Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ampio Ireo Lehilahy mba Hanompo An’i Jehovah

Ampio Ireo Lehilahy mba Hanompo An’i Jehovah

Ampio Ireo Lehilahy mba Hanompo An’i Jehovah

“Manomboka izao dia olona velona no ho azonao.”—LIOKA 5:10.

1, 2. a) Ahoana no nandraisan’ny lehilahy ny fitorian’i Jesosy? b) Inona no hodinihina ato amin’ity lahatsoratra ity?

NANDEHA sambo ho any amin’ny toerana mitokana iray i Jesosy sy ny mpianany indray andro, rehefa nitory tany Galilia. Nandeha an-tongotra nanaraka azy anefa ny vahoaka. “Lehilahy dimy arivo teo ho eo” no tonga tany amin’ilay toerana, “ankoatra ny zaza amam-behivavy.” (Mat. 14:21) Nisy vahoaka nanatona an’i Jesosy koa tatỳ aoriana, satria te hihaino azy sy hositraniny. Nisy “lehilahy efatra arivo” indray tamin’izay, “ankoatra ny zaza amam-behivavy.” (Mat. 15:38) Betsaka àry ny olona liana tamin’ny fampianaran’i Jesosy, ary anisan’izany ny lehilahy. Mbola nanantena anefa i Jesosy fa mbola hihamaro ny olona hanaiky ny fahamarinana. Hoy izy tamin’i Simona Petera, taorian’ny nahazoan’izy ireo trondro be dia be tamin’ny fomba mahagaga: “Manomboka izao dia olona velona no ho azonao.” (Lioka 5:10) Hanarato olona àry ny mpianatr’i Jesosy. ‘Hahazo’ olona isan-karazany izy ireo, ary hisy lehilahy maro hanaiky ny fahamarinana.

2 Liana amin’ny hafatra ara-baiboly torintsika koa ny lehilahy ankehitriny. (Mat. 5:3) Maro anefa no miahotra ka tsy tapa-kevitra hanompo an’i Jehovah. Ahoana no hanampiantsika azy ireny? Afaka manahaka an’i Jesosy isika. Marina fa tsy nanao ezaka manokana izy mba hitoriana tamin’ny lehilahy, nefa nanampy an’ireo lehilahy handroso izy. Misy olana telo mpahazo ny lehilahy ankehitriny. Manahy momba ny fivelomana izy ireo, na matahotra olona, na mihevitra ny tenany ho tsy mahay. Hodinihintsika izay nataon’i Jesosy, ary hojerentsika hoe ahoana no hanampiana ny lehilahy hiatrika an’ireo olana ireo.

Misy manahy momba ny fivelomana

3, 4. a) Inona no tena zava-dehibe amin’ny lehilahy maro? b) Nahoana izy ireo no mieritreritra fa ny mitady vola no zava-dehibe noho ny fanompoana an’Andriamanitra?

3 Hoy ny mpanora-dalàna iray tamin’i Jesosy: “Mpampianatra ô, hanaraka anao aho na aiza na aiza halehanao.” Nilaza anefa i Jesosy fa ‘tsy mba manana izay hametrahany ny lohany ny Zanak’olona.’ Takatr’ilay lehilahy avy tamin’izany, fa tsy ho azo antoka hoe hahita sakafo hohanina na trano hipetrahana izy raha manaraka an’i Jesosy. Toa tsy azoazony izany, matoa tsy voalaza ao amin’ny Baiboly hoe lasa mpanara-dia an’i Jesosy izy.—Mat. 8:19, 20.

4 Matetika ny lehilahy no mihevitra fa zava-dehibe kokoa noho ny fanompoana an’Andriamanitra ny vola sy ny asa. Ny hahazo diplaoma amin’ny fianarana ambony, sy ny hahazo asa tsara karama no tena zava-dehibe amin’ny lehilahy maro. Mihevitra izy ireo fa mahasoa kokoa ny mitady vola noho ny mianatra Baiboly sy mifandray akaiky amin’Andriamanitra. Mety ho liana amin’ny Baiboly ihany izy ireo, saingy mangeja azy ny “fanahiana eto amin’ity tontolo ity sy ny famitahan’ny harena.” (Mar. 4:18, 19) Mariho ny fomba nanampian’i Jesosy ny mpianany hahafantatra izay tokony hatao loha laharana eo amin’ny fiainana.

