mahavita ny asa mety tsy ho vitan’ireo manambady. Nahazo tombontsoa manokana ho “apostoly ho an’ny hafa firenena”, ohatra, i Paoly. (Rom. 11:13) Vakio ange ny Asan’ny Apostoly toko faha-13 ka hatramin’ny faha-20 e! Ho hitanao ao ny dia misionera nataony niaraka tamin’ireo misionera hafa, rehefa nitory tany amin’ny faritra mbola tsy nisy nitory izy ireo, ary nanorina fiangonana tany amin’ny toerana samihafa. Niatrika olana maro tsy hanjo ny ankamaroantsika koa i Paoly, nandritra ny fanompoany. (2 Kor. 11:23-27, 32, 33) Niaritra an’izany anefa izy, satria faly izy nanampy ny olona ho tonga mpianatr’i Jesosy. (1 Tes. 1:2-7, 9; 2:19) Mety tsy ho nahavita izany rehetra izany i Paoly raha nanambady.

7. Manomeza ohatra mampiseho fa misy Kristianina mpitovo manararaotra ny maha mpitovo azy mba hampandrosoana ny asan’ilay Fanjakana.

7 Maro ny mpitovo mahay manararaotra, ka manao bebe kokoa amin’ny fanompoana. Mpisava lalana mpitovo any Bolivia, ohatra, i Sara sy Limbania. Nifindra tany amin’ny toerana tsy nitoriana efa an-taonany maro izy ireo. Tsy nisy herinaratra tany, nefa tsy niteraka olana izany. Hoy izy ireo: “Tsy misy tele na radio any, ka manam-potoana hamakiana teny ny olona. Io no fialam-boly tiany indrindra.” Mbola namaky ny bokintsika efa tsy natao pirinty hatramin’ny ela ny olona sasany tany, ary nasehony an’i Sara sy Limbania izany. Saika liana daholo ny olona, ka ela be vao vitan’izy ireo ilay faritany manontolo. Hoy ny vehivavy zokiolona iray: “Tonga ihany ny Vavolombelon’i Jehovah! Tena efa akaiky ny farany matoa mitranga izany!” Nanatrika fivoriana ny olona sasany tao amin’ilay tanàna, tsy ela taorian’izay.

8, 9. a) Nahoana i Paoly no nilaza hoe tsara ny mijanona ho mpitovo? b) Inona no tombony ananan’ireo Kristianina tsy manambady?

8 Marina fa mahita vokatra tsara koa ny Kristianina manambady, rehefa mitory any amin’ny faritany sarotra itoriana. Mety hisy fanendrena anefa sarotsarotra amin’ny olona manambady na manan-janaka. Hitan’i Paoly fa mbola betsaka ny asa tokony hatao eo amin’ny fitoriana ny vaovao tsara, rehefa nanoratra ho an’ny fiangonana izy. Tiany hahita fifaliana anefa ny rehetra, toa azy ihany. Izay no nahatonga azy hiteny hoe tsara ny mijanona ho mpitovo.

9 Hoy ny anabavy mpitovo iray any Etazonia: “Mieritreritra ny olona sasany hoe tsy afaka ny ho sambatra mihitsy ny mpitovo. Tsapako anefa fa afaka ny ho sambatra foana ianao, raha mifandray tsara amin’i Jehovah. Na dia mamoy zavatra sasany aza ny olona tsy manambady, dia fanomezana tena tsara ny hoe mpitovo, raha hainao ny manararaotra azy.” Hoy koa izy: “Tsy hoe misakana anao tsy ho sambatra ny fijanonana ho mpitovo, fa tena manampy anao ho sambatra. Fantatro fa tian’i Jehovah ny olona rehetra, na manambady izy na tsia.” Manitatra faritany izao io anabavy io, ary faly manao izany. Raha mpitovo ianao, azonao ampiasaina ve izany mba hanompoana bebe kokoa, ka hampianarana ny olona ny fahamarinana? Ho tsapanao, amin’izay, fa fanomezana sarobidy avy amin’i Jehovah ny hoe mpitovo.

Mpitovo maniry hanambady

10, 11. Ahoana no anampian’i Jehovah an’ireo te hanambady nefa mbola tsy nahita vady mety aminy?

10 Maro amin’ireo mpitovo no manapa-kevitra hitady vady, rehefa mandeha ny fotoana. Fantatr’izy ireo fa ilaina ny tari-dalana, ka mangataka fanampiana amin’i Jehovah izy ireo mba hahita vady mety aminy.—Vakio ny 1 Korintianina 7:36.

11 Raha te hanambady olona manompo an’i Jehovah amin’ny fony manontolo hoatra anao àry ianao, dia ataovy antom-bavaka izany. (Fil. 4:6, 7) Aza kivy raha voatery miandry ela kokoa. Matokia fa hanampy anao ilay Andriamanitra be fitiavana. Hanohana anao araka izay ilainao izy, mba hiatrehanao ny fihetseham-ponao.—Heb. 13:6.

