Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Faly ve Ianao Manome ho An’i Jehovah?

Faly ve Ianao Manome ho An’i Jehovah?

Faly ve Ianao Manome ho An’i Jehovah?

NAZOTO nanohana ny fivavahana marina ny Kristianina tany Filipy. Nanoratra toy izao ho azy ireo ny apostoly Paoly: “Misaotra an’Andriamanitro mandrakariva aho isaky ny mahatsiaro anareo sy isaky ny mitalaho amim-pifaliana ho anareo. Misaotra azy aho noho ny fandraisanareo anjara hampandroso ny vaovao tsara, hatramin’ny andro voalohany ka mandraka ankehitriny.” (Fil. 1:3-5) Tsaroan’i Paoly tsara ny nataon’i Lydia sy ny fianakaviany, rehefa avy natao batisa izy ireo. Tsy namelany i Paoly sy ny namany raha tsy niantrano tao aminy.—Asa. 16:14, 15.

Nijanona herinandro vitsivitsy tao amin’ny mpiara-manompo tany Tesalonika i Paoly, tsy ela taorian’izay. Any amin’ny 160 kilaometatra eo ho eo avy eo Filipy izy io, nefa nandefa vatsy indroa tany ilay fiangonana vao niforona tao Filipy. (Fil. 4:15, 16) Ren’ireo Kristianina tao Filipy sy Makedonia koa, taona vitsivitsy taorian’izay, hoe nenjehina ireo rahalahy tany Jerosalema ary nila fanampiana. Te hanampy izy ireo, na dia tao anatin’ny fahoriana sy “nahantra be” aza, ary na dia “mihoatra noho izay zakany” aza izany. Nilaza i Paoly fa ‘niangavy mafy tsy an-kijanona izy ireo, mba hahafahany haneho hatsaram-panahy’, ka handefa fanomezana ho any Jerosalema.—2 Kor. 8:1-4; Rom. 15:26.

Mbola tia nanome foana ireo Filipianina ireo, folo taona teo ho eo taorian’ny nahalasa Kristianina azy. Ren’izy ireo hoe nigadra tany Roma i Paoly, ka naniraka an’i Epafrodito izy ireo mba hitondra fanampiana ho azy. Nanao dia an-tanety sy an-dranomasina 1 287 kilaometatra io iraka io mba hahatongavana tany. Nanao izany rehetra izany ireo Filipianina, satria tian’izy ireo ho afaka hitory sy hampahery an’ireo rahalahy foana i Paoly na dia tany am-ponja aza.—Fil. 1:12-14; 2:25-30; 4:18.

Faly koa ny tena Kristianina ankehitriny manohana ny fitoriana ilay Fanjakana sy ny asa fanaovana mpianatra. (Mat. 28:19, 20) Manome ny fotoanany sy ny heriny ary ny volany izy ireo, mba hampandrosoana ny asan’ilay Fanjakana. Afaka manohana ny asa fitoriana koa ianao, ary misy fomba vitsivitsy azo anaovana izany eo amin’ny efajoro eo ambany.

[Efajoro, pejy 22, 23]

FOMBA FIDIN’NY OLONA SASANY ANAOVANA FANOMEZANA

FANOMEZANA HO AN’NY ASA MANERAN-TANY

Maro ny olona manokana vola hatao fanomezana, ka mandrotsaka izany ao amin’ny boatin’ny fiangonana misy soratra hoe “Fanomezana ho An’ny Asa Fitoriana Maneran-tany.”

