Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Tamin’ny firy marina i Jesosy Kristy no nofantsihana teo amin’ny hazo fijaliana?

Mipetraka io fanontaniana io, satria hoatran’ny mifanipaka ny voalazan’ny Filazantsaran’i Marka sy ny Filazantsaran’i Jaona. I Marka milaza hoe tamin’ny “ora fahatelo” i Jesosy no nofantsihan’ny miaramila teo amin’ny hazo fijaliana. (Mar. 15:25) I Jaona indray milaza hoe “tamin’ny ora fahenina teo ho eo” i Jesosy no natolotr’i Pilato an’ireo Jiosy, mba hofantsihana. (Jaona 19:14-16) Nanome fanazavana isan-karazany momba izany ireo mpivaofy teny ara-baiboly. Tsy ampy mba hanazavana an’ilay fahasamihafana anefa ny zavatra voalazan’ny Soratra Masina. Na izany aza, dia afaka manampy antsika ihany ny fahafantarana hoe ahoana no nilazan’ny Jiosy ny ora tamin’ny taonjato voalohany.

Nozarain’izy ireo 12 ny fotoana mampahazava ny andro, ka maharitra 12 ora ny faharetan’ny andro manomboka amin’ny fiposahan’ny masoandro hatramin’ny filentehany. (Jaona 11:9) Nataon’izy ireo hoe “ora fahatelo” ny amin’ny valo ka hatramin’ny sivy maraina, ary “ora fahenina” ny amin’ny iraika ambin’ny folo ka hatramin’ny mitataovovonana. Mazava ho azy fa miovaova arakaraka ny fizaran-taona ny fotoana iposahan’ny masoandro sy ilentehany, ka miovaova araka izay koa ny halavan’ny andro. Arakaraka ny fipetraky ny masoandro koa no namaritan’ny olona ny ora, ka izany no nahatonga ny ora tamin’izany tsy ho voafaritra be. Ny ora fahatelo sy ny ora fahenina ary ny ora fahasivy no ampiasain’ny Soratra Grika Kristianina amin’ny ankapobeny. Malalaka be matetika ny fotoana tondroin’ireo ora ireo. (Mat. 20:3, 5; Asa. 10:3, 9, 30) Tsy dia ampiasaina ny ora voafaritra kokoa toy ny hoe “ora fahafito”, raha tsy hoe tena zava-dehibe amin’ny fizotran’ilay tantara ilay izy.—Jaona 4:52.

Samy mitantara ny zava-nitranga farany tamin’ny fiainan’i Jesosy ny Filazantsara efatra, ary mitovy ny fotoana lazain’izy ireo hoe nitrangan’izy ireny. Samy taorian’ny vao mangiran-dratsy ny fotoana nolazain’izy ireo fa nivorian’ny mpisorona sy ny anti-panahy, ary nitondrana an’i Jesosy tany amin’i Pontio Pilato, governora romanina. (Mat. 27:1; Mar. 15:1; Lioka 22:66; Jaona 18:28) Samy milaza koa i Matio sy Marka ary Lioka fa nisy haizina nanomboka tamin’ny ora fahenina ka “hatramin’ny ora fahasivy.” Efa teo amin’ny hazo fijaliana i Jesosy tamin’ny ora fahenina.—Mat. 27:45, 46; Mar. 15:33, 34; Lioka 23:44.

Misy zava-dehibe iray koa ity: Nihevitra ny olona sasany fa efa tafiditra amin’ny zavatra atao amin’ny famonoana na famantsihana olona iray ny fikapohana na ny fikaravasiana azy. Mafy be ilay kapoka indraindray, ka maty amin’iny fotoana iny ilay olona. Tena mafy, ohatra, ny kapoka nahazo an’i Jesosy, ka tsy tongany hatrany amin’ny farany ilay hazo hamantsihana azy, fa nasaina nentin’olon-kafa. (Lioka 23:26; Jaona 19:17) Raha isaina ho anisan’ny famantsihana an’i Jesosy àry ny fikapohana azy, dia azo lazaina hoe efa nanomboka aloha kokoa ilay fotoana namantsihana. Mety tsy hitovy àry ny fotoana lazain’ny olona hoe namantsihana an’i Jesosy, arakaraka ny fiheveran’ilay olona ny hoe manomboka aiza ny fotoana famonoana.

Am-polony taona taorian’ny nanoratana ny Filazantsara telo hafa i Jaona, vao nanoratra ny Filazantsarany. Afaka nijery an’ireo Filazantsara ireo izy, raha tiany. Tsy mitovy amin’ny fotoana nosoratan’i Marka anefa ny nosoratany, ka hita fa tsy nandika fotsiny izay nosoratan’i Marka izy. Samy notarihin’ny fanahy masina na i Marka na i Jaona. Afaka matoky izay voalazan’ireo Filazantsara àry isika, na dia tsy ampy mba hanazavana an’ilay fahasamihafana aza ny zavatra voalazan’ny Baiboly.