5, 6. Nahoana ny mpianatr’i Jesosy no niova, ka nihevitra fa ny fitoriana no zava-dehibe kokoa noho ny fivelomana?

5 Mpiara-miasa tamin’ny fanaratoana i Andrea sy Simona Petera rahalahiny. Toy izany koa i Jakoba sy Jaona rahalahiny, ary Zebedio rain’izy ireo. Nandeha tsara ny asany, ary nanakarama olona izy ireo hanampy azy. (Mar. 1:16-20) Resy lahatra anefa i Andrea sy Jaona hoe i Jesosy no Mesia, rehefa avy niresaka tamin’i Jaona Mpanao Batisa. Noresahin’i Andrea tamin’i Simona Petera izany, ary angamba koa noresahin’i Jaona tamin’i Jakoba. (Jaona 1:29, 35-41) Nandeha niara-nitory tamin’i Jesosy àry izy efatra ireo nandritra ny volana maromaro, ka nankany Galilia sy Jodia ary Samaria. Niverina tamin’ny fanaratoana indray anefa izy ireo avy eo. Tia ny fampianaran’i Jesosy izy ireo, saingy tsy ny asa fitoriana no loha laharana taminy.

6 Nahita an’i Petera sy Andrea indray i Jesosy tatỳ aoriana, ary nanasa azy ireo hanaraka azy sy ho “mpanarato olona.” Voalaza fa ‘nandao ny haratony avy hatrany i Petera sy Andrea, ka nanaraka an’i Jesosy.’ Toy izany koa no nataon’i Jakoba sy Jaona. ‘Nilaozan’izy ireo avy hatrany ny sambokely sy ny rainy, ary nanaraka an’i Jesosy izy ireo.’ (Mat. 4:18-22) Nahoana izy ireo no niova, ka nanaiky hanompo manontolo andro? Taitaitra fotsiny ve izy ireo, ka nanapa-kevitra maimaika? Tsy izany mihitsy. Nihaino ny fampianaran’i Jesosy izy ireo nandritra ireo volana maromaro niarahany, talohan’izay. Hitany koa ireo fahagagana nataon’i Jesosy, sy izy tsy nilefitra tamin’ny fitsipik’i Jehovah, ary ireo olona maro be liana tamin’ny fitoriana. Nanatanjaka ny finoan’izy ireo izany, ary nahatonga azy ireo hatoky kokoa an’i Jehovah.

7. Ahoana no atao mba hahatonga ny mpianatra Baiboly hatoky hoe afaka manome izay ilaintsika i Jehovah?

7 Ahoana no hanahafantsika an’i Jesosy, ka hanampiantsika an’ireo olona ampianarintsika mba hitoky amin’i Jehovah? (Ohab. 3:5, 6) Misy vokany be ny fomba fampianarantsika. Rehefa mampianatra isika, dia azontsika asongadina hoe homen’i Jehovah fitahiana be dia be izay manao an’ilay Fanjakana ho loha laharana. (Vakio ny Malakia 3:10; Matio 6:33.) Afaka mampiasa andinin-teny maro isika, mba hampisehoana fa manome izay ilain’ny vahoakany i Jehovah. Tena zava-dehibe koa anefa ny modely omentsika. Hanampy an’ilay mpianatra hitoky amin’i Jehovah ny fitantarantsika ny zavatra niainantsika. Afaka mitantara ny zavatra novakintsika tao amin’ny boky sy gazety koa isika. *

8. a) Nahoana ny mpianatra Baiboly no tena mila ‘manandrana’ sy mahatsapa hoe “tsara i Jehovah”? b) Ahoana no hanampiantsika ny mpianatra mba hahita fa tsara i Jehovah?