Alefan’ny fiangonana any amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah eo an-toerana ireny vola ireny isam-bolana. Azon’ny tsirairay alefa mivantana koa anefa ny vola fanomezana an-tsitrapo, ka alefa any amin’ny Biraon’ny Mpitahiry Vola, Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly eto Madagasikara (FI.MPI.BA.MA.), B.P. 116, 105 Ivato. (Azo alefa any amin’io birao io koa ireo fanomezana voatonona etsy amin’ny ilany.) Tokony hatao amin’ny anaran’ny “FI.MPI.BA.MA.” ny seky rehetra. Azo atao koa ny manome firavaka na zava-tsarobidy hafa. Tokony hampiarahina amin’ny taratasy fohy anefa ilay zavatra, ka lazaina ao hoe fanomezana tsy misy fepetra ilay izy. Antsoina hoe fanomezana tsy misy fepetra ny vola na zavatra omenao, rehefa tsy misy fepetra lazainao momba an’ilay izy.

FANOMEZANA VOLA MISY FEPETRA

Azonao atao ny manome vola misy fepetra. Afaka mametraka fepetra, ohatra, ianao hoe haverina aminao ilay vola rehefa mangataka izany ianao. Mifandraisa amin’ny Biraon’ny Mpitahiry Vola, mba hahazoanao fanazavana fanampiny.

FOMBA FANOMEZANA HAFA

Misy fomba tsotra koa azo anaovana fanomezana. Afaka manokana ampahany amin’ny zaridainanao na amin’ny taninao ianao, na mifidy biby vitsivitsy amin’ireo biby ompianao, na mifidy hazo fihinam-boa vitsivitsy eo amin’ny sahanao. Atokano foana izay vokatra azo amin’ilay tany, na biby, na hazo fihinam-boa. Amidio foana izany, ka izay vola azo dia arotsahy ao amin’ny boatin’ny fiangonana misy soratra hoe “Fanomezana ho An’ny Asa Fitoriana Maneran-tany.” Mbola misy fomba hafa koa anefa ireto:

Fiantohana: Azo soratana amin’ny anaran’ny FI.MPI.BA.MA. ny vola avy amin’ny fifanekem-piantohana aina na ny fisotroan-dronono.

Kaonty any Amin’ny Banky: Azo soratana amin’ny anaran’ny FI.MPI.BA.MA. ny kaonty any amin’ny banky, na ny kaonty misy ny fisotroan-dronono. Azo atao koa anefa ny mifanaraka amin’ny banky hoe ny FI.MPI.BA.MA. no haka ny volanao ao amin’ilay kaonty, rehefa maty ianao. Tokony hatao mifanaraka amin’ny fepetra apetraky ny banky ireo rehetra ireo.

Trano sy Tany: Azo atao fanomezana tsy misy fepetra ny trano sy tany azo amidy. Azo atao fanomezana misy fepetra koa anefa izany. Ohatra hoe mbola ho fanananao ilay izy izao, na mbola tianao hipetrahana, fa rehefa maty ianao no lasan’ny FI.MPI.BA.MA. ilay izy. Mifandraisa amin’ny biraon’ny sampana, alohan’ny hamindrana trano sy tany ho amin’ny anaran’ny FI.MPI.BA.MA.

Didim-pananana sy Fanankinam-pananana: Azo ampandovaina fananana na vola ny FI.MPI.BA.MA., nefa tokony hisy didim-pananana ara-dalàna atao mba hampanan-kery an’ilay izy. Misy koa mahazo tombony amin’ny taniny na fananany hafa, ankininy amin’ny olona na orinasa, ary tiany ny hizara ilay tombony amin’ny FI.MPI.BA.MA. Tokony hosoratany mazava tsara ao amin’ny fifanarahana ifanaovany amin’ilay olona na orinasa anefa izany. Mety hihena ny hetra aloanao, rehefa manasoa fikambanana ara-pivavahana ianao.

Raha mila fanazavana fanampiny ianao, dia manorata na miantsoa any amin’ny Biraon’ny Mpitahiry Vola, araka ny adiresy eto ambany.

Biraon’ny Mpitahiry Vola

Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly eto Madagasikara (FI.MPI.BA.MA.)

Telefaonina: 22 448 37 na 033 02 448 37

B.P. 116

105 Ivato