12. Nahoana ny Kristianina iray no tokony hieritreritra tsara rehefa misy mangataka azy ho vady?

12 Ahoana raha maniry hanambady ianao, ary misy olona malemy ara-panahy na tsy Vavolombelona mangataka anao ho vadiny? Tadidio fa mety ho ratsy kokoa noho ny fahatsapana ho manirery mandritra ny maha mpitovo anao, ny fahoriana ho tsapanao raha tsy mety ny safidy ataonao. Tsarovy koa fa na ho tsara na ho ratsy ny tokantranonao, dia fatorana mandra-pahafaty ny fanambadiana. (1 Kor. 7:27) Aza mieritreritra àry hoe tsy hahita vady intsony ianao, raha tsy manambady an’io olona io. Mety hanenina ianao raha manambady azy.—Vakio ny 1 Korintianina 7:39.

Eritrereto izay tena hitranga ao amin’ny fanambadiana

13-15. Inona avy no zavatra mety hiteraka olana ao an-tokantrano, ka mila resahin’ny olon-droa mikasa hivady?

13 Tsy nanambany an’ireo manapa-kevitra hanambady i Paoly, na dia nampirisika ny Kristianina hijanona ho mpitovo aza. Natorony an’ireo mpivady aza hoe inona no tena mitranga ao an-tokantrano, ahoana no iatrehana izany, ary ahoana no hampaharitra ny fanambadiana.

14 Mety hila hanitsy ny zavatra antenainy amin’ny fanambadiana ny mpivady na ny olon-droa mikasa hivady. Misy olon-droa, ohatra, mieritreritra hoe mifankatia be izy ireo, ka azo antoka fa hahafinaritra be foana ny fiainany rehefa mivady izy. Mbola manonofinofy toy izany foana izy aorian’ny fanambadiany, ary mino fa tsy hisy na inona na inona hanimba ny fahasambarany. Tsy tena mijery ny zava-misy anefa ny olona toy izany. Miatrika olana ny tokantrano rehetra, ary tsy ampy hiatrehana izany ny orokoroka sy ny safosafo, na dia tena mahafaly aza.—Vakio ny 1 Korintianina 7:28. *

15 Maro amin’ny mpivady vao no gaga na diso fanantenana mihitsy, rehefa mahita hoe tsy mitovy hevitra izy sy ny vadiny amin’ny raharaha lehibe sasany. Mety tsy hitovy hevitra, ohatra, izy ireo momba ny fomba ampiasana ny vola, ny fialam-boly, ny toerana hipetrahana, ary ny hoe isaky ny inona no hamangy ny havan’ny andaniny sy ny ankilany. Samy manana kileman-toetra mahasorena ny vadiny koa izy ireo. Tsy dia miraharaha an’ireo ny mpifankatia sasany, nefa tena mety hiteraka olana izany rehefa ao an-tokantrano. Ilaina àry ny miresaka momba an’ireo, alohan’ny fanambadiana.

16. Nahoana ny mpivady no tokony hiray saina tsara rehefa miatrika zava-tsarotra?

16 Raha te hanana tokantrano sambatra ny mpivady, dia mila miray saina tsara rehefa miatrika zava-tsarotra. Tokony hifanaraka izy ireo hoe ahoana no hifehezana ny ankizy, na hikarakarana ny ray aman-dreny be taona. Tsy tokony hampisaratsaraka ny mpivady ny olana ara-pianakaviana. Tokony hampihatra ny torohevitry ny Baiboly kosa izy ireo, mba hahafahan’izy ireo hamaha olana maro, hizaka an’izay olana tsy voavaha, ary ho sambatra foana.—1 Kor. 7:10, 11.

17. Nahoana no lazaina hoe “manahy ny amin’izay an’izao tontolo izao” ny olona manambady?

17 Niresaka lafiny hafa momba ny fanambadiana i Paoly, ao amin’ny 1 Korintianina 7:32-34. (Vakio.) Nilaza izy fa ny olona manambady dia “manahy ny amin’izay an’izao tontolo izao”, ka anisan’izany ny sakafo, ny fitafiana, ny fialofana, ary ny zavatra hafa. Fa nahoana izany no mitranga? Mety hoe nanokana fotoana be hanompoana an’i Jehovah ny rahalahy iray, tamin’ny mbola tsy nanambady. Miova anefa izany rehefa manambady izy. Atokany mba hikarakarana ny vadiny ny ampahany amin’ny fotoana sy ny hery nanompoany taloha, mba hahazoany sitraka amin’ny vadiny. Toy izany koa no ataon’ny vehivavy. Takatr’i Jehovah tsara izany satria manana fahendrena izy. Takany fa ilaina izany fanovana izany mba hanamafisana ny fatoram-panambadiana.