8 Tsy ampy mba hananana finoana matanjaka anefa ny mamaky sy mandre momba ny tantaran’olon-kafa. Ilay mpianatra mihitsy no mila mahatsapa hoe tsara i Jehovah, ka mitahy azy. Hoy ny mpanao salamo: “Andramo ka jereo fa tsara i Jehovah. Sambatra ny olona mialoka aminy.” (Sal. 34:8) Ahoana no hanampiantsika an’ilay mpianatra hahatsapa fa tsara i Jehovah? Aoka atao hoe manana olana ara-bola izy, nefa koa miezaka hiady amin’ny fahazaran-dratsy toy ny fifohana sigara, filokana, na fimamoana. (Ohab. 23:20, 21; 2 Kor. 7:1; 1 Tim. 6:10) Azontsika ampianarina hivavaka sy hangataka fanampiana amin’i Jehovah izy mba handreseny ny fahazaran-dratsiny. Rehefa mihatsara ny fiainany, dia ho tsapany hoe tsara i Jehovah. Azo ampirisihina koa izy mba hanao loha laharana ny ara-panahy, ka hianatra Baiboly isan-kerinandro, ary hanomana sy hanatrika fivoriana. Hihamatanjaka ny finoany rehefa izy mihitsy no mahatsapa hoe mitahy ny ezaka nataony i Jehovah.

Matahotra olona ny sasany

9, 10. a) Nahoana i Nikodemosy sy Josefa avy any Arimatia no tsy sahy nampiseho hoe nanara-dia an’i Jesosy izy? b) Nahoana no matahotra hanara-dia an’i Kristy ny lehilahy sasany?

9 Tsy sahy manara-dia an’i Kristy ny lehilahy sasany, satria matahotra an’ireo olona manodidina azy. Nanara-dia an’i Jesosy an-tsokosoko, ohatra, i Nikodemosy sy Josefa avy any Arimatia, satria natahotra izy ireo hoe ahoana no holazain’ny Jiosy na hataony amin’izy ireo, raha fantany izany. (Jaona 3:1, 2; 19:38) Nisy antony matoa izy ireo natahotra. Lasa nankahala an’i Jesosy mantsy ny mpitondra fivavahana, ka noroahina tao amin’ny synagoga izay olona nilaza fa mino azy.—Jaona 9:22.

10 Mety henjehin’ny mpiara-miasa na namana na fianakaviana ny lehilahy, raha te hahafantatra momba an’Andriamanitra, na liana amin’ny Baiboly sy ny fivavahana. Mety hampidi-doza aza any amin’ny tany sasany ny miteny hoe hiova fivavahana. Mety ho mafy koa ny fanerena, raha miasa amin’ny tafika ilay lehilahy, na manao politika, na manana toerana ambony eo amin’ny fiaraha-monina. Hoy ny lehilahy iray any Alemaina: ‘Ekeko hoe marina ny zavatra torinareo momba ny Baiboly. Raha lasa Vavolombelon’i Jehovah anefa aho androany, rahampitso izany dia ho fantatry ny olona rehetra! Ahoana hozy ny mpiara-miasa amiko, ny mpiray tanàna, ny namana, ary ny fianakaviako? Ahoana no ho fiheveran’izy ireo ahy? Tsy ho tantiko izany.’

11. Ahoana no nanampian’i Jesosy ny mpianany handresy ny tahotra olona?

11 Tsy kanosa ny apostolin’i Jesosy, nefa natahotra olona ihany. (Mar. 14:50, 66-72) Ahoana no nanampian’i Jesosy azy ireo? Nampiomaniny hiatrika fanenjehana izy ireo. Hoy izy: “Sambatra ianareo raha halan’ny olona, sy ailikiliny, ary tevatevainy ka laviny toy ny zava-dratsy ny anaranareo, noho ny amin’ny Zanak’olona.” (Lioka 6:22) Nilaza i Jesosy fa tokony hampoizin’ny mpianany hoe hisy hanevateva izy ireo. Ary na inona na inona fanevatevana hataon’ny olona, dia “noho ny amin’ny Zanak’olona” izany. Nilaza koa i Jesosy fa hanohana azy ireo Andriamanitra, raha mangataka aminy izy ireo mba hahazo hery sy fanampiana. (Lioka 12:4-12) Ankoatra izany, dia nasain’i Jesosy hifandray sy hinamana amin’ny mpianany ireo mpianatra vaovao.—Mar. 10:29, 30.

