Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ampio Hahazo Andraikitra Ireo Rahalahy

Ampio Hahazo Andraikitra Ireo Rahalahy

Ampio Hahazo Andraikitra Ireo Rahalahy

“Izay rehetra nahazo fampianarana tonga lafatra dia ho tahaka ny mpampianatra azy.”—LIOKA 6:40.

1. Ahoana no nataon’i Jesosy mba hisian’ny lehilahy hitarika ny asa eo anivon’ny fandaminana?

HOY ny apostoly Jaona, rehefa namarana ny Filazantsarany: “Misy zavatra maro hafa koa nataon’i Jesosy, ary raha nosoratana tamin’ny an-tsipiriany daholo izy ireny, dia ataoko fa na izao tontolo izao aza tsy ho omby ny horonam-boky voasoratra.” (Jaona 21:25) Niasa mafy i Jesosy teto an-tany, na dia fohy aza ny fotoana nanompoany. Nikaroka sy nampiofana lehilahy izy ary nampianatra azy ireo hitarika ny asa, rehefa tsy ho eo intsony izy. Efa ampy traikefa mba hitarika ny asa ireo lehilahy ireo, rehefa niakatra tany an-danitra i Jesosy tamin’ny taona 33. Mbola vitsy ny mpianatr’i Jesosy tamin’izay, nefa tsy ela dia lasa mpitory an’arivony.—Asa. 2:41, 42; 4:4; 6:7.

2, 3. a) Nahoana isika no tena mila maika rahalahy vonona hiantsoroka andraikitra? b) Inona no hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity?

2 Fito tapitrisa mahery izao ny mpitory ilay Fanjakana maneran-tany, ary iray hetsy mahery ny isan’ny fiangonana. Mila lehilahy maro koa àry isika ankehitriny, mba hitari-dalana eo amin’ny lafiny ara-panahy. Mila anti-panahy maika, ohatra, isika, ka raha misy rahalahy miezaka hahazo an’io andraikitra io, dia tena mendri-piderana izy ireo satria “maniry asa tsara.”—1 Tim. 3:1.

3 Tsy tonga dia mahafeno fepetra ho anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana anefa ny rahalahy. Tsy ny fianarana nataony, na ny fahaizany, na ny zavatra niainany fotsiny mantsy no hanampy ny rahalahy hiantsoroka andraikitra, fa mila mahafeno fepetra araka ny Soratra Masina koa izy, ary mila manana toetra kristianina. Ahoana àry no hanampiana an’ireo rahalahy mba hahafeno fepetra? Hoy i Jesosy: “Izay rehetra nahazo fampianarana tonga lafatra dia ho tahaka ny mpampianatra azy.” (Lioka 6:40) Nanampy ny mpianany mba hiantsoroka andraikitra lehibe i Jesosy Kristy, ilay Mpampianatra Tena Mahay. Hodinihintsika ato ny fomba sasany nampiofanany azy ireo, sy ny fomba azontsika anahafana azy.

‘Antsoiko hoe namana ianareo’

4. Ahoana no ahitana fa nataon’i Jesosy namana ny mpianany?

4 Tsy nihevitra an’ireo mpianany ho ambany i Jesosy fa nandray azy ireo ho namana. Niara-nanao zavatra tamin’izy ireo izy, natoky azy ireo, ary ‘nampahafantatra azy ireo izay rehetra reny tamin’ny Rainy.’ (Vakio ny Jaona 15:15.) Alao sary an-tsaina ny hafalian’ny mpianany, rehefa novalian’i Jesosy ilay fanontanian’izy ireo hoe: “Inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity?” (Mat. 24:3, 4) Nolazain’i Jesosy tamin’izy ireo koa izay tao an-tsainy sy tao am-pony. Hita, ohatra, izany tamin’ilay alina namadihana azy. Nentiny tao amin’ny Zaridainan’i Getsemane i Petera sy Jakoba ary Jaona, ary nivavaka tamin-kafanam-po izy. Tsy nafeniny tamin’izy ireo hoe nitebiteby be izy, ka takatr’izy telo lahy fa nisy zava-tsarotra tamin’izay. (Mar. 14:33-38) Niova tarehy koa i Jesosy taloha kelin’izay, ary nampahery azy telo lahy izany. (Mar. 9:2-8; 2 Pet. 1:16-18) Ninamana akaiky tamin’ny mpianany i Jesosy, ka izany no nanampy azy ireo hiantsoroka andraikitra lehibe tatỳ aoriana.