18. Inona no fanitsiana mila ataon’ny olona sasany aorian’ny fanambadiana?

18 Misy lesona hafa koa anefa amin’ilay tenin’i Paoly. Raha atokana mba hikarakarana ny vady ny ampahany amin’ny fotoana sy ny hery nanompoana taloha, tsy mila atao toy izany koa ve ny fotoana sy ny hery nialana voly teo aloha? Izany tokoa! Eritrereto hoe inona no ho tsapan’ny vehivavy, raha mbola mandany fotoana be toy ny taloha ihany ny vadiny, mba hanaovana fanatanjahan-tena miaraka amin’ny namany? Ary inona no ho tsapan’ny lehilahy raha mbola manokana fotoana be toy ny taloha ny vadiny mba hialana voly miaraka amin’ny namany? Mety hahatsiaro ho manirery ny vady rehefa tsy raharahaina. Tsy ho sambatra izy, ary hieritreritra hoe tsy tian’ny vadiny. Afaka misoroka izany anefa ny mpivady, raha manao izay rehetra azo atao mba hanatsarana ny fifandraisan’izy ireo.—Efes. 5:31.

Mandidy antsika hadio fitondran-tena i Jehovah

19, 20. a) Nahoana no tsy voaro ho azy amin’ny fitondran-tena maloto ny olona manambady? b) Inona no mety hitranga raha tafasaraka ela be ny mpivady?

19 Tapa-kevitra hadio fitondran-tena ny vahoakan’i Jehovah. Misy Kristianina àry manapa-kevitra hanambady mba tsy haloto fitondran-tena. Tsy hoe rehefa manambady anefa dia voaro ho azy amin’ny fitondran-tena maloto. Nisy manda, ohatra, nanodidina ny tanàna fahiny mba hiarovana ny olona. Izay nijanona tao ihany anefa no voaro, fa mety ho voaroba na hisy hamono izay nivoaka tany ivelany. Toy izany koa fa nanome fitsipika momba ny firaisana ilay Mpamorona ny fanambadiana. Rehefa manaraka azy io ihany anefa ny mpivady vao ho voaro tsy haloto fitondran-tena.

20 Niresaka momba izany i Paoly ao amin’ny 1 Korintianina 7:2-5. Voalaza ao hoe tsy mahazo manao firaisana afa-tsy amin’ny vadiny ny lehilahy, ary toy izany koa ny vehivavy. Manana ‘adidy amin’ny vadiny’ ny lehilahy sy ny vehivavy manambady, izany hoe tokony hanaiky hanao firaisana amin’ny vadiny, satria zon’ny vadiny ny hahazo izany. Misy mpivady sasany anefa tafasaraka ela be noho ny asa, na satria ny anankiray amin’izy ireo lasa manao vakansy ela be miaraka amin’ny zanany na amin’olon-kafa. Tsy afaka manao ny “adidy” amim-bady izy ireo, noho izany. Ho loza tokoa raha resin’i Satana ny olona iray ka manitsakitsa-bady, satria ‘tsy nahay nifehy tena.’ Tahin’i Jehovah kosa ireo loham-pianakaviana miezaka mamelona ny ankohonany, nefa koa tsy manao izay hahatonga ny tokantranony ho tandindomin-doza.—Sal. 37:25.

Ankatoavy ny torohevitry ny Baiboly

21. a) Nahoana no sarotra ny manapa-kevitra hoe hijanona ho mpitovo sa hanambady? b) Nahoana no manampy antsika ny torohevitra ao amin’ny 1 Korintianina toko faha-7?

21 Anisan’ny fanapahan-kevitra sarotra indrindra ny hoe hijanona ho mpitovo na hanambady. Tsy lavorary mantsy isika rehetra, ary izany no tena mahatonga ny olana eo amin’ny fifandraisan’ny olona. Mety hisy foana àry ny fahadisoam-panantenana rehefa mifandray amin’olona, eny fa na dia amin’ny vady aza. Hisy foana izany na dia tahin’i Jehovah aza isika, ary na manambady isika na tsia. Maro anefa ny olana ho voasorokao, raha manaraka ny torohevitra ao amin’ny 1 Korintianina toko faha-7 ianao. Ankoatra izany, dia afaka ‘manao ny tsara’ eo anatrehan’i Jehovah ianao, na manambady na tsia. (Vakio ny 1 Korintianina 7:37, 38.) Ny hahazo sitraka aminy no tanjona tsara indrindra azonao tratrarina. Ho afaka hiaina mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovao ianao raha ankasitrahany. Tsy hisy olana intsony amin’izay eo amin’ny fifandraisan’ny lehilahy sy ny vehivavy.

[Fanamarihana ambany pejy]

Hainao Valiana Ve?

• Nahoana isika no tsy tokony hanery ny hafa hanambady?

• Inona no zavatra tsara indrindra azonao atao amin’ny maha mpitovo anao?

• Inona no tokony hataon’ny olon-droa mikasa hivady mba hiatrehana ny olana hitranga ao an-tokantrano?

• Nahoana no tsy voaro ho azy amin’ny fitondran-tena maloto ny olona manambady?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 14]

Ho faly ny Kristianina tsy manambady, raha mampiasa ny fotoanany mba hanompoana bebe kokoa

[Sary, pejy 16]

Inona no fanitsiana mila ataon’ny olona sasany aorian’ny fanambadiana?