12. Ahoana no hanampiantsika ny mpianatra Baiboly mba handresy ny tahotra olona?

12 Mila ampiantsika handresy ny tahotra olona koa ny olona ampianarintsika. Matetika no mora atrehina kokoa ny olana rehefa eritreretina mialoha. (Jaona 15:19) Ampio, ohatra, ilay mpianatra mba hanomana valin-teny tsotra sy voalanjalanja tsara, miorina amin’ny Baiboly, mba hahafahany hamaly ny fanontaniana sy ny fanoheran’ny mpiara-miasa aminy na ny olon-kafa. Tokony hinamana aminy koa ianao. Ampifankahalalao amin’ny olona eo anivon’ny fiangonana koa izy, indrindra fa ireo olona manan-javatra iombonana aminy. Tokony hampianarina hivavaka tsy tapaka sy avy amin’ny fo koa izy, mba ho lasa akaiky an’i Jehovah. Ho Vatolampy Fialofana ho azy i Jehovah amin’izay, ka tsy hatahotra olona intsony izy.—Vakio ny Salamo 94:21-23; Jakoba 4:8.

Mihevitra ny tenany ho tsy mahay ny sasany

13. Nahoana no mihevitra ny lehilahy sasany, fa tsy ho vitany mihitsy ny zavatra ataon’ny hafa eo anivon’ny fiangonana?

13 Mety hihevitra ny lehilahy sasany, fa tsy ho vitany mihitsy ny zavatra ataon’ny hafa eo anivon’ny fiangonana. Tsy mahay mamaky teny tsara angamba izy ireo, na tsy dia mahay miresaka, na saro-kenatra. Misy indray sadaikatra milaza ny heviny na ny fihetseham-pony eny imason’olona. Mety ho mafy be amin’izy ireo izany hoe hianatra, hamaly any am-pivoriana, na hitory. Sarotra tamin’ny rahalahy iray ny nitory tamin’izy mbola tanora, ka hoy izy: ‘Nandeha haingana nankeny amin’ny varavarana iray aho, dia mody manao paozin’olona mandondòna. Mitsaitsaika miala teo aho avy eo, sady manantena hoe tsy nisy nahita na nandre. Nandraiky narary mihitsy aho isaky ny mieritreritra hoe hitory isan-trano.’

14. Nahoana no tsy vitan’ny mpianatr’i Jesosy ny nanasitrana ankizilahy iray nisy demonia?

14 Lasa tsy natoky tena ny mpianatr’i Jesosy, rehefa tsy nahavita nanasitrana ankizilahy iray nisy demonia. Nanatona an’i Jesosy ny rain’ilay ankizilahy, ary niteny hoe: ‘Voan’ny androbe ny zanako lahy ka marary. Fa matetika izy no mianjera ao anaty afo, ary matetika ao anaty rano. Nentiko tany amin’ny mpianatrao izy, saingy tsy vitan’izy ireo ny nanasitrana azy.’ Navoakan’i Jesosy ilay demonia, ka sitrana ilay ankizilahy. Nanontany an’i Jesosy ny mpianany avy eo hoe: “Nahoana no tsy vitanay ny namoaka an’iny?” Hoy i Jesosy: “Noho ny hakelin’ny finoanareo. Fa lazaiko aminareo marina tokoa fa raha manam-pinoana ianareo, na bitika toy ny voan-tsinapy aza, ary hilaza amin’irỳ tendrombohitra irỳ hoe: ‘Mifindrà erỳ’, dia hifindra izy ary tsy hisy tsy ho vitanareo.” (Mat. 17:14-20) Mila mino an’i Jehovah ny olona iray mba handresena olana lehibe toy ny tendrombohitra. Ahoana anefa raha hadinony izany, ka lasa matoky ny fahaizany fotsiny izy? Mety tsy hahomby izay hataony, ka hanjary tsy hatoky tena izy.