5. Ahoana no fomba itondran’ny anti-panahy ny mpiray finoana aminy?

5 Tokony hinamana amin’ny mpiray finoana aminy, sy hanampy azy ireo koa ny anti-panahy. Mifandray akaiky amin’izy ireo izy, ka miahy azy ireo. Marina fa tsy miresaka zavatra tsiambaratelo ny anti-panahy, kanefa tena miresaka amin’ny hafa izy. Matoky an’ireo rahalahiny ny anti-panahy, ary zarainy amin’izy ireo izay nianarany tao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Tsy heverin’izy ireo ho ambany ireo mpanampy amin’ny fanompoana zandriny kokoa. Mihevitra kosa izy ireo hoe olona araka ny fanahy izy ireny, manao asa tena sarobidy ho an’ny fiangonana, ary mbola afaka mandroso tsara.

“Modely no nomeko anareo”

6, 7. Inona no modely nomen’i Jesosy ny mpianany, ary inona no vokatr’izany tamin’izy ireo?

6 Tena tia ny Tenin’Andriamanitra ny mpianatr’i Jesosy, kanefa mbola nisy vokany teo amin’izy ireo ihany indraindray ny fomba nitaizana azy sy ny kolontsainy. (Mat. 19:9, 10; Lioka 9:46-48; Jaona 4:27) Tsy be fananarana na nandrahona azy ireo anefa i Jesosy. Tsy nangataka zavatra sarotra be koa izy, na nanao toy ny mpitari-bato vilam-bava. Nanome modely ho azy ireo kosa izy.—Vakio ny Jaona 13:15.

7 Inona no modely nomen’i Jesosy ny mpianany? (1 Pet. 2:21) Nanana fiainana tsotra izy, mba hahafahany manompo ny hafa. (Lioka 9:58) Nanetry tena izy ka nataony niorina tamin’ny Soratra Masina foana ny fampianarany. (Jaona 5:19; 17:14, 17) Mora nohatonina sy tsara fanahy koa izy. Be fitiavana izy, ka izay no nandrisika azy tamin’izay rehetra nataony. (Mat. 19:13-15; Jaona 15:12) Nisy vokany tsara tamin’ny apostoly ny ohatra navelany. Tsy natahotra ny ho faty, ohatra, i Jakoba, ka tsy nivadika tamin’Andriamanitra mihitsy, na dia tamin’ny fotoana namonoana azy aza. (Asa. 12:1, 2) Tsy nivadika koa i Jaona. Nanara-dia an’i Jesosy izy nandritra ny 60 taona mahery.—Apok. 1:1, 2, 9.

8. Inona no modely omen’ny anti-panahy ny rahalahy tanora kokoa na ny olon-kafa eo anivon’ny fiangonana?

8 Ho modely ho an’ny rahalahy tanora kokoa ny anti-panahy, raha mahafoy tena sy manetry tena ary be fitiavana. (1 Pet. 5:2, 3) Tokony hanana finoana matanjaka koa izy ireo, hahay hampianatra, ho tsara fitondran-tena, ary ho modely eny amin’ny fanompoana. Ho faly izy ireo raha manao izany, satria ho ohatra tsara ho an’ny hafa.—Heb. 13:7.

Nomen’i Jesosy toromarika izy ireo, ary ‘nirahiny’

9. Ahoana no ahitana fa nampiofana ny mpianany i Jesosy mba hanao ny asa fitoriana?

9 Rehefa avy nitory nandritra ny roa taona teo ho eo i Jesosy, dia nitariny ilay asa ka nirahiny hitory koa ireo apostoly 12. Nomeny tari-dalana anefa izy ireo talohan’ny handehanana hitory. (Mat. 10:5-14) Nomeny toromarika koa izy ireo indray mandeha, talohan’ny hizarana sakafo tamin’ny fomba mahagaga. Nolazainy azy ireo ny fomba handaminana an’ireo olona an’arivony nanatrika teo, ary natorony azy ireo ny fomba hizarana an’ilay sakafo. (Lioka 9:12-17) Nanome toromarika mazava sy voafaritra tsara i Jesosy mba hampiofanana ny mpianany. Tena nanampy ny apostoly ireny fampiofanana ireny, sady nampian’ny fanahy masina izy ireo, ka afaka nandamina ny asa fitoriana lehibe natao nanomboka tamin’ny taona 33.

10, 11. Inona avy no azo atao mba hampiofanana an’ireo vaovao?

10 Ampiofanina koa ny lehilahy ankehitriny, manomboka amin’izy vao mianatra Baiboly. Mila ampiana hamaky teny tsara angamba izy. Ampiantsika amin’ny zavatra hafa koa izy, rehefa mandroso ny fianarany. Mahazo fampiofanana fanampiny koa izy rehefa manatrika fivoriana tsy tapaka, ka mandray anjara amin’ny Sekolin’ny Fanompoana, na mitory, na mandray anjara amin’ny zavatra hafa. Azo ampiofanina hikojakoja Efitrano Fanjakana izy, rehefa vita batisa. Azo ampiana mba hahafeno fepetra ho lasa mpanampy amin’ny fanompoana izy, rehefa mandeha ny fotoana.

11 Ahoana no tokony hataon’ny anti-panahy rehefa manome andraikitra ny rahalahy vita batisa izy? Atorony azy ny fomba fiasan’ny fandaminana, ary omeny izay toromarika ilainy. Tokony hohazavainy tsara amin’ilay rahalahy hoe inona no zavatra andrasana aminy. Mety ho sahirana izy manao an’ilay asa, kanefa tsy tonga dia hihevitra ny anti-panahy be fitiavana hoe tsy ho vitany ilay izy. Ho tsara fanahy kosa ny anti-panahy ka hilaza aminy izay mila hahitsiny, ary hanazava indray ny zavatra andrasana aminy sy ny fomba hanaovana an’ilay asa. Faly ny anti-panahy, rehefa mampihatra tsara ny zavatra atoro azy ny rahalahy ka mahita fifaliana amin’ny fanompoana ny hafa.—Asa. 20:35.

‘Hendry izay mandray torohevitra’

12. Nahoana no nandaitra ny torohevitr’i Jesosy?

12 Nampiofana ny mpianany i Jesosy, ka nanome torohevitra azy ireo arakaraka izay nilainy. Niteny mafy an’i Jakoba sy Jaona, ohatra, izy, satria tian’izy ireo handatsahana afo avy any an-danitra ireo Samaritanina tsy nandray an’i Jesosy. (Lioka 9:52-55) Te hahazo toerana ambony ao amin’ny Fanjakan’i Jesosy koa izy roa lahy, ka nasain’izy ireo nangataka izany tamin’i Jesosy ny reniny. Notenenin’i Jesosy mivantana izy roa lahy tamin’izay hoe: “Ny hipetraka eo ankavanako sy eo ankaviako, dia tsy anjarako ny manome izany. Fa ho an’izay efa nanomanan’ny Raiko azy ihany izany toerana izany.” (Mat. 20:20-23) Nazava sy azo nampiharina foana ny torohevitr’i Jesosy, ary nifanaraka tamin’ny toro lalan’Andriamanitra. Nampianariny hieritreritra sy hanao zavatra mifanaraka amin’ireny toro lalana ireny ny mpianany. (Mat. 17:24-27) Niaiky koa anefa i Jesosy fa voafetra ny vitan’ireo mpianany, ka tsy nitaky zavatra be loatra tamin’izy ireo izy. Ny fitiavana no nahatonga azy hanome torohevitra.—Jaona 13:1.

13, 14. a) Iza no mila omena torohevitra? b) Inona ny torohevitra azo omena ny olona tsy mandroso?

13 Mila torohevitra araka ny Soratra Masina daholo ireo rahalahy miezaka hahazo andraikitra. Hoy ny Ohabolana 12:15: ‘Izay mandray torohevitra no hendry.’ Hoy ny rahalahy tanora iray: “Nieritreritra foana aho hoe tsy mahay, ary io no tena nanakana ahy tsy handroso. Nanampy ahy handresy an’izany anefa ny torohevitra nomen’ny anti-panahy.”

14 Raha tsy tena miaina mifanaraka amin’izay voalazan’ny Baiboly ny rahalahy iray, dia mila manitsy azy amim-pahalemem-panahy ny anti-panahy, satria manakana azy tsy handroso izany. (Gal. 6:1) Ilaina koa indraindray ny manoro hevitra ny rahalahy sasany noho ny toetrany. Ahoana, ohatra, raha kamokamo manompo ny rahalahy iray? Mety horesahin’ny anti-panahy aminy fa mpitory be zotom-po i Jesosy, ilay naniraka antsika hanao mpianatra. (Mat. 28:19, 20; Lioka 8:1) Ahoana indray raha misy rahalahy somary mieboebo? Azo resahina aminy izay nataon’i Jesosy, rehefa nampitandrina ny mpianany izy hoe ratsy ny faniriana ho ambony noho ny hafa. (Lioka 22:24-27) Ary ahoana raha tsy dia mora mamela heloka ilay rahalahy? Mety hanampy azy ilay fanoharana momba ny mpanompo tsy namela ny trosa keliny tany amin’ny hafa, nefa ny azy aza be lavitra, navelan’ny tompony. (Mat. 18:21-35) Rehefa hita hoe mila torohevitra ny olona iray, dia tsara raha atao faran’izay haingana izany.—Vakio ny Ohabolana 27:9.

‘Zaro foana ny tenanao’

15. Inona no azon’ny fianakaviana atao mba hanampiana ny loham-pianakaviana hanompo ny hafa?

15 Ny anti-panahy no tena tokony hampiofana an’ireo rahalahy, kanefa afaka manampy koa ny hafa. Afaka manampy, ohatra, ny vady aman-janany. Afaka manao izany foana izy ireo, na dia efa lasa anti-panahy aza ilay rahalahy. Ho vitan’ilay rahalahy tsara ny andraikiny raha tsy tia tena ny fianakaviany, fa mamela azy hiasa eo anivon’ny fiangonana. Ho faly ilay rahalahy satria mahafoy tena ny fianakaviany. Ankasitrahantsika koa ny toe-tsain’ireny fianakaviana ireny.—Ohab. 15:20; 31:10, 23.

16. a) Iza no tena mila miezaka raha te hahazo andraikitra? b) Inona no tokony hataon’ny rahalahy iray raha te ho anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana izy?

16 Marina fa afaka manampy an’ilay rahalahy hahazo andraikitra ny hafa. Izy mihitsy anefa no tena mila miezaka. (Vakio ny Galatianina 6:5.) Tsy voatery ho lasa anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana ilay rahalahy, vao afaka manampy ny hafa sy manompo amin’ny fomba feno. Tsy maintsy miezaka hameno an’ireo fepetra takin’ny Soratra Masina anefa izy, raha te hahazo an’ireo tombontsoam-panompoana ireo. (1 Tim. 3:1-13; Tit. 1:5-9; 1 Pet. 5:1-3) Ahoana àry raha te ho anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana ny rahalahy iray, nefa tsy voatendry? Mila mandinika tsara izy hoe inona no mila hiezahany. Hanampy azy amin’izany ny famakiana Baiboly isan’andro, ny fianarana samirery, ary ny fisaintsainana. Mila mivavaka avy amin’ny fo koa izy, ary mazoto manompo. Manaraka an’ity torohevitr’i Paoly ho an’i Timoty ity izy raha manao izany: ‘Zaro foana ny tenanao hanana fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra.’—1 Tim. 4:7.

17, 18. Inona no azon’ny rahalahy atao raha matahotra izy, na mihevitra ny tenany ho tsy mahay, na tsy maniry hahazo andraikitra?

17 Ahoana anefa raha tsy miezaka hahazo andraikitra ny rahalahy iray, satria matahotra na mihevitra ny tenany ho tsy mahay? Tokony hotadidiny fa tena manohana antsika i Jehovah sy Jesosy Kristy. “Mitondra ny entantsika isan’andro” mihitsy aza i Jehovah. (Sal. 68:19) Afaka manampy azy hahazo andraikitra àry Andriamanitra. Tokony hotadidin’ilay rahalahy koa fa tena ilaina ny rahalahy matotra hiantsoroka andraikitra eo anivon’ny fiangonana. Ho vonona handresy ny tahotra izy raha misaintsaina an’ireo, ary hiezaka izy mba tsy hieritreritra foana hoe tsy mahay. Afaka mangataka ny fanahy masina koa izy, satria tena manampy ny vokatry ny fanahy. Hanampy azy ho tony izy io, fa tsy hatahotra. Hanampy azy hifehy ny fihetseham-pony koa izy io, ka tsy hieritreritra intsony izy hoe tsy mahay. (Lioka 11:13; Gal. 5:22, 23) Afaka matoky koa izy fa tahin’i Jehovah foana ny olona mahafoy tena, miezaka hahazo andraikitra.

18 Ahoana indray raha ilay rahalahy mihitsy no tsy maniry hahazo andraikitra? Inona no hanampy azy? Hoy i Paoly: ‘Andriamanitra no miasa ao anatinareo. Amin’izay dia sady maniry ianareo no manatanteraka.’ (Fil. 2:13) Avy amin’Andriamanitra àry ilay faniriana hanao fanompoana masina, ary afaka manome hery an’ilay rahalahy ny fanahiny masina. (Fil. 4:13) Afaka mivavaka amin’Andriamanitra koa anefa izy mba hanampy azy hanao ny sitrapony, ka haniry hahazo andraikitra.—Sal. 25:4, 5.

19. Nahoana no mampahery antsika ny mahalala fa hisy ‘mpiandry fito, eny, andriana valo’ hitarika ny vahoakan’i Jehovah?

19 Tahin’i Jehovah ny ezaka ataon’ireo anti-panahy mba hampiofanana ny hafa. Tahiny koa ireo rahalahy mandray tsara ny fampiofanana azy, ka miezaka ho tonga anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana. Manome toky antsika ny Soratra Masina fa hisy ‘mpiandry fito, eny, andriana valo’ hitarika ny vahoakan’i Jehovah. Midika izany fa ho ampy foana ny rahalahy hitarika eo anivon’ny fandaminana. (Mika 5:5) Maro be ireo rahalahy manetry tena ka manaiky hampiofanina sy miezaka hahazo andraikitra. Tena mitondra dera ho an’i Jehovah izy ireny, sady andraisantsika soa!

Ahoana no Havalinao?

• Ahoana no nampiofanan’i Jesosy ny mpianany mba hiantsoroka andraikitra lehibe?

• Ahoana no anahafan’ny anti-panahy an’i Jesosy, rehefa mampiofana an’ireo rahalahy izy ireo?

• Inona no azon’ny fianakaviana atao, mba hanampiana ny loham-pianakaviana hanompo ny hafa?

• Inona no azon’ny rahalahy atao, raha te ho anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana izy?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 31]

Ahoana no azonao ampiofanana ny olona ampianarinao, mba hanampiana azy handroso?

[Sary, pejy 31]

Ahoana no hampisehoan’ireo rahalahy fa miezaka hahazo andraikitra izy?