15, 16. Ahoana no hanampiantsika ny mpianatra Baiboly, raha mihevitra ny tenany ho tsy mahay izy?

15 Ahoana no hanampiana ny mpianatra Baiboly, raha mihevitra ny tenany ho tsy mahay izy? Ampirisiho izy hifantoka amin’i Jehovah fa tsy amin’ny tenany. Hoy i Petera: “Manetre tena eo ambanin’ny tana-maherin’Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin’ny fotoana voatondrony, ary apetraho aminy daholo izay rehetra mampanahy anareo.” (1 Pet. 5:6, 7) Mila ampiantsika ho tia an’i Jehovah ilay mpianatra. Rehefa lasa tia an’i Jehovah mantsy izy, dia ho sarobidy aminy ny tari-dalan’i Jehovah. Ho tia ny Tenin’Andriamanitra izy, ary haneho ny “vokatry ny fanahy.” (Gal. 5:22, 23) Ho zava-dehibe aminy koa ny vavaka. (Fil. 4:6, 7) Hatoky koa izy hoe hanome azy herim-po sy hery i Jehovah mba hahafahany hanatanteraka izay anjara na andraikitra omena azy, sy mba hahafahany hiatrika izay olana mahazo azy.—Vakio ny 2 Timoty 1:7, 8.

16 Mila ampiantsika ny mpianatra sasany mba hahay hamaky teny tsara, hahay hiresaka, na hahay handaha-teny. Misy koa mila fanampiana, satria mieritreritra hoe tsy mendrika hanompo an’Andriamanitra izy, noho ny fahotana nataony talohan’ny nahalalany an’i Jehovah. Tokony ho be fitiavana sy hanam-paharetana isika rehefa manampy mpianatra, satria mety ho izay mihitsy no ilainy. Hoy i Jesosy: “Tsy ny olona salama no mila dokotera, fa ny marary.”—Mat. 9:12.

Mitadiava lehilahy maro kokoa

17, 18. a) Ahoana no ahitantsika lehilahy maro kokoa eny amin’ny fanompoana? b) Inona no hianarantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

17 Tiantsika ho be dia be ny lehilahy hanaiky an’ilay hafatra mahasambatra, izay tsy hita afa-tsy ao amin’ny Baiboly ihany. (2 Tim. 3:16, 17) Ahoana àry no ahitantsika lehilahy betsaka araka izay azo atao rehefa manompo? Manandrama mitory amin’ny takariva, na rehefa asabotsy sy alahady, na amin’ny andro fety rehefa ao an-trano ny ankamaroan’ny lehilahy. Afaka mangataka ny hiresaka amin’ny lehilahy ao an-trano koa ianao rehefa mitory, raha azo atao. Miezaha hitory tsy ara-potoana amin’ny lehilahy miara-miasa aminao, raha mety, na miresaha amin’ny vadin’ireo anabavy, tsy Vavolombelona.

18 Mitory amin’ny olona rehetra araka izay azo atao isika, ary azontsika antoka hoe handray izay olona tso-po. Tsara àry raha manampy an’izay rehetra liana amin’ny fahamarinana isika, ary hanana faharetana eo am-panaovana izany. Ahoana anefa no hanampiana an’ireo rahalahy vita batisa, mba hiezaka hahafeno fepetra ka hahazo andraikitra eo anivon’ny fandaminan’i Jehovah? Hamaly izany ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Jereo ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah, sy ny tantaram-piainana ao amin’ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!

Ahoana no Havalinao?

• Ahoana no hanampiantsika ny lehilahy, mba hihevitra fa ny ara-panahy no tokony hatao loha laharana eo amin’ny fiainana?

• Ahoana no hanampiantsika an’ireo mpianatra vaovao mba tsy hatahotra olona?

• Ahoana no azontsika anampiana ny mpianatra Baiboly, raha mihevitra ny tenany ho tsy mahay izy?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 25]

Miezaka mitory amin’ny lehilahy ve ianao?

[Sary, pejy 26]

Tsy maintsy hiatrika fitsapana ny mpianatra Baiboly, ka mila ampiomanina